Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Filistia

Filistia

(Filistìa), Filistinina (Filistìnina).

Nirefy 80 km teo ho eo ny lavan’i Filistia nanaraka ny moron’ny Ranomasina Mediterane (Ek 23:31), avy tany akaikin’i Jopa tany avaratra ka hatrany Gaza tany atsimo, ary 24 km teo ho eo ny sakany. Azo inoana fa i Mediterane teo amin’ny morontsirak’i Filistia no nantsoina hoe “ranomasin’ny Filistinina.” Midadasika ireo dongom-pasika, satria misy tonga hatrany amin’ny 6 km miala ny morontsiraka. Lonaka anefa i Filistia tamin’ny ankapobeny, ary nisy voamadinika sy sahan’oliva ary hazo fihinam-boa isan-karazany tany.

Nonina teny amin’ny lemaka amoron-tsiraka ny Filistinina, nandritra ny fotoana nitrangan’ny ankamaroan’ny tantara ao amin’ny Soratra Hebreo. Fahavalon’ny Israely foana izy ireo. (Is 9:12; 11:14) Tsy nifora izy ireo (2Sa 1:20), ary nivavaka tamin’andriamanitra maro. (Mpts 16:23; 2Mp 1:2; jereo BALA-ZEBOBA; DAGONA.) Ninonino foana koa izy ireo ka nanontany mpisorona sy mpisikidy vao nanapa-kevitra. (1Sa 6:2; ampit. Is 2:6.) Nitondra sampy ireo miaramila rehefa nandeha niady. (2Sa 5:21) Tany Filistia (Ek 15:14; Sl 60:8; 87:4; 108:9; Is 14:29, 31) no nisy an’ireo tanànan’i Gaza, Askelona, Asdoda, Ekrona ary Gata. Andriana mpiray dina no nifehy ny tsirairay tamin’ireo tanàna ireo, nandritra ny taonjato maro​—Js 13:3; 1Sa 29:7; jereo ANDRIANA MPIRAY DINA.

Tantarany. Avy tao amin’ny nosy Kreta (izay heverina ho Kaftora) ny Filistinina no nifindra monina nankany amin’ny morontsirak’i Kanana, na dia mety ho tsy io nosy io aza no nisy azy ireo voalohany indrindra. (Je 47:4; Am 9:7; jereo KAFTORA; KRETA.) Tsy fantatra hoe oviana izy ireo no nifindra monina. Efa tamin’ny andron’i Abrahama sy Isaka zanany anefa ny Filistinina no nonina tao Gerara, tany amin’ny faritra atsimon’i Kanana. I Abimeleka no mpanjakany, ary i Pikola no lehiben’ny tafiny.​—Ge 20:1, 2; 21:32-34; 26:1-18; jereo ABIMELEKA No. 1 sy 2.

Misy milaza fa tsy marina ny fitantaran’ny Genesisy hoe tany Kanana ny Filistinina. Tsy nanorim-ponenana tany mantsy, hono, izy ireo raha tsy tamin’ny taonjato faha-12 T.K. Tsy mitombina anefa izany. Hoy Ny Diksionera Vaovaon’ny Baiboly nataon’i J. Douglas (1985, p. 933): “Efa tamin’ny taonjato faha-12 T.K. vao niresaka momba ny Filistinina ireo soratra tsy ara-baiboly. Efa tamin’izany fotoana izany koa ireo sisan-javatra hitan’ny mpikaroka tao amin’ireo tanàna filistinina. Mpivaofy teny maro àry no mihevitra fa diso ny filazana hoe efa nisy tamin’ny andron’ireo loham-pianakaviana fahiny ny Filistinina.” Resahin’io diksionera io anefa fa efa hatramin’ny taonjato faha-20 T.K. no niroborobo be ny varotra teny amin’ny manodidina ny Ranomasina Égée. Hazavainy koa fa mety ho tsy nalaza ny foko iray, ka tsy voaresaka ao amin’ny soratra nataon’ny firenen-kafa. Tsy midika anefa izany hoe tsy nisy ilay foko. Hoy àry ilay diksionera: “Mety ho anisan’ireo mpivarotra fahiny teny amin’ny manodidina an’i Égée ny foko kely filistinina maromaro, na dia tsy nalaza sy tsy voamariky ny firenena lehibe aza.”

Niala tany Ejipta ny Israely tamin’ny 1513 T.K. Tsy nentin’i Jehovah nandalo an’i Filistia (lalana nanitsy indrindra avy tany Ejipta nankany amin’ny Tany Nampanantenaina) anefa izy ireo, sao ho sendra ady ka ho kivy ary hiverina any Ejipta. (Ek 13:17) Fivezivezen’ny olona samy hafa firenena ny lalambe tany Filistia. Azo inoana anefa fa tsy ho namela Israelita an-tapitrisany handalo tany ny Filistinina. Efa tanin’izy ireo mantsy i Filistia. Foko mpifindrafindra monina kosa no tany amin’ny faritr’i Sinay nitondran’i Jehovah ny Israely, ary toerana maro no tsy nisy mponina. Tsy natahorana hisy hiady tamin’ny Israely àry tany.

Mbola tsy azon’ny Israely ireo faritanin’ny Filistinina, tamin’i Josoa nizara ny faritra teny andrefan’i Jordana. (Js 13:2, 3) Azon’ny fokon’i Joda ihany tatỳ aoriana i Gaza sy Askelona ary Ekrona, tanàn-dehibe tany Filistia. ‘Tsy voaroakan’izy ireo’ anefa “ny mponina teny amin’ny lemaka iva, satria nanana kalesin’ady nisy lelan’antsy.”​—Mpts 1:18, 19.

Tamin’ny andron’ny Mpitsara. Mbola nisy Filistinina sy hafa firenena ihany tany Kanana tatỳ aoriana. Nitsapana ny Israely izany mba hahitana raha hankatò an’i Jehovah izy ireo. (Mpts 3:3, 4) Imbetsaka anefa izy ireo no nanompo sampy. Navelan’i Jehovah hampahory azy ireo àry ny fahavalony, anisan’izany ny Filistinina. (Mpts 10:6-8) Namindra fo anefa Izy ka nanendry mpitsara hamonjy azy, rehefa niantso vonjy taminy izy ireo. (Mpts 2:18) Anisan’ireny i Samgara, izay nahafaty Filistinina 600 tamin’ny fanindronan’omby. (Mpts 3:31) ‘Nanomboka namonjy ny Israely teo an-tanan’ny Filistinina’ koa i Samsona tatỳ aoriana, araka ny efa nambara tamin-dreniny talohan’ny nahaterahany. (Mpts 13:1-5) Tena natahoran’ny Israely ny Filistinina tamin’i Samsona vao lasa mpitsara kelikely, matoa natolotry ny lehilahy avy tamin’ny fokon’i Joda teo an-tanan’izy ireo i Samsona.​—Mpts 15:9-14.

Nahita ny fampahorian’ny Filistinina i Samoela mpaminany, ary nandray anjara tamin’ny fandresena azy. Nahafaty Israelita 4000 teo ho eo tany amin’ny faritr’i Afeka sy Ebenezera ny Filistinina, tamin’i Samoela nanompo tao amin’ny tranolay masina. Efa antitra i Ely izay sady mpisoronabe no mpitsara. Nentin’ny Israelita tany an’ady ny Vata masina, satria noheveriny fa hahatonga azy handresy. Nanangona herim-po àry ny Filistinina. Israelita 30 000 no matiny, ary azony babo ilay Vata. (1Sa 4:1-11) Nataony tao amin’ny tempolin’i Dagona andriamaniny tao Asdoda ilay Vata. Indroa anefa ilay sampy no nihohoka tamin’ny tany, ka tapatapaka mihitsy aza tamin’ny fanindroany. (1Sa 5:1-5) Nafindrafindra àry ilay Vata, kanefa niteraka sahotaka sy areti-mandoza tany amin’izay tanàna nitondrana azy. (1Sa 5:6-12) Farany, naverina tany Israely ilay izy, rehefa afaka fito volana.​—1Sa 6:1-21.

Tonga hanafika indray ny Filistinina, 20 taona teo ho eo tatỳ aoriana. (1Sa 7:2) Novorin’i Samoela tao Mizpa ny Israelita tamin’izay mba hivavaka tamin’i Jehovah. Nataon’i Jehovah nisahotaka àry ny Filistinina ka resy. “Niverina tsikelikely tamin’ny Israely” tatỳ aoriana “ny tanàna efa nalain’ny Filistinina tamin’izy ireo, hatrany Ekrona ka hatrany Gata.”​—1Sa 7:5-14.

Tamin’ny andron’i Saoly ka hatramin’ny fandresen’i Davida. Mbola nampahorin’ny Filistinina foana anefa ny Israely. (1Sa 9:16; 14:47) Toa nasian’izy ireo toby miaramila tany Israely, talohan’ny nanjakan’i Saoly. (Ampit. 1Sa 10:5; 13:1-3.) Tsy navelany hanana mpanefy ny Israelita, ka tsy nanana fitaovam-piadiana. Voatery nankany amin’ny Filistinina koa izy ireo rehefa handranitra fitaovam-pambolena. (1Sa 13:19-22) Latsaka an-katerena ny Hebreo ka nisy mihitsy aza niandany tamin’ny Filistinina. (1Sa 14:21) Nampian’i Jehovah anefa i Saoly ka nandresy rehefa niady tamin’izy ireo. Nasian’ny Israelita hatrany Mikmasy ka hatrany Aialona àry izy ireo.​—1Sa 13:1–14:31; jereo MIKMASY.

Tafarina ihany anefa ny Filistinina ka nanangona ny tafiny mba hiady tamin’ny Israely. Nifanatrika ny tafika roa tonta, ka ny Lemaka Ivan’i Elaha tany Joda no teo anelanelany. Nanatona marain-tsy hariva nandritra ny 40 andro i Goliata avy tao an-tobin’ny Filistinina. Nihantsy ady tamin’ny Israely izy, ary nasainy nifidy lehilahy iray izy ireo hiady aminy. (1Sa 17:1-10, 16) I Davida mpiandry ondry no sahy nifanandrina taminy. Voan’ny vato nalefan’i Davida tamin’ny pilotra i Goliata ka nianjera nihohoka tamin’ny tany. Ny sabatr’i Goliata ihany avy eo no namonoany azy. (1Sa 17:48-51) Nitsoaka àry ny Filistinina ka nenjehin’ny Israelita ary naripany hatrany Gata sy Ekrona.​—1Sa 17:52, 53.

Mbola niady tamin’ny Filistinina i Davida tatỳ aoriana, ary nandresy. Nihoby azy àry ny vehivavy ka nihira hoe: “I Saoly nahafaty arivoarivo, fa i Davida kosa nahafaty alinalina.” (1Sa 18:5-7; jereo koa 1Sa 18:25-27, 30; 19:8.) Nanjary nialona an’i Davida i Saoly. Voatery nandositra nankany Gata tanàna filistinina àry i Davida, mba hanavotana ny ainy. (1Sa 18:8, 9; 20:33; 21:10) Toa nitady hamono azy anefa ny mpanompon’i Akisy Mpanjaka. Nody adala àry izy ka afa-nandositra. (1Sa 21:10-15) Novonjen’i Davida tamin’ny Filistinina mpandroba ny tanànan’i Keila tany Joda taoriana kelin’izay, na dia mbola nandositra an’i Saoly ihany aza izy. (1Sa 23:1-12) Voatery nampiato ny fanenjehany an’i Davida i Saoly, rehefa notafihin’ny Filistinina i Israely.​—1Sa 23:27, 28; 24:1, 2.

Tapa-kevitra ny hialokaloka tany Filistia indray i Davida, satria mbola nanao haza lambo azy foana i Saoly. Nandray tsara azy i Akisy mpanjakan’i Gata ka nanome azy ny tanànan’i Ziklaga. (1Sa 27:1-6) Niomana hiady tamin’ny tafik’i Saoly ny Filistinina, iray na roa taona taorian’izay. Nasain’i Akisy hiaraka taminy i Davida, satria noheveriny fa “efa nanjary halan’ny Israely olony.” Tsy natoky an’i Davida anefa ireo andriana mpiray dinan’ny Filistinina, ka noteren’izy ireo hiverina tany Filistia i Davida sy ny olony. Resin’ny Filistinina ny Israely, ary maty i Saoly sy ny zanany telo lahy.​—1Sa 27:12; 28:1-5; 29:1-11; 31:1-13; 1Ta 10:1-10, 13; 12:19.

Voahosotra ho mpanjakan’ny Israely rehetra ihany i Davida tamin’ny farany. Tonga teo amin’ny Lemaka Ivan’ny Refaima (atsimoandrefan’i Jerosalema) àry ny Filistinina mba hiady taminy, nefa resy tanteraka. (2Sa 5:17-21; 1Ta 14:8-12) Mbola resin’ny Israely koa izy ireo tatỳ aoriana. (2Sa 5:22-25; 1Ta 14:13-16) Imbetsaka i Davida Mpanjaka no niady tamin’ny Filistinina, ary nandresy. Saika matin’izy ireo anefa izy indray mandeha.​—2Sa 8:1; 21:15-22; 1Ta 18:1; 20:4-8.

Nanomboka tamin’ny andron’i Solomona Mpanjaka. Tsy niady ny Filistinina sy ny Israelita nandritra ny fotoana elaela. Nilamina sy nandry feizay mantsy ny fanjakan’i Solomona zanak’i Davida (1037-998 T.K.), ary nipaka hatrany Gaza tanànan’ny Filistinina ny faritra nofeheziny.​—1Mp 4:21-25; 2Ta 9:26.

Nibodo an’i Gibetona, tanàna tany Dana, ny Filistinina, 20 taona teo ho eo taorian’ny niforonan’ny fanjakan’ny foko folo. Nanao fahirano an’ilay tanàna i Nadaba mpanjakan’ny Israely no novonoin’i Basa, izay lasa mpanjaka. (Js 19:40, 44; 1Mp 15:27, 28) Mbola nofehezin’ny Filistinina ihany i Gibetona, 24 taona teo ho eo tatỳ aoriana, rehefa nanao fahirano azy io i Omry, lehiben’ny tafiky ny Israely.​—1Mp 16:15-17.

Toa nofehezin’i Josafata Mpanjaka (936-t. 911 T.K.) ny Filistinina, matoa nitondra fanomezana ho azy sy nandoa hetra taminy. (2Ta 17:11) Nanafika an’i Joda anefa ny Filistinina sy ny Arabo tamin’ny andron’i Jorama Mpanjaka zanak’i Josafata, ka namabo zavatra maro be tao Jerosalema. Nentin’izy ireo ho babo koa ny vady aman-janak’i Jorama, afa-tsy i Joahaza faralahiny. (2Ta 21:16, 17) Resin’i Ozia mpanjakan’ny Joda kosa ny Filistinina, taona maro tatỳ aoriana, ka azony i Gata sy Jabne ary Asdoda. Nanorina tanàna tany Filistia mihitsy aza izy. (2Ta 26:6-8) Resin’ny Filistinina indray anefa ny tanàna israelita maro, hatrany Negeba ka hatrany amin’ny sisin-tany avaratry ny fanjakan’ny Joda, tamin’ny andron’i Ahaza Mpanjaka zafikelin’i Ozia. Nipetrahany avy eo ireny tanàna ireny. (2Ta 28:18) I Ahaza zanak’i Hezekia kosa namely ny Filistinina hatrany Gaza. (2Mp 18:8) Tanteraka tamin’izay ny faminanian’i Isaia.​—Is 14:28, 29.

Faminaniana. Resahin’ny faminanian’i Joela fa hamidy koa ny zanaky ny Filistinina, satria namidin’izy ireo tamin’ny “zanaky ny Grika” ny “taranak’i Joda sy Jerosalema.” (Jl 3:4-8) Toa tamin’ny taonjato fahasivy T.K. no nosoratana io faminaniana io. Mety ho anisan’ny nanatanteraka azy io àry i Ozia (2Ta 26:6-8) sy Hezekia (2Mp 18:8), rehefa nandresy an’ireo Filistinina.

Mbola tanteraka koa anefa ilay faminaniana, rehefa niverina avy tany Babylona ny Israelita. Hoy i C. Keil, mpivaofy teny: “Nafahan’i Aleksandra Lehibe sy ny mpandimby azy ny Jiosy babo an’ady maro tany amin’ny tanin’izy ireo (ampitahao amin’ny fampanantenan’i Demetrio Mpanjaka tamin’i Jonatana hoe: ‘Hafahako ireo Jodianina gadra sy andevo maro eto amin’ny tanintsika’, Josèphe, Rak[itry ny Ela Jiosy], xiii. 2, 3), ary nisy fotoana nofehezin’ny Jiosy ny faritra sasany tany Filistia sy Fenisia.” (Fanazavana ny Testamenta Taloha, 1973, Boky Faha-10, Joela, p. 224) (Ampit. Ob 19, 20.) Resin’i Aleksandra Lehibe koa i Gaza, tanànan’ny Filistinina. Novonoiny ny ankamaroan’ny mponina tao, ary namidiny ho andevo ny sisa. Milaza koa ny faminaniana hafa fa hamaly ny ratsy nataon’ny Filistinina i Jehovah.​—Is 14:31; Je 25:9, 20; 47:1-7; Ezk 25:15, 16; Am 1:6-8; Ze 2:5; Za 9:5-7; misy fanazavana amin’ny an-tsipiriany ao amin’ny ASDODA; ASKELONA; EKRONA; GATA; GAZA No. 1.

Resahin’ny Ezekiela 16:27 fa menatra noho ny fitondran-tena baranahin’i Jerosalema “ireo zanakavavin’ny Filistinina.” (Ezk 16:2) Nivadika tamin’i Jehovah Andriamaniny mantsy i Jerosalema, nefa ny Filistinina sy ny firenen-kafa nifikitra foana tamin’ireo andriamani-diso nivavahany.​—Ampit. Je 2:10, 11.