Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fisaintsainana

Fisaintsainana

Misaintsaina ny olona rehefa mieritreritra lalina sy mifantoka amin’ny zavatra niainany tamin’ny lasa, na mandinika ny ankehitriny, na manombantombana ny hoavy.

Raha te hisaintsaina ny olona iray, dia tsy tokony havelany hisy olona na zavatra hanelingelina azy, fa tokony hifantoka tanteraka izy ka hataony toy ny hoe izy irery no eo. Nandehandeha irery tany ivelan’ny tanàna, ohatra, i Isaka mba hisaintsaina, rehefa harivariva ny andro. Angamba izy nieritreritra momba ny hanambadiany an’i Rebeka tsy ho ela. (Ge 24:63) Nisaintsaina momba ny fahalehibeazan’ilay Mpamorona Be Voninahitra koa ny mpanao salamo, rehefa irery tamin’ny fotoam-piambenana tamin’ny alina. (Sl 63:6) Tokony ho zavatra mahasoa no hosaintsainintsika ao am-pontsika, ohatra hoe ny voninahitr’i Jehovah sy ny zavatra nataony ary ny zavatra mahafinaritra azy. (Sl 19:14; 49:3; 77:12; 143:5; Fi 4:8) Tsy tokony hisaintsaina ny teti-dratsin’ny ratsy fanahy kosa isika.​—Oh 24:1, 2.

Tsy ho mora miteniteny foana ny olona, raha misaintsaina vao mamaly. Eritreretiny tsara ny zavatra tena lehibe, ka lasa vokatry ny fony ny valin-teniny ary tsy hanenenany.​—Oh 15:28.

Nasaina nanao dika mitovy tamin’ny lalàn’i Jehovah i Josoa rehefa voatendry hiandraikitra ny firenen’Israely. Nilazana koa izy mba ‘hisaintsaina’ izany andro aman’alina. Misy Baiboly hafa milaza hoe ‘handinika.’ (Js 1:8, DIEM) Hagah no teny hebreo nadika hoe “misaintsaina” ampiasaina eo, ary midika hoe “manonona teny tsy mazava tsara” izy io. Nadika koa hoe ‘migogogogo’, “mierona”, “mitoreo”, ary “mingonongonona” izy io. (Is 16:7; 31:4; 38:14; 59:3) Midika koa hoe ‘misaintsaina’ sy ‘milaza moramora’ ary “mieritreritra” ny hoe hagah. (Js 1:8; Sl 35:28; Oh 15:28) Mety tsara àry ny nandikan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny hagah hoe “vakiny moramora” ao amin’ny Salamo 1:2. Milentika kokoa ao an-tsaina ny zavatra saintsainina raha vakina moramora. Manazava ny dikan’ny hoe hagah toy izao ny diksionera iray: “Miteny irery, milaza zavatra moramora toy ny fanao rehefa mieritreritra lalina.” (Diksionera Hebreo sy Kaldeanina Nataon’i Gesenius, nadikan’i S. Tregelles, 1901, p. 215)​—Ampit. Sl 35:28; 37:30; 71:24; Is 8:19; 33:18.

Nilaza tamin’i Timoty ny apostoly Paoly mba hieritreritra tsara na hisaintsaina momba ny fitondran-tenany sy ny fanompoany ary ny fampianarany. Mpiandraikitra i Timoty, ka tokony hitandrina mafy mba tsy hampianatra zavatra diso sy mba hanana fitondran-tena fakan-tahaka.​—1Ti 4:15.

Misaintsaina zava-dratsy. Nisambotra an’i Petera sy Jaona ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly. Nandrahona azy ireo koa ny lohandohany teo amin’ny Jiosy, ary nandrara azy tsy hampianatra intsony tamin’ny anaran’i Jesosy. Nafahana anefa izy ireo, ary niverina tany amin’ireo mpianatra hafa. Nivavaka ireo mpianatra ireo ka nanonona ny faminanian’i Davida hoe: “‘Nahoana no mikorontana ireo firenena ary misaina zava-poana ny vahoaka?’ ... Fa efa nifamory teto amin’ity tanàna ity tokoa i Heroda sy Pontio Pilato, mbamin’ny hafa firenena sy ny vahoakan’Israely, hanohitra an’i Jesosy mpanomponao masina, ilay voahosotrao. Nanao izany izy ireo mba hanatanterahana izay efa voatendrin’ny tananao sy ny fikasanao.”​—As 4:1-3, 18, 21, 23-28.

Asehon’ny teny manodidina fa tsy hoe zavatra tadiavin’ny olona eo amin’ny fiainana andavanandro ilay hoe “zava-poana”, fa zavatra tena ratsy, izany hoe eritreritra sy teny ary fikasana hiady amin’i Jehovah sy ny mpanompony. Zavatra tsy misy ilana azy mihitsy!​—As 4:25.

Hoy i Davida Mpanjaka momba ireo nankahala azy sy naniry ny hahafatesany: “Mingonongonona [endriny hafa amin’ny hoe hagah] milaza fitaka foana izy ireo.” (Sl 38:12) Tsy eritreritra sendra nandalo fotsiny anefa izany zavatra nosaintsaininy izany, fa tena latsa-paka tao am-pony mihitsy, satria ny hanao ratsy ihany no masaka tao an-tsainy. Hoy ny mpanoratra ny Ohabolana momba ny olona toy izany: “Fandrobana foana no saintsainin’ny fony, ary fampahoriana foana no tenenin’ny vavany.”​—Oh 24:2.

Hoy i Jesosy tamin’ireo nankahala azy: “Nahoana ianareo no mieritreritra izany ao am-ponareo?” (Mr 2:8) Hoy koa i Paoly momba izay rehetra ‘nampiasa fomba tsy marina mba hisakanana ny fahamarinana’: “Nanjary poakaty ny fomba fisainany, ary nanjary maizina ny fony feno hadalana.” Fahafatesana no miandry an’izay misaintsaina zava-dratsy toy izany.​—Ro 1:18, 21.