Firaiketam-po
Fifankahazoana am-po, toy izay misy eo amin’ny tena mpinamana.
Midika hoe “raiki-pitia” (Ge 34:8) ny fototenin’ilay teny hebreo hoe hashak, izay nadika hoe ‘miraiki-po’ ao amin’ny Deoteronomia 7:7. Nadika hoe “tia”, “miraiki-po”, ary ‘manoroka’ ny matoanteny grika hoe fileô. (Mt 10:37; 23:6; Jn 12:25; Tit 3:15; Mr 14:44) Ilazana olona tsy mifankafoy, toy ny ray aman-dreny sy zanaka, ny hoe “miraiki-po.” Tena niraiki-po tamin’i Lazarosy namany i Jesosy, ka ‘nirotsaka ny ranomasony’ rehefa maty i Lazarosy. (Jn 11:35, 36) Io teny grika io ihany no ampiasaina mba hampisehoana hoe tena tia be an’ilay Zanany sy ireo mpanara-dia azy i Jehovah, ary ireo mpianatra koa tena tia an’ilay Zanak’Andriamanitra.—Jn 5:20; 16:27; ampit. 1Ko 16:22.
Tsara homarihina fa tsy tena mitovy ny hevitry ny matoanteny grika hoe fileô sy agapaô, na dia tsy avahan’ny mpandika teny maro aza. (Jereo FITIAVANA.) Hoy i F. Zorell momba izany tsy fitoviana izany: “Fitiavana olona na zavatra no tiana holazaina amin’ny [agapaô], ary fitiavana aseho an-tsitrapo sy noho ny antony mazava tsara ao an-tsaina. Ny [fileô] kosa ilazana fitiavana ihany, saingy ny firaiketam-po no tena misongadina. Ny fileô no mahatonga antsika ho tia ho azy ny havantsika sy ny namantsika ary ny zavatra mahafinaritra antsika.”—Diksionera Graecum Novi Testamenti, Paris, 1961, tsang. 1402.
Mahaliana fa samy ampiasaina ao amin’ny Jaona 21 ireo matoanteny roa ireo. Indroa i Jesosy no nanontany an’i Petera raha tia (agapaô) azy izy. Indroa koa i Petera no nanamafy fa niraiki-po tamin’i Jesosy izy, ka ilay teny maneho fihetseham-po kokoa hoe fileô no nampiasainy. (Jn 21:15, 16) Hoy i Jesosy avy eo: “Miraiki-po amiko ve ianao?” Nanaiky indray i Petera fa izany tokoa no izy. (Jn 21:17) Nasehon’i Petera tamin’izany fa tena niraiki-po tamin’i Jesosy izy.
Tokony hisy fitiavan-drahalahy (gr.: filadelfia, a.b.t.: firaiketam-po amin’ny rahalahy) eo amin’ny Kristianina rehetra eo anivon’ny fiangonana. (Ro 12:10; He 13:1; jereo koa 1Pe 3:8.) Tena tokony hifankatia sy hifankahazo am-po toy ny mpianakavy àry izy ireo. Marina fa efa maneho fitiavan-drahalahy izy ireo, nefa mbola ampirisihina ihany haneho izany bebe kokoa.—1Te 4:9, 10.
Midika hoe ‘maneho firaiketam-po lalina’ ny teny grika hoe filôstôrgôs, ary ampiasaina amin’ny olona tena akaikin’ny fo. Anisan’ny fototenin’izy io ny hoe stergô, izay ampiasaina matetika hilazana fifankatiavan’ny mpianakavy. Nampirisihin’ny apostoly Paoly ny Kristianina mba hiezaka hanana an’io toetra io bebe kokoa. (Ro 12:10) Nanazava koa izy fa “tsy ho tia [gr.: astôrgôi] ny mpianakaviny” ny olona amin’ny andro farany, ary mendrika ny ho faty ny olona toy izany.—2Ti 3:3; Ro 1:31, 32.
Indray mandeha monja, izany hoe ao amin’ny Jakoba 4:4, no ahitana ny anarana grika hoe filia (fisakaizana) ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Izao no voalaza ao: ‘Fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao. Koa na iza na iza te ho naman’izao tontolo izao [namana (gr.: filôs)], dia mitsangan-ko fahavalon’Andriamanitra izy.’
Fitiavam-bola. Mety hanjary ho tia vola (gr.: filargyria, a.b.t.: fitiavana volafotsy) ny olona iray, ka ho voa mafy vokatr’izany. (1Ti 6:10) Tia vola ny Fariseo tamin’ny taonjato voalohany, ary toy izany koa ny olona amin’ny andro farany. (Lk 16:14; 2Ti 3:2) Tokony “tsy hisy fitiavam-bola” (gr.: afilargyrôs, a.b.t.: tsy tia volafotsy) kosa ny fomba fiainan’ny Kristianina. (He 13:5) Anisan’ny fepetra takina amin’izay hotendrena ho mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana ny hoe “tsy tia vola.”—1Ti 3:3.
Fitiavana lalina (fangoraham-po). Mety hihetsi-po mafy ny olona iray, ka matetika izany no misy vokany eo amin’ny vatany. Ampiasaina matetika hilazana “fitiavana lalina” na “fangoraham-po” àry ny teny grika ho an’ny tsinay (splagkna).—Jereo Fi 2:1; Kl 3:12; 1Jn 3:17, f.a.p.; jereo FIANTRANA.