Fitafiana
Miresaka momba ny fitafiana isan-karazany ny Baiboly. Ny tantara kosa tsy miresaka firy momba ny fitafian’ny Hebreo, tsy hoatran’ny an’ny Ejipsianina sy Asyrianina. Tsy nanao tsangambato na soratra nankalazana ny fandreseny tany an’ady mantsy ny Israelita. Tsy nanao sarin’ny tenany koa izy ireo ka tsy fantatra hoe nanao ahoana ny fitafiany. Ny Ejipsianina sy Asyrianina ary firenen-kafa kosa nanao sary mivohitra maro, izay mampiseho ny fitafian’izy ireo sy ny an’ireo babony samy hafa firenena. Toa Hebreo, hono, ny babo sasany, nefa tsy voaporofo izany. Azo inoana kokoa fa mety ho mitovitovy ihany ny fitafiana sasany nanaovana fahiny sy ankehitriny tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Mitovy mantsy ny antony anaovana azy ireny, ary misy fomba amam-panao tsy niova mihitsy. Toa niloko kokoa noho ny fitafian’ny Arabo mpifindrafindra monina ankehitriny anefa ny an’ny Hebreo fahiny, araka ny hitan’ny mpikaroka. Nampifanarahin’ny Jiosy ankehitriny sy ireo firenena manodidina azy tamin’ny fivavahany sy ny fanaon’ny Grika sy Romanina ary Tandrefana koa ny fitafiany. Azontsika vinavinaina ihany àry ny fitafian’ny Hebreo fahiny, saingy tsy tena fantatsika ny tsipiriany.
Akora. Ny ravin’aviavy no voalohany indrindra nampiasain’i Adama sy Eva hanaovana sikina, rehefa avy nozairiny. (Ge 3:7) Nanaovan’i Jehovah akanjo lava vita tamin’ny hoditra izy ireo tatỳ aoriana. (Ge 3:21) “Akanjo volom-biby” no “akanjona mpaminany” nanaovan’i Elia sy Elisa. Nanao fehikibo hoditra koa i Elia. Hoatran’ny an’i Elia ny fitafian’i Jaona Mpanao Batisa. (2Mp 1:8; 2:13; He 11:37; Mt 3:4) Nitafy lamba gony volom-biby (Ap 6:12) ny olona nisaona. (Es 4:1; Sl 69:10, 11; Ap 11:3) Lamba rongony sy volonondry no tena nanaovana fitafiana (Le 13:47-59; Oh 31:13), nefa nampiasaina koa ny landihazo. Ny mahantra kosa nampiasa volon’osy sy volon-drameva na volonondry indraindray. Lafo kokoa ny lamba rongony. Indray mandeha monja ny Baiboly no miresaka lamba landy, izay anisan’ny entana novidin’i Babylona Lehibe. (Ap 18:12) Samihafa loko ny fitafiana, ary nisy soritsoritra miloko isan-karazany. Nisy peta-kofehy kosa ny sasany. (Mpts 5:30) Samihafa koa ny tenona. “Karôkarô” ny tenon’ny akanjo fotsy lava vita tamin’ny rongony nanaovan’ny mpisoronabe. (Ek 28:39) Afaka nanao akanjo vita tamin’ny lamba rongony sy akanjo vita tamin’ny volonondry ny Israelita tsy mpisorona, nefa tsy nahazo nanao akanjo vita tamin’ny kofehy roa karazana niara-notenomina.—Le 19:19; De 22:11; jereo FANDOKOANA LAMBA; LAMBA.
Akanjo. Beged matetika no ilazan’ny Soratra Hebreo ny akanjo. Misy koa teny hebreo hafa ilazana ny akanjo amin’ny ankapobeny, na akanjo manokana.
Akanjo anatiny. Toa salaka, na kilaoty lava, no fanao anatiny nanolo-koditra, satria nahamenatra ny nitanjaka. Tsy maintsy nanao kilaoty lava (heb.: miknasayim) vita tamin’ny lamba rongony ny mpisorona rehefa nanompo teo anoloan’ny alitara, mba tsy hitanjaka. Ny mpisorona mpanompo sampy kosa nitanjaka indraindray, nefa naharikoriko an’i Jehovah izany.—Ek 28:42, 43.
Akanjo anatiny nanaovan’ny lehilahy sy vehivavy ny hoe sadin (heb.). (Is 3:23) Misy mihevitra hoe hoatran’ny sikina ny karazany iray amin’izy io. Io fotsiny no nanaovan’ny mpamboly, mpanarato, mpandrafitra, mpikapa hazo, mpantsaka, sy ny hafa, rehefa niasa. Rehefa nasiana akanjo hafa kosa teo ivelany, dia hoatran’ny akanjo lava hatreo amin’ny lohalika na ambany kokoa ny sadin, nisy tanany, ary mety ho nasiana fehikibo. Lamba volonondry na rongony no nanaovana azy io.
Toa ilay antsoin’ny Grika hoe kitôn ihany no antsoin’ny Hebreo hoe kottônet. Akanjo lava hatreo amin’ny lohalika na kitrokely izy io, lava na fohy tanana, ary nanaovana tao an-trano na teo amin’ny manodidina ny trano. Lamba nasampy teo amin’ny soroka iray ny kottônet na kitôn sasany, ary niloko fotsy na hafa. Mety ho nisy dakany 30 sm teo ho eo ny andaniny roa tamin’ny kottônet na kitôn lava kokoa, mba hahafahana hamindra. Nisy vita tamin’ny lamba rongony, nefa vita tamin’ny volonondry ny ankamaroany, indrindra fa ny an’ny mahantra. Nanaovan’ny lehilahy sy vehivavy izy io, saingy azo inoana fa lava kokoa ny an’ny vehivavy.
Kottônet no ilazana ny akanjon’ny mpisoronabe sy ny mpisorona (Ek 28:39, 40), sy ny akanjo lava mitsipitsipika nisy tanany nanaovan’i Josefa (Ge 37:3), ary ilay akanjo mitsipitsipika nanaovan’i Tamara (izay norovitiny rehefa nalahelo izy fa afa-baraka). (2Sa 13:18) Tenona iray tsy nisy zaitrany ilay akanjo anatiny (kitôn) nanaovan’i Jesosy izay nataon’ny miaramila antsapaka. (Jn 19:23, 24) Toa nasiana fehikibo (toy ny nataon’ny mpisorona) ny kottônet na kitôn tamin’ny ankapobeny, nefa azo tsy nasiana koa. Toa samihafa ny didiny, arakaraka ny asan’ilay nitafy azy. Angamba ilay fohy kokoa no nanaovan’izay niasa na nanao asa vatana, mba tsy ho voafingana. Mety tsara ilay fanoharana nolazain’i Joda (and. 23) satria nanolo-koditra ny kitôn.
Akanjo ivelany. Meʽil no ilazana ny akanjo tsy misy tanany izay matetika no vaky eo anoloana. Natao teo ambonin’ny kottônet na ny akanjon’ny mpisoronabe vita tamin’ny lamba rongony fotsy izy io. (Le 8:7) Tsy ny mpisorona ihany anefa no nanao azy io fa ny olon-drehetra koa. Nanao akanjo tsy misy tanany i Samoela, Saoly, Davida, ary Joba sy ny namany telo lahy. (1Sa 2:19; 15:27; 18:4; 24:4; 1Ta 15:27; Jb 1:20; 2:12) Teo ivelan’ny akanjo anatiny izy io. Nadikan’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo hoe stôle sy himatiôn (akanjo ivelany) ny hoe meʽil indraindray. Lava kokoa noho ny kottônet izy io. Mety ho akanjo ivelany koa ny hoe salmah (heb.).
Akanjo mihaja ary lava hatreny amin’ny tongotra ny stôle resahin’ny Soratra Grika Kristianina. Notenenin’i Jesosy mafy ny mpanora-dalàna, satria tia nanao an’io akanjo io teny amin’ny toerana be olona mba hoarahabaina sy mba hisehosehoana. (Lk 20:46) Stôle ny akanjon’ilay anjely tao amin’ny fasan’i Jesosy (Mr 16:5), sy ilay akanjo “tsara indrindra” nampanaovina an’ilay zanaka adala rehefa nody izy (Lk 15:22), ary ny an’ny mpanompon’Andriamanitra maty maritiora (Ap 6:11) sy ny “vahoaka be” hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana.—Ap 7:9, 13, 14.
Estes (gr.) no ilazana ny akanjo lava mirenty sy tsara tarehy. Io no nanaovan’ny anjely niseho tamin’ny olona (Lk 24:4; jereo koa Jk 2:2, 3), sy nampitafian’i Heroda an’i Jesosy ho fanesoana azy. (Lk 23:11) Lamba mena midorehitra (klamys) (Mt 27:28, 31) na himatiôn (Jn 19:2, 5) kosa no nampitafian’ny miaramila azy rehefa avy nokaravasina izy. Toa lamba na akanjo fitafin’ny mpanjaka, mpitsara, manamboninahitra sy ny toy izany izy io.
Ny simlah (heb.) na “lamba fitafy” no fitafiana teo ivelany indrindra, sady lehibe sy navesatra indrindra. Vita tamin’ny volonondry, lamba rongony, volon’osy, na angamba hoditr’ondry na hoditr’osy izy io. Izy io matetika no norovitin’ny olona rehefa nisaona izy. (Ge 37:34; 44:13; Js 7:6) Toa lamba lehibe mahitsizoro izy io, ary indraindray lamba efajoro nasiana tataka hivoahan’ny tanana. Napetraka teo amin’ny soroka havia izy io, ary avy teo andamosina no nahodina hisitrika teo ambany helika havanana, avy eo natao teo amin’ny soroka havia indray, ka tsy voateritery ny tanana havanana. Nandrakofana ny vatana na ny tanana roa na ny loha mihitsy aza izy io rehefa ratsy ny andro. Nitovitovy tamin’ny saly ilay izy, ary azo nirakofana (Ge 9:23), natoriana (Ek 22:27; De 22:17), ary namonosana zavatra.—Ek 12:34; Mpts 8:25; 1Sa 21:9.
Samy nanao simlah ny lehilahy sy vehivavy, saingy hafa angamba ny an’ny vehivavy raha ny amin’ny habe, loko ary haingo, ohatra hoe nisy peta-kofehy. Tsy nahazo nanao fitafian-dehilahy ny vehivavy, na nanao fitafiam-behivavy ny lehilahy, mba tsy hisy haloto fitondran-tena.—De 22:5.
Mety ho iray monja ny lamba fitafin’ny mahantra, fa ny mpanankarena kosa nanana maromaro. (Ek 22:27; De 10:18; Ge 45:22) Iny no nirakofan’ny mahantra tamin’ny alina namirifiry. Tsy azo nalaina ho antoka àry ny akanjon’ny mpitondratena ary tsy azo notazonina nandritra ny alina ny akanjon’ny mahantra, izany hoe ny lamba fitafin’izy ireo.—De 24:13, 17.
Toa hoatran’ilay lamba fitafy (simlah) ihany ny himatiôn (gr.) (“akanjo ivelany”). Lamba lehibe mahitsizoro izy io, fa indraindray toa akanjo malalaka. Azo nanaovana sy nesorina mora foana ilay izy. Nesorin’ny olona ka napetrany teo akaikiny izy io rehefa niasa izy. (Mt 24:18; Mr 10:50; Jn 13:4; As 7:58) Io akanjo io ilay noresahin’i Jesosy hoe: “Raha misy maka ny akanjonao ivelany [himatiôn], dia aza hazonina na ny akanjo anatiny [kitôna] aza.” (Lk 6:29) Mety ho fakana an-keriny na tsy ara-dalàna izany, ka ny akanjo ivelany aloha no nalaina. Ny mifanohitra amin’izany kosa no resahin’ny Matio 5:40. Nodidian’ny mpitsara angamba hoe ny akanjo anatiny (kitôn) aloha no homena an’ilay nitory satria tsy dia lafo vidy izy io.
Toa azo ampifamadihana ny hoe himatiôn sy kitôn indraindray, ary ilazana “akanjo.” Rehefa nitantara ny fitsarana an’i Jesosy, ohatra, i Matio, dia nilaza fa himatiôn ny akanjo norovitin’ny mpisoronabe noho izy mody rikoriko sy tezitra mafy. Kitôn kosa ilay izy, hoy i Marka. (Mt 26:65; Mr 14:63) Mety ho nandrovitra ny akanjony ivelany, avy eo ny anatiny, koa anefa ilay mpisoronabe.
Felônes (gr.) ilay akanjo ivelany nasain’i Paoly voafonja nentin’i Timoty tany aminy. Azo inoana fa io no notafin’ny mpanao dia lavitra rehefa nangatsiaka na nandrivotra be ny andro. Tsy akanjon’ny mpitondra fivavahana izy io.—ʼAdderet (heb.) ny akanjom-boninahitra nanaovan’ny mpaminany na mpanjaka. (2Mp 2:8; Jo 3:6) Vita tamin’ny volon-drameva na volon’osy angamba ny an’ny mpaminany. (2Mp 1:8; Mt 3:4; Mr 1:6; ampit. Ge 25:25.) Natsipin’i Elia teny amin’i Elisa ilay akanjony rehefa notendreny handimby azy izy io. Noraisin’i Elisa ilay izy rehefa niakatra ho any amin’ny lanitra tao anaty tafio-drivotra i Elia. (1Mp 19:19; 2Mp 2:13) Akanjom-boninahitra avy tany Sinara no nalain’i Akana tao amin’ny tanànan’i Jeriko “voatokana haringana”, ka nodikainy ny didin’i Jehovah.—Js 7:1, 21.
Endyma (gr.) no ilazana ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady (Mt 22:11, 12), ny akanjon’ilay anjely tao amin’ny fasan’i Jesosy (Mt 28:3), ilay volon-drameva fitafian’i Jaona Mpanao Batisa, ary ny fitafiana amin’ny ankapobeny.—Mt 3:4; 6:25, 28; Lk 12:23.
Lamba nisaronana. Peribôlaiôn (gr.) no nilazan’i Paoly an’ilay “saron-doha” na lamba nanaronan’ny vehivavy ny lohany ho fanajana ny fahefan’ny lehilahy. Lamba nasampy na nanaronana ny loha izy io. (1Ko 11:15) Tsy hoatran’io ilay lamba nanaronan’i Mosesy ny tarehiny nanjelanjelatra izay tsy tiany hojeren’ny Israelita. (Ek 34:33-35; 2Ko 3:13) Nanao saron-doha i Rebeka rehefa hihaona tamin’i Isaka, ho fanekeny an’i Isaka izay ho vadiny. (Ge 24:65) Tsaʽif (heb.) ilay saron-doha eo, fa nadika hoe “lamba nisaronany” (TV) sy “fisalobonana” (Prot.) ary “voaly” (Kat.) kosa izy io ao amin’ny Genesisy 38:14, 19.
Fehikibo lamba na hafa. Matetika no nanao fehikibo lamba ireo nanao akanjo anatiny na ivelany. ‘Nisikina’ ny olona iray niasa na nanao asa vatana: Nanao fehikibo lamba izy, ary nosintoniny nankeo anelakela-pe ny morontongotr’akanjony ka nasisiny tao ambanin’ilay fehikibo mba tsy hanelingelina azy. (1Mp 18:46; 2Mp 4:29; 9:1) Nasian’ny mpisoronabe fehikibo lamba vita tenona ny akanjony lava vita tamin’ny rongony. Nasiany fehikibo koa ny efoda mba hipetraka tsara teo amin’ny andilana ny teo aloha sy teo aoriana. Nitovy ny lamba nanaovana an’ilay efoda sy ny fehikibony. (Ek 28:4, 8, 39; 39:29) Zatra nanao fehikibo ny olona satria teo amin’izy io no nasiana ny sabatra tao anaty tranony, vola, fitoeran-dranomaintin’ny mpitan-tsoratra, sy ny toy izany.—Mpts 3:16; 2Sa 20:8; Ezk 9:3.
Nanao fehikibo foana ireo niasa sy nanompo, ka lasa nanana heviny hoe manompo ny hoe manao fehikibo na misikina. Olona vonona hanompo an’Andriamanitra ireo nolazain’i Jesosy hoe ‘misikina.’ (Lk 12:35) Rehefa hanasa ny tongotry ny apostoliny i Jesosy, dia nesoriny ny akanjony ivelany ary nafatony teo amin’ny andilany ny servieta. Nanompo azy ireo izy, ka namela modely ho azy ireo. Tokony hanompo ny rahalahiny koa àry izy ireo. Nanao fehikibo volamena ireo anjely hitan’i Jaona tao amin’ny fahitana, satria tena sarobidy ny fanompoana nataony.—Jn 13:1-16; Ap 15:6.
Nanao fehikibo (heb.: ʼezôhr; gr.: zône) hoditra ‘teo amin’ny andilany’ i Elia sy Jaona Mpanao Batisa.—2Mp 1:8; Mt 3:4.
Kiramborambo sy vona. Nasain’Andriamanitra nasian’ny Israelita mikiramborambo ny morontongotr’akanjony, ary nasiana kofehy manga teo ambonin’ilay mikiramborambo. Toa nampiavaka ny fitafian’izy ireo izany. Ny fahitana izany no nampahatsiahy azy fa vahoaka masina teo anatrehan’i Jehovah izy ireo ka tokony hankatò ny didiny. (No 15:38-41) Nasiana vona koa ny zorony efatra tamin’ny fitafiany, angamba tamin’ny lamba fitafiny. (De 22:12) Nasiana lakolosy kely volamena sy ampongabendanitra lamba kosa ny morontongotry ny akanjo manga tsy misy tanany nanaovan’ny mpisoronabe.—Ek 28:33, 34.
Paingotra. Mety ho nampiasa karazana paingotra ny Hebreo mba hitazonana akanjo na fehikibo. Marani-doha ny paingotra hita tany atsinanan’ny Ranomasina Mediterane, ary nisy lavaka toy ny vodifanjaitra namatorana tady kely teo afovoany. Nampidirina tamin’ny akanjo ny lohan’ilay paingotra, ary avy eo nafatotra tamin’ny vodiny ilay tady kely. Toa nanomboka nampiasa paingotra hoatran’ny paingotra ankehitriny ny Israelita, tamin’ny taonjato fahafolo T.K. tany ho any.
Toe-tsaina mety sy tsy mety. Tsy tokony hanahy be momba ny fitafiana ny mpanompon’i Jehovah. (Mt 6:25-32) Tsy akanjo lafo vidy sy be haingony no tokony himatimatesan’ny vehivavy kristianina. Tokony hanao akanjo maotina sy milamina tsara kosa izy ka ho hita hoe hendry. Mifidy tsara ny fitafiany àry izy, nefa zava-dehibe kokoa aminy ny toetra tony sy malemy paika, izay toy ny fitafiana. (1Ti 2:9; 1Pe 3:3-5) Mampitafy tsara ny ankohonany manontolo ny vady tsara, ary izy mihitsy no manjaitra ny akanjon’izy ireo.—Oh 31:13, 21, 24.
Nisy zavatra nokendren’ny vehivavy maro fahiny kosa rehefa nifidy ny fitafiany izy. Fanaon’ny De 21:10-13.
vehivavy mpanompo sampy, ohatra, rehefa ho resy ny tanànany, ny nanao ny akanjony tsara indrindra mba hanangolena miaramila mety haka azy ho vady. Raha nalain’ny miaramila israelita ho vadiny kosa ny vehivavy babo iray, dia tsy azony nanaovana intsony ireo fitafiany taloha (ny sasany mantsy mety ho nanaovany tamin’izy nanompo sampy).—Lasa nanaraka fanaon’ny mpanompo sampy sy naloto fitondran-tena ny Israelita tatỳ aoriana. Nomelohin’i Jehovah ireo vehivavy niavonavona izay nanao akanjo sy haingo mba hanangolena lehilahy israelita sy hafa firenena, ary nanao firavaka fanaon’ny mpanompo sampy.—Is 3:16-23; ampit. Oh 7:10.
Heviny an’ohatra. Toy ny vehivavy nampanaovin’i Jehovah fitafiana tsara tarehy i Jerosalema. Nirehareha noho ny hatsaran-tarehiny anefa izy, ka niaraka tamin’ny firenena mpanompo sampy sady nanao fitafiana hoatran’ny an’ny mpivaro-tena tia manangoly.—Ezk 16:10-14; jereo koa Ezk 23:26, 27; Je 4:30, 31.
Imbetsaka ny Baiboly no miresaka fitafiana an’ohatra. Mitafy haja amam-boninahitra, fahamboniana, hazavana, fahamarinana, zotom-po, ary famaliana, ohatra, i Jehovah. (Sl 93:1; 104:1, 2; Is 59:17) Ampitafiany fahamarinana sy famonjena ny vahoakany. (Sl 132:9; Is 61:10) Hitafy henatra sy fahafaham-baraka kosa ny fahavalony. (Sl 35:26) Nilaza i Paoly fa tokony hesorin’ny Kristianina ny toetra taloha ary hotafiany ny toetra vaovao, toy ny fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahari-po, ary indrindra ny fitiavana.—Kl 3:9-14.
Mbola misy andininy maro miresaka fitafiana an’ohatra. Manao fanamiana mampiavaka azy ny olona ao amin’ny fikambanana na antoko iray. Amantarana izay tohanan’ny olona iray sy izay ataony koa ny fitafiana an’ohatra, ao amin’ny Baiboly, toy ny an’ireo nanatrika fampakaram-bady tao amin’ny fanoharan’i Jesosy. (Mt 22:11, 12; jereo KAPA; SARON-DOHA.) Hesorina ny akanjon’izay matory ara-panahy, hoy i Jesosy Kristy Tompo, izany hoe tsy hisy hamantarana intsony hoe vavolombelon’ilay tena Andriamanitra izy. Ho loza izany satria efa tena akaiky ny “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.”—Ap 16:14, 15.