Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiteny

Fiteny

Fomba ampitana am-bava na amin’ny fomba hafa ny fihetseham-po na hevitra. Ireo teny sy fomba anakambanan-teny mba ho azon’ny firenena na foko iray anefa ny heviny no atao hoe fiteny, amin’ny ankapobeny. Midika hoe “fiteny” ny teny hebreo sy grika ilazana ny hoe ‘lela’ (Je 9:3; As 2:26) sy ny teny hebreo ilazana ny hoe “molotra.”​—Ge 11:1, Prot, f.a.p.

Mifandray amin’ny saina ny fiteny, satria ny saina no mampiasa ny tenda, lela, molotra ary nify mba hitenenana. (Jereo LELA.) Hoy Ny Rakipahalalana Britannica (fanontana 1959): “Tsy afa-misaraka ny fisainana sy ny teny. Mila teny maromaro ny saina, ary mila mampifandray azy ireny mba hananany hevitra mazava. ... Misy misalasala momba izany ary mety hitombina ihany ny hevitr’izy ireo, nefa maro be ny porofo ... manamafy ny voalaza teo hoe raha tsy misy teny dia tsy misy fisainana.” (Boky Faha-5, p. 740) Amin’ny alalan’ny teny no tena ahafahana mandray, mitahiry, manova, ary mampita hevitra.

Ny niaviany. Efa nanana voambolana i Adama, ilay olona voalohany, rehefa noforonina, ary afaka namorona teny vaovao ka nampitombo ny voambolany. Ho nitovy tamin’ny biby tsy misaina izy ka tsy ho nahazo ny toromariky ny Mpamorona, raha tsy nomen’Andriamanitra voambolana. (Ge 1:27-30; 2:16-20; ampit. 2Pe 2:12; Jd 10.) Ny olombelona irery no zavaboary manan-tsaina sy mahay miteny eto an-tany. Tsy izy anefa fa i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona faran’izay hendry, no niavian’ny fiteny.​—Ampit. Ek 4:11, 12.

Hoy i Ludwig Koehler, mpanao diksionera, momba ny niavian’ny fiteny: “Be ny tombantombana, indrindra taloha, momba ny hoe ahoana no ‘nampisy’ ny fitenin’olombelona. Nandinika ny ‘fitenin’ny biby’ ireo mpanoratra. Ny biby koa mantsy afaka mamoaka feo mba hanehoana ny fihetseham-pony, toy ny hoe faly, matahotra, taitaitra, mandrahona, tezitra, te hanao firaisana, finaritra rehefa avy nanao firaisana, ary angamba fihetseham-po hafa. Isan-karazany ireny feo ireny, ... saingy tsy mitovy amin’ny fiteny ampiasain’ny olona mba hampitana ny heviny sy izay ao an-tsainy.” Nohazavainy ny fomba azo andalinana ny fomba fiasan’ny taovam-pitenenana. Hoy izy avy eo: “Mbola tsy takatsika anefa izay tena mitranga rehefa miteny isika, na izay mahatonga ny zaza na ny olona amin’ny ankapobeny hahazo ny hevitra tonga ao an-tsainy sy hilaza izany avy eo. Mistery ny fitenin’olombelona. Fanomezana avy amin’Andriamanitra izy io, ary fahagagana.”​—Gazety Mandalina ny Fiteny Semitika, Manchester, 1956, p. 11.

Efa nampiasaina ela be talohan’ny nisian’ny olombelona ny fiteny. Nifampiresaka tamin’ilay Zanany lahimatoa tany an-danitra i Jehovah Andriamanitra. Nantsoina hoe “ny Teny” io Zanany io satria tamin’ny alalany no nifampiresahan’i Jehovah tamin’ny anjely. (Jn 1:1; Kl 1:15, 16; Ap 3:14) Misy ny “fitenin’olona sy fitenin’anjely”, hoy ny apostoly Paoly. (1Ko 13:1) Fitenin’anjely no ifampiresahan’i Jehovah Andriamanitra amin’ny anjely, ary “manatanteraka ny baikony” izy ireo. (Sl 103:20) Tsy mila atmosfera (izay mampita ny fihovotrovotra sy ny onjan’ny feon’ny olona) i Jehovah sy ny anjely rehefa miresaka, ka tsy takatry ny saintsika hoe manao ahoana ny fitenin’anjely. Nampiasa fitenin’olona àry ny anjely nirahin’Andriamanitra hiresaka tamin’olona, ary nosoratana tamin’ny teny hebreo (Ge 22:15-18), aramianina (Da 7:23-27), ary grika (Ap 11:15) ny hafatra nampitainy.

Nahoana no misy fiteny isan-karazany?

Misy 6000 eo ho eo ny fiteny eran-tany, hoy ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina (UNESCO). Ampiasain’ny olona an-jatony tapitrisa ny fiteny sasany, fa ny hafa kosa ampiasain’ny olona tsy ampy arivo akory. Mety hitovy ny hevitra ampitaina, fa ny fomba ilazana azy no maro samy hafa. Ny Baiboly irery no manazava ny niavian’ireo fiteny maro isan-karazany.

“Nampiasa fiteny [a.b.t.: molotra] iray ihany” ny olona rehetra taoriana kelin’ny Safodrano, “sady nitovy ny teny nampiasainy.” (Ge 11:1) Ny fiteny nantsoina hoe hebreo io “fiteny” voalohany io. (Jereo HEBREO, II.) Ho hitantsika fa tsy avy amin’ny teny hebreo na misy ifandraisany amin’ny teny hebreo daholo akory ny fiteny rehetra, fa izy io kosa no talohan’ny fiteny hafa rehetra.

Nisy olona niray hina mba hanao tetikasa mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra (izay nolazaina tamin’i Noa sy ny zanany), taorian’ny Safodrano. (Ge 9:1) Tsy niparitaka ‘hameno ny tany’ izy ireo, fa nivondrona teo amin’ilay toerana nantsoina hoe Lemak’i Sinara tany Mezopotamia. Tao koa ny foiben’ny fivavahany, ary nasiany tilikambo fivavahana tao.​—Ge 11:2-4.

Tsy vita anefa ilay tetikasa satria nataon’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra nisafotofoto ny fitenin’izy ireo. Tsy afaka niray hina sy niara-niasa intsony izy ireo ka niparitaka eran-tany. Tsy afaka ny hanao ratsy bebe kokoa ka hanohitra ny sitrapon’Andriamanitra àry izy ireo. Tsy afaka ny hanambatra ny fahaizany sy ny heriny mba hampahalaza ny tenany mantsy izy ireo. Ho sarotra amin’izy ireo koa ny hanovo amin’ny fahalalana azon’ireo olona samy hafa fiteny, dia fahalalana azo avy tamin’ny traikefa na ny fikarohana natao, fa tsy avy tamin’Andriamanitra. (Ampit. Mpto 7:29; De 32:5.) Nampisara-bazana ny olona ny nampisafotofotoana ny fiteniny, nefa koa nahasoa azy ireo satria ho elaela indray izy ireo vao ho afaka hanatratra tanjona mampidi-doza sy ratsy. (Ge 11:5-9; ampit. Is 8:9, 10.) Efa tsinjon’Andriamanitra hoe inona no hitranga raha tsy nosakanany ilay tetikasa tao Babela. Jereo fotsiny ange izay vitan’ny olona ankehitriny noho ny fampiasany amin’ny fomba ratsy ny fahalalana nangoniny e!

Misy sokajiny maro ny fiteny, hoy ny manam-pahaizana. Tsy fantatra izay fiteny niavian’ny sokajy lehibe tsirairay, na izay fiteny nipoiran’ny fiteny an’arivony ampiasaina ankehitriny. Tsy milaza ny Baiboly hoe avy tamin’ny teny hebreo ny fiteny rehetra. Tanisaina ao amin’ny lisitr’ireo firenena (Ge 10) ny taranaky ny zanak’i Noa (Sema, Hama, ary Jafeta) “araka ny fianakaviany, sy araka ny fiteniny, ary tany amin’ny taniny sy ny fireneny avy.” (Ge 10:5, 20, 31, 32) Toa tsy namorona tenim-paritra hebreo àry i Jehovah Andriamanitra rehefa nampisafotofoto ny fitenin’ny olona, fa namorona fiteny maro vaovao tanteraka, izay samy azo ampitana hevitra sy fihetseham-po.

Tsy ‘nitovy intsony ny teny’ (Ge 11:1) na voambolana, sy ny fitsipi-pitenenana ary ny fomba firafitry ny teny ‘nampiasain’ny’ mpanorina an’i Babela, rehefa nasafotofoto ny fiteniny. Hoy ny Profesora S. Driver: “Tsy ny fitsipi-pitenenana sy ny fototeny ihany anefa no tsy itovizan’ireo fiteny, fa ... ny fomba ilazana hevitra ao anaty fehezanteny koa. Tsy mitovy fomba fisainana ny olona samy hafa firazanana. Izany no tsy mampitovy ny firafitry ny fehezanteny amin’ny fiteny samy hafa.” (Diksionera Momba ny Baiboly, nataon’i J. Hastings, 1905, Boky Faha-4, p. 791) Hafa mihitsy àry ny fomba fisainan’ny olona mampiasa fiteny hafa, ka sarotra amin’izay mianatra an’ilay izy ny ‘mieritreritra amin’ilay fiteny.’ (Ampit. 1Ko 14:10, 11.) Toa hafahafa amin’ny olona mampiasa fiteny iray ny zavatra adika ara-bakiteny amin’ny fiteniny, ka matetika izy no milaza hoe: ‘Tsy misy dikany mihitsy izany!’ Rehefa nampisafotofoto ny fitenin’ny olona tao Babela àry i Jehovah Andriamanitra, dia toa nanaisotra tao an-tsain’izy ireo ny fiteniny taloha, vao nampiditra voambolana sy fomba fisainana ary fitsipi-pitenenana vaovao.​—Ampit. Is 33:19; Ezk 3:4-6.

Vaninteny iray monja, ohatra, ny teny tsirairay amin’ny fiteny sasany, toy ny teny sinoa. Vaninteny maromaro kosa ny voambolana amin’ny fiteny maro, izany hoe fototeny misy tovona sy/na tovana, toy ny hoe fihavanana (tovona: fi; fototeny: havana; tovana: ana). Tena zava-dehibe amin’ny fiteny sasany ny filahatry ny teny ao anaty fehezanteny, fa tsy toy izany kosa amin’ny fiteny hafa. Manana matoanteny isan-karazany ny fiteny sasany, fa tsy manana kosa ny hafa, toy ny teny sinoa. Maro tsy voatanisa ny tsy itovizan’ireo fiteny, ka mila folahina be ny saina rehefa mianatra azy ireny.

Toa lasa nisy tenim-paritra maromaro ireo fiteny vaovao nampiasain’ireo niala tao Babela. Matetika no nivoatra ho fiteny hafa ny tenim-paritra ka tsy fantatra intsony indraindray ny fifandraisan’ireo fiteny hafa ireo tamin’ny tenim-paritra na fiteny niaviany. Na ny taranak’i Sema aza lasa niteny aramianina, akadianina, ary arabo ankoatra ny teny hebreo, na dia toa tsy anisan’ireo nanorina an’i Babela aza izy ireo. Mety ho nampiova ny fiteny ny elanelan-tany, fahasamihafan’ny toerana, ady sy fanjanahan-tany, fahatapahan’ny fifandraisana, ary fifindra-monina. Nisy àry fiteny lehibe fahiny nizarazara ho tenim-paritra, ary nisy fiteny nifangaro tamin’ny fiteny hafa, na nanjavona tanteraka ka nosoloan’ny fitenin’ireo mpanjana-tany.

Manaporofo izany ny voka-pikarohana momba ny fiteny. Hoy Ny Rakipahalalana Britannica Vaovao: “Ny hany fôsily momba ny fiteny, dia ireo soratra tranainy indrindra hita, izay nosoratana 4000 na 5 000 taona lasa tany ho any.” (1985, Boky Faha-22, p. 567) Hoy koa ny gazety iray: “Sarotra be noho ireo fiteny ankehitriny ny fiteny fahiny niavian’ireo fiteny ireo ... Toa tsy hoe tsotra kely dia avy eo nihasarotra ny fiteny taloha tsy voarakitra an-tsoratra, fa fiteny sarotra be kosa izay lasa tsotra kokoa ankehitriny.” (Siansa An-tsary, Jolay 1948, p. 63) Hoy ny Pr. Mason, manam-pahaizana momba ny teny: “Tsy marina mihitsy ny hoe ningerongerona fotsiny ny ‘olon-dia’ sady tsy nahay nilaza hevitra toy ny ataon’ny firenena ‘mandroso’ maro. ... Be pitsiny noho ny fiteny eoropeanina ny fiteny maro ampiasain’ny firenena tsy mahay taratasy.” (Gazety Momba ny Siansa, 3 Septambra 1955, p. 148) Tsy voaporofo àry ny hoe ngerongerona ny fiteny voalohany na ny fiteny fahiny, ka hoe nivoatra tatỳ aoriana.

Hoy Atoa Henry Rawlinson, manam-pahaizana momba ny fiteny tatsinanana, mahakasika ny toerana niandohan’ny fiteny fahiny: “Raha ny fiandohan’ireo fiteny fotsiny no ifantohana, fa tsy ny voalazan’ny Soratra Masina, dia mbola hanatsoaka hevitra ihany isika fa avy teo amin’ny lemak’i Sinara no niparitahan’ireo fiteny samihafa.”​—Ny Gazetin’ny Fikambanana Aziatika any Grande-Bretagne sy Irlandy, Londres, 1855, Boky Faha-15, p. 232.

Ireto avy ny sokajy lehibe misy an’ireo fiteny, hoy ny manam-pahaizana: Karàna sy eoropeanina, sinoa sy tibetanina, afrikanina sy aziatika, japoney sy koreanina, dravidianina (any Azia Atsimo), malezianina sy polinezianina, ary fitenin’ny Afrikanina mainty hoditra. Mbola misy fiteny maro anefa tsy hita hoe inona no sokajy asiana azy. Mbola mizarazara koa ny sokajy lehibe tsirairay. Ao anatin’ny sokajin’ny teny karàna sy eoropeanina, ohatra, ny teny alemà, romance (italianina tranainy), baltika sy slavy, karàna sy iranianina, grika, selta, albaney, ary armenianina. Mbola mizarazara koa ny ankamaroan’ireo. Ao anatin’ny sokajin’ny teny romance, ohatra, ny teny frantsay, espaniola, portogey, italianina, ary romanianina.

Nanomboka tamin’ny andron’i Abrahama. Tsy nanahirana an’i Abrahama Hebreo ny nifampiresaka tamin’ny Kananita taranak’i Hama. (Ge 14:21-24; 20:1-16; 21:22-34) Tsy nampiasa mpandika teny izy tamin’izay, na tamin’izy tany Ejipta. (Ge 12:14-19) Nahay teny akadianina (asyrianina sy babylonianina) angamba izy satria efa nipetraka tany Oran’ny Kaldeanina. (Ge 11:31) Fiteny niraisam-pirenena mantsy fahiny ny teny akadianina. Mety ho nahay fiteny roa ny Kananita izay nipetraka teny akaikin’ny taranak’i Sema tany Syria sy Arabia. Voaporofo koa hoe avy tamin’ny abidy semitika ny abidy akadianina, ka mety ho izany no nahatonga ny firenen-kafa, indrindra fa ny mpitondra sy manam-pahefana, hampiasa teny semitika.​—Jereo KANANA, KANANITA No. 2 (Fiteny); MANORATRA, SORATRA.

Toa afaka nifampiresaka tsara tamin’ny havany aramianina koa i Jakoba (Ge 29:1-14), na dia nisy voambolana tsy nitovy aza.​—Ge 31:46, 47.

Azo inoana fa nianatra niteny ejipsianina i Josefa fony izy mpanompon’i Potifara. Nampiasa mpandika teny àry izy rehefa niresaka voalohany tamin’ireo rahalahiny hebreo tonga tany Ejipta. (Ge 39:1; 42:6, 23) I Mosesy kosa nobeazina tao an-dapan’i Farao ka nahay fiteny maro, toy ny teny hebreo, ejipsianina, ary angamba akadianina sy fiteny hafa.​—Ek 2:10; ampit. Ek 2:15-22.

Tsy ny teny akadianina intsony, fa ny teny aramianina indray, no lasa fiteny iraisam-pirenena ka nampiasain’ireo nifanoratra tamin’i Ejipta. Tsy hain’ny ankamaroan’ny Jiosy intsony anefa ny teny aramianina (syrianina tranainy), na dia hain’ny manam-pahefana jodianina aza, rehefa nanafika an’i Joda i Sankeriba mpanjakan’i Asyria (732 T.K.). (2Mp 18:26, 27) Tamin’ny Jiosy koa, dia toy ny “miakanakam-piteny” ny Babylonianina taranak’i Sema niteny kaldeanina izay nandresy an’i Jerosalema (607 T.K.). (Is 28:11; Da 1:4; ampit. De 28:49.) Nanjanaka faritra midadasika sy nifehy firenena nampiasa fiteny maro i Babylona sy Persa ary ny fanjakana natanjaka hafa, kanefa tsy afaka nanery an’ireny firenena ireny hampiasa fiteny iray ihany.​—Da 3:4, 7; Es 1:22.

Nanahy be i Nehemia rehefa nahita fa tsy nahay teny “jiosy” (hebreo) ny ankizy metisy jiosy, taorian’ny sesitany. (Ne 13:23-25) Tena nilaina mantsy ny nahazo ny hevitry ny Soratra Masina (mbola tamin’ny teny hebreo fotsiny tamin’izay) rehefa novakina sy nofakafakaina izy io, mba hanarahana ny fivavahana marina. (Ampit. Ne 13:26, 27; 8:1-3, 8, 9.) Nampiray ny firenena jiosy koa ny fiteny iombonana. Anisan’ny nahatonga ny teny hebreo tsy hiova firy ny Soratra Hebreo. Tsy niova firy tokoa ny teny hebreo nandritra ny 1 000 taona teo ho eo nanoratana azy io.

Lasa nahay fiteny maro ny Jiosy tany Palestina, fony i Jesosy tetỳ an-tany. Voaporofo fa mbola niteny hebreo izy ireo, nefa niteny aramianina sy koine koa. Tamin’ny teny latinina kosa ny soratra ofisialy nataon’ny Romanina mpanjana-tany. (Jn 19:20) Io koa no fiteny nampiasain’ny miaramila romanina. Jereo ny lahatsoratra hoe ARAMIANINA sy HEBREO, II mba hahafantarana ny fiteny nampiasain’i Jesosy.

Nilatsahan’ny fanahy masina ny mpianatra tao Jerosalema tamin’ny Pentekosta taona 33, ka tampoka teo dia nampiasa fiteny maro mbola tsy nianarany mihitsy izy ireo. Mahay mampiditra voambolana sy fitsipi-pitenenana vaovao ao an-tsain’ny olona i Jehovah Andriamanitra, araka ny nasehony tany Babela. Nanao toy izany koa izy tamin’ny Pentekosta. Tsy nanadino ny teny hebreo izay fitenin-drazany anefa ny Kristianina lasa nahay fiteny vaovao tampoka. Tsy hoe hampisafotofoto ny fiteny sy hampiely ny olona mantsy no antony nampiasan’Andriamanitra ny fanahiny tamin’izay, fa hampianatra sy hampiray saina ny olona tso-po kosa. (As 2:1-21, 37-42) Nampiasa fiteny maro ny vahoakan’Andriamanitra taorian’izay. Tsy nampisara-bazana azy ireo anefa izany satria nameno ny sainy ny fahamarinana, izay toy ny fiteny iombonana. Niara-nidera an’i Jehovah izy ireo, ary niara-nanambara ny fikasany izay notanterahiny sy hotanterahiny amin’ny alalan’i Kristy Jesosy. Tanteraka tamin’izy ireo ilay fampanantenan’i Jehovah Andriamanitra hoe: “Hovako ho fiteny madio ny fitenin’ny olona mba hiantsoan’izy rehetra ny anaran’i Jehovah, ka hanompoany azy amim-piraisan-kina.” (Ze 3:9; ampit. Is 66:18; Za 8:23; Ap 7:4, 9, 10.) Tokony ‘hifanaraka tsara amin’izay lazainy’ àry izy ireo, ary ‘ho tafaray tsara ka hiray saina sy hiray hevitra.’​—1Ko 1:10.

“Madio” koa ny fitenin’ireo anisan’ny fiangonana kristianina satria tsy mampiasa fiteny maneho lolompo, fahatezerana, fahavinirana, filelalelana, fanevatevana izy ireo, ary tsy manao teny mamitaka na resaka vetaveta na resaka tsy mendrika. (Ef 4:29, 31; 1Pe 3:10) Tokony hampiasain’ny Kristianina hiderana ny Mpamorona ny fiteny, sady hampaherezany ny olona amin’ny teny mahafinaritra sy marina, indrindra fa hitoriany ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Mt 24:14; Tit 2:7, 8; He 13:15; ampit. Sl 51:15; 109:30.) Hanampy olona maro kokoa hiteny an’ilay fiteny madio i Jehovah, satria efa akaiky ny fotoana hampiharany ny didim-pitsarany amin’ny firenena rehetra.

Nosoratana tamin’ny teny hebreo ny Baiboly, ary nisy ampahany natao tamin’ny teny aramianina tatỳ aoriana. Nosoratana tamin’ny fiteny grika tsotra (koine) ny ampahany sisa amin’ny Soratra Masina tamin’ny taonjato voalohany, na dia nosoratan’i Matio tamin’ny teny hebreo aza aloha ny Filazantsarany. Nadika ho amin’ny teny grika koa ny Soratra Hebreo, ka natao hoe Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Tsy nahazo herin’ny fanahy masina ireo nandika azy io, nefa nampiasa azy io imbetsaka ireo mpanoratra ny Soratra Grika. (Jereo FANAHY, AVY AMIN’NY.) Nadika ho amin’ny fiteny hafa koa ny Soratra Grika Kristianina sy ny Baiboly manontolo, ka nadika ho amin’ny teny latinina, syriàka, etiopianina, arabo, ary persianina aloha. Efa misy amin’ny fiteny 3000 mahery izao ny Baiboly manontolo na ny ampahany aminy. Mora kokoa àry ny mitory ny vaovao tsara, ka olona samy hafa firenena no tafaray sy miara-manompo ny Mpamorona, fa tsy voazarazaran’ny fiteny.