Fiovan-tarehy
Zava-mahagaga natrehin’i Petera sy Jakoba ary Jaona. ‘Namirapiratra toy ny masoandro ny tavan’i’ Jesosy tamin’izay, “ary nanjary nanjelanjelatra toy ny hazavana ny akanjony ivelany.” (Mt 17:1-9; Mr 9:2-10; Lk 9:28-36) Nitantara i Marka fa “tena fotsy be” ny akanjo ivelan’i Jesosy, “ary tsy misy mpanadio lamba mahafotsy lamba toy izany eto an-tany.” Nilaza koa i Lioka fa “niova ny fahitana ny tarehin’i Jesosy.” Teo amin’ny tendrombohitra iray no nitranga ilay fiovan-tarehy, taoriana kelin’ny Paska taona 32, herintaona teo ho teo talohan’ny diany farany nankany Jerosalema.
Tany Kaisaria-Filipo na Banyas ankehitriny i Jesosy sy ny mpianany, taloha kelin’ilay fiovan-tarehy. (Mr 8:27) Azo inoana àry fa tsy lavitra teo ilay ‘tendrombohitra avo’ nalehan’i Kristy sy ny apostoly. (Mr 9:2) Nanomboka tamin’ny taonjato fahefatra tany ho any no nisy nihevitra fa ny Tendrombohitra Tabara izy io. Sarotra inoana anefa izany, satria 70 km eo ho eo atsimo atsimoandrefan’i Kaisaria-Filipo no misy azy io.—Jereo TABARA No. 1.
Ny Tendrombohitra Hermona kosa eo amin’ny 25 km eo ho eo monja avaratratsinanan’i Kaisaria-Filipo. ‘Tendrombohitra avo’ izy io satria mirefy 2814 m ambonin’ny haabon’ny ranomasina. (Mt 17:1) Mety ho teo an-tendrombohitra Hermona àry no nitranga ilay fiovan-tarehy. Izany koa no hevitry ny manam-pahaizana maro ankehitriny, na dia tsy resahin’ny Baiboly aza hoe taiza marina ilay izy no nitranga.
Alina angamba no nitranga ilay fiovan-tarehy, satria ‘navesatry ny torimaso ny mason’ireo’ apostoly. (Lk 9:32) Nanaitra kokoa àry ilay izy. Nijanona teo amin’ilay tendrombohitra izy ireo iny alina iny, ka ny ampitso vao nidina. (Lk 9:37) Tsy resahin’ny Baiboly anefa hoe naharitra adiny firy ilay fiovan-tarehy.
Nanontanian’i Kristy ny mpianany rehetra talohan’ny niakarany tany amin’ilay tendrombohitra hoe: “Lazain’ny olona ho iza moa aho?” Namaly i Petera hoe: “Ianao no Kristy.” Nilaza i Jesosy avy eo fa hovonoina ny tenany ary hatsangana amin’ny maty. (Mr 8:27-31) Nampanantena koa anefa izy fa hisy amin’izy ireo “tsy handia fahafatesana mihitsy, mandra-pahitany ny Zanak’olona ho tonga ao amin’ny fanjakany” na “ny fanjakan’Andriamanitra efa tonga amin-kery.” (Mt 16:28; Mr 9:1) Tanteraka izany “enina andro taorian’izay” (na “valo” araka ny tenin’i Lioka, satria nisainy koa angamba ny andro nilazana an’ilay fampanantenana sy ny andro nahatanterahan’ilay izy). Niaraka tamin’i Jesosy nankany “an-tendrombohitra avo” i Petera sy Jakoba ary Jaona tamin’izay. (Mt 17:1; Mr 9:2; Lk 9:28) Niova tarehy teo anatrehan’izy ireo i Jesosy raha mbola nivavaka.
Niseho “tamim-boninahitra” niaraka tamin’i Jesosy i Mosesy sy Elia, tamin’i Jesosy niova tarehy. (Lk 9:30, 31; Mt 17:3; Mr 9:4) Niresaka momba ny “hahalasanan’i [mitovitovy amin’ilay teny grika hoe eksôdôs] Jesosy, izay efa voatendry hitranga any Jerosalema” izy ireo. (Lk 9:31) Azo inoana fa ny fahafatesan’i Kristy sy ny fananganana azy ho zavaboary any an-danitra no dikan’ilay hoe eksôdôs na fahalasanany.
Misy mpitsikera milaza fa nofy fotsiny iny fiovan-tarehy iny. Sarotra inoana anefa hoe hitovy tanteraka ny nofin’i Petera sy Jakoba ary Jaona. Na i Jesosy aza nilaza azy iny hoe “fahitana” (Mt 17:9), fa tsy hoe nofinofy. Tena teo mantsy i Kristy tamin’izay, na dia tsy tena teo aza i Mosesy sy Elia satria efa maty. Hita tao amin’ilay fahitana kosa izy ireo. Ny teny grika hoe hôrama no nadika hoe “fahitana” ao amin’ny Matio 17:9, ary nadika koa izy io hoe ‘zavatra hita.’ (As 7:31) Tsy midika hoe fahitana zavatra tsy tena misy akory izy io. Efa taitra tsara koa ireo apostoly nandritra ilay fiovan-tarehy, ka tena nahita sy nandre an’izay nitranga.—Lk 9:32.
Raha iny nisaraka tamin’i Jesosy iny i Mosesy sy Elia, dia nanolo-kevitra i Petera hoe hanangana tranolay iray avy ho an’i Jesosy sy Mosesy ary Elia. “Tsy fantany anefa izay nolazainy.” (Lk 9:33) Raha mbola niteny izy, dia nisy rahona teo amin’ilay tendrombohitra. (Lk 9:34) Midika izany fa nanatrika teo i Jehovah (toy ny tao amin’ny tranolay fihaonana tany an-tany efitra). (Ek 40:34-38) Niteny avy tao amin’ilay rahona i Jehovah hoe: “Io no Zanako, ilay nofidiko. Henoy izy.” (Lk 9:35) Nilaza i Petera, taona maro tatỳ aoriana, fa ‘feon’Andriamanitra Ray’ ilay feo re avy tany an-danitra tamin’io fotoana io. (2Pe 1:17, 18) Niteny tamin’ny alalan’ny mpaminany Andriamanitra taloha. Nilaza anefa Izy teo fa amin’ny alalan’ny Zanany indray izao no itenenany.—Ga 3:24; He 1:1-3.
Nanome antoka an’i Petera ilay fiovan-tarehy fa marina ny teny faminaniana. Nahita maso ny fahambonian’i Kristy koa izy, ka afaka nampahafantatra ny “hery sy ny fanatrehan’i Jesosy Kristy Tompontsika.” (2Pe 1:16, 19) Anisan’ireo mpianatra nolazain’i Kristy fa “tsy handia fahafatesana mihitsy” izy, “mandra-pahitany ny fanjakan’Andriamanitra efa tonga amin-kery.” (Mr 9:1) Mety ho niresaka tsy mivantana an’ilay fiovan-tarehy koa ny apostoly Jaona.—Jn 1:14.
Hoy i Jesosy tamin’ireo apostoliny telo: “Aza lazaina na amin’iza na amin’iza iny fahitana iny, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona amin’ny maty.” (Mt 17:9) Tsy notantarain’izy ireo tamin’olona tokoa ny zavatra hitany, na dia tamin’ny apostoly hafa aza. (Lk 9:36) Rehefa nidina an’ilay tendrombohitra izy telo lahy, dia nifanontany hoe inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe “fitsanganana amin’ny maty.” (Mr 9:10) Nampianatra mantsy ny Jiosy tamin’izany hoe tsy maintsy hiseho aloha i Elia, vao hanomboka ny fanjakan’ny Mesia ka hatsangana ireo maty. Nanontany àry ireo apostoly hoe: “Nahoana àry no milaza ny mpanora-dalàna fa tsy maintsy ho avy aloha i Elia?” Namaly i Jesosy fa efa tonga tokoa i Elia, ka takatr’izy ireo fa i Jaona Mpanao Batisa ilay izy.—Mt 17:10-13.
Sady nanome hery an’i Kristy hiatrehana fijaliana sy fahafatesana ilay fiovan-tarehy, no nampahery ny mpianany sy nanatanjaka ny finoan’izy ireo. Noporofoin’ilay fiovan-tarehy fa ankasitrahan’Andriamanitra i Jesosy, ary ho lasa mpanjaka be voninahitra sy mahery. Nampiseho mialoha ny fanatrehan’i Kristy Mpanjaka hahazo fahefana feno izy iny.