Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fisaonana

Fisaonana

Matetika no manao zavatra be ny Tatsinanana mba hanehoana ny alahelony rehefa misaona, ary hita taratra ao amin’ny Baiboly izany. Misy aza boky iray manontolo ao amin’ny Baiboly (bokin’ny Fitomaniana) nosoratana mba hanehoana alahelo noho ny nandravana an’i Jerosalema.

Antony alahelovana sy isaonana. Nisaona na nalahelo ny olona mba hanehoana fa nibebaka (Ne 9:1, 2; Jo 3:5-9), na rehefa nisy loza nananontanona (Es 4:3; Je 6:26; Am 5:16, 17), na loza efa nihatra mihitsy (Jl 1:5-14). Fahafatesana matetika no tena antony nisaonana. Nisy andro fisaonana raha havana akaiky no maty. (Ge 23:2; 27:41; 37:33-35) Tena mafy be kosa ny alahelo raha ray na reny na zanaka lahitokana no maty. (Sl 35:14; Am 8:10; Za 12:10) Naharitra 7 hatramin’ny 30 andro ny fisaonana mpitondra firenena. (No 20:29; De 34:8; 1Sa 31:8, 12, 13) Nitomany 70 andro ny Ejipsianina rehefa maty i Jakoba rain’i Josefa, ary nanao fombafomba fisaonana nandritra ny 7 andro fanampiny izy ireo, tany Kanana.​—Ge 50:3-11.

Fomba nanehoana alahelo. Nidradradradra sy nitomany ny olona rehefa nalahelo na nisaona. Nisy koa tsy nikarakara vatana, sy nifady hanina, na tsy nanao ny zavatra fanaony mahazatra. Mety hidradradradra na hiantsoantso ny olona rehefa nitomany. (2Sa 1:11, 12; Es 4:1) Nisy koa nikapo-tratra. (Is 32:11, 12; Na 2:7; Lk 8:52) Matetika izy ireo no nandrovitra ny fitafiany. (Mpts 11:35; 2Mp 22:11, 19) Nisy nanipy vovoka na lavenona teo amin’ny lohany sady nitafy lamba gony (2Sa 13:19; 2Mp 6:30; Jb 2:11, 12), na nanala kapa sy nisaron-doha, na nanaron-tava (2Sa 15:30; 19:4), na nanongotra sy nanapaka volon-doha na niharatra volombava. (Jb 1:20; Ezr 9:3; Je 41:5) Nisy nandidididy vatana, toy ny fanaon’ny mpanompo sampy. (Je 16:6; 47:5) Nifady hanina koa izy sady mety tsy hihoso-menaka na hanasa ny akanjony (2Sa 14:2; 19:24; Da 10:2, 3), ary indraindray nitombina tamin’ny tany na teo amin’ny lavenona.​—2Sa 13:31; Jb 2:8; Is 3:26.

Indraindray, dia nisy tononkalo nampalahelo sy nitaraindraina natao hira fisaonana. (2Sa 1:17-27; 3:33, 34; 2Ta 35:25) Hira niavaka fanehoana alahelo ny shiggayôhn. Hita ao amin’ny teny mampiditra ny Salamo 7 io teny hebreo io, ary misy teny iray tarika aminy ao amin’ny Habakoka 3:1. Toa hira tena mampihetsi-po izy io, ary misy hevitra mifandraika sy miova tampoka. Tsara homarihina fa niresaka momba ny loza, sy nitalaho mafy na nalahelo be ireo mpanoratra an’ireo andalan-teny ireo (Sl 7; Ha 3:2-19), ary nifaly tamin’i Jehovah izy tamin’ny farany.

Nanakarama mpanao hira fisaonana efa matihanina sy mpitendry mozika fisaonana ireo nana-manjo, indraindray. (Je 9:17, 18; Mt 9:23) Ireny no notahafin’ny ankizikely teny an-tsena, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. (Mt 11:16, 17) Sodina no zavamaneno fampiasan’ny olona kokoa rehefa nanao mozika naneho alahelo.​—Je 48:36; Mt 9:23; jereo Ny Adin’ny Jiosy, nataon’i Josèphe, III, 437 (ix, 5).

Fanaon’ny vehivavy ny nankany am-pasana taorian’ny fandevenana, mba hitomany sy haneho ny alahelony. (Jn 11:31) Toa nisy sakafom-pisaonana naroso nandritra ny andro fisaonana, ary toa tena sakafo be mihitsy izany indraindray.​—Ho 9:4; Je 16:5, 7.

Fanao voarara. Tsy nahazo nisaona ny vahoakan’Andriamanitra manontolo na ny isam-batan’olona indraindray, rehefa maty ny olona sasany toy ireo voaheloka, ohatra. (Le 10:1, 2, 6) Tsy navela haneho ny alahelony mihitsy i Ezekiela rehefa maty ny vadiny. Ho fambara ho an’ny Israelita niaraka taminy tany Babylona izany, mba hampisehoana mialoha fa ho taitra tampoka izy ireo ka tsy halahelo na hisaona rehefa hampihatra ny didim-pitsarany amin’i Jerosalema Andriamanitra noho izy io nivadika taminy. (Ezk 24:15-24) Tsy navela hisaona koa i Jeremia.​—Je 16:5-13.

Voararan’ny Lalàn’i Mosesy ny fanao sasany. Nilazana, ohatra, ny Israelita mba tsy handidididy ny vatany na ‘hanaratra ny volomasony’ (Le 19:28; De 14:1), ary tsy hampiasa ny ampahafolon-karena tokony ho an’i Jehovah, rehefa nisy maty. (De 26:12-14) Afaka nisaona ampahibemaso ny mpisorona rehefa maty ny havany akaiky sasany, fa tsy afaka nanao izany kosa ny mpisoronabe.​—Le 21:1-6, 10-12.

Misy fotoana alahelovana sy isaonana. Milaza ny Mpitoriteny 3:1, 4 fa “misy fotoana itomaniana ary misy fotoana ihomehezana, misy fotoana idradradradrana ary misy fotoana itsinjahana.” Voalaza fa ao amin’ny “trano misy fisaonana” ny fon’ny hendry, fa tsy ao amin’ny “trano misy fanasana.” (Mpto 7:2, 4; ampit. Oh 14:13.) Fantatry ny hendry mantsy fa fahafatesana no iafaran’ny olombelona rehetra, ka aleony miara-miory amin’ireo mana-manjo sy mampionona azy ireo, toy izay tsy hiraharaha izany ka handeha hitady fahafinaretana. Manampy azy izany hitadidy fa mety maty koa ny tenany, ary manampy azy izany hiaro ny fony mba tsy hivadika amin’ny Mpamorona mihitsy.

Mitanisa antony ara-dalàna isaonana na alahelovana ny Soratra Masina. Eo, ohatra, ny fahafatesan’ny havan-tiana. (Ge 42:38; 44:31) Mahatonga alahelo koa ireo fanao maharikoriko sy manala baraka an’Andriamanitra ataon’ny fivavahan-diso ka mahatonga ny olona hisento sy hitaraina. (Ezk 9:4; ampit. 1Ko 5:2.) Ara-dalàna koa raha malahelo isika rehefa manao fahadisoana. (Sl 38:4, 6-10) Hoy i Jehovah amin’ireo niala taminy: “Miverena amiko amin’ny fonareo manontolo ... ka mifadia hanina sy mitomania ary midradradradrà. Ary ny fonareo no rovito, fa tsy ny akanjonareo.” (Jl 2:12, 13; ampit. Jk 4:8, 9.) Misy andininy hafa koa manasongadina fa tsy ny alahelo aseho etỳ ivelany no tena zava-dehibe fa ny alahelom-po lalina tsapa ao anaty, izany hoe ny tena alahelo.​—Sl 31:9, 10; Oh 14:10; 15:13; Mr 14:72; Jn 16:6.

Na i Jehovah aza voalaza fa “nalahelo” tany am-pony tany. (Ge 6:6; ampit. Is 63:9.) Mety ‘halahelo’ koa ny fanahy masina. (Ef 4:30) Izao mantsy: Izy io no mahatonga ny mpanompon’Andriamanitra hanana ny vokatry ny fahamarinana rehefa miasa ao anatin’izy ireo izy io. (Ga 5:22-24) “Hampalahelo” azy io àry izay tsy mankasitraka azy io na manohitra ny fomba fiasany na tsy manaiky hotarihiny.​—Ampit. Is 63:10; 1Te 5:19.

Tokony hahay handanjalanja. Mbola nampiseho alahelo tetỳ ivelany ny olona, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Nitabataba sy nidradradradra izy ireo. (Mr 5:38, 39) Marina fa imbetsaka i Jesosy no ‘nalahelo mafy tao am-pony’ ary nitomany (Jn 11:33-35, 38; Lk 19:41; Mr 14:33, 34; He 5:7), nefa tsy nanao zavatra tafahoatra toy ireo voalaza teo aloha ireo mihitsy izy. (Ampit. Lk 23:27, 28.) Naneho alahelo sy nisaona koa ny mpianany. (Mt 9:15; Jn 16:20-22; As 8:2; 9:39; 20:37, 38; Fi 2:27) Naneho ‘alahelo mafy sy ory foana’ i Paoly tao am-pony tao noho ireo havany tsy mpino. (Ro 9:2, 3) Nampanahy azy ny fieritreretana hoe tsy maintsy halahelo koa izy noho ireo rahalahiny nanota nefa mbola tsy nibebaka teo anivon’ny fiangonana tany Korinto. (2Ko 12:21) ‘Tamin-dranomaso’ no niresahany momba ireo rahalahiny izay niala tamin’Andriamanitra ary ‘nitsangan-ko fahavalon’ny hazo fijalian’i Kristy.’ (Fi 3:17-19) Tena tia sy niahy an’ilay fiangonana i Paoly (2Ko 2:1-4), ka mety raha izy no nampianatra hoe tena ilaina ny miara-mifaly amin’ny hafa sy ‘miara-mitomany amin’izay mitomany.’​—Ro 12:15.

Mandreraka sy mahakivy anefa ny alahelo sy ny fahoriana, (Sl 6:6, 7; Lk 22:45; As 21:13; 2Ko 2:6, 7) ka tokony hahay handanjalanja foana ny Kristianina rehefa malahelo. Tokony hahery kokoa noho ny alahelony mihitsy aza ny fanantenany sy ny fifaliany. Manome hery mantsy ny fifaliana. (Mt 5:4; 1Ko 7:29, 30; 2Ko 6:10; ampit. Ne 8:9-12.) Efa nisy mpanompon’Andriamanitra koa fahiny nahay nandanjalanja sy nisaina tsara ary tsy nanadino ny toro lalan’Andriamanitra, na dia nalahelo aza. Nifady hanina sy natory teo amin’ny tany, ohatra, i Davida Mpanjaka, ary nitalaho tamin’Andriamanitra, raha mbola narary ilay zanaka naterak’i Batseba taminy noho ny nijangajangan’izy ireo. Rehefa maty anefa ilay zaza, dia niarina izy, nisasa, nihoso-menaka, nisolo akanjo, nivavaka tamin’i Jehovah ary nangataka sakafo ka nihinana. Nahagaga ny mpanompony izany, ka hoy i Davida: “Efa maty anefa izy izao, koa nahoana aho no hifady hanina? Izaho angaha mahavita mamerina azy indray? Izaho no hankany aminy, fa izy tsy hiverina atỳ amiko.” (2Sa 12:16, 19-23) Tatỳ aoriana anefa, rehefa maty i Absaloma zanak’i Davida, dia nila nanitsy azy tsy niolakolaka i Joaba mba tsy halahelo tafahoatra izy.​—2Sa 18:33; 19:1-8.

Marina fa “mbola miara-mitoloko ... foana ny zavaboary rehetra.” Maivana ihany anefa ny fijalian’ny Kristianina raha oharina amin’ny fanantenana mahafinaritra ananan’izy ireo. (Ro 8:18-22; 1Pe 1:3-7) Tsy ‘malahelo tahaka ny hafa izay tsy manana fanantenana’ ny Kristianina, satria matoky fa mbola hatsangana ny maty.​—1Te 4:13, 14.

Tsy misy dikany ny mifady hanina sy maneho alahelo, raha tsy mankatò an’i Jehovah. (Za 7:2-7) “Ny alahelo araka ny sitrapon’Andriamanitra” mantsy “miteraka fibebahana izay mitondra famonjena.” Tsy ho tsapa anefa io alahelo io raha tsy ekena fa fahotana amin’Andriamanitra ny fanaovan-dratsy. Io alahelo io no handrisika ny olona hangata-pamelana amin’Andriamanitra sy hiala amin’ny ratsy. “Ny alahelon’izao tontolo izao kosa mitondra fahafatesana.” Mety halahelo ny olona iray satria naharihary ny ratsy nataony ka hizaka ny vokany izy. Izany no mampalahelo azy fa tsy hoe tena maniry hahazo famelan-keloka izy. (2Ko 7:10, 11) Tia tena, ohatra, i Esao ka nitomany sao mba ho azony indray ny zon’ny lahimatoa. Tsy nampiova hevitra an’i Isaka rainy na an’Andriamanitra anefa izany.​—He 12:16, 17.

Heviny an’ohatra sy ara-paminaniana. Lazaina an’ohatra hoe misaona ny tany rehefa lao taorian’ny nanafihan’ny fahavalo na nisian’ny loza. (Je 4:27, 28; Jl 1:10-12; ampifan. Sl 96:11-13.) Ho lasa tany lavavolo mantsy ilay tany lao ary ho hita hoe tsy misy mikarakara, ka toy ny olona misaona tsy mahakarakara tarehy sy volo ary fitafiana. Toy ny misaona koa no fahitana ny tany rehefa avy nisy loza nanimba ny voly.

“Hikapo-tratra sy hitomany” noho ny alahelo ny foko rehetra eto an-tany rehefa hiseho “ny famantarana ny Zanak’olona” ka haharihary i Kristy. (Mt 24:30; Ap 1:7) Voalaza fa ho tonga amin’i Babylona Lehibe “ao anatin’ny iray andro” ny loza hanjo azy (fahafatesana sy alahelo ary mosary), ka hitomany sy hisaona ireo nandray soa taminy. (Ap 18:2, 7-11, 17-19) I Jerosalema Vaovao kosa hitondra fiovana eto an-tany ka tsy hisy intsony ny ranomaso, fahafatesana, alahelo, fitarainana, ary fanaintainana.​—Ap 21:2-4.