Filadelfia
[Firaiketam-po eo Amin’ny Mpirahalahy](Filàdelfìa).
Tanàna tany amin’ny ilany andrefan’i Azia Minora. Nosoratana ho an’ny fiangonana kristianina tao ny iray tamin’ireo taratasy fito ao amin’ny Apokalypsy. (Ap 1:11; 3:7-13) Tanàna tany Lydia i Filadelfia, izay teo amin’ny faritra be havoana marin-tampona teo atsimon’ny Reniranon’i Cogamis, tokotokony ho 45 km tany atsimoatsinanan’i Sardisy, ary 80 km tany avaratrandrefan’i Laodikia. Tamin’ny taonjato faharoa T.K. ilay tanàna no naorin’i Eumène II mpanjakan’i Pergamosy na i Attale II (Philadelphus) rahalahiny. Nampitondraina ny anaran’i Philadelphus ilay tanàna. Teo amin’ny vava lohasaha lehibe iray no nisy an’ilay tanàna. Nandalo an’i Sardisy io lohasaha io ka tonga hatrany Smyrna (Izmir ankehitriny) eo amoron-tsiraka. Nisy lalana nampifandray an’i Filadelfia tamin’ny morontsiraka sy ny tanànan’i Pergamosy tany avaratra ary Laodikia tany atsimoatsinanana. Avy tao Filadelfia ny lalana nankany afovoan’i Frijia.
Tanàna tena mpamokatra divay i Filadelfia, ka i Dionysos, andriamanitry ny divay, no andriamanitra lehibe indrindra tao. Imbetsaka no nisy horohoron-tany tao Filadelfia, fa ilay tamin’ny taona 17 no nandrava azy io. Nahazo fanampiana avy tany Roma ilay tanàna, ka naverina naorina indray ary nomena anarana hoe Neokaisaria (Kaisaria Vaovao), sy hoe Flavia tatỳ aoriana. Alasehir ankehitriny no anaran’ilay toerana. Avy tao Filadelfia no niely nanerana an’i Azia Minora ny kolontsaina grika.
Toa nisy Jiosy tany matoa miresaka momba an’ireo “avy amin’ny synagogan’i Satana izay mihambo ho Jiosy” ny Apokalypsy 3:9. Nanohitra an’ireo Kristianina tsy nivadika tao Filadelfia angamba ireny olona ireny. Mety hoe nitaona an’ireo Jiosy lasa Kristianina hiverina ho amin’ny Fivavahana Jiosy izy ireo, na niezaka nandresy lahatra azy ireo mba hanaraka indray ny fanao sasany tao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Tsy nahomby anefa izy ireo. Nidera an’ireo Kristianina ireo i Jesosy noho ny fiaretan’izy ireo, ary nampirisika hoe: “Tano mafy foana izay anananao.”—Ap 3:9-11.
Miresaka an’i Filadelfia any Dekapolisy ny lahatsoratra RABA No. 1.