Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fisakafoana

Fisakafoana

Fotoana nahafinaritra sy nampahery niarahan’ny Hebreo fahiny, ary ny Kristianina voalohany tatỳ aoriana. Fanehoana fitiavana sy fahaiza-mandray vahiny koa ny fiaraha-misakafo. Toa fanaon’ny Hebreo sy ny Kristianina ny nivavaka rehefa hisakafo.​—1Sa 9:13; As 27:35; 1Ti 4:1, 3; jereo FANASAM-PIFANKATIAVANA; FITIAVANA MANDRAY VAHINY; SAKAFO HARIVAN’NY TOMPO.

Toa indroa isan’andro ny Israelita no tena nisakafo: Ny maraina sy ny hariva avy niasa. (Ampit. Rt 3:2, 3, 7; 1Mp 17:6.) Nisakafo maraina tao an-trano ny ankamaroany, fa ny hafa kosa nitondra sakafo rehefa nandeha niasa, toy ireo mpanarato niasa mafy nandritra ny alina. Mety ho nisy nataon’ny mpanarato sakafo maraina koa ny trondro azony.​—Ampit. Mr 8:14; Jn 21:12, 15.

Toa nisy sakafo maivana ihany anefa rehefa mitataovovonana. (As 10:9, 10) Niato kely mba hisakafo angamba ireo niasa tany an-tsaha.​—Ampit. Rt 2:14.

Nandroso sakafo ny vehivavy matetika (Jn 12:1-3), nefa mety ho niara-nisakafo tamin’ny lehilahy koa. (1Sa 1:4, 5; Jb 1:4) Nanana mpanompo nandroso sakafo teny an-databatra ny mpanankarena, indrindra fa ny mpanjaka. Nanao fitafiana manokana ireo mpandroso sakafon’i Solomona Mpanjaka.​—1Mp 10:4, 5; 2Ta 9:3, 4.

Samy nanana ny kaopiny matetika ny mpihinana, fa ny vilia no niombonana. Mety ho nohanina tamin’ny tanana ny sakafo, na sombi-mofo no natao karazana sotro nakana sakafo sasany.​—Mr 14:20; Jn 13:25, 26; jereo koa Oh 26:15.

Nandry ilika sy nipetraka ny olona rehefa nisakafo. (Ge 27:19; Mpts 19:6; Mt 9:10; Lk 9:14) Mandry ilika eo ambony farafara i Asorobanipala mpanjakan’i Asyria, fa ny vadiny kosa mipetraka amin’ny seza avo mandritra ny fety iray, eo amin’ilay sary mivohitra hita tao an-dapany. Toa nandry ilika teo ambony farafara koa ny Persianina rehefa nisakafo. (Es 7:8) Nisy Israelita nampiasa latabatra sy farafara tamin’ny andron’i Ezekiela.​—Ezk 23:41.

Fony i Jesosy tetỳ an-tany. Fanaon’ny Hebreo tamin’ny taonjato voalohany ny nisasa tanana talohan’ny sakafo. Lasa fombafomba anefa izany teo amin’ny mpanora-dalàna sy Fariseo.​—Mr 7:1-8; jereo FANASANA TANANA.

Ny lafiny telo tamin’ny latabatra no nasiana farafara rehefa nisy fanasana, fony i Jesosy tetỳ an-tany. Nalalaka kosa ny lafiny fahefatra ka teo ny sakafo no naroso. Telo matetika ny olona teo ambony farafara iray, nefa mety ho efatra na dimy koa. Nitehina tamin’ny kiho havia (angamba teo ambony ondana) matetika ireo nisakafo, ary nitodika tany amin’ny latabatra ny lohany. Ny tanana havanana kosa no nandraisana ny sakafo. Izay tsy nisy olona taoriany no nanana ny toerana nihaja indrindra. Ny hoe ‘teo akaikin’ny tratran’ny’ olona iray rehefa nisakafo, dia midika hoe teo anoloany ary nahazo sitraka taminy. (Jn 13:23) Afaka nifampibitsibitsika tamin’ilay teo an-tratrany koa ilay olona.

Arakaraka ny toerana nisy an’ireo olona telo teo ambony farafara no nahalalana raha nitana toerana ambony izy, na ambany, na teo anelanelany. Rehefa nisy farafara maromaro, dia izay teo amin’ny toerana ambany teo amin’ny farafara lavitra indrindra ny mpanasa no nanana ny toerana ambany indrindra.​—Ampit. Mt 23:6; Lk 14:7-11.

Mety ho nisy mpiandraikitra tao amin’ny fanasambe sasany (Jn 2:9), ary mety ho nisy “mozika sy olona nandihy” koa.​—Lk 15:25.

Fomba fijery mety. Tian’Andriamanitra hihinana sy hisotro ny olona (Mpto 2:24), kanefa maharikoriko azy ny fihinanana sy fisotroana tafahoatra. (Oh 23:20, 21; Mpto 10:17; Ro 13:13; 1Pe 4:3; jereo FAHAMAMOANA; TENDAN-KANINA.) Tena mahafinaritra ny misakafo araka ny antonony, ka toy ny manao fety foana ny olona manana fo falifaly. (Oh 15:15) Mahafinaritra koa ny miara-misakafo, rehefa mifankatia ny mpihinana. Hoy ny Ohabolana 15:17: “Aleo mihinana anana ao anatin’ny fifankatiavana, toy izay mihinana omby mifahy ao anatin’ny fifankahalana.”

Heviny an’ohatra. Ny olona mpinamana sy mihavana tsara no niara-nisakafo. Nahazo sitraka tamin’ny mpanjaka sy akaiky azy àry izay nasainy hisakafo tsy tapaka teo an-databany. (1Mp 2:7) Fifandraisana toy izany no nampanantenain’i Jesosy ny mpianany tsy nivadika, rehefa nilaza izy fa hiaraka hihinana sy hisotro aminy ao amin’ny Fanjakany izy ireo.​—Lk 22:28-30; jereo koa Lk 13:29; Ap 19:9.

Haringana izay rehetra manohitra an’Andriamanitra, ka hisy “sakafo hariva lehibe” hanasana ny vorona mba hihinana ny fatin’izy ireny. (Ap 19:15-18) Hafa mihitsy kosa ilay fanasambe ho an’ny firenena rehetra resahin’ny Isaia 25:6.