Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Filamatra

Filamatra

Fitaovana ijerena raha mitovy tantana na mifanapaka mahitsy amin’ny pilao ny rafitra iray. Nampiasa “filamatra” (heb.: mishkelet na mishkôlet) ny mpandrafitra, mpanao vato, na mpanao asa tanana taloha mba hahitana raha marin-drano ny rindrina na rafitra samihafa naorina. Nampiasa pilao kosa izy ireo hanamarinana raha mijidina ilay izy. Toa nanana filamatra niendrika “A” ny mpandatsa-biriky ejipsianina, ary nisy pilao fohy nikiraviravy teo amin’ny tendrony. Marin-drano ny rafitra rehefa nifanitsy tamin’ny antsasak’ilay tsipika teo afovoan’ilay A ilay pilao. Tsy resahin’ny Soratra Masina kosa hoe hoatran’ny ahoana ny filamatry ny Israelita, fa an’ohatra foana no iresahany azy io.

Azo nampiasaina ny filamatra raha te hanorina zavatra mahitsy tsara na te hahita raha tokony horavana ilay izy. Nilaza i Jehovah fa hohenjaniny amin’i Jerosalema mpikomy “ny tady fandrefesana nampiasaina tamin’i Samaria, sy ny filamatra nampiasaina tamin’ny taranak’i Ahaba.” Toy ny hoe norefesiny i Samaria sy ny taranak’i Ahaba Mpanjaka, ary hitany hoe tsy mahitsy satria ratsy fitondran-tena ka naringany. Hotsarainy koa i Jerosalema sy ny mpitondra ao, ka haharihariny ny faharatsiany ary horavany ilay tanàna. Izany tokoa no nitranga tamin’ny 607 T.K. (2Mp 21:10-13; 10:11) Nilazana ireo mpifehy sy mpirehareha ratsy fanahy tao Jerosalema fa hisy loza hanjo azy ireo. Hoy i Jehovah taminy: “Ny rariny no hataoko ho tady fandrefesana, ary ny fahamarinana ho filamatra.” Hampiharina ny tena rariny sy fahamarinana ka hiharihary hoe iza no tena mpanompon’Andriamanitra. Harovana àry izy ireo fa izay tsy izy kosa haringana.​—Is 28:14-19.