Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Firavaka sy Vatosoa

Firavaka sy Vatosoa

Ny firavaka dia mety ho vatosoa sarobidy na tsy tena sarobidy, izay efa notefena sy natao mangirana, na koa haingo vita amin’ny metaly sarobidy (indrindra fa ny volamena na volafotsy) ka nasiana an’ireny vato ireny. Nanao firavaka daholo na lahy na vavy fahiny mba handravahany ny tenany. Ny diamondra, emeraoda, robia, ary ny safira ihany ankehitriny no heverina ho vatosoa sarobidy. Heverina ho tsy tena sarobidy kosa ireo vatosoa hafa tsara tarehy sy tsy fahita firy. Malalaka kokoa anefa ny hevitr’ilay teny hebreo nadika hoe “vatosoa”, rehefa jerena ny Ezekiela 28:12, 13. Lazaina hoe vatosoa mantsy ireo vato resahina ao ary navahana tamin’ny mineraly hafa, satria tsy fahita firy, tsara tarehy, ary mateza.

Ao amin’ny Genesisy 2:11, 12 no misy resaka voalohany momba ny vatosoa ao amin’ny Baiboly. Voalaza ao fa tany misy volamena tsara i Havila ary “misy dity avy amin’ny hazo matambelo ..., sady misy vato oniksa.”

Ny vatosoa nananan’ny olona no anisan’ny namaritana hoe nanan-karena izy na tsia. Toa nanana vatosoa be dia be mantsy ny mpanjaka toa an-dry Solomona sy Hezekia. (1Mp 10:11; 2Ta 9:10; 32:27) Natao fanomezana ny vatosoa. (1Mp 10:2, 10; 2Ta 9:1, 9) Anisan’ny zavatra azo babo koa izy ireny indraindray (2Sa 12:29, 30; 1Ta 20:2), ary nampiasaina teo amin’ny raharaham-barotra, toy ny tany Tyro fahiny. (Ezk 27:16, 22) Toy izao ny hira nataon’i Ezekiela ho fisaonana “ny mpanjakan’i Tyro”: “Rakotra vatosoa isan-karazany ianao, dia robia sy topaza ary jaspa, krizolita sy oniksa ary jady, safira sy torkoazy ary emeraoda. Tao anaty tranotranony volamena daholo ny vatosoa teny aminao.” (Ezk 28:12, 13) Voalaza koa fa miravaka vatosoa be dia be i Babylona Lehibe.​—Ap 17:3-5; 18:11-17.

Toa tsy fanao fahiny ny nanefy vatosoa mba hisy rirany na lafiny maro be, toy ny fahita ankehitriny. Natao dombodombo sy mangirana kosa izy ireny, rehefa notefena. Nampiasa vato mafy (kôrindona) na vovoky ny vato mafy ny Hebreo sy ny Ejipsianina fahiny, rehefa tiany hokosehina hangirana ny vatosoa. Matetika izy ireny no natao sokitra. Toa nahay nanao sokitra tamin’ny vatosoa ny Hebreo, ela be talohan’ny naha andevo azy ireo tany Ejipta, izay niheverana ny sokitra ho zava-kanto. Azo inoana fa natao sokitra ny peratra fanombohan-kasen’i Joda. (Ge 38:18) Mba hahitana fanazavana fanampiny momba ny firavaka sy ny haingo fahiny, dia jereo BRASELE; FIRAVAKA MISY PAINGOTRA; KAVINA; KAVIN’ORONA; PERATRA; RAVAKA; ROJO FIRAVAKA; ROJON-TONGOTRA; VAKANA.

Nampiasaina teo amin’ny fivavahana marina. Nododonan’ny Ejipsianina mba hiala tany Ejipta ny Israelita, sady nomeny zava-tsarobidy isan-karazany. Rehefa tany an-tany efitra izy ireo, dia azo antoka fa ireny no nataony fanomezana ho an’ny tranolay masina sy hanamboarana ny efodan’ny mpisoronabe ary ny saron-tratrany. (Ek 12:35, 36) Anisan’ireny ny ‘vato oniksa, sy ny vato voatefy napetaka tamin’ny efoda sy tamin’ny saron-tratra.’ (Ek 25:1-7; 35:5, 9, 27) Nasiana vato oniksa roa teo amin’ny sorok’ilay efoda, ary voasokitra teo amin’ny vato tsirairay ny anaran’ny 6 tamin’ireo foko 12 teo amin’ny Israely. Noravahana vatosoa nisy laharana efatra “ny saron-tratra fitsarana.” “Ny laharana voalohany dia robia sy topaza ary emeraoda. Ny laharana faharoa dia torkoazy sy safira ary jaspa. Ny laharana fahatelo dia vato lesema sy agata ary ametista. Ary ny laharana fahefatra dia krizolita sy oniksa ary jady. Natao tao anaty tranom-bato volamena ireo vato, fa ireo tranom-bato kosa natsatoka tao anaty fitoerany avy.” Natao sokitra teo amin’ny vato tsirairay ny anaran’ny foko tsirairay teo amin’ny Israely.​—Ek 39:6-14; 28:9-21; jereo SARON-TRATRA.

Naniry hanorina tempoly tao Jerosalema i Davida, fa tsy navelan’i Jehovah. (1Ta 22:6-10) Faly anefa io mpanjaka zokiolona io nanomana an’ireo zava-tsarobidy hanorenana azy io, ka anisan’izany ny “vato oniksa, vato voatefy araikitra amin’ny rihitra mafy, vato madinika samihafa loko, vatosoa isan-karazany, ary vatosanga be dia be.” Nanome fitaovana be dia be izy, ary nandray anjara koa ny vahoaka. (1Ta 29:2-9) Nanorina an’ilay tempoly i Solomona tatỳ aoriana. “Noravahany vatosoa” ilay izy, izany hoe nasiany haingony vatosoa.​—2Ta 3:6.

Heviny an’ohatra. Manao fanorenana an’ohatra ny Kristianina rehefa manompo. Nilaza ny apostoly Paoly fa i Jesosy Kristy no fototra tokony hanorenan’izy ireo. Avy eo izy nitanisa ireo fitaovam-panorenana isan-karazany ampiasain’izy ireo, ary nohazavainy fa anisan’ny tena tsara ny “vatosoa” an’ohatra izay mahatanty “afo.”​—1Ko 3:10-15.

Ampiasaina an’ohatra ao amin’ny Soratra Masina ny vatosoa indraindray mba hanazavana momba an’izay any an-danitra, na zavatra izany na anjely na Andriamanitra. Nahazo fahitana roa i Ezekiela rehefa nosokafana ny lanitra. Nahita zavamananaina efatra nanana elatra izy tao amin’ireo fahitana ireo, ary nisy kodiarana efatra teo akaikin’izy ireo. Ny fahitana an’ireo kodiarana dia “namirapiratra tahaka ny krizolita”, izany hoe mavo na angamba maitso. (Ezk 1:1-6, 15, 16; 10:9) Nahita “lehilahy iray nanao akanjo vita tamin’ny lamba rongony” koa i Daniela tatỳ aoriana, ary “toy ny krizolita” ny vatan’izy io. Anjely izy io, raha ny marina.​—Da 10:1, 4-6.

Nahazo fahitana momba ny voninahitr’i Jehovah koa i Ezekiela, ary nahita “zavatra toy ny vato safira [manga antitra] sy toy ny seza fiandrianana.” (Ezk 1:25-28; 10:1) Nibanjina ny seza fiandrianan’Andriamanitra any an-danitra ny apostoly Jaona, ary nilaza fa toy ny vatosoa kanto sy mamirapiratra ny voninahitr’i Jehovah Andriamanitra. Hoy izy: “Tahaka ny vato jaspa sy vatosoa mena no fahitana an’ilay mipetraka, ary manodidina an’ilay seza fiandrianana dia nisy avana izay hoatran’ny emeraoda no fahitana azy.”​—Ap 4:1-3, 9-11.

Voalaza fa mamirapiratra “toy ny vatosoa faran’izay tsara” sy “tahaka ny vato jaspa mamirapiratra toy ny kristaly” “ilay tanàna masina, dia i Jerosalema Vaovao”, izany hoe ny “vadin’ny Zanak’ondry.” Nisy vato fototra 12 ny mandan’ilay tanàna, ary “voaravaka vatosoa isan-karazany” izy ireo, izany hoe vatosoa iray ho an’ny fototra iray. Ireto avy àry ireo vatosoa ireo: Jaspa, safira, kalsedoanina, emeraoda, sardoniksa, sardoanina, krizolita, berila, topaza, krizoprazy, hiasinta, ary ametista. Perla 12 ny vavahady 12 tamin’ilay tanàna.​—Ap 21:2, 9-21; jereo HARAN-DRANOMASINA sy ny lahatsoratra momba ny vatosoa tsirairay.