Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitaka, Fanambakana

Fitaka, Fanambakana

Finiavana mametsifetsy olona na mandainga aminy mba hahatonga azy hahafoy ny zava-tsarobidy na ny zo ara-dalàna ananany. Manampatra hery na fahefana amin’ny hafa no dikan’ny teny hebreo nadika hoe “manambaka” (ʽashak; Le 6:2), ka midika koa hoe ‘mampahory.’ (Mpto 4:1; Is 52:4) Midika hoe “manaisotra; manambaka; tsy manana intsony” ny matoanteny grika hoe apôstereô. (Mr 10:19; 1Ti 6:5) Nadika koa hoe “fitaka” ny anarana grika hoe dôlôs.​—As 13:10; Mr 7:22.

Tamin’ny resaka varotra no tena nisy namitaka sy nanambaka. Noraran’ny lalàn’Andriamanitra anefa izany. Tsy tokony hifamitaka na hifanambaka àry ny Israelita. Narovan’ny Lalàna koa ny zon’ny mpikarama. (Le 19:13; De 24:14; ampit. Jk 5:4.) Nilaza i Jesosy Kristy fa ‘didin’Andriamanitra’ ny hoe: “Aza manambaka.” (Mr 10:19) Raha nanambaka ny Israelita iray, nefa nibebaka ka nampahafantatra izay nitranga ary nibaboka, dia tsy maintsy nonerany manontolo ilay zavatra nalainy sady nampiany ampahadiminy. Tsy maintsy nanolotra fanatitra noho ny heloka ho an’i Jehovah koa izy.​—Le 6:1-7.

Fitaka koa ny fivavahan-diso eo imason’Andriamanitra. Lasa jamba i Elyma mpilalao ody rehefa notenenin’i Paoly mafy, noho izy feno fitaka sy faharatsiana ary ‘nanolana ny lala-mahitsin’i Jehovah.’ (As 13:8-11) Ny Kristianina tany Korinto kosa nanarin’i Paoly satria nifampitory teny amin’ny fitsarana. Nanao ny tsy rariny sy nanambaka izy ireo, satria teo anatrehan’ny olona tsy marina, fa tsy ny olona masina teo anivon’ny fiangonana, no nitondrany ilay raharaha. Aleo anefa manaiky hambakaina toy izay hotsarain’ny olona eo amin’izao tontolo izao.​—1Ko 6:1-8.

Averimberin’ny Baiboly ny hoe ratsy ny fitaka sy fanambakana. Lazainy koa fa homelohin’Andriamanitra ny mpanambaka, fa hovonjeny amin’ireny kosa ny olony.​—Sl 62:10; 72:4; 103:6; Oh 14:31; 22:16; 28:16; Mi 2:1, 2; Ml 3:5.