Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fisotroan-dronono

Fisotroan-dronono

Fitsaharana tanteraka amin’ny asa na amin’ny ampahany amin’ilay izy.

Notendrena hanompo tao amin’ny tranolay fihaonana teo ambany fifehezan’ny mpisorona ny Levita (tsy taranak’i Arona). Niahy azy ireo i Jehovah, satria hoy izy tamin’i Mosesy: “Izao no hampiharina amin’ny Levita: Ny dimy amby roapolo taona no ho miakatra no hiditra ho isan’ireo manao ny fanompoana momba ny tranolay fihaonana. Hitsahatra tsy ho isan’ny mpanompo kosa izy eo amin’ny fahadimampolo taonany, ka tsy hanompo intsony. Dia hanampy an’ireo rahalahiny manao adidy ao amin’ny tranolay fihaonana izy, nefa tsy hanao fanompoana.”​—No 8:23-26; 1Ta 23:3.

Resahin’ny Nomery toko faha-​4 ny nandaminana ny asan’ny Levita. Nosoratana anarana izay 30 ka hatramin’ny 50 taona.

Asa mafy ny nanangana, nandrava, ary nibata ny tranolay fihaonana. Nilanja talenta iray (34 kg eo ho eo) ny faladiany volafotsy tsirairay tamin’ireo 96 nitsatohan’ny rafitra sy tamin’ireo 4 nitsatohan’ny andry teo anelanelan’ny Masina sy Masina Indrindra. Nisy faladiany varahina dimy koa ireo andry teo amin’ny fidirana amin’ilay tranolay. (Ek 26:19, 21, 25, 32, 37; 38:27) Hazo akasia malamalama sy mavesatra ary nopetahana takela-bolamena ireo rafitra 48 (lavany: 4,5 m; sakany: 67 sm). (Ek 26:15-25, 29) Nisy barany (nopetahana takela-bolamena) nitsivalana koa teo amin’ny andaniny roa sy teo andamosin’ilay tranolay. (Ek 26:26-29) Navesatra izy rehetra ireo. Navesa-be koa ireo rakotra vita tamin’ny hoditra faoky, hoditr’ondry, hoditr’osy, ary lamba rongony, mbamin’ilay fefy lamba rongony nanodidina ny tokotany, ireo andriny, faladiany, fantsika fanenjanan-day, sy ny sisa. Nilana herim-batana àry ny nikirakira an’ilay tranolay. (Ek 26:1-14; 27:9-19) Sarety enina no nitondrana azy rehetra ireo. Ny fanaka masina tao amin’ny tranolay fihaonana sy ny alitara varahina fanaovana sorona ary ny lamba fanakonana ny Masina Indrindra kosa nolanjain’ny Kehatita, rehefa teny an-dalana.​—No 4:4-15; 7:7-9.

Toa nitsahatra tsy nanompo koa ny Levita feno 50 taona, mba hahafahan’ny Levita rehetra hanana anjara fanompoana tao amin’ny toerana masina. Vitsy monja mantsy no nilaina, indrindra tao amin’ny tranolay fihaonana na tranolay masina. Tsy nitsahatra nanompo kosa ny mpisorona, izay Levita taranak’i Arona.

Azo lazaina hoe “niofana” dimy taona ireo Levita tanora kokoa 25 ka hatramin’ny 30 taona. Tsy nampanaovina asa mafy hoatran’ireo lehilahy lehibe 30 taona no ho miakatra izy ireo. (Jereo TAONA.) Tsy nilaina nobatabataina intsony ny toerana masina rehefa teo amin’ny Tendrombohitra Ziona ilay Vata (efa haorina tsy ho ela koa ny tempoly). Nanomboka nanompo teo amin’ny faha-20 taonany àry ny Levita, araka ny lamina napetrak’i Davida. Ho maro sy lehibe kokoa mantsy ny asa tao amin’ny tempoly.​—1Ta 23:24-27.

Nitsahatra tsy nanompo ny Levita feno 50 taona, nefa mbola afaka nanolo-tena an-tsitrapo ‘hanampy an’ireo rahalahiny nanao adidy tao amin’ny tranolay fihaonana.’ (No 8:26) Angamba izy ireo nanolo-tsaina sy nanampy an’ireo nanao asa maivana kokoa. Tsy nampanaovina asa mafy anefa izy ireo. Mbola mpampianatra Lalàna koa izy ireo. (De 33:8-10; 2Ta 35:3) Ireo nipetraka tao amin’ny tanàna fialokalofana kosa afaka nanampy an’ireo nialokaloka tao.

Fanompoan’ny Kristianina. “Sady mpisorona no mpanjaka” ireo ‘rahalahin’i’ Jesosy Kristy mpanara-dia azy. (He 2:10-12; 1Pe 2:9) Tsy mba hitsahatra hanompo izy ireo. Nitory foana, ohatra, ny apostoly Paoly na dia nigadra aza. Tsy nitsahatra nanompo mihitsy izy mandra-pahafatiny (As 28:30, 31; 2Ti 4:6, 7), ary toy izany koa i Petera. (2Pe 1:13-15) Efa be taona be i Jaona tamin’izy nanoratra ny Filazantsarany sy taratasy telo (taona t. 98).

Hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana (taorian’ny nahitany an’ireo 144 000 “voaisy tombo-kase”) ny ‘vahoaka be manao fanompoana masina ho [an’Andriamanitra] andro aman’alina’, na tsy an-kijanona. Tsy hitsahatra hanompo koa àry ny Kristianina hafa.​—Ap 7:4, 9, 15.