Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Finoana

Finoana

Ny teny grika hoe pistis no nadika hoe “finoana”, ary fatokisana sy fiekena tanteraka no tena heviny. Azo ampiharina amin’ny olona “tsy mivadika” sy “mendri-pitokisana” koa io teny io, arakaraka ny zavatra resahina.​—1Te 3:7; Tit 2:10.

Hoy ny Baiboly: “Ny finoana dia fiandrasana amin-toky ny zavatra antenaina, ary fanomezana porofo mazava momba ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.” (He 11:1) Hypôstasis no teny grika nadika hoe “fiandrasana amin-toky.” Teny fampiasa ao amin’ny taratasy papyrus momba ny varotra izy io, ary ilazana antoka hita maso fa tsy maintsy ho azo ny zavatra iray. Izany no nilazan’i Moulton sy Milligan hoe: “Toy ny taratasy fanamarinam-pananana ny finoana, ka manome antoka fa ho azo ny zavatra antenaina.” (Voambolana ao Amin’ny Testamenta Grika, 1963, p. 660) Elegkôs kosa no teny grika nadika hoe “porofo mazava.” Midika hoe fanomezana porofo hanamarinana zavatra iray izy io, indrindra raha tsy araka ny tena izy no fahitana an’ilay zavatra. Noho ilay porofo àry dia lasa mazava ny hevitra tsy azo teo aloha, ary hita hoe diso ilay fahitana azy tamin’ny voalohany. Tena azo antoka sy mahery ilay “porofo mazava”, ka azo lazaina hoe izy io mihitsy no finoana.

Ny finoana àry no mahatonga fanantenana. Ny finoana koa no porofo mampiaiky momba ny zavatra tena misy izay tsy hita maso. Ny fahamarinana rehetra nampianarin’i Jesosy Kristy sy ny mpianany no tena “finoana” kristianina (Jn 18:37; Ga 1:7-9; As 6:7; 1Ti 5:8), izay mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra manontolo, anisan’izany ny Soratra Hebreo. Nampiasa ny Soratra Hebreo matetika i Jesosy sy ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina mba hanamarinana ny teniny.

Avy amin’ny porofo mivaingana ny finoana. Mampiseho izany ireto ohatra ireto: Manaporofo ny fisian’ny Mpamorona tsy hita maso ny zavaboary hita maso. (Ro 1:20) Manaporofo ny maha Zanak’Andriamanitra an’i Jesosy Kristy ny zava-nitranga nandritra ny fanompoany sy ny fiainany teto an-tany. (Mt 27:54; jereo JESOSY KRISTY.) Mino tanteraka ny mpanompon’Andriamanitra fa hanome izay ilain’izy ireo Izy, satria nanome izay nilain’ny zavaboariny foana Izy. Azo antoka fa hatsangana ny maty, satria voalaza fa Mpanome aina sy Mpamerina ny aina i Jehovah. (Mt 6:26, 30, 33; As 17:31; 1Ko 15:3-8, 20, 21) Azo itokisana fa ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra rehetra, satria azo antoka ny Teniny ary tanteraka ny faminaniana ao anatiny. (Js 23:14) “Avy amin’izay re” àry ny finoana.​—Ro 10:17; ampit. Jn 4:7-30, 39-42; As 14:8-10.

Tsy minomino befahatany fotsiny ny hoe manam-pinoana. Marina fa esoina ny olona manam-pinoana, nefa na ireny mpaneso ireny aza mba mino koa an’ireo namana atokisany. Na ny mpahay siansa koa aza mba mino an’izay fitsipika mifehy ny siansa dinihiny: Ny voka-pikarohana izay efa ekena fa marina, ohatra, no iaingany hanaovany fanandramana na fikarohana vaovao. Ny mpamboly koa miasa tany sy mamafy satria mino izy fa hitsimoka sy haniry toy ny tamin’ny taon-dasa ny voa rehefa mahazo hamandoana sy hainandro. Mino an’ireo lalàna tsy miovaova mifehy ny natiora àry ny olona, ka ampifanarahiny amin’izany ny zavatra kasainy sy ataony. Toa nilaza an’izany lalàna tsy miovaova izany ilay nanoratra ny Mpitoriteny. Hoy izy: “Miposaka ny masoandro, ary milentika, sady maika erỳ ho any amin’ny fonenany, ka avy any indray no iposahany. Mianatsimo ny rivotra, ary mihodina mianavaratra. Mihodina izy, eny, mihodinkodina tsy misy farany, ary miverina mihodina indray. Mivarina any an-dranomasina ny renirano rehetra, nefa tsy tondraka ny ranomasina. Any amin’izay niavian’ny renirano ihany no iverenany, ary avy any indray izy no mikoriana.”​—Mpto 1:5-7.

Ao amin’ny Soratra Hebreo, dia ny teny hoe ʼaman sy ny teny hafa iray tarika aminy no manana heviny hoe finoana, mendri-pitokisana, tsy mihetsika, tsy mihozongozona, mafy orina, ary maharitra. (Ek 17:12; De 28:59; 1Sa 2:35; 2Sa 7:16; Sl 37:3) Teny iray tarika amin’ny ʼaman koa ny hoe ʼemet, izay midika hoe “fahamarinana”, sy “tsy fivadihana” na olona “mendri-pitokisana.” (Sl 31:5; 2Sa 15:20; ampit. Ne 7:2.) Avy amin’ny ʼaman ilay teny malaza hoe “Amena” (heb.: ʼamen).​—Jereo AMENA.

Olona nanam-pinoana. Marim-pototra ny finoan’ny tsirairay amin’ireo “vavolombelona maro be toy ny rahona” voalazan’i Paoly. (He 12:1) Ohatra amin’izany i Abela. Fantany fa efa nampanantena Andriamanitra hoe hisy ‘taranaka’ hanorotoro ny lohan’ilay menarana, ary nino an’izany izy noho ireo porofo hitany. Hitany mantsy fa tanteraka tamin’ny ray aman-dreniny ny didim-pitsaran’i Jehovah tao Edena. Tamin’ny hatsembohan’i Adama sy ny ankohonany, ohatra, no nihinanan’izy ireo hanina tany ivelan’i Edena, satria voaozona ny tany ka naniry tsilo sy ahidratsy. Azo inoana fa hitan’i Abela koa hoe niantefa tamin’i Adama ny fanirian’i Eva, ary nanjaka tamin’i Eva i Adama. Mety ho niresaka momba ny fanaintainany rehefa bevohoka i Eva reniny. Nisy kerobima sy lelan-tsabatra nirehitra koa niambina ny fidirana tao amin’ny zaridainan’i Edena. (Ge 3:14-19, 24) Izany rehetra izany no “porofo mazava” nahatonga an’i Abela hatoky fa ilay ‘taranaka nampanantenaina’ no hitondra fanafahana. Finoana àry no “nanoloran’i Abela ho an’Andriamanitra sorona” nisy vidiny kokoa noho ny an’i Kaina.​—He 11:1, 4.

Marim-pototra koa ny finoan’i Abrahama ny fitsanganana amin’ny maty. Toy ny efa maty mantsy ny fahafahan’izy sy Saraha miteraka, nefa novelomina tamin’ny fomba mahagaga, ka toy ny hoe natsangana tamin’ny maty. Nitohy tamin’ny alalan’i Saraha àry ny tetirazan’i Abrahama. Teraka i Isaka noho io fahagagana io. Rehefa nasaina nanolotra azy àry i Abrahama, dia nino fa hatsangan’Andriamanitra io zanany io noho ilay fampanantenana hoe: “Avy amin’i Isaka ilay hantsoina hoe taranakao.”​—Ge 21:12; He 11:11, 12, 17-19.

Nanana porofo mampiaiky koa ireo olona nanatona an’i Jesosy na nentina teo aminy mba hositranina. Efa nandre momba ny fahagagana nataon’i Jesosy izy ireo, fara faharatsiny, na dia tsy nahita maso izany aza. Izany zavatra hitany na reny izany no nahatonga azy ireo hino fa afaka nanasitrana azy ireo koa i Jesosy. Nahalala tsara ny Tenin’Andriamanitra koa izy ireo, ka efa fantany ny fahagagana nataon’ireo mpaminany fahiny. Izany no nilazan’ny olona sasany an’i Jesosy hoe “Ilay Mpaminany” na “Kristy”, rehefa nandre azy. Mety àry ny nilazan’i Jesosy tamin’ireo nositraniny hoe: “Ny finoanao no nahasitrana anao.” Raha tsy naneho finoana an’i Jesosy izy ireo, dia tsy ho nanatona azy ary tsy ho nositraniny.​—Jn 7:40, 41; Mt 9:22; Lk 17:19.

Nanam-pinoana lehibe ilay manamboninahitra niangavy an’i Jesosy hanasitrana ny mpanompolahiny. Nifototra tamin’ny porofo koa ny finoany, ary izany porofo izany no nahatonga azy hiaiky fa ho sitrana ny mpanompony raha ‘niteny’ fotsiny i Jesosy. (Mt 8:5-10, 13) Tsara homarihina fa nositranin’i Jesosy daholo izay tonga teo aminy. Tsy nilaza izy hoe tsy maintsy nanam-pinoana izy ireo vao ho sitrana, na hoe tokony ho be na kely arakaraka ilay aretina ny finoany. Tsy niteny koa izy hoe tsy vitany ny nanasitrana an’izay tsy ampy finoana. Nanasitrana izy ho porofo mba hahatonga ny olona hino. Tsy nety nanao fahagagana maro tao amin’ny faritra niaviany izy satria maro no tsy nino azy sy tsy nety nihaino. Tsy hoe i Jesosy no tsy nahay nanao fahagagana, fa izy ireo no tsy mendrika ny hanaovana izany.​—Mt 13:58.

Finoan’ny Kristianina. Tsy maintsy maneho finoana an’i Jesosy Kristy ny olona, raha te hahazo sitraka amin’Andriamanitra. Azo ambara ho marina izy amin’izay. (Ga 2:16) Lavin’i Jehovah kosa izay tsy mino an’i Jesosy.​—Jn 3:36; ampit. He 11:6.

Tsy ny rehetra no manam-pinoana, satria anisan’ny vokatry ny fanahy ny finoana. (2Te 3:2; Ga 5:22) Mety hihena na hitombo ny finoan’ny Kristianina. (2Te 1:3) Mety tsara àry ilay fangatahan’ny mpianatr’i Jesosy hoe: “Ampitomboy ny finoanay.” Nampian’i Jesosy tokoa izy ireo, ka nomeny porofo sy fahalalana bebe kokoa, mba ho tsara fototra ny finoan’izy ireo.​—Lk 17:5.

Ilana finoana ny fiainan’ny Kristianina manontolo, mba hahafahany handresy sakana lehibe toy ny tendrombohitra eo amin’ny fanompoany an’Andriamanitra. (2Ko 5:7; Mt 21:21, 22) Tsy maintsy porofoina amin’ny atao koa anefa ny finoana, fa tsy amin’ny asan’ny Lalàna. (Jk 2:21-26; Ro 3:20) Manatanjaka ny finoana ny fitsapana. Toy ny ampinga ny finoana ka miaro ny Kristianina amin’ny ady ara-panahy ataony, sady manampy azy handresy an’izao tontolo izao sy ny Devoly.​—1Pe 1:6, 7; Ef 6:16; 1Pe 5:9; 1Jn 5:4.

Tsy maintsy kolokoloina anefa ny finoana, satria ny tsy fahampiam-pinoana no ‘ota mora mamatopatotra’ antsika. Hatanjaka foana ny finoan’ny Kristianina, raha toa izy ka miady mafy hiaro ny finoany, sy manohitra an’izay mety hitarika azy haloto fitondran-tena, sy miady amin’ny asan’ny nofo, ary miala amin’ny fandriky ny fitiavam-bola sy ny lovantsofina ary ny filozofia mandrava finoana. Tena ilainy koa ny “mibanjina tsara an’ilay Mpitarika Lehibe Indrindra sy Mpandavorary ny finoantsika, dia i Jesosy.”​—He 12:1, 2; Jd 3, 4; Ga 5:19-21; 1Ti 6:9, 10; Kl 2:8.