Fitaratra, I
Rehefa afangaro ka atsonika amin’ny hafanana 1650° C eo ho eo ny fasika (silisy) sy ny fatra faran’izay kely amin-javatra hafa toy ny bôro sy faosifaoro ary firamainty, dia manome fitaratra. Lasa fitaratra malamalama tsy misy kristaly ilay izy, rehefa ampangatsiahina. Mafy ilay izy rehefa tsapaina, nefa koa mora vaky. Misy koa ny fitaratra mainty avy amin’ny volkano mahamay be. Ankoatra izany, rehefa midona amin’ny fasika ny tselatra, dia indraindray manova azy io ho fitaratra miendrika fantsona mahiahia.
Nahita vakana vita tamin’ny fitaratra ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany, tany Ejipta. Mihevitra izy ireo fa efa tamin’ny 4 000 taona lasa tany ho any izy ireny, izany hoe tokotokony ho tamin’ny fotoana nahaterahan’i Abrahama. Efa nisy fitaratra koa tamin’ny andron’i Joba, izay niaina tamin’ny taonjato faha-17 T.K., ary hita tamin’ny teniny fa sarobidy toy ny volamena izy io. Hoy mantsy izy: ‘Tsy misy azo ampitahaina amin’ny fahendrena na ny volamena na ny fitaratra.’—Jb 28:17.
Ap 21:18, 21), ary ny “ranomasina tahaka ny fitaratra sady tahaka ny kristaly.”—Ap 4:6.
Anisan’ny zavatra noresahin’ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitana azony ny “fitaratra madio” sy ny “fitaratra tantera-pahazavana” (