Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Firavaka Misy Paingotra

Firavaka Misy Paingotra

Haingo vita amin’ny metaly azo paingorina amin’ny akanjo. Nanao firavaka toy izany ny Grika sy Romanina fahiny, na lahy na vavy. Hoatran’ny paingotra ny firavaka romanina sasany: Vy naforitra roa ilay izy ary nisy faraingo ny tendrony iray, fa ny iray kosa naranitra toy ny fanjaitra. Tsy haingo fotsiny izy ireny, fa matetika no nanapaingorana fehitenda na natao hidin’ny akanjo ivelany. Halimo, vy, volamena na volafotsy ny firavaka toy ireny fahiny. Efa nampiasa azy ireny hatry ny ela ny tany Palestina, araka ny hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany. Nisy niendrika tsipìka, ohatra, ireo hita tany Tell en-Nasbeh.

Nanao fanomezana hanamboarana ny tranolay masina ny Israelita (lahy sy vavy), rehefa nasaina nanao izany. Nanome “firavaka misy paingotra”, ohatra, izy ireo. (Ek 35:21, 22) Nitovitovy tamin’ny faraingo angamba izy ireny, matoa nadika koa hoe “faraingo” ny teny hebreo (hah) ilazana azy. (2Mp 19:28) Tsy resahin’ny Baiboly anefa hoe hoatran’ny ahoana ireny firavaka ireny.​—Jereo RAVAKA.