Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA MAHALIANA

Firenena Nanafika ny Israely

Firenena Nanafika ny Israely

FIRENENA maro nanodidina an’i Israely no nitetika ny haka an’ilay tany. Tsy lasan’izy ireo anefa ilay tany raha mbola tsy nivadika koa ny Israely, satria “i Jehovah mihitsy no niady” ho azy ireo.​—Js 10:14.

Izany no nitranga tamin’ny andron’i Josafata Mpanjaka (936-t. 911 T.K.). Nanafika an’i Joda ny Amonita sy ny Moabita ary ny avy any amin’ny Tendrombohitr’i Seira. Nitalaho tamin’i Jehovah àry i Josafata hoe: “Indreo izy ireo fa tonga handroaka anay hiala amin’ny taninao izay nomenao ho lovanay. Koa tsy hampihatra ny didim-pitsaranao amin’izy ireo ve ianao, ry Andriamanitray ô?” Hanao izany tokoa Izy! Nomena toky ny Joda hoe: “Tsy anareo ny ady fa an’Andriamanitra.” Nataon’i Jehovah nisahotaka ny fahavalo, ka nifandringana.​—2Ta 20:1-23.

Navelan’i Jehovah ho resin’ireo fahavalony anefa ny Israely tamin’ny farany. Nofoanan’ny Asyrianina ny fanjakan’ny foko folo tamin’ny 740 T.K., “noho ny nanotan’ny zanak’Israely tamin’i Jehovah.” (2Mp 17:7-18) Noravan’ny Babylonianina koa ny fanjakan’ny foko roa tamin’ny 607 T.K., satria tsy nankatò. (2Mp 21:10-15; 22:16, 17) Zava-dehibe tokoa àry ny mankatò an’i Jehovah.

SARITANY: Firenena Nanafika ny Israely

Miaramila asyrianina mitondra Jiosy avy any Lakisy mba hatao sesitany. Nalaina avy tao amin’ny lapan’i Sankeriba tao Ninive

Soratra ejipsianina mirehareha ny amin’ny nandresen’i Farao Sisaka an’ireo tanànan’i Joda

Tantara babylonianina miresaka momba ny nanafihan’i Nebokadnezara an’i Joda