Fiterahana
Fitahiana nomen’ny Mpamorona ho an’ny vehivavy ihany. Noforonina mba hiteraka ny vehivavy, ary nomeny taova mety amin’izany. Nomena baiko hameno ny tany ny mpivady voalohany tao Edena, ary naverina indray izany tamin’ireo olona tafavoaka velona tamin’ny Safodrano. Tsy ho tanteraka anefa izany baiko izany raha tsy bevohoka sy miteraka ny vehivavy. (Ge 1:28; 9:7) Nanota sy tsy nankatò anefa i Adama sy Eva, ka hoy i Jehovah tamin’i Eva: “Hataoko mihamafy ny fanaintainanao rehefa bevohoka ianao. Hanaintaina ianao rehefa hiteraka.”—Ge 3:16, jereo FAHATERAHANA; FANAINTAINAN’NY MIHETSI-JAZA.
Efa voajanahary amin’ny vehivavy àry ny faniriana hiteraka sy hitaiza ka mety tsy hilamina mihitsy izy raha tsy afa-po izany faniriana izany. Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hampirisika ny mpitondratena tanora mba hanambady sy hiteraka, fa tsy handany andro hitety tranon’olona ka ho ‘mpifosafosa sy hitsabaka amin’ny fiainan’ny olona.’ (1Ti 5:11-15) Nilaza i Paoly fa ‘ho voaro noho ny fiterahana’ ny vehivavy kristianina, “raha maharitra amin’ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana mbamin’ny fahaiza-misaina.”—1Ti 2:15.