Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitahiana, Tsodrano, Fisaorana

Fitahiana, Tsodrano, Fisaorana

Fangatahana amin’Andriamanitra mba hahazoana sitraka aminy; firarian-tsoa; fankasitrahana; fanomezam-boninahitra; fiderana; fiarovana amin’ny ratsy; fanaovan-javatra mahasambatra ny hafa.

Miverina in-400 eo ho eo ny teny hebreo maromaro nadika hoe “mitahy, mitso-drano, misaotra” na “fitahiana, tsodrano, fisaorana” ao amin’ny Baiboly. Nadika hoe “mitahy, mitso-drano, misaotra” ny matoanteny hoe barak. Indraindray koa anefa izy io nadika hoe ‘mirary soa’ (1Sa 25:14) na “miarahaba.” (1Ta 18:10; 2Mp 4:29) Ahitana anarana avy amin’ny hoe barak ilay hoe Lemaka Ivan’i Beraka (midika hoe “Fisaorana”), satria teo i Josafata sy ny vahoakany no nisaotra an’i Jehovah. (2Ta 20:26) Nadika hoe ‘mandohalika’ ny matoanteny mitovy amin’ilay anarana.​—Ge 24:11; 2Ta 6:13; Sl 95:6.

Novan’ny Soferima jiosy (mpanora-dalàna) hoe ‘mitahy’ ilay hoe ‘manozona’ (1Mp 21:10, 13; Jb 1:5, 11; 2:5, 9) ao amin’ny andininy vitsivitsy, satria efa fanazimbazimbana an’Andriamanitra, hono, ny filazana hoe misy manozona Izy.

Midika ara-bakiteny hoe “midera” ny matoanteny grika hoe eolôgeô. Nadika hoe “teny fiderana” natao hamitahana olona kosa ny hoe eolôgia ao amin’ny Romanina 16:18.

Ireto avy no nampiasana ny teny hoe “mitahy, mitso-drano, misaotra” ao amin’ny Baiboly: 1) Mitahy sy mitso-drano olona i Jehovah; 2) misaotra an’i Jehovah ny olona; 3) olona milaza fa tahina i Kristy; ary 4) olona mitso-drano olon-kafa.

Mitahy sy mitso-drano olona i Jehovah. “Ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena ary tsy ampiany fahoriana izany.” (Oh 10:22) Tahin’i Jehovah ny olona ankasitrahany ka arovany, tarihiny, ampiany mba hahomby, ary omeny izay ilaina mba ho tsara fiafara.

Niahy ny zavaboary vao noforoniny teto an-tany i Jehovah. Nitso-drano an’ireo biby noforoniny tamin’ny andro fahadimy izy, rehefa nilaza ny fikasany momba azy ireo. (Ge 1:22) Nitso-drano an’i Adama sy Eva koa izy rehefa nifarana ny andro fahenina. Ho nahazo sitraka taminy foana izy mivady raha nankatò azy. Izy mantsy no nanome izay rehetra nilain’izy ireo teo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-nofo.​—Ge 1:28; 2:9; 5:2.

Ampoky ny soa ireo zavaboarin’i Jehovah rehefa vita ny famoronana ny teto an-tany tamin’ny andro fahenina. (Ge 1:31) Nitsahatra tamin’ny asany Andriamanitra avy eo, ary notahiny ny andro fahafito ka nohamasininy. Afaka nanantena ny ho sambatra sy hotahina mandrakizay àry ny olona.​—Ge 2:3; Ek 20:11.

Nankasitrahan’i Jehovah i Noa sy ny fianakaviany tamin’izy ireo nivoaka ny sambofiara, ka notsofiny rano ary nolazainy taminy hoe inona no tiany hataon’izy ireo. Nahazo sitraka taminy izy ireo ary narovany rehefa nanao ny sitrapony.​—Ge 9:1.

Zava-dehibe ho an’ny olon-drehetra ny fitahian’i Jehovah an’i Abrahama sy ny Taranany. (Ge 12:3; 18:18; 22:18) Notahin’i Jehovah i Abrahama sy Saraha ka afaka niteraka zazalahy, na dia efa antitra aza. (Ge 17:16; 21:2) Nitombo koa ny harenan’i Abrahama. Sary an’ohatra ampisehoana zavatra lehibe kokoa ho avy anefa izy. (Ga 4:21-26) Tena zava-dehibe àry ny nanomezan’Andriamanitra taranaka azy, satria nampanantena Izy fa amin’ny alalan’ilay mifanitsy amin’i Isaka, izany hoe i Jesosy Kristy, no hitahiana ny firenena rehetra.​—Ga 3:8, 14; As 3:25, 26; He 6:13-20.

Izay olona na firenena mankatò an’i Jehovah ihany no tahiny. (Ek 23:25) Hozonin’i Jehovah ka ho voasazy mafy ireo tsy mankatò, fa hahazo fitahiana kosa izay mankatò. Hifandray tsara aminy izy ireo sy hanana an’izay rehetra ilainy. Hotahina ny ao an-tranony, ny taniny, ny taranany, ny bibiny, ny tahirin-tsakafony, ny dia alehany, ary izay rehetra ataony. (De 27; 28) “Hahazo fitahiana ny olo-marina.” (Oh 10:6, 7) Faly i Jehovah ‘manokatra ny vavahadin-dranon’ny lanitra sy mandrotsaka fitahiana be dia be, mihoatra noho izay ilaina aza’ ho an’ireo mpanompony mankatò sy tsy mivadika.​—Ml 3:10.

Misaotra an’i Jehovah ny olona. Misaotra an’i Jehovah ny olona rehefa midera sy mankasitraka azy, miaiky fa avy aminy ny fitahiana rehetra azony, miresaka zavatra tsara momba azy foana, mivavaka aminy, ary manompo azy. (Sl 26:12) Misaotra an’i Jehovah koa izay mitory ny vaovao tsara satria mitondra dera ho an’ny anarany sy ny fikasany.​—Mt 24:14; He 13:15.

Misaotra an’i Jehovah ny olona noho izy manafaka ny vahoakany amin’ny fampahoriana (Ek 18:9, 10); manome izay ilainy (De 8:10); noho ny voninahiny, ny heriny, ny fanjakany, ny hatsarany, sy noho izy ambony noho ny zava-drehetra (1Ta 29:10-12, 20); noho izy mandrisika ny vahoakany hanohana ny fivavahana aminy (2Ta 31:8); manaja fifanekena sy mamindra fo (Ne 9:5, 31, 32); manome fahendrena sy hery (Da 2:19-23); ary miaro ny mpanompony sy mampiseho fa manan-jo hitondra. (Da 3:28; 4:34). Miverimberina ao amin’ny Salamo ny fisaorana an’i Jehovah, ary ampirisihin’izy io izay rehetra any an-danitra sy eto an-tany mba hidera ny anarany noho ireo toetrany mahatalanjona maro be. Tokony hisaotra an’i Jehovah koa ny olona noho izy nanome an’i Jesosy Kristy Zanany.​—Sl 16:7; 103:1, 20-22; 145:2, 10; Jn 3:16; ampit. As 2:8-11; Ap 7:11, 12; 14:6, 7.

Olona milaza fa tahina i Kristy. Nilaza i Elizabeta fa notahin’Andriamanitra i Maria renin’i Jesosy sy ilay hateraky ny kibony. (Lk 1:42) Mendrika ny hotahina tokoa i Jesosy noho izy avy any an-danitra, Zanak’i Jehovah tonga tamin’ny anarany, nanompo, nanao sorona ny ainy, sy noho izy mpisorona sy mpanjaka ary maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa. (Jn 12:13; 2Ko 8:9; He 1:2; 7:24-26) Nilaza ilay vahoaka nihoby an’i Jesosy tamin’izy niditra tao Jerosalema fa notahin’i Jehovah izy. (Mt 21:9) Tanteraka tamin’izay ny Salamo 118:26. Hisaotra an’i Jesosy ny anjely sy ny zavaboary rehetra eto an-tany.​—Ap 5:12, 13.

Olona mitso-drano olon-kafa. Tanterahin’i Jehovah foana ny tsodrano omeny. Mety tsy hahavita toy izany anefa ny olombelona. Matetika no mangataka ny fitahian’Andriamanitra ny olona mitso-drano olon-kafa, ao amin’ny Baiboly, nefa tsy hoe mivavaka foana akory izy rehefa manao izany. Avy amin’Andriamanitra àry ilay tsodrano, raha ny marina. Mety ho fankasitrahana an’ilay olona noho ny toetra tsarany na ny asa tsara nataony, no mahatonga ny hafa hitso-drano azy.

Nilaza i Paoly fa manan-kery ny tsodranon’ny olona sasany, ary nomen’Andriamanitra fahefana hitso-drano izy ireo na hery hanatanterahana an’ilay tsodrano. Hoy mantsy izy rehefa avy nanazava fa ambony kokoa noho ny fisoronan’i Levy ny an’i Melkizedeka: “Tsy misy iadian-kevitra fa izay kely no mahazo tsodrano avy amin’izay lehibe noho izy.” (He 7:7) Mpisoron’Andriamanitra sady mpanjaka i Melkizedeka, ka afaka nitondra ny tenin’Andriamanitra sy naminany rehefa nitso-drano an’i Abrahama.​—Ge 14:18-20; He 7:1-4.

Matetika no mahazo tsodrano izay olona nanao zavatra nitondra dera ho an’i Jehovah. Nitso-drano an’i Bezalila sy ny mpiara-miasa taminy, ohatra, i Mosesy rehefa vitan’izy ireo ny tranolay masina. (Ek 39:43) Imbetsaka koa ny mpisorona sy Levita, izay mpitondra fivavahana teo amin’ny Israely, no nasaina nitso-drano ny vahoaka. (No 6:23-27; Le 9:22, 23; De 10:8; 21:5; 1Ta 23:13; 2Ta 30:27) Nitso-drano an’ireo ray aman-drenin’i Samoela i Ely Mpisoronabe, noho izy ireo nanome an’ilay zaza mba hanompo tao amin’ny tranolay masina. (1Sa 2:20, 21) Nitso-drano ny vahoaka i Davida rehefa tonga tany Jerosalema ilay Vata. (2Sa 6:18; 1Ta 16:2) Nanao toy izany koa i Solomona rehefa nitokana ny tempolin’i Jehovah. (1Mp 8:14, 55) Nitso-drano an’ireo ray aman-drenin’i Jesosy i Simeona, izay efa be taona. (Lk 2:34) I Jesosy koa nitso-drano an’ireo ankizy nanatona azy.​—Mr 10:16.

Toe-javatra anaovana izany. Midera sy misaotra an’Andriamanitra ny olona rehefa mivavaka, ary mangata-pitahiana ho an’ireo mpiray finoana sy ireo mitady an’Andriamanitra. Fanaon’ny olona ny mivavaka alohan’ny sakafo, mba hisaorana sy hiderana an’i Jehovah noho izy manome izay ilaina eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-nofo. Angatahina koa ny hitahian’i Jehovah an’ilay sakafo mba hahasalama sy hanome hery hahafahana manompo azy. (1Sa 9:13; Mt 14:19; Lk 9:16) Nidera sy nisaotra an’Andriamanitra i Jesosy rehefa nivavaka nandritra ny Sakafo Harivan’ny Tompo. Nangataka izy mba handray soa ireo rehetra nihinana ny mofo sy nisotro ny divay, ary mba ho tafaray sy tsy hivadika mihitsy ireo anisan’ny vatan’i Kristy ireo.​—Mt 26:26; 1Ko 10:16.

Nitso-drano ny zanany lahy koa matetika ny loham-pianakaviana fahiny rehefa ho faty. Tena zava-dehibe sy sarobidy tamin’ny olona izany. Nitso-drano an’i Jakoba àry i Isaka, satria noheveriny fa i Esao lahimatoany izy. Nilaza izy fa hahazo sitraka sy hotahina mihoatra noho i Esao i Jakoba. I Jehovah, raha ny marina, no nangatahiny hanatanteraka an’ilay tsodrano satria efa jamba sy antitra izy. (Ge 27:1-4, 23-29; 28:1, 6; He 11:20; 12:16, 17) Nohamafisin’i Isaka sy nampiany ilay tsodrano tatỳ aoriana. (Ge 28:1-4) I Jakoba kosa nitso-drano azy mirahalahy zanak’i Josefa vao nitso-drano an’ireo zanany lahy, rehefa ho faty izy. (Ge 48:9, 20; 49:1-28; He 11:21) Notsofin’i Mosesy rano koa ny firenen’Israely rehefa ho faty izy. (De 33:1) Faminaniana daholo ireny tsodrano ireny. Napetrak’ilay olona nitso-drano teo amin’ny lohan’ilay notsofiny rano ny tanany indraindray.​—Ge 48:13, 14.

Nitso-drano na nirary soa an’izay noharabainy ny olona. Nitso-drano an’i Farao, ohatra, i Jakoba rehefa nentina teo anatrehany. (Ge 47:7; jereo koa 1Sa 13:10; 25:14; 1Mp 1:47; 2Mp 10:15.) Notsofina rano koa izay olona handeha lavitra. Notsofin’ny fianakaviany rano, ohatra, i Rebeka rehefa handeha hanambady an’i Isaka.​—Ge 24:60; jereo koa Ge 28:1; 2Sa 19:39; 1Mp 8:66.

Noheverina ho toy ny tsodrano ny fanomezana. (Ge 33:11; Js 14:13; 15:18, 19) Nantsoina koa hoe “fanomezana ho fisaorana” ilay zavatra nomena. Nisy nanome fanomezana ho an’ny havana aman-tsakaiza, mba ho firarian-tsoa na hahazoana sitraka na ho fanehoam-pankasitrahana.​—1Sa 25:27; 30:26.

Mety ho anisan’ny tsodrano koa ny teny fiderana. Nitso-drano an’i Rota, ohatra, i Boaza noho ny hatsaram-panahiny feno fitiavana. (Rt 3:10) Noderaina koa ireo nanolo-tena hampandroso ny fivavahana tamin’i Jehovah. (Ne 11:2) Tokony hisaotra an’ireo ray aman-dreniny ny zanaka.​—Oh 30:11, Prot.

Anisan’ny tsodrano koa ny firarian-tsoa sy ny teny mampahery. Nampirisika i Jesosy hoe: ‘Irario soa izay manozona anareo.’ (Lk 6:28) “Aoka ianareo hirary soa mandrakariva ho an’izay manenjika anareo, eny, aoka hirary soa fa tsy hanozona.” (Ro 12:14) Tsy hoe tokony hoderaina akory ny mpanohitra. Mety tsy hanenjika antsika intsony anefa izy raha tsara fanahy aminy sy miahy azy isika. Handray soa koa izy raha arahiny ny fahamarinana resahintsika aminy. (1Ko 4:12; 1Pe 3:9) Ilana fitandremana koa ny fomba firesaka. (Oh 27:14) Hotahina izay mampiala olona amin’ny zava-dratsy ataony, satria mahasoa an’ilay olona izany sady mitondra dera ho an’i Jehovah.​—As 3:26.

Fitahiana ho an’ny hafa. Fitahiana ho an’ny hafa ny olona mankatò an’Andriamanitra. Tahina koa izay mifanerasera amin’ireo tahin’i Jehovah. Notahina, ohatra, i Labana noho i Jakoba niandry ny ondriny. (Ge 30:27, 30) Notahina koa ny tao an-tranon’i Potifara sy ny tany an-tsahany noho i Josefa niandraikitra izany. (Ge 39:5) Tsy ho noravan’Andriamanitra i Sodoma raha nisy olo-marina folo tao. (Ge 18:32) Na dia tsy mpanompon’Andriamanitra aza ny vadin’ny Kristianina iray efa nanokan-tena ho Azy, dia mety hamindra fo amin’io vadiny io sy ny zanany kely Andriamanitra. (1Ko 7:14) Nilaza i Jesosy hoe “noho ny olom-boafidy, dia hohafohezina” ny fahoriana lehibe, fa raha tsy izany “dia tsy hisy nofo hovonjena.” (Mt 24:21, 22; ampit. Is 65:8.) Hotahina bebe kokoa izay manahaka an’ireo tahin’Andriamanitra. (Ga 3:9; He 13:7; 1Ko 11:1; 2Te 3:7) Hotahin’i Jehovah ka hiaina mandrakizay “ny ondry” manisy soa ny rahalahin’i Kristy, izay ‘olom-boafidin’Andriamanitra.’​—Mt 25:31-34, 40, 46.