Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitiavana

Fitiavana

Fihetseham-po ananana rehefa tena miraiki-po sy tsy mahafoy olona iray, ohatra hoe namana, ray na reny, zanaka, na ny toy izany; firaiketam-po tsapan’Andriamanitra amin’ny zavaboariny noho izy te hanasoa azy ireo, na koa firaiketam-pon’izy ireo amin’Andriamanitra ho fanajana Azy; fifankahazoana am-po eo amin’ireo zavaboarin’Andriamanitra; fihetseham-po mahery misy eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray, izay mitarika ho amin’ny fanambadiana.

Misy karazana fitiavana hafa koa resahin’ny Soratra Masina. Eo, ohatra, ilay fitiavana baikoin’ny fitsipika, anisan’izany ny fitiavana ny fahamarinana sy ny fitiavana ny fahavalo, satria tsy misy olona miraiki-po amin’ny fahavalony. Tsy tia tena ny olona manana an’io fitiavana io fa mahafoy tena ho an’ny fahamarinana kosa, ary mihevitra amim-pahatsorana an’izay hitondra soa maharitra ho an’ny hafa, ka tena manao zavatra mihitsy mba hahasoa azy ireny.

Ny matoanteny hoe ʼahev na ʼahav (tia), sy ny anarana hoe ʼahavah (fitiavana), no tena fampiasa amin’ny teny hebreo mba hilazana an’ireo fitiavana voalaza tetsy ambony. Ny teny manodidina no mamaritra ny dikany sy ny halehibeny.

Matetika kosa ny Soratra Grika Kristianina no mampiasa endriny hafa amin’ny hoe agape, filia, ary teny roa avy amin’ny hoe stôrge. Tsy ampiasaina ao ny hoe erôs, izay ilazana fitiavana eo amin’ny lehilahy sy vehivavy mifankatia. Ny agape anefa no miseho matetika kokoa.

Hoy ny Diksioneran’i Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao momba ny anarana hoe agape sy ny matoanteny hoe agapaô: “Tsy fantatra ny atao hoe fitiavana raha tsy efa miseho amin’ny atao. Tsapa, ohatra, ny fitiavan’Andriamanitra tamin’izy nanome ny Zanany, 1 Jaona 4:9, 10. Nahoana izy no nanao izany? Tsy hoe satria te hanao izay mahafinaritra ny olona fotsiny izy, na nentin’ny fihetseham-po fotsiny. Tsy vokatry ny toetra tsaran’ilay anehoana fitiavana koa izany (Rom. 5:8), fa efa sitrapon’Andriamanitra sy safidiny kosa. Ny toetra maha izy azy no hany antony nahatonga azy hanao izany, ampit. Deot. 7:7, 8.”​—1981, Boky Faha-3, p. 21.

Hoy i Vine momba ny matoanteny hoe fileô: “Mila avahana amin’ny agapaô [izy io]. Mitovitovy amin’ny hoe miraiki-po mantsy ny hevitry ny hoe fileô. (Boky Faha-3, p. 21) Izao no anazavan’ny diksionera grika iray ny hoe fileô: “Naman’i (tia an’i [olona na zavatra]), izany hoe miraiki-po amin’i (midika hoe tsy mahafoy, ary misy ifandraisany amin’ny fihetseham-po; fa ny [agapaô] kosa misy heviny malalaka kokoa. Tsy voatery hisy firaiketam-po mantsy ny hoe agapaô, fa manaraka fitsipika na toro lalana kosa. Safidim-po tanteraka no anaovana izany, satria fantatra fa izay no mety ary adidy koa izany...).”​—Fizahana ny Teny Rehetra ao Amin’ny Baiboly, nataon’i James Strong (1890, p. 75, 76); jereo FIRAIKETAM-PO.

Fitiavana baikoin’ny fitsipika àry ny hoe agape. Mety hisy firaiketam-po ihany amin’izy io, nefa mety tsy hisy koa. Ireto andinin-teny ireto no ahitana fa misy firaiketam-po tokoa ny agape: Izao, ohatra, no nolazain’i Jesosy: “Ny Ray tia [agapai] ny Zanaka.” (Jn 3:35) Hoy koa izy: “Ny Ray tia [filei] ny Zanaka.” (Jn 5:20) Azo antoka fa tia an’i Jesosy i Jehovah, nefa koa niraiki-po be taminy. Hoy koa i Jesosy: “Izay tia [agapôn] ahy kosa dia ho tian’ny [agapetesetai] Raiko, ary izaho ho tia [agapesô] azy.” (Jn 14:21) Tia an’izay tia azy ny Ray sy ny Zanaka, nefa koa miraiki-po amin’izy ireny. Tsy maintsy tia an’i Jehovah sy ny Zanany ny mpanompon’Andriamanitra, ary tsy maintsy mifankatia koa.​—Jn 21:15-17.

Ny fanajana fitsipika no mampiavaka ny agape. Misy fihetseham-po ihany anefa izy io na izany aza, satria raha tsy izany dia ho fampiharana befahatany ny rariny fotsiny. Tsy baikoin’ny fihetseham-po izy io, fa manaraka fitsipika foana. Maneho agape amin’olona ny Kristianina, mba hanasoavana azy ireny, na dia tsy miraiki-po amin’izy ireny aza izy. (Ga 6:10) Mangoraka sy miahy an’ireny mpiara-belona aminy ireny izy raha tsy mahatonga azy handika ny fitsipika marin’Andriamanitra izany, ary raha mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra ny fomba anaovany izany.

Marina fa fitiavana baikoin’ny fitsipika ny agape, nefa misy fitsipika tsara sy ratsy. Agape karazany ratsy àry no asehon’ny olona iray, raha fitsipika ratsy no mibaiko azy. Izao, ohatra, no nolazain’i Jesosy: “Raha izay tia [agapate] anareo ihany no tianareo, mendrika ny hahazo fiderana ve ianareo amin’izany? Na ny mpanota aza mantsy mba tia an’izay tia azy koa. Raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, mendrika ny hahazo fiderana ve ianareo amin’izany? Na ny mpanota aza ange manao toy izany koa e! Raha izay antenainareo hamerina ny volanareo ihany no ampisamborinareo tsy misy zanabola, mendrika ny hahazo fiderana ve ianareo amin’izany? Na ny samy mpanota aza mifampisambo-bola tsy misy zanany, mba hiverenan’ny volany.” (Lk 6:32-34) Ity fitsipika ity no arahin’ny olona toy izany: ‘Manaova soa amiko, dia mba hanao soa aminao koa aho.’

Hoy ny apostoly Paoly momba an’i Demasy mpiara-miasa taminy: ‘Efa nandao ahy i Demasy satria tia [agapesas] an’ity tontolo ity izy.’ (2Ti 4:10) Tia an’ity tontolo ity i Demasy satria izao no fitsipika nibaiko an’io fitiavany io: Mahazo tombony ara-bola izay tia an’ity tontolo ity. Hoy i Jesosy: “Naleon’ny olona [na tian’ny (egapesan) olona kokoa] ny haizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny ataony. Fa izay zatra manao ratsy dia mankahala ny mazava, sady tsy manatona ny mazava sao hibaribary ny ataony.” (Jn 3:19, 20) Zava-marina na fitsipika efa mipetraka ny hoe manampy hanafina ny ratsy atao ny haizina. Izany no itiavan’ny olona ny haizina.

Nandidy toy izao i Jesosy: ‘Tiavo [agapate] ny fahavalonareo.’ (Mt 5:44) Andriamanitra mihitsy no nametraka an’io fitsipika io, araka izao nambaran’ny apostoly Paoly izao: “Andriamanitra ... naneho ny fitiavany [agapen] antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty ho antsika i Kristy. ... Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Zanany, dia vao mainka hovonjena amin’ny fahavelomany isika, amin’izao efa nampihavanina tamin’Andriamanitra izao.” (Ro 5:8-10) Ahitana tsara izany ny nitiavany an’i Saoly avy any Tarsosy, izay lasa apostoly Paoly. (As 9:1-16; 1Ti 1:15) Ny fitsipik’Andriamanitra àry no tokony hibaiko ny fitiavantsika ny fahavalo. Tokony ho tia ny fahavalo koa isika mba hankatoavana ny didin’Andriamanitra, na miraiki-po amin’ilay olona isika na tsia.

Andriamanitra. Hoy ny apostoly Jaona: “Andriamanitra dia fitiavana.” (1Jn 4:8) Mahalaza tsara ny maha izy an’Andriamanitra ny hoe fitiavana, ary io no toetrany tena misongadina. Tsy marina anefa ny mifamadika amin’izany, satria ‘ny fitiavana (toetra) dia tsy Andriamanitra.’ Toy ny hoe olona no ilazan’Andriamanitra ny tenany, izany hoe manana “maso”, “tanana”, “fo”, ary “saina”, sy ny toy izany. Manana toetra hafa, toy ny fitiavana ny rariny sy ny hery ary ny fahendrena koa izy. (De 32:4; Jb 36:22; Ap 7:12) Afaka mankahala koa izy, izany hoe maneho toetra mifanohitra tanteraka amin’ny fitiavana. Tia rariny izy ka mankahala ny ratsy. (De 12:31; Oh 6:16) Manana heviny hoe mahatsapa sy maneho firaiketam-po koa ny hoe tia. Ny olona ihany anefa no miraiki-po, ary olona koa no iraiketan’ny fo. Azo antoka fa tsy hoe toetra fotsiny i Jesosy Kristy, matoa izy nilaza hoe niaraka tamin’ny Rainy, niara-niasa taminy, nanao izay sitrany, ary nihaino azy. Nilaza koa izy fa mahita ny tavan’ny Rainy ireo anjely. Tsy afaka nilaza izany i Jesosy raha toetra fotsiny ny Rainy.​—Mt 10:32; 18:10; Jn 5:17; 6:46; 8:28, 29, 40; 17:5.

Porofon’ny fitiavany. Maro be ny porofo fa fitiavana i Jehovah, ilay Andriamanitra namorona an’izao rehetra izao. Miharihary eo amin’ireo zavatra noforoniny izany. Tena niavaka ny fomba namoronany azy ireny, satria nataony mba hahasalama sy hahafinaritra ary hahasoa antsika olombelona! Tsy noforonina mba ho velona fotsiny ny olona fa mba hankafy sakafo koa, ho finaritra amin’ny lokon’ireo zavaboary sy ny hakantony, ho tia biby sy ho faly miaraka amin’olon-kafa, ary ho finaritra amin’ny zavatra maro hafa mitondra fifaliana eo amin’ny fiainana. (Sl 139:14, 17, 18) Vao mainka nisongadina ny fitiavan’i Jehovah rehefa namorona ny olona araka ny endriny sy misy itovizana aminy izy (Ge 1:26, 27), hany ka afaka maneho fitiavana sy mifandray aminy ny olona. Nisongadina koa ny fitiavany rehefa nampahafantatra ny tenany izy, ka nanome antsika ny Teniny sy ny fanahiny masina.​—1Ko 2:12, 13.

Toy ny fitiavan’ny ray ny zanany no fitiavan’i Jehovah ny olombelona. (Mt 5:45) Vonona hanao izay rehetra mahasoa azy ireo izy, na inona na inona vidiny. Tsy misy fihetseham-po mety ho tsapan’olombelona ka mahery kokoa noho ny fitiavan’Andriamanitra. Tsy misy teny mahalaza ny halehiben’izany fitiavany izany koa. (Ef 2:4-7; Is 55:8; Ro 11:33) Nomeny ho an’ny olombelona ny ain’ilay Zanany lahitokana tsy nivadika, ary izany no porofo lehibe indrindra fa tia antsika izy. (Jn 3:16) Tsy hisy ray ho afaka haneho fitiavana an-janany mihoatra noho izany. Hoy ny apostoly Jaona: “Isika kosa tia, satria izy no tia antsika voalohany.” (1Jn 4:19) Izy, noho izany, no Loharanon’ny fitiavana. Hoy koa ny apostoly Paoly: “Mahalana vao misy manaiky ho faty ho an’ny olo-marina, fa angamba mety hisy ihany ho sahy ho faty ho an’ny olona tsara fanahy. Andriamanitra kosa anefa naneho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty ho antsika i Kristy.”​—Ro 5:7, 8; 1Jn 4:10.

Mandrakizay ny fitiavan’Andriamanitra. Maharitra mandrakizay ny fitiavan’i Jehovah an’ireo mpanompony tsy mivadika. Tsy ho lefy izany, na ory izy ireny na faly, ary na kely na lehibe ny zava-tsarotra atrehiny. Hoy ny apostoly Paoly: “Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na fitondram-panjakana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na zavaboary hafa, dia tsy hisy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra, izay aseho amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika.”​—Ro 8:38, 39.

Fitiavana no fototry ny fitondran’i Jehovah. Ny fitiavana no tena fototry ny fitondran’i Jehovah, ary manompo azy noho ny fitiavana koa ireo zavaboariny, ka tena mahafaly azy izany. Izay tia ny fitondrany ihany àry no ekeny hanompo azy. Tsapan’izy ireo mantsy fa tsara toetra i Jehovah, ary ara-drariny ny fitondrany ka tian’izy ireo kokoa noho ny hafa rehetra. (1Ko 2:9) Tsy te hahaleo tena izy ireo fa aleony kosa manompo eo ambany fitondran’i Jehovah. Nahoana? Satria fantatr’izy ireo i Jehovah, ary fantany koa hoe be fitiavana sy tia rariny izy ary manana fahendrena be lavitra noho ny azy ireo. (Sl 84:10, 11) Ny Devoly kosa te hahaleo tena, toa an’i Adama sy Eva. Nanohitra ny fitondran’Andriamanitra izy raha ny marina, ka nilaza fa tsy misy fitiavana, hono, izany fitondrana izany sady tsy ara-drariny (Ge 3:1-5), ary fitiavan-tena fa tsy fitiavana no anompoan’ny zavaboariny azy.​—Jb 1:8-12; 2:3-5.

Navelan’i Jehovah ho velona ny Devoly, ary navelany hotsapaina hatramin’ny fahafatesana koa ny mpanompony, anisan’izany ilay Zanany lahitokana. Efa nambaran’Andriamanitra mialoha fa tsy hivadika i Jesosy. (Is 53) Nahoana izy no sahy nilaza izany momba an’io Zanany io? Noho ny fitiavana. Fantatr’i Jehovah ilay Zanany, ary fantany koa fa tia Azy sy tia ny fahamarinana izy io. (He 1:9) Tena fantany tsara mihitsy io Zanany io. (Mt 11:27) Natoky tanteraka izy fa tsy hivadika izy io. “Fatorana mampiray tonga lafatra” koa ny fitiavana. (Kl 3:14) Io no fifamatorana mahery indrindra eo amin’izao rehetra izao. Tonga lafatra sy tsy azo ravana io fitiavana mampifamatotra azy mianaka io. Izany koa no mahatonga an’Andriamanitra hatoky ny mpanompony, satria fantany fa tia azy izy ireo ka tsy hivadika aminy mihitsy ny ankamaroany na dia iharam-pitsapana aza. Fantany koa fa tsy hahafoy azy tanteraka ny zavaboariny.​—Sl 110:3.

Jesosy Kristy. Nifanerasera akaiky tamin’ilay Rainy, Loharanon’ny fitiavana, i Jesosy nandritra ny taona maro tsy hita isa, sady mahalala tsara Azy, ka afaka niteny hoe: “Izay nahita ahy dia nahita ny Ray koa.” (Jn 14:9; Mt 11:27) Fitiavana feno sy tonga lafatra àry ny fitiavan’i Jesosy. (Ef 3:19) Hoy izy tamin’ny mpianany: “Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny mahafoy ny ainy ho an’ny namany.” (Jn 15:13) Hoy koa izy talohan’izay: “Omeko didy vaovao ianareo, dia ny mba hifankatiavanareo. Toy ny nitiavako anareo no tokony mba hifankatiavanareo koa.” (Jn 13:34) Vaovao io didy io, satria izao no voalazan’ilay Lalàna nanan-kery tamin’ny andron’i Jesosy sy ny mpianany: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Le 19:18; Mt 22:39) Ny fitiavana ny hafa tahaka ny tena no notakin’ny Lalàna, fa tsy ny fitiavana feno fahafoizan-tena, izay tonga hatramin’ny fanaovana sorona ny aina ho an’ny hafa. Nisongadina tsara teo amin’ny fiainan’i Jesosy sy ny fahafatesany ilay fitiavana notakin’io didy vaovao io. Manao soa olona ny mpanara-dia an’i Kristy isaky ny afaka manao izany. Tsy miandry angatahina koa izy ireo fa tonga dia manampy ny hafa, na eo amin’ny ara-panahy izany na amin’ny lafiny hafa. Tokony hanampy olona izy ireo. Anisan’ny fanehoam-pitiavana tena lehibe ny mitory sy mampianatra ny vaovao tsara amin’ny hafa, izay mety ho fahavalo ny sasany aminy. Mety hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay mantsy izany. Manampy sy miara-miasa amin’ireo mandray ny vaovao tsara ny Kristianina. “Tsy ny vaovao tsaran’Andriamanitra ihany” no omeny azy ireo amin’izany, ‘fa ny ainy koa aza.’ (1Te 2:8) Tokony ho vonona hamoy ny ainy ho azy ireo izy.​—1Jn 3:16.

Ahoana no hananana fitiavana bebe kokoa? Nampiasa ny fanahy masina i Jehovah rehefa namorona an’ilay lehilahy sy vehivavy voalohany. Ny fitiavana no toetran’Andriamanitra lehibe indrindra, ka nanomezany tamin’izy io izy mivady rehefa noforoniny. Azon’izy ireo nitarina sy nampitomboina ary nohatsaraina io fitiavana io. Vokatry ny fanahin’Andriamanitra izy io. (Ga 5:22) Mila ezaka anefa ny fampitomboana an’io toetra io, fa tsy mba nolovana toy ny hatsaran-tarehy, na hakingan-tsaina, na talenta eo amin’ny mozika. Tsy misy olona manana ny tena fitiavana raha tsy mahalala sy manompo an’Andriamanitra, ary misaintsaina sy mankasitraka azy. Tsy ho afaka hanahaka an’Andriamanitra isika raha tsy miezaka hanam-pitiavana. (Sl 77:11; Ef 5:1, 2; Ro 12:2) Tsy nampitombo ny fitiavany an’Andriamanitra i Adama, ary tsy niezaka mba hahatonga lafatra izany fitiavany izany. Hita izany rehefa tsy tafaray taminy intsony izy, ary tsy nampifamatotra azy taminy intsony koa ilay fatorana mampiray tonga lafatra. Marina fa lasa tsy lavorary sy mpanota i Adama, nefa mbola azony nampitaina tamin’ny taranany (“izay nisy itovizana taminy”) ilay fahafahana maneho fitiavana. (Ge 5:3) Maneho azy io daholo ny olombelona, nefa matetika izany no mivaona.

Mety hivaona ny fitiavana. Hita amin’izany fa tsy afaka maneho fitiavana araka ny tokony ho izy ny olona, raha tsy mangataka ny fanahin’Andriamanitra, sy manaraka ny fitarihan’izy io, ary mampihatra ny fahalalana avy ao amin’ny Teniny. Mety hiraiki-po amin’ny zanany, ohatra, ny rainy na ny reniny. Mety hivaona anefa izany fitiavany izany, raha entin’ny fihetseham-po fotsiny izy ka mampanaram-po ny zanany. Mety tsy hampihatra ny fahefany izy, ka tsy hifehy an’ilay zanany ary tsy hanafay azy indraindray. (Oh 22:15) Tsy tena fitiavana izany, fa mety ho hambom-po kosa, izany hoe tia tena izy, raha ny marina. Milaza ny Baiboly fa tsy tia zanaka ny olona toy izany fa mankahala azy kosa, satria tsy manao izay hahavoavonjy ny ain’ny zanany.​—Oh 13:24; 23:13, 14.

Tsy toy izany kosa ilay fitiavana avy amin’Andriamanitra. Mikatsaka izay hahasoa sy hahatsara ny hafa izy io. “Ny fitiavana [mantsy] mampahery.” (1Ko 8:1) Tsy entin’ny fihetseham-po fotsiny ny olona maneho azy io. Mahery sy tarihin’ny fahendren’Andriamanitra ary tsy miovaova izy io, ka izay madio sy mahitsy foana aloha no ifikirany. (Jk 3:17) Nanehoan’Andriamanitra fitiavana toy izany ny Israely izay nofaiziny mafy rehefa tsy nankatò, satria tiany handray soa mandrakizay. (De 8:5; Oh 3:12; He 12:6) Hoy ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina: “Miaritra ianareo ho famaizana anareo, fa mitondra anareo toy ny zanaka Andriamanitra. Fa iza moa no zanaka tsy faizin-drainy? ... Nanana ray olombelona isika mba hanafay antsika, ary nohajaintsika izy ireny. Koa tsy vao mainka tokony hanaiky an’ilay Raintsika ara-panahy ve isika mba ho velona? Nanafay antsika andro vitsy izy ireny araka izay hitany fa mety, fa izy kosa manao izany mba hahasoa antsika ka hananantsika anjara amin’ny fahamasinany. Marina fa tsy misy famaizana toa mahafaly eo no ho eo, fa mampahory. Avy eo anefa izy io, dia mitondra vokatra hiadanana ho an’izay nampiofanina tamin’ny alalan’izany. Ary ny fahamarinana izany vokatra izany.”​—He 12:7-11.

Tsy hivaona ny fitiavana raha eo ny fahalalana. Andriamanitra aloha no tokony hotiavina mihoatra noho ny zavatra rehetra. Raha tsy izany, dia mety hivaona ny fitiavana, ka zavatra na zavaboary indray no lasa ivavahana. Tena ilain’ny olona àry ny mahalala ny fikasan’Andriamanitra, satria manampy azy hahalala izay tena hahasoa azy sy ny hafa izany, sady mahatonga azy hahalala ny fomba tokony hanehoana fitiavana. Tokony ho tiantsika amin’ny ‘fo manontolo sy saina manontolo sy tena manontolo ary hery manontolo’ Andriamanitra. (Mt 22:36-38; Mr 12:29, 30) Tsy tokony ho fitiavana ivelany fotsiny ilay izy, fa ho vokatry ny fo kosa. Avy ao am-po mantsy ny fitiavana. (1Pe 1:22) Mety hivaona anefa izy io, raha tsy takatry ny saina ny atao hoe tena fitiavana sy ny asan’izy io. (Je 10:23; 17:9; ampit. Fi 1:9.) Tsy maintsy fantarina koa i Jehovah Andriamanitra sy ny toetrany, ny fikasany, ary ny fomba anehoany fitiavana. (1Jn 4:7) Raha manokan-tena ho an’Andriamanitra àry ny olona iray, dia manokan-tena ho an’i Jehovah mihitsy izy fa tsy ho an’ny asa na hevitra ijoroana. Ny fitiavana mantsy no toetra sarobidy indrindra, ary io koa no toetran’i Jehovah lehibe indrindra. Tokony ho tia an’i Jehovah amin’ny tenany manontolo ilay olona aorian’izay, izany hoe ny maha izy azy manontolo. Tokony hiezaka amin’ny heriny manontolo koa izy, rehefa manao izany.

Azo itarina ny fitiavana. Azo itarina ny tena fitiavana, izay vokatry ny fanahin’Andriamanitra. (2Ko 6:11-13) Tsy natao hotsitsina na hoferana izy io, ary tsy maintsy zaraina mba ho feno. Andriamanitra aloha no tsy maintsy tiavina (De 6:5), eo koa ilay Zanany (Ef 6:24), avy eo ny rahalahy rehetra eran-tany (1Pe 2:17; 1Jn 2:10; 4:20, 21). Tsy maintsy tia ny vadiny koa ny olona. (Oh 5:18, 19; Mpto 9:9; Ef 5:25, 28, 33) Azo itarina hatrany amin’ny zanaka koa ny fitiavana. (Tit 2:4) Tokony hotiavina ny olona rehetra, eny fa na dia ny fahavalo aza, ka tokony hanao soa amin’izy ireny ny Kristianina. (Mt 5:44; Lk 6:32-36) Hoy ny Baiboly momba ireo vokatry ny fanahy (ny fitiavana no voalohany amin’izy ireo): “Tsy misy lalàna manohitra an’ireo.” (Ga 5:22, 23) Tsy misy lalàna mametra an’io fitiavana io. Azo atao foana ny maneho fitiavana amin’izay tokony hotiavina, na aiza na aiza, ary tsy misy fetrany izany. Ny fitiavana ihany, raha ny marina, no trosa ananan’ny Kristianina amin’izy samy izy. (Ro 13:8) Io fifankatiavana io no amantarana ny tena Kristianina.​—Jn 13:35.

Ahoana no isehoan’ilay fitiavana avy amin’Andriamanitra? Efa voalaza fa Andriamanitra dia fitiavana. Tena mahatalanjona io fitiavana io, ka sarotra ny manazava azy. Mora kokoa ny milaza ny fomba isehoany. Hamakafaka momba an’io toetra io isika, ary hodinihintsika koa ny fomba azon’ny Kristianina anehoana azy io. Nanoratra momba ny fitiavana ny apostoly Paoly, ka nasongadiny aloha hoe tena ilain’ny Kristianina izy io. Hoy izy avy eo rehefa nanazava tamin’ny an-tsipiriany ny fomba isehoan’izy io: “Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy. Ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady izay hahasoa ny tenany, tsy mora tezitra, tsy mitana lolompo, tsy mifaly noho ny tsy fahamarinana fa mifaly noho ny fahamarinana kosa, mandefitra ny zava-drehetra, mino ny zava-drehetra, manantena ny zava-drehetra, miaritra ny zava-drehetra.”​—1Ko 13:4-7.

“Ny fitiavana mahari-po sy tsara fanahy.” Mahavita miaritra ny mafy sy ny tsy mety ataon’ny hafa ny olona manam-pitiavana. Nahoana? Mba ho voavonjy ilay nanao ny tsy mety sy izay olon-kafa voakasika, ary mba ho voamarina ny zon’i Jehovah hitondra. (2Pe 3:15) Tsara fanahy foana ny olona manam-pitiavana, na inona na inona filan’ady ataon’ny hafa. Tsy mitondra soa ny hoe masiaka na mamingavinga. Mety ho hentitra anefa ny olona manam-pitiavana, ka hitaky ny hampiharana ny rariny. Mety hanafay olona nanao ratsy ireo manana fahefana, nefa tokony ho tsara fanahy na izany aza. Inona no vokany raha tsy tsara fanahy ilay manoro hevitra? Tsy hahasoa azy izany, ary tsy hahasoa an’ilay nanao diso koa, fa vao mainka aza hahatonga azy tsy hibebaka sy tsy hanao izay mahitsy.​—Ro 2:4; Ef 4:32; Tit 3:4, 5.

“Ny fitiavana tsy mialona.” Tsy mialona ny olona manam-pitiavana, raha mahazo zava-tsoa ny hafa. Faly kosa izy mahita ny hafa mahazo andraikitra bebe kokoa. Tsy mampaninona azy na dia mahazo zava-tsoa aza ny fahavalony. Malala-tanana koa izy. Mandatsaka orana amin’ny marina sy ny tsy marina mantsy Andriamanitra. (Mt 5:45) Mianina amin’izay ananany (1Ti 6:6-8) sy ny toerana misy azy ny Kristianina manam-pitiavana, fa tsy mba tia tena ka te handrombaka ny toeran’ny hafa. Tia tena sy mialona kosa i Satana Devoly ka tsy nianina tamin’ny toerany, fa niriny mihitsy aza ny hivavahan’i Jesosy Kristy taminy.​—Lk 4:5-8.

Ny fitiavana “tsy mirehareha, tsy mieboebo.” Tsy te hoderaina ny olona manam-pitiavana. (Sl 75:4-7; Jd 16) Tsy manambany ny hafa izy mba hisongadinan’ny tenany. Hanandratra an’Andriamanitra kosa izy, ary hampahery ny hafa amim-pahatsorana. (Ro 1:8; Kl 1:3-5; 1Te 1:2, 3) Ho faly izy mahita Kristianina hafa mandroso ara-panahy. Tsy mirehareha ny amin’izay kasainy hatao izy. (Oh 27:1; Lk 12:19, 20; Jk 4:13-16) Takany fa ny hery omen’i Jehovah no ahavitany an’izay rehetra ataony. (Sl 34:2; 44:8) Hoy i Jehovah tamin’ny Israely: “Izay mirehareha kosa dia aoka hirehareha amin’izao zavatra izao: Ny fahafantarany tsara ahy sy ny fahalalany hoe izaho no Jehovah, dia Ilay maneho hatsaram-panahy feno fitiavana, sy manao ny rariny sy ny hitsiny eny ambonin’ny tany, satria toetra tena mahafinaritra ahy ireo.”​—Je 9:24; 1Ko 1:31.

Ny fitiavana “tsy manao izay tsy mahamendrika.” Mahalala fomba ny olona manam-pitiavana, ary tsy manao zavatra tsy mendrika, toy ny fitondran-tena maloto na manafintohina. Tsy maniratsira olona izy, na miteny ratsy, na mamingavinga. Mitandrina koa izy mba tsy hanafintohina ny rahalahiny kristianina ny zavatra ataony, na ny fitafiany na ny taovolony. Hoy i Paoly tamin’ny fiangonan’i Korinto: “Aoka ny zava-drehetra hatao amim-pahamendrehana sy amim-pilaminana.” (1Ko 14:40) Ny fitiavana koa no mahatonga ny olona iray hanao zavatra mendrika eo imason’ny tsy mpino.​—Ro 13:13; 1Te 4:12; 1Ti 3:7.

Ny fitiavana “tsy mitady izay hahasoa ny tenany.” Manaraka an’ity toro lalana ity ny olona manam-pitiavana: “Aoka ny tsirairay hitady mandrakariva, tsy izay hahasoa ny tenany, fa izay hahasoa ny hafa.” (1Ko 10:24) Izany no ahitana raha mitsinjo an’izay hahasoa ny hafa mandrakizay ny olona iray, na tsia. Izany fiahiana amim-pahatsorana izany no tena mandrisika ny olona haneho fitiavana, ary izany koa no tena misy vokany sy mitondra soa be indrindra. Tsy mitaky izy hoe hatao araka izay itiavany azy ny zava-drehetra. Hoy i Paoly: “Tamin’ny malemy, dia tonga malemy aho, mba hahazoako ny malemy. Tonga zava-drehetra tamin’ny karazan’olona rehetra aho, mba hisy hovonjeko na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Fa ataoko noho ny vaovao tsara ny zava-drehetra, mba hitoriako azy io amin’ny hafa.” (1Ko 9:22, 23) Tsy mitaky ny “zony” koa ny olona manam-pitiavana. Izay hahatonga ny hafa hifandray tsara amin’Andriamanitra no tena imasoany.​—Ro 14:13, 15.

Ny fitiavana “tsy mora tezitra.” Tsy sarotsarotiny sy tsy mila vaniny ny olona manam-pitiavana. Tsy mora misafoaka izy, satria asan’ny nofo izany. (Ga 5:19, 20) Tsy mora sosotra noho izay lazain’ny hafa na ataony izy. Tsy mahasarotiny azy na dia mety ho voatohintohina aza ny “voninahiny.”

Ny fitiavana “tsy mitana lolompo.” (A.b.t.: tsy manisa zava-dratsy) Tsy mihevi-tena ho nasian-dratsy ny olona manam-pitiavana. Tsy tehiriziny ‘ao anaty bokin-kaonty’ an’ohatra àry ny ratsy nataon’ny hafa taminy mba hotakiny any aoriana any, ka tsy mety hifandray amin’ilay olona izy mandra-pahatongan’izany. Valifaty izany, ary melohin’ny Baiboly. (Le 19:18; Ro 12:19) Tsy mieritreritra ny hafa ho ratsy saina izy. Vonona ny hilefitra kosa izy, ary aleony mieritreritra ny hafa hoe tsy nanao ratsy, raha mbola tsy misy porofo.​—Ro 14:1, 5.

Ny fitiavana “tsy mifaly noho ny tsy fahamarinana fa mifaly noho ny fahamarinana kosa.” Mifaly noho ny fahamarinana ny olona manam-pitiavana, na dia manova ny zavatra ninoana na nolazaina teo aloha aza izany. Tsy mihataka amin’ny teny fahamarinan’Andriamanitra izy. Miandany amin’ny marina foana izy, ka tsy faly amin’ny zava-dratsy sy ny lainga ary ny tsy rariny rehetra, na iza na iza voa mafy amin’izany, eny fa na dia ny fahavalony aza. Tsy matahotra ny hiteny mba hiarovana ny fahamarinana na ho tombontsoan’ny hafa anefa izy, raha misy zavatra tsy mety na misy fitaka. (Ga 2:11-14) Aleony miaritra, toy izay hanao fahadisoana mba hanandramana handamina ny olana. (Ro 12:17, 20) Ahoana raha misy olona nahazo fanitsiana avy tamin’izay manana fahefana hanao izany? Tsy hoentin’ny fihetseham-po fotsiny ny Kristianina manam-pitiavana ka hoe hiandany amin’ilay voasazy, na hanakiana an’ilay fanitsiana na ilay nanitsy. Tsy tena tia an’ilay olona nahazo fanitsiana izy, raha manao izany. Mety ho tian’ilay olona izany, saingy hanimba azy fa tsy hanampy azy.

Ny fitiavana “mandefitra ny zava-drehetra.” Vonona ny hiaritra sy hijaly noho ny fahamarinana ny olona manam-pitiavana. Midika ara-bakiteny hoe “manarona ny zava-drehetra” ny hoe “mandefitra ny zava-drehetra.” Tsy maika hiresaka amin’ny hafa momba an’ilay olona nanao zavatra tsy nety taminy àry ny olona manam-pitiavana. Raha tsy tena lehibe ny zavatra nataon’ilay olona, dia havelany amin’izao. Ny fampirisihan’i Jesosy ao amin’ny Matio 18:15-17 kosa no arahiny, raha tsy izany. Ahoana raha noresahina mitokana tamin’ilay olona ilay fahadisoany ka mangata-pamelana izy, ary miezaka manonitra ny tsy nety nataony? Hasehon’ilay Kristianina manam-pitiavana fa tena mamela heloka toa an’Andriamanitra izy, raha manarona tanteraka an’ilay fahadisoana.​—Oh 10:12; 17:9; 1Pe 4:7, 8.

Ny fitiavana “mino ny zava-drehetra.” Mino an’izay nolazain’Andriamanitra ao amin’ny Teny fahamarinany ny olona manam-pitiavana, na dia toa tsy mampino sy hamavoin’ny olona aza izany. Ny olona manana an’io fitiavana io, indrindra fa ny fitiavana an’Andriamanitra, dia manaiky fa marina Andriamanitra, satria fantany hoe azo ianteherana sy tsy mivadika Izy. (Js 23:14) Tsy misalasala, ohatra, isika, na dia milaza zavatra tsy ananantsika porofo aza ny namana tsy mivadika iray, noho izy fantatsika sy tiantsika. Mino an’izay rehetra nolazain’Andriamanitra koa ny olona manam-pitiavana, na dia mety tsy ho azony tsara aza ilay izy. Vonona ny hiandry izy mandra-pahazoany fanazavana feno sy mazava kokoa. (1Ko 13:9-12; 1Pe 1:10-13) Matoky koa izy fa Andriamanitra no mitarika ny fiangonana sy ireo mpanompo voatendriny. Manohana ny fanapahan-kevitr’izy ireny miorina amin’ny Baiboly àry izy. (1Ti 5:17; He 13:17) Tsy mora fitahina anefa izy, satria arahiny ity torohevitry ny Tenin’Andriamanitra ity: “Fantaro aloha raha avy amin’ny fanahin’Andriamanitra ireny fanambarana ireny na tsia.” (1Jn 4:1) Ny Baiboly koa no ataony filamatra itsarana ny zava-drehetra. (As 17:11, 12) Ny fitiavana no mahatonga ny olona iray hatoky ny rahalahiny kristianina tsy mivadika. Tsy hiahiahy na tsy hino azy izy, raha tsy hoe angaha misy porofo tena marim-pototra hoe diso ilay rahalahiny.​—2Ko 2:3; Ga 5:10; Flm 21.

Ny fitiavana “manantena ny zava-drehetra.” Manantena ny zava-drehetra nampanantenain’i Jehovah ny olona manam-pitiavana. (Ro 12:12; He 3:6) Miezaka foana izy, ka maharitra miandry an’i Jehovah mba hampitombo sy hampisy vokatra. (1Ko 3:7) Manantena koa izy fa ho tsara fiafara ireo rahalahiny kristianina, na inona na inona manjo azy ireny, eny fa na dia malemy finoana aza ny sasany. Fantany fa raha manam-paharetana amin’ireny malemy finoana ireny i Jehovah, dia mba tokony hanao toy izany koa izy. (2Pe 3:15) Tsy mitsahatra manampy an’ireo mianatra ny fahamarinana izy, ka miandry sy manantena fa handrisika azy ireny hanompo an’Andriamanitra ny fanahy masina.

Ny fitiavana “miaritra ny zava-drehetra.” Mila manana fitiavana ny Kristianina raha tiany ny tsy hivadika amin’i Jehovah Andriamanitra. Hiaritra foana ny olona manam-pitiavana ka tsy hivadika mihitsy, na inona na inona hataon’ny Devoly mba hitsapana raha tena hifikitra foana amin’Andriamanitra izy, na tsia.​—Ro 5:3-5; Mt 10:22.

“Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana.” Tsy ho foana mihitsy izy io fa hisy mandrakizay. Mety hahitsy ny zavatra inoantsika rehefa misy zava-baovao fantatsika. Miova koa ny fanantenantsika rehefa tanteraka izay nantenaina. Ny fitiavana kosa tsy miova mihitsy, ary vao mainka aza mihamahery.​—1Ko 13:8-13.

“Misy fotoana itiavana.” Izay lazain’i Jehovah hoe tsy mendrika hotiavina sy mikiry manao ratsy ihany no tsy tokony hotiavina. Ny olona rehetra no tokony hotiavina, raha tsy hoe lasa mankahala an’Andriamanitra angaha izy ka tsy tokony hotiavina intsony. Tia ny fahamarinana sy mankahala fandikan-dalàna i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy. (Sl 45:7; He 1:9) Tsy tokony hotiavina àry ireo mankahala mafy an’Andriamanitra. Tsy mahasoa ny hitiavana foana ny olona toy izany, satria tsy hiraharaha ny fitiavan’Andriamanitra izy ireny. (Sl 139:21, 22; Is 26:10) Ara-dalàna àry raha mankahala azy ireny Andriamanitra, ary efa misy fotoana hamaliany azy.​—Sl 21:8, 9; Mpto 3:1, 8.

Zavatra tsy tokony hotiavina. Hoy ny apostoly Jaona: “Aza tia an’izao tontolo izao na ny zavatra eo amin’izao tontolo izao. Raha misy tia an’izao tontolo izao, dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray, satria ny zava-drehetra eo amin’izao tontolo izao, izany hoe ny fanirian’ny nofo sy ny fanirian’ny maso ary ny fampideraderana fananana, dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao.” (1Jn 2:15, 16) Hoy koa izy: “Izao tontolo izao manontolo kosa eo ambany fahefan’ilay ratsy.” (1Jn 5:19) Mankahala ny fanao ratsy rehetra àry ireo tia an’Andriamanitra.​—Sl 101:3; 119:104, 128; Oh 8:13; 13:5.

Milaza ny Baiboly fa tokony hifankatia ny mpivady, ary fomba iray anehoany izany ny firaisana ara-nofo. (Oh 5:18, 19; 1Ko 7:3-5) Milaza koa izy io fa tsy mety ny manao firaisana amin’olon-kafa, satria fanaon’izao tontolo izao izany, sady fanaranam-po amin’ny filan’ny nofo. (Oh 7:18, 19, 21-23) Fahita eo amin’izao tontolo izao koa ny “fitiavam-bola” (filargyria, a.b.t.: fitiavana volafotsy), izay fototr’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao.​—1Ti 6:10; He 13:5.

Nampitandrina an’ireo mpianany i Jesosy mba tsy hitady voninahitra avy amin’ny olona. Nanameloka mafy an’ireo mpitondra fivavahana jiosy mpihatsaravelatsihy izy. Tian’izy ireny mantsy ny mivavaka mitsangana ao amin’ny synagoga sy eny an-joron-dalambe mba ho hitan’ny olona. Tiany koa ny toerana mihaja any amin’ny sakafo hariva sy ny toerana eny aloha ao amin’ny synagoga. Nilaza i Jesosy fa efa azon’izy ireny ny valisoany rehetra. Midika izany fa efa azony izay tiany sy notadiaviny, izany hoe ny haja amam-boninahitra avy amin’ny olona, ka tsy hahazo valisoa avy amin’Andriamanitra intsony izy ireny. (Mt 6:5; 23:2, 5-7; Lk 11:43) Hoy ny fitantarana: “Maro tamin’ireo lohandohany teo amin’ny Jiosy anefa no nino azy [Jesosy]. Fa noho ny Fariseo dia tsy niaiky ny amin’izany ireo, sao ho voaroaka hiala amin’ny synagoga. Naleon’izy ireo mantsy ny voninahitra avy tamin’ny olona toy izay ny voninahitra avy tamin’Andriamanitra.”​—Jn 12:42, 43; 5:44.

Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Izay tia [filôn] ny ainy no hamoy azy, fa izay mankahala ny ainy eo amin’izao fiainana izao kosa, no hiaro azy ho amin’ny fiainana mandrakizay.” (Jn 12:23-25) Hafoin’ny olona iray ny fiainana mandrakizay, raha mifidy ny hiaro ny ainy izy ankehitriny ka tsy vonona ny hamoy ny ainy mba hanarahana ny dian’i Kristy. Hahazo ny fiainana mandrakizay kosa izy, raha tsy ny ainy no zava-dehibe indrindra aminy ankehitriny, ary raha tiany mihoatra noho ny zava-drehetra i Jehovah sy Kristy ary ny fahamarinan’izy ireo.

Halan’Andriamanitra ny mpandainga, satria tsy tia ny fahamarinana. Hoy izy tamin’ny apostoly Jaona: “Fa any [ivelan’ny tanàna masina atao hoe Jerosalema Vaovao] ny alika sy ny mpilalao ody sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay tia [filôn] lainga sy mpandainga.”​—Ap 22:15; 2Te 2:10-12.

Mety hihamangatsiaka ny fitiavana. Nilaza mialoha tamin’ny mpianany i Jesosy Kristy hoe hihamangatsiaka ny fitiavan’ny (agape) olona maro milaza ho mino an’Andriamanitra. (Mt 24:3, 12) Nilaza koa ny apostoly Paoly fa anisan’ny hampiavaka an’ilay fotoan-tsarotra ho avy ny hoe “ho tia vola” ny olona. (2Ti 3:1, 2) Mazava araka izany fa mety tsy hiraharaha intsony an’ireo toro lalan’Andriamanitra ny olona, ary mety ho lefy ilay fitiavana nananany teo aloha. Zava-dehibe àry ny maneho fitiavana foana sy mampitombo azy io. Ahoana no hanaovana izany? Ilaina ny misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra sy miaina mifanaraka amin’ny toro lalan’Andriamanitra.​—Ef 4:15, 22-24.