Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Filaharan’ny Mpandresy

Filaharan’ny Mpandresy

Olona maro milahatra mba hankalaza fandresena fahavalo. Indroa ihany no ampiasan’ny Baiboly ny teny grika hoe triambeoô midika hoe “mitarika na tarihina eo amin’ny filaharan’ny mpandresy”, saingy ao amin’ny fanoharana samy hafa.​—2Ko 2:14; Kl 2:15.

Filaharan’ny mpandresy teo amin’ireo firenena. Nisy filaharana toy izany tany Ejipta sy Asyria ary tany amin’ny firenen-kafa, rehefa nandresy ny tafiny. Navela hanao filaharana nandaniam-bola sy nanetriketrika be izay jeneraly romanina nahazo fandresena. Izany no anisan’ny voninahitra lehibe indrindra nomen’ny Antenimieran-doholona azy, fony mbola repoblika i Roma.

Nandeha moramora tamin’ny lalana Via Triumphalis ireo nilahatra, ary niakatra an’ilay lalana miolakolaka mankany amin’ny tempolin’i Jopitera teo amin’ny Havoanan’i Capitole. Nandeha teo aloha indrindra ireo nitendry mozika sy nanao hiram-pandresena, narahin’ny mpisorona sy ireo mpanampy azy ary ilay omby fotsy (biby tsara indrindra hatao sorona). Tao aoriana ireo tovolahy nitondra omby hatao sorona, sy ireo sarety feno zavatra azo babo ary ireo karazana kalesy ngezabe noravahana sarin’ady na sarin’ny fandravana tanàna sy tempoly. Nisy ny sarin’ilay mpitari-tafika nandresy koa angamba teo an-tampon’ilay kalesy. Notaritaritina avy tao aoriana ireo mpanjaka sy andriana ary jeneraly babo an’ady nifatotra rojo vy, niaraka tamin’ny zanany sy ny mpanompony. Nampitanjahina izy ireo matetika mba hietry sy ho afa-baraka.

Tao aoriana ny kalesin’ilay jeneraly, noravahana ivoara sy volamena ary zavamaniry lorie, ary notarihin’ny soavaly fotsy efatra, na elefanta, liona, tigra, na serfa indraindray. Nipetraka teo an-tongotr’ilay jeneraly ny zanany, na nitaingina kalesy taoriany. Avy tao aoriana ireo manam-pahefana sy tompon’andraiki-panjakana romanina, ary ireo lietnà sy mpitari-tafika ary miaramila nandresy. Nandeha tongotra izy ireo, nasiana fehiloha lorie, nitondra fanomezana, ary nihira fiderana ho an’ilay jeneraly. Ny mpisorona sy ireo mpanampy azy ary ilay omby fotsy (biby tsara indrindra hatao sorona) no loha laharana.

Nanipazan’ny vahoaka voninkazo teo alohan’ny kalesin’ilay mpandresy namakivaky ny tanàna, ary namerovero ny fofona emboka manitra nodorana tao an-tempoly. Nidika ho voninahitra, fisondrotana, harena, ary fiainana milamina kokoa ilay fofona manitra ho an’ireo miaramila nandresy, fa nidika ho fahafatesana kosa ho an’ireo babo hovonoina ho faty rehefa tapitra ilay filaharam-be. Azontsika àry ny dikan’ny fanoharan’i Paoly ao amin’ny 2 Korintianina 2:14-16.

Nisy andohalambo natao hanomezam-boninahitra ny jeneraly sasany. Fahatsiarovana ny faharesen’i Jerosalema (taona 70), ohatra, ny Andohalambon’i Titus any Roma. (SARY, Boky Faha-2, p. 536) Nanao filaharam-be tamin’izay i Titus sy ny rainy (Vespasien Mpanjaka), ho fankalazana ny fandreseny. Natao ho fahatsiarovana fotsiny ny ankamaroan’ny andohalambo, nefa nisy ihany natao vavahadin’ny tanàna. Natao mitovitovy amin’ny zioga ny endrik’izy ireny, satria teo ambany ziogan’ny mpandresy ireo babo noterena handeha teo ambanin’izy ireny.

Ao amin’ny filaharan’ny mpandresy ny Kristianina. Nataon’i Paoly fanoharana ireny fanao fantatra tamin’ny androny ireny, rehefa nanoratra izy hoe: “Hisaorana anie Andriamanitra izay mitarika antsika foana eo amin’ny filaharan’ny mpandresy, miaraka amin’i Kristy!” (2Ko 2:14-16) Toy ny hoe Andriamanitra no mitarika an’ilay filaharana eo amin’ny lalana mamerovero, ary “miaraka amin’i Kristy” avy ao aoriana toy ny zanaka sy manamboninahitra ary miaramila mpandresy ireo mpanompony, anisan’izany i Paoly sy ny Kristianina hafa.

Oharin’ny Kolosianina 2:15 amin’ireo babo sy gadra ao amin’ny filaharan’ny mpandresy kosa ireo fanjakana sy manam-pahefana fehezin’i Satana. Resin’i Jehovah izy ireo, ka ahanjahanjany sy asehony eny imasom-bahoaka hoe resy “tamin’ny alalan’ny hazo fijaliana.” Nanafoana an’ilay “sora-tanana nisy didy maro” (and. 14) na ny fifaneken’ny Lalàna ny fahafatesan’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana, sady nanafaka an’ireo Kristianina nogejain’i Satana tao anaty haizina.

Filaharana hafa. Nisy filaharana hafa koa natao hankalazana zavatra niavaka. Nisy kalesin’adin’Andriamanitra, babo, mpihira sy mpitendry mozika, ary vahoaka nidera an’ilay Masin’ny Israely, hoy i Davida, ilay filaharan’ny mpandresy notarihin’i Jehovah avy tany Sinay nankany amin’ny tempoly masina tao Jerosalema. (Sl 68:17, 18, 24-26) Nisy filaharam-be koa rehefa notokanana ny mandan’i Jerosalema naorina indray tamin’ny andron’i Nehemia. (Ne 12:31) Mety ho natao isan-taona, isaky ny Fetin’ny Trano Rantsankazo, ny “filaharan’ny mpanao fety.”​—Sl 118:27.