Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fisaraham-panambadiana

Fisaraham-panambadiana

Lazaina hoe misaraka ny mpivady rehefa foana eo anatrehan’ny lalàna ny fanambadiany. Tapaka àry ny fatorana nampiray ny lehilahy sy ny vadiny. Maromaro ny teny tany am-boalohany nadika hoe “misaraka”, izay midika ara-bakiteny hoe “mandroaka” (De 22:19), “manafaka” na “mamaha” (Mt 1:19; 19:3), “mandefa” (Le 22:13), ary “manapaka” (ampit. De 24:1, 3). Midika ara-bakiteny hoe “boky mirakitra ny fanapahana” ilay “taratasy fisaraham-panambadiana” voalazan’ireo andininy ireo.

Tsy nieritreritra fisaraham-panambadiana i Jehovah rehefa nanakambana an’i Adama sy Eva ho mpivady. Nilaza izany mazava i Jesosy Kristy rehefa namaly an’ilay fanontanian’ny Fariseo hoe: “Azon’ny lehilahy atao ve ny misaraka amin’ny vadiny na inona na inona antony?” Nohazavain’i Kristy fa fikasan’Andriamanitra ny hoe handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy ireo. Hoy i Jesosy avy eo: “Koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.” (Mt 19:3-6; ampit. Ge 2:22-24.) Hoy indray ny Fariseo: “Nahoana àry i Mosesy no nandidy ny lehilahy mba hanome taratasy fisaraham-panambadiana rehefa misaraka amin’ny vadiny?” Hoy ny navalin’i Kristy: “Noho ny hamafin’ny fonareo no namelan’i Mosesy anareo lehilahy hisara-panambadiana, fa tsy mba toy izany tany am-piandohana.”​—Mt 19:7, 8.

Navelan’i Jehovah Andriamanitra hisaraka noho ny antony isan-karazany ny mpivady israelita, na dia tsy izany aza no fikasany. Nasiany fitsipika nifehy ihany anefa izany tao amin’ny Lalàn’i Mosesy. Hoy ny Deoteronomia 24:1: “Raha misy lehilahy maka vady ka lasa fananany ravehivavy, izany hoe lasa vadiny, nefa manjary tsy mahazo sitraka aminy satria nahitany zavatra manafintohina, dia aoka izy hanao taratasy fisaraham-panambadiana ary hanolotra izany an-dravehivavy, ka handroaka azy hiala ao an-tranony.” Tsy nolazaina mazava hoe inona marina ilay “zavatra manafintohina” (ara-bakiteny: “fitanjahan-javatra”). Tsy fanitsakitsaham-bady izy io, satria voalazan’ny Lalàna hoe hovonoina ho faty izay manitsakitsa-bady fa tsy hoe hisarahana. (De 22:22-24) Azo inoana fa tamin’ny voalohany dia zavatra tena lehibe ilay “zavatra manafintohina”, izay namela ny lehilahy hebreo hisaraka tamin’ny vadiny. Nanala baraka azy mianakavy angamba ilay vehivavy, na tafahoatra loatra ny tsy fanajany ny vadiny. Mazava ho azy fa tsy fahadisoana madinika ny antony nisarahana, satria milaza mazava ny Lalàna hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Le 19:18) Ho voasazy mantsy ilay lehilahy raha tsy izany.

Maro ny lehilahy jiosy namitaka ny vadiny, tamin’ny andron’i Malakia. Nisaraka tamin’ny vadiny noho izao antony rehetra izao izy ireo, ka nanary an’ilay vadin’ny fahatanorany, angamba mba hanambadiana vehivavy mpanompo sampy tanora kokoa. Namela izany hitranga ny mpisorona fa tsy nanaja ny lalàn’Andriamanitra, ka tezitra mafy i Jehovah. (Ml 2:10-16) Maro ny antony nisarahan’ny lehilahy jiosy tamin’ny vadiny, tamin’i Jesosy tetỳ an-tany. Manaporofo izany ity fanontanian’ny Fariseo tamin’i Jesosy ity: “Azon’ny lehilahy atao ve ny misaraka amin’ny vadiny na inona na inona antony?”​—Mt 19:3.

Fanaon’ny lehilahy israelita ny nanome vola an’ilay vehivavy hampakariny, ka noheverina ho fananany ilay vehivavy. Nahazo fitahiana sy tombontsoa maro ilay vehivavy, nefa ambany kokoa noho ny vadiny izy na izany aza. Manasongadina izany ny Deoteronomia 24:1-4, izay milaza fa afaka nisaraka tamin’ny vadiny ny lehilahy, fa ny vehivavy kosa tsy mba voalaza hoe afaka nisaraka, satria fananan’ilay lehilahy izy. Teo amin’ny Israely, dia i Salome anabavin’i Heroda Mpanjaka no voalazan’ny tantara hoe vehivavy voalohany nanao izay hisarahana tamin’ny vadiny, izay governoran’i Idomea. Nomen’i Salome taratasy fisarahana ilay vadiny mba haharava ny tokantranon’izy ireo. (Rakitry ny Ela Jiosy, XV, 259 [vii, 10]) Nanomboka nihamaro angamba ny vehivavy tapa-kevitra ny hisaraka tamin’ny vadiny tamin’ny andron’i Jesosy, na koa efa tsinjon’i Jesosy hoe hahazo vahana izany, matoa izy nilaza hoe: “Raha manambady olon-kafa ny vehivavy nisaraka [izany hoe nanapa-kevitra hisaraka] tamin’ny vadiny, dia manitsakitsa-bady.”​—Mr 10:12.

Taratasy fisaraham-panambadiana. Nohararaotin’ny sasany ilay fahafahana hisara-panambadiana, tatỳ aoriana. Tsy midika anefa izany hoe iny Lalàn’i Mosesy momba ny fisaraham-panambadiana iny no nahatonga ny lehilahy israelita hisaraka mora foana tamin’ny vadiny. Nisy dingana maromaro tsy maintsy nataony mantsy. Nila nanoratra “taratasy fisaraham-panambadiana” izy, ary “hanolotra izany an-dravehivavy, ka handroaka azy hiala ao an-tranony.” (De 24:1) Tsy manome ny tsipirian’io dingana notakin’ny lalàna io ny Soratra Masina, nefa azo inoana fa nanatona an’ireo lehilahy nanam-pahefana izy, ary ireo kosa niezaka nampihavana azy mivady aloha. Nila fotoana ny fanomanana izany taratasy izany, ary niandry elaela ihany vao vita ara-dalàna ilay fisarahana, ka mbola afaka nieritreritra tsara ilay lehilahy. Tokony ho marim-pototra koa ny antony hisarahana. Tsy nanapa-kevitra maimaika ny hisaraka ny mpivady israelita, rehefa nampiharina tsara ny lalàna. Voaro koa, araka izany, ny zo sy ny tombontsoan’ny vehivavy. Tsy ambaran’ny Soratra Masina ny votoatin’ilay “taratasy fisaraham-panambadiana.”

Nisaraka ary nanambady indray. Milaza koa ny Deoteronomia 24:1-4 fa “hiala” ao an-tranon-dralehilahy ny vehivavy nisarahan’ny vadiny “ka handeha, ary ho lasa vadin’olon-kafa.” Midika izany fa afaka manambady indray izy. Izao koa no voalaza: “Raha manjary mankahala azy koa ilay vadiny faharoa, ka manao taratasy fisaraham-panambadiana ary manolotra izany ho azy sady mandroaka azy hiala ao an-tranony, na raha maty ilay vadiny faharoa, dia tsy mahazo maka azy ho vady intsony ilay vadiny voalohany izay nandroaka azy, satria efa voaloto izy. Zava-maharikoriko amin’i Jehovah mantsy izany, ka aza mampanota an’ilay tany homen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.” Tsy nahazo niverina tamin’ilay vadiny efa nisarahany ilay lehilahy, sao hiara-manao tetika izy ireo mba hisarahan’ilay vadiny taloha amin’ilay lehilahy faharoa na hamonoana azy, ka hahafahan’izy ireo hivady indray. Maloto eo imason’Andriamanitra ny fiarahan’izy ireo raha miverina amin’ilay vadiny taloha ilay lehilahy. Toy ny adala koa izy raha manao izany, satria vehivavy efa nahitany “zavatra manafintohina” sy noroahiny no nalainy indray, nefa ilay vehivavy efa vadin’olon-kafa ara-dalàna.

Nila nieritreritra tsara ny lehilahy nikasa hisaraka tamin’ny vadiny, satria tsy afaka niverina tamin’ilay vady nisarahany izy raha efa nanambady indray io vadiny taloha io, ary na dia nisarahan’ilay lehilahy faharoa aza izy io na koa maty ilay lehilahy. (Je 3:1) Tsy voalaza kosa hoe tsy nahazo nanambady an’ilay vady efa nisarahany ny lehilahy, raha mbola tsy nanambady olon-kafa io vadiny taloha io.

Noroahina ireo vehivavy hafa firenena. Talohan’ny nidiran’ny Israelita tao amin’ny Tany Nampanantenaina, dia nilazana izy ireo mba tsy hanao fifanarahana ara-panambadiana tamin’ireo mpanompo sampy nonina tao. (De 7:3, 4) Naka vady hafa firenena ihany anefa ny Jiosy tamin’ny andron’i Ezra. Nivavaka àry i Ezra ka niaiky fa meloka izy ireo. Nandroaka an’ireo vehivavy hafa firenena “niaraka tamin’ny zanany” ireo lehilahy israelita, rehefa nampirisihin’i Ezra sy niaiky ny fahadisoany.​—Ezr 9:10–10:44.

Avy amin’ny firenena rehetra kosa ny Kristianina (Mt 28:19), ka nilaza tamin’izy ireo i Paoly mba tsy hisaraka amin’ny vadiny mihitsy, na dia tsy mpanompon’i Jehovah aza ny vadiny. (1Ko 7:10-28) Ny Kristianina mikasa hanambady kosa anefa notoroana hevitra mba hanambady “ao amin’ny Tompo ihany.”​—1Ko 7:39.

Nieritreritra ny hisaraka i Josefa. Efa voafofo ho vadin’i Josefa i Maria no nitoe-jaza noho ny herin’ny fanahy masina. Mbola tsy niray trano akory izy roa tamin’izay. Hoy ny fitantarana: “Olo-marina anefa i Josefa vadiny, sady tsy te hanala baraka azy ampahibemaso, ka nikasa hisaraka taminy mangingina.” (Mt 1:18, 19) Mety ny ampiasana an’ilay teny hoe “hisaraka”, satria nihevitra ny Jiosy tamin’izany hoe efa mpivady ny mpifamofo.

Notoraham-bato ho faty toy ny vehivavy nanitsakitsa-bady ny zazavavy efa fofombadin’olona, raha nanaiky hanao firaisana tamin’ny lehilahy hafa. (De 22:22-29) Rehefa nisy olona tokony hotoraham-bato ho faty, dia tsy maintsy nisy vavolombelona roa nanamarina fa tena meloka tokoa izy. (De 17:6, 7) Nazava fa tsy nanana vavolombelona hiampanga an’i Maria i Josefa. Nitoe-jaza i Maria, ary tsy azon’i Josefa tsara ny antony, raha tsy nohazavain’ilay anjelin’i Jehovah. (Mt 1:20, 21) Tsy voalaza raha nikasa ny hanome taratasy fisaraham-panambadiana izy na tsia, tamin’izy nieritreritra ny ‘hisaraka mangingina.’ Azo inoana anefa fa vonona hanaraka ny toro lalana ao amin’ny Deoteronomia 24:1-4 izy, ka angamba hisaraka tamin’i Maria teo anatrehan’ny vavolombelona roa monja, mba ho ara-dalàna ny fisarahana nefa tsy hanala baraka an’i Maria. Marina fa tsy manome tsipiriany momba izay fomba noeritreretin’i Josefa hampiasaina i Matio, nefa hazavainy kosa fa te hamindra fo tamin’i Maria i Josefa. Olona tsy marina ve i Josefa noho izany? Tsia, satria voalaza fa noho izy “olo-marina” sady tsy te hanala baraka an’i Maria ampahibemaso no nahatonga azy ‘hikasa hisaraka taminy mangingina.’​—Mt 1:19.

Toe-javatra tsy nahafahana nisaraka. Tsy nahazo nisaraka tamin’ny vadiny ny lehilahy israelita indraindray, araka ny lalàn’Andriamanitra ho an’ny Israely. Mety hanambady, ohatra, ny lehilahy iray ary hanao firaisana amin’ny vadiny nefa manjary mankahala azy. Mety handainga izy hoe tsy virjiny intsony razazavavy tamin’izy nampakariny. Nampangainy ho nanao zavatra tena ratsy izy araka izany, ary nalany baraka. Rehefa nasehon’ny ray aman-drenin-drazazavavy anefa ny porofo hoe virjiny ny zanany tamin’izy nampakarina, dia hofaizin’ireo anti-panahin’ny tanàna ilay lehilahy satria nanendrikendrika. Hosazin’izy ireo handoa sekely volafotsy zato (220 dolara) izy, ka hanome izany ho an’ny rain-drazazavavy. Mbola ho vadiny ihany razazavavy, ka “tsy azony isarahana mandritra ny androm-piainany.” (De 22:13-19) Raha fantatra koa fa nisy lehilahy nisambotra zazavavy virjiny mbola tsy fofombadin’olona, ary nanao firaisana taminy, dia izao no voalaza: “Hanome sekely volafotsy dimampolo [110 dolara] ho an’ny rain-drazazavavy ilay lehilahy nanao firaisana taminy. Ary ho lasa vadiny razazavavy satria efa nampietreny, ka tsy azony isarahana mandritra ny androm-piainany.”​—De 22:28, 29.

Inona no antony tokana araka ny Soratra Masina azon’ny mpivady kristianina isarahana?

Hoy i Jesosy Kristy tao amin’ny toriteniny teo an-tendrombohitra: “Voalaza koa hoe: ‘Izay misaraka amin’ny vadiny, dia tokony hanome azy taratasy fisaraham-panambadiana.’ Izaho kosa anefa milaza aminareo fa izay lehilahy misaraka amin’ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mety hahatonga an-dravehivavy hanitsakitsa-bady. Ary izay manambady vehivavy nisarahan’ny vadiny, dia manitsakitsa-bady.” (Mt 5:31, 32) Nilaza tamin’ny Fariseo koa izy fa namela ny Israelita hisara-panambadiana i Mosesy, na dia tsy izany aza no izy “tany am-piandohana.” Hoy izy avy eo: “Lazaiko aminareo fa izay misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa, dia manitsakitsa-bady, raha tsy hoe noho ny fijangajangana ihany angaha no antony isarahany.” (Mt 19:8, 9) Tsy mitovy ny “mpijangajanga” sy ny “mpanitsakitsa-bady” ao an-tsain’ny maro, ankehitriny. Lehilahy tsy manambady nefa manao firaisana amim-behivavy no lazain’ny olona ankehitriny hoe mijangajanga. Mijangajanga koa no ilazany ny vehivavy tsy manambady manao toy izany. Manitsakitsa-bady kosa ny olona manambady nefa manao firaisana an-tsitrapo amin’ny vehivavy na lehilahy tsy vadiny ara-dalàna. Asehon’ilay lahatsoratra hoe FIJANGAJANGANA anefa fa ilay teny grika hoe pôrneia no adika hoe “fijangajangana”, ary anisan’ny pôrneia ny karazana firaisana rehetra ataon’ny olona tsy mpivady eo imason’Andriamanitra. Hazavain’ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 5:32 sy 19:9 àry fa ny antony tokana ahafahan’ny olona iray misara-panambadiana dia ny hoe nanao pôrneia ny vadiny. Ny pôrneia ihany no tena manapaka ny fatoram-panambadiana. Afaka misaraka amin’ny vadiny nanao pôrneia àry ny Kristianina raha tiany, ary afaka manambady Kristianina hafa izy aorian’izay.​—1Ko 7:39.

Misy lehilahy manambady nefa manao firaisana amin-dehilahy, na vehivavy manambady nefa manao firaisana amim-behivavy. Maloto sy maharikoriko izany fanao izany, ary tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra izay manao izany, raha tsy mibebaka. Mazava ho azy fa melohin’ny Soratra Masina koa ny firaisana amin’ny biby. (Le 18:22, 23; Ro 1:24-27; 1Ko 6:9, 10) Antsoina hoe pôrneia daholo ireo karazana fanao tena maloto ireo. Tsara homarihina koa fa nasain’ny Lalàn’i Mosesy novonoina ho faty ny lehilahy manao firaisana amin-dehilahy, na vehivavy manao firaisana amim-behivavy, na olona manao firaisana amin’ny biby. Mahazo manambady indray, araka izany, ilay vady tsy diso.​—Le 20:13, 15, 16.

Nilaza i Jesosy Kristy fa “izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady.” (Mt 5:28) Mety hisy fanirian-dratsy àry ao am-pon’ny olona iray, nefa tsy nilaza i Jesosy hoe antony isarahana izany raha mbola tsy notanterahiny ilay izy. Nohazavain’i Jesosy kosa fa tokony hadio foana ny ao am-pontsika, ary tsy tokony hisy eritreri-dratsy na fanirian-dratsy havelantsika hamaka ao.​—Fi 4:8; Jk 1:14, 15.

Nasongadin’ny lalàn’ny raby jiosy fa adidin’ny olona manambady ny manao firaisana amin’ny vadiny, ary afaka misaraka ny lehilahy raha tsy miteraka ilay vadiny. Raha ny Soratra Masina kosa no jerena, dia tsy tokony hisaraka amin’ny vadiny noho izany antony izany ny Kristianina. Tsy niteraka nandritra ny taona maro ny vehivavy sasany fahiny, nefa tsy nisarahan’ny vadiny. Teo, ohatra, i Saraha sy Abrahama, Rebeka sy Isaka, Rahely sy Jakoba, ary Elizabeta sy Zakaria mpisorona.​—Ge 11:30; 17:17; 25:19-26; 29:31; 30:1, 2, 22-25; Lk 1:5-7, 18, 24, 57.

Tsy milaza mihitsy ny Soratra Masina hoe afaka misaraka amin’ny vadiny ny Kristianina satria manan-kilema ilay vadiny ka tsy afaka manao firaisana aminy, na lasa adala na voan’ny aretina maharikoriko na tsy misy fanafany. Tokony ho tia ny vadiny ny Kristianina, ka hiantra sy hikarakara azy fa tsy hisaraka aminy. (Ef 5:28-31) Mety ho samy hafa fivavahana koa ny mpivady. Milaza anefa ny Baiboly fa tsy manan-jo hisaraka izy ireo na izany aza. Voalaza ao koa fa mety ho voataonan’ilay Kristianina hanaraka ny fivavahana marina kosa aza ny vadiny, raha tsy ialany.​—1Ko 7:12-16; 1Pe 3:1-7.

Hoy i Jesosy tao amin’ny toriteniny teo an-tendrombohitra: “Izay lehilahy misaraka amin’ny vadiny, afa-tsy noho ny fijangajangana ihany, dia mety hahatonga an-dravehivavy hanitsakitsa-bady. Ary izay manambady vehivavy nisarahan’ny vadiny, dia manitsakitsa-bady.” (Mt 5:32) Nasehon’i Kristy àry fa mety hahatonga ny vadiny hanitsakitsa-bady ny lehilahy, raha tsy noho ny “fijangajangana” (pôrneia) no isarahany aminy. Tsy tena mahatapaka an’ilay fatoram-panambadiana mantsy izany fisarahana izany, ka tsy afaka manambady lehilahy hafa sy manao firaisana aminy ilay vehivavy. Nilaza i Jesosy fa “izay manambady vehivavy nisarahan’ny vadiny, dia manitsakitsa-bady.” Vehivavy nisarahan’ny vadiny, nefa tsy “noho ny fijangajangana” (pôrneia), no tiany holazaina eo. Nisara-panambadiana araka ny lalàna ilay vehivavy, fa tsy araka ny Soratra Masina.

Nanonona ilay tenin’i Jesosy tamin’ny Fariseo momba ny fisaraham-panambadiana koa i Marka, toa an’i Matio. (Mt 19:3-9) Izao no nilazany ny tenin’i Kristy: “Izay misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa, dia manitsakitsa-bady. Ary raha manambady olon-kafa ny vehivavy nisaraka tamin’ny vadiny, dia manitsakitsa-bady.” (Mr 10:11, 12) Mitovy amin’io koa ny teny ao amin’ny Lioka 16:18 hoe: “Manitsakitsa-bady izay lehilahy misaraka amin’ny vadiny ka manambady olon-kafa. Ary izay manambady vehivavy nisarahan’ny vadiny dia manitsakitsa-bady.” Toa mandrara ny Kristianina tsy hisara-panambadiana mihitsy ireo andininy ireo, raha ireo fotsiny no jerena. Toa milaza koa izy ireo fa tsy mahazo manambady indray ny olona nisara-panambadiana raha tsy efa maty ilay vady nisarahany. Ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio anefa no feno kokoa, ka io no tokony hampiasaina mba hahazoana ny hevitr’ilay ao amin’ny Marka sy Lioka. Ny fitantaran’i Matio mantsy mbola nampiany hoe: “Raha tsy hoe noho ny fijangajangana ihany.” (Mt 19:9; jereo koa 5:32.) Hita amin’izany fa raha antony hafa ankoatra ny fijangajangana (pôrneia) no isarahan’ny mpivady, vao mihatra ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Marka sy Lioka.

Tsy manery ny olona iray hisaraka anefa ny Soratra Masina, raha nanitsakitsaka azy ny vadiny nefa nibebaka. Afaka mamindra fo ilay Kristianina, toa an’i Hosea izay nampody an’i Gomera vadiny nanitsakitsaka azy. Namindra fo koa i Jehovah rehefa nivadika taminy ny Israely, izay azo lazaina hoe nanitsakitsa-bady nefa nibebaka.​—Ho 3.

Naverina ho toy ny tany am-piandohana. Hita amin’ny tenin’i Jesosy Kristy terỳ aloha fa tiany hiverina amin’ilay modely nanaovan’Andriamanitra azy tany am-piandohana ny fanambadiana, ary tokony hanaraka izany izay te ho tonga mpianany. Namela ny Israelita hisara-panambadiana ny Lalàn’i Mosesy, izay mbola nanan-kery tamin’ny andron’i Jesosy. Ahoana kosa ny amin’ireo maniry ho tena mpianatr’i Jesosy, sy mankatò ny teniny, ary manao ny sitrapon’ny Rainy (Mt 7:21-29)? Tsy tokony hohararaotin’izy ireo intsony izany fahafahana misaraka izany. Tsy ho ‘mafy fo’ amin’ny vadiny izy ireo amin’izay. (Mt 19:8) Tsy handika ny fitsipika napetrak’Andriamanitra momba ny fanambadiana ny tena mpianatr’i Kristy, ka tsy hisaraka amin’ny vadiny noho ny antony hafa ankoatra an’ilay nolazain’i Jesosy, izany hoe ny “fijangajangana” (pôrneia).

Ho “vatana iray” amin’ny mpivaro-tena ny mpitovo, raha mijangajanga aminy. Izay manitsakitsa-bady koa dia ho “vatana iray” amin’ilay olona ratsy fitondran-tena anaovany firaisana, fa tsy amin’ilay vadiny ara-dalàna. Tsy amin’ny vatany ihany àry ny mpanitsakitsa-bady no manota, fa amin’ny vadiny ara-dalàna koa, izay mbola “nofo iray” aminy hatreo. (1Ko 6:16-18) Antony marim-pototra hanapahana ny fatoram-panambadiana àry ny fanitsakitsaham-bady, raha ny fitsipik’Andriamanitra no jerena. Rava tanteraka sy foana eo anatrehan’ny lalàna ilay fatorana ara-dalàna nampiray ny mpivady, raha misaraka noho ny fanitsakitsaham-bady izy ireo. Afaka manambady indray àry ilay vady tsy diso, ary mendri-kaja ny fanambadiany.​—He 13:4.

Fisaraham-panambadiana an’ohatra. Ampiasaina amin’ny heviny an’ohatra ny fanambadiana ao amin’ny Soratra Masina. (Is 54:1, 5, 6; 62:1-6) Resahina ao koa ny fisaraham-panambadiana an’ohatra, na fandroahana an’ilay vehivavy.​—Je 3:8.

Nirodana ny fanjakan’ny Joda ary rava i Jerosalema tamin’ny 607 T.K., ka natao sesitany tany Babylona ny mponina tao. Nilaza izao faminaniana izao tamin’ny Jiosy i Jehovah, taona maro talohan’ny nahababo azy ireo: “Aiza izay taratasy fisaraham-panambadiana nomeko an-dreninareo izay noroahiko?” (Is 50:1) Nolazaina hoe renin’izy ireo ny firenena jiosy eo. Rariny ny an’i Jehovah raha nandroaka azy io, satria izy io no nandika ny fifaneken’ny Lalàna, fa tsy hoe i Jehovah no nivadika ny fifanekena ka nikarakara fisaraham-panambadiana. Nisy nibebaka anefa ny Israelita sisa tavela, ka nivavaka izy ireo mba hanaiky ho vadin’izy ireo indray i Jehovah, rehefa tafaverina tany an-tanindrazany izy ireo. Noho ny anarany, dia nampodin’i Jehovah araka ny efa nampanantenainy ny vahoakany, tamin’ny 537 T.K., rehefa tapitra ny 70 taona naha lao an’ilay tany.​—Sl 137:1-9; jereo FANAMBADIANA.