Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitaovam-pambolena

Fitaovam-pambolena

Miresaka momba ny asa fambolena samihafa ny Baiboly, saingy tsy ahitana tsipiriany momba ny fitaovam-pambolena. Ahafantarana an’ireny fitaovana ireny ihany anefa ny sary eo amin’ny tsangambato ejipsianina sy ny fitaovana fampiasa ankehitriny any Ejipta sy Palestina. Mitovy be koa ny fitaovana tsotra fampiasan’ny mpamboly any amin’ny faritra sasany any Ejipta sy Palestina.

Angadinomby: Fitaovana tsotra vita amin’ny hazo, fa ny lelany ihany no metaly. Mbola ampiasaina any Palestina izy io, ary tsy nivoatra firy rehefa jerena ny sarin’ny angadinomby eo amin’ny tsangambato fahiny sy takelaka tanimanga. Tsy nisy kodiarana sady tsy namadi-bainga ilay izy, fa nanisy soritra hoatran’ny tatatra marivo (8 na 10 sm teo ho eo ny halaliny) fotsiny. (Ampit. 1Sa 13:20; 1Mp 19:19, 21; Is 2:4.) Ilay hazo lavalava nipetahan’ny lelany no nisongadina indrindra tamin’ny angadinomby. Mondro ny lelan’ny angadinomby varahina sy halimo nofongarina tany Israely, satria efa niasa be.​—Jereo MIASA TANY.

Angady: Nampiasaina rehefa niava ary angamba rehefa namaky bainga. Resahin’ny faminaniana fa nisy niava tanimboaloboka tamin’ny angady.​—Is 5:5, 6; 7:23-25.

Antsy fandrantsanam-boaloboka: Fitaovana nandrantsanana voaloboka. (Is 18:5) Angamba nisy lelany maranitra sady nisy tahony izy io, hoatran’ny antsy fijinjana, matoa resahin’ny Baiboly fa hotefena ho antsy fandrantsanam-boaloboka ny lefona, na ny mifamadika amin’izany.​—Is 2:4; Jl 3:10.

Antsy fijinjana: Nijinjana vokatra teny an-tsaha, nefa nisy koa nijinjana voaloboka. (Jl 3:13; Ap 14:18) Somary mifaingoka ny antsy fijinjana hita tany Israely. Silaka vatoafo nisy nifinifiny natambatambatra ny lelan’antsy sasany, ary godorao no nampiraikitra azy tamin’ny tahony hazo na taolana. Vy kosa ny lelan’antsy hafa, izay natsofoka tao anaty tahony na napetaka tamin’ny hombo vy.

Fikororohana: Fitaovana hoatran’ny fitrebika. Mety ho vita tamin’ny hazo izy io, toy ny ankehitriny ihany, ary nisy rantsany maromaro mifaingoka.​—Is 30:24; Je 15:7.

Fitaovana fanosihosena varimbazaha: Nanalana ny voa tamin’ny salohy. Azo inoana fa hoatran’ireo karazany roa mbola fampiasa any Palestina ireo fitaovana fahiny. Hazo fisaka natambatambatra ny iray, ary mifaingoka miakatra ny eo aloha. Misy vato maranitra na antsy ny fanambaniny. (Ampit. 1Ta 21:23; Jb 41:30; Is 41:15.) Mitsangana eo amboniny ilay mampiasa azy mba hampahavesatra azy. Ny iray kosa hoatran’ny sarety iva misy zorony efatra, misy seza ipetrahana, ary misy kodiarana roa na telo milahatra nopetahana vy lavalava.​—Ampit. Is 28:27, 28.

Fitaovana fikororohana: Angamba vita amin’ny hazo, ary nanipazana ambony ny varimbazaha teny am-pamoloana mba hotsofin’ny rivotra ny mololo sy akofa.​—Mt 3:12.

Lapìka: Angamba nanesorana fakan-javamaniry sy nandravonana tany. Anisan’ny fitaovana noranitin’ny Israelita tany amin’ny Filistinina izy io, tamin’ny andron’i Saoly. (1Sa 13:20, 21) Nahita lapìka halimo sy vy, mitovitovy amin’ny angady mifori-dela, ny mpikaroka.

Ragiragy: Fitaovana tsy resahin’ny Baiboly. Asehon’ny Baiboly anefa fa tsy mitovy ny mamaky bainga (toy ny rehefa mampiasa ragiragy) sy ny miasa tany. (Jb 39:10; Is 28:24; Ho 10:11) Amakiana bainga sy andravonana tany no tena ampiasana ny ragiragy, nefa koa anaparitahana zezika sy anotofana voa ary iavana. Hazo fisaka mavesatra na vatan-kazo boribory angamba fahiny no notaritarihina teo ambonin’ny tany voasa, rehefa namaky bainga sy nandravona tany.