Fitantanan-draharaha
Fomba atao na lamina apetraka mba hahazoana antoka fa ho tontosa ny andraikitra iray na ho tratra ny tanjona iray.
‘Fitantanan-draharaha’ no nandikana an’ilay teny hebreo hoe pekoddah ao amin’ny 1 Tantara 26:30. Avy amin’ny fototeny hoe pakad, izay midika hoe ‘mitsidika; mitsinjo’ izy io. (Mpts 15:1; Rt 1:6) Manana heviny hoe fikarakarana koa ilay teny hebreo hoe pekoddah indraindray. Nadika hoe mpiandraikitra koa izy io.—No 3:32; ampit. 2Mp 11:18; jereo MPIANDRAIKITRA.
Nasain’Andriamanitra nikarakara ny tany ny olona lavorary, tany am-boalohany. Navelany hanana fahefana teo amin’ny zavaboary hafa rehetra koa izy ireo. (Ge 1:26-28) Taorian’ny nikomian’ny olombelona, indrindra fa taorian’ny Safodrano, dia ireo loham-pianakaviana no nitantan-draharaha, ary nanjary nahazo vahana io fomba fitantanana io. Izy ireo no nitantana ny fiainan’ny fianakaviana sy ny fananana, ary nitaky ny hanarahan’ny rehetra ny fitsipika momba ny fitondran-tena.
I Mosesy kosa no nitantana ny fiainan’ny firenen’Israely nandritra ny 40 taona nandehanan’izy ireo tany an-tany efitra, ka ny sitrapon’Andriamanitra no narahiny. Anisan’ny fomba fitantanana niavaka izany, ary nisy olon-kafa mendri-pitokisana nomena fahefana koa tamin’izay. (Ek 18:19-26) Ny mpisoronabe no tompon’andraikitra voalohany teo amin’ny fitantanana ny asa fisoronana. (No 3:5-10) Nomena andraikitra koa anefa ny mpisorona hafa ka nasaina niandraikitra sy nanara-maso ny sampan’asa sasany. (No 3:25, 26, 30-32, 36, 37; 4:16) Rehefa tafiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina kosa ny Israely, dia ireo mpitsara no mpitantan-draharaha teo anivon’ilay firenena, ary nanampy azy ireo Andriamanitra.—Mpts 2:16, 18; Rt 1:1.
Nanjary be tsipiriany kokoa ny fomba fitantanan-draharaha teo amin’ny firenen’Israely rehefa nisy mpanjaka teo aminy. Nisy manamboninahitra maro, ohatra, teo ambany fahefan’ny mpanjaka, tamin’ny andron’i Davida. Nisy mpiadidy maro koa nisahana ny fitantanan-draharaha tany amin’ny faritra samihafa nanerana an’ilay firenena. (1Ta 26:29-32; 27:1, 16-22, 25-34) Nilamina tsara koa ny asa fisoronana tamin’ny fotoana nanjakan’i Davida: Nisy mpanara-maso ny asa tao amin’ny tranolay masina, nisy mpiadidy, mpitsara, mpiandry vavahady, mpihira sy mpitendry zavamaneno, ary antoko-mpisorona 24 izay nanompo tao amin’ny tranolay masina. (1Ta 23:1-5; 24:1-19) Mbola be tsipiriany kokoa aza ny fomba nitantanan’i Solomona an’ilay firenena, ary modely miavaka ny fahaizany nitantan-draharaha, rehefa jerena ny fomba nanorenana ny tempoly.—1Mp 4:1-7, 26, 27; 5:13-18.
Be tsipiriany koa ny fitantanan-draharaha tany amin’ny firenen-kafa. Manamboninahitra isan-tsokajiny, ohatra, no novorin’i Nebokadnezara Mpanjaka tamin’ny fotoana nitokanana an’ilay sarivongana volamena natsangany. (Da 3:2, 3) Voatendry ho “filohan’ny” (avy amin’ny teny aram. hoe shelet) faritanin’i Babylona i Daniela, ary notendrena “hitantan-draharaha” (aram.: ʽavidah) teo ambany fahefany i Sadraka sy Mesaka ary Abednego.—Da 2:48, 49.
Resahina matetika ao amin’ny Soratra Grika Kristianina hoe tokony hahay hampihatra fahefana sy hamita tsara ny andraikiny ireo lehilahy voatendry. Andraikitr’izy ireo mantsy ny nanara-maso raha notanterahina teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra tokoa ny sitrapon’Andriamanitra. Asa fiandraiketana no teny Lk 16:2-4; 1Ko 9:17; Ef 3:2; Kl 1:25; Tit 1:7) Izany no fitantanan-draharaha teo anivon’ny fiangonana kristianina. Marina fa tena zava-dehibe izany andraikitr’izy ireo teo anatrehan’Andriamanitra izany (Sl 109:8; As 1:20), nefa tokony ho tsinjovin’izy ireo koa izay hahasoa an’ireo manompo eo ambany fiandraiketany.—1Pe 4:10; jereo MPIANDRAIKITRA NY AO AN-TRANO.
ampiasain’ny Soratra Grika rehefa miresaka momba izany. (Inona ilay “fitantanan-draharaha” nampiasain’Andriamanitra nanomboka tamin’ny taona 33?
Tena tsara fanahy Andriamanitra ka nikasa ny “hanangana fitantanan-draharaha [gr.: ôikônômian, a.b.t.: fitantanana tokantrano], rehefa tapitra tanteraka ny fotoana voatondro. Ary izany dia ny fanangonana indray ao amin’i Kristy ny zava-drehetra, na ny zavatra any an-danitra na ny zavatra eto an-tany.” (Ef 1:10; ampit. Lk 12:42, f.a.p.) Nampiasa an’io “fitantanan-draharaha”, na fomba fitantanana, io Andriamanitra nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33, ka ny hampiray ny zavaboariny manan-tsaina rehetra no tanjony amin’izany. Ny “zavatra any an-danitra” aloha no hangonina indray amin’ny alalan’io fitantanan-draharaha io, ka hangonina ireo mpandova ilay Fanjakana hiaina any an-danitra ary i Jesosy Kristy no ho Lohan’izy ireo. (Ro 8:16, 17; Ef 1:11; 1Pe 1:4) Avy eo vao hangonina indray amin’ny alalan’io “fitantanan-draharaha” io ny “zavatra eto an-tany”, izany hoe ireo hiaina eto amin’ny tany lasa paradisa.—Jn 10:16; Ap 7:9, 10; 21:3, 4.