Fitiavana Mandray Vahiny
Toetran’olona tsara fanahy amin’ny vahiny na olon-tsy fantatra, sady malala-tanana aminy, ka mandray sy mikarakara azy. “Fitiavana mandray vahiny” no nandikana ny teny grika hoe filôksenia (a.b.t.: fitiavana [na hatsaram-panahy amin’ny] olon-tsy fantatra).
Fahiny. Tia nandray vahiny ny Ejipsianina sy ny firenen-kafa, fa ny taranak’i Sema no tena niavaka. Efa anisan’ny fiainan’izy ireo mihitsy ny nikarakara an’izay nanao dia lavitra. Nohajainy fatratra ny mpitsidika, na olon-tsy fantatra io, na namana, na havana, na olona nasaina.
Asehon’ny Baiboly fa efa fanao mihitsy ny nampiantrano an’izay nanao dia lavitra. Oroka no niarahabana azy, indrindra raha havana izy. (Ge 29:13, 14) Nosasana ny tongony, ka olona iray tao an-trano (mpanompo izy io matetika) no nanao izany. (Ge 18:4) Nomena sakafo sy nokarakaraina ny biby niaraka taminy. (Ge 24:15-25, 29-33) Matetika izy no nasaina nijanona tamin’ny alina, ary indraindray aza andro maromaro mihitsy. (Ge 24:54; 19:2, 3) Nantenaina ny hiarovan’ny tompon-trano ny vahininy nandritra ny fotoana nijanonany tao. (Ge 19:6-8; Mpts 19:22-24) Naterina teny antenatenan-dalana izy indraindray, rehefa niainga.—Ge 18:16.
Hita tamin’ny tenin’i Regoela fa tena zava-dehibe ny fampiantranoam-bahiny. Hoy mantsy izy tamin’ireo zanany vavy izay niresaka momba an’ilay “Ejipsianina” avy nanao dia lavitra (i Mosesy): “Ka aiza izy? Nahoana no navelanareo any izany olona izany? Antsoy izy hisakafo.”—Ek 2:16-20.
Tany an-tanàn-dehibe. Asehon’ny Baiboly fa nahalana ny tsy Israelita no nampiantrano Israelita, indrindra fa tany an-tanàn-dehibe. (Mpts 19:11, 12) Toa tsy dia nazoto nandray vahiny koa ny mponina an-tanàn-dehibe, raha oharina amin’ireo tany ambanivohitra. Nipetraka teo amin’ny tany malalaky ny tanànan’i Gibea ihany anefa ny Levita iray sy ny mpanompony ary ny vadikeliny, indray takariva, satria toa nanantena ny hampiantranoina tamin’ny alina izy ireo. Mbola nisy tia nandray vahiny ihany àry na dia tany an-tanàn-dehibe aza. (Mpts 19:15) Nilaza ilay Levita fa nanana izay nilain’ireo olona sy ampondra niaraka taminy izy, fa trano hatoriana fotsiny no nangatahiny. (Mpts 19:19) Nasehon’ny zava-nitranga taorian’izay anefa fa ratsy toetra ny Benjamita tao Gibea, ka tsy nahatamana ilay tanàna.—Mpts 19:26-28.
Nampiantrano an’ireo mpanompon’Andriamanitra. Tia nandray vahiny ny olona tamin’ny ankapobeny. Mpanompon’i Jehovah kosa anefa ny ankamaroan’ny olona tantarain’ny Baiboly hoe tia nandray vahiny, ary niavaka ny nataon’izy ireo. Hafakely ny nandraisany sy nanajany ny mpaminany na ny mpanompon’Andriamanitra niavaka. Nandroso sakafo ho an’ny anjely telo, ohatra, i Abrahama, ary nijoro teo anilan’izy ireo rehefa nisakafo izy ireo. Tian’i Abrahama haseho mantsy hoe nanaja azy ireo izy noho izy ireo anjely solontenan’Andriamanitra. (Ge 18:3, 7, 8) “Nihazakazaka” i Abrahama tamin’izy nikarakara vahiny. Mailamailaka koa i Manoa nanomana sakafo ho an’ilay lehilahy noheveriny hoe olon’Andriamanitra nefa, hay, anjely. (Mpts 13:15-18, 21) Tia nandray vahiny koa ny vehivavy iray nanan-kaja tao Sonema, ka nampiantrano an’i Elisa. Hoy mantsy izy: “Fantatro fa tena olo-masin’Andriamanitra ilay mpandalo eto amintsika iny.”—2Mp 4:8-11.
Nomelohina satria tsy nety nandray vahiny. Namoaka didy i Jehovah hoe tsy hisy Amonita na Moabita mahazo miditra ho anisan’ny fiangonan’Israely, noho izy ireo tsy tia nandray vahiny. Tsy nanome mofo sy rano ho an’ireo Israelita nankany amin’ny Tany Nampanantenaina mantsy izy ireo. Ny Moabita aza nanakarama an’i Balama mihitsy mba hanozona azy ireo. (De 23:3, 4) Tsy hoe tsy te hanao soa olona fotsiny ireo Amonita sy Moabita ireo fa tena nankahala an’Andriamanitra sy ny vahoakany mihitsy, ka nanilikilika vahiny sy nanohitra azy ireo.
Nomelohin’i Jehovah koa ny Israelita rehefa tsy nandray an’ireo rahalahiny sahirana. Nampiasa an’i Isaia mpaminany i Jehovah mba hilazana fa na hifady hanina sy hiankohoka teo anatrehany aza ny Israelita, dia tsy nisy dikany taminy izany raha nijery fotsiny an’ireo rahalahiny tsy nanan-kohanina sy hotafina ary hialofana izy ireo.—Is 58:3-7.
Tamin’ny taonjato voalohany. Mbola tia nandray vahiny toy ny taloha ihany ny olona tamin’ny taonjato voalohany, na dia tsy tena afaka nanao be intsony aza izy ireo, noho ny zava-nisy. Tsy nifankahazo ny Samaritanina sy ny Jiosy ka matetika no tsy nifandray. (Jn 4:7-9; 8:48) Firenen-kafa koa no nitondra ny Israely ka nitombo ny fifankahalana, ary nihabetsaka ny jiolahy an-dalambe tany ambanivohitra. Ny tranombahiny sasany aza notantanan’olona nanao ny tsy marina sady tsy nahay nandray olona.
Matetika anefa no mbola narahina toy ny taloha ihany ny fomba fanajana vahiny teo amin’ny Jiosy samy Jiosy. Oroka no niarahabana azy. Nohosorana menaka ny lohany, ary nosasana ny tongony. Matetika no efa voatokana ny toeran’ny vahiny rehefa nisy fanasambe, arakaraka ny sarangany sy ny voninahiny.—Lk 7:44-46; 14:7-11.
Nampiantrano an’ireo mpianatr’i Jesosy. Nirahin’i Jesosy Kristy Tompo mba hitory tamin’ny Israelita ny mpianany 12 lahy, ary avy eo 70 lahy. Nilaza izy fa hampiantrano azy ireo ny Israelita nankasitraka ny vaovao tsara. (Mt 10:5, 6, 11-13; Lk 10:1, 5-9) ‘Tsy mba nanana izay hametrahany ny lohany’ i Jesosy, nefa nisy olona nampiantrano azy foana noho izy irak’Andriamanitra.—Mt 8:20; Lk 10:38.
Natoky i Paoly fa hampiantrano azy i Filemona rahalahiny kristianina, rehefa hitsidika azy izy aorian’ny hivoahany ny fonja. Tsy hoe nanapa-kevitra teo amin’ny toeran’i Filemona izy akory, raha nilaza izany. Efa ela mantsy izy ireo no nifanerasera, ka fantany fa tena vonona hikarakara azy i Filemona. (Flm 21, 22) Nilaza ny apostoly Jaona tamin’ny taona 98 tany ho any, fa nanana adidy hanampy an’ireo mpiandraikitra mpitety faritany ny Kristianina teo anivon’ny fiangonana, “mba ho mpiara-miasa ao amin’ny fahamarinana” izy ireo. Nidera an’i Gaio koa i Jaona noho izy tia nandray vahiny, ‘sady izay indray rahalahy tsy fantany akory.’ Mbola tsy nifankazatra taminy ireo rahalahy ireo, nefa noraisiny tsara satria nanompo ny fiangonana.—3Jn 5-8.
Ahafantarana ny tena Kristianina. Tia mandray vahiny ny Kristianina, ary tena vokatry ny fony izany. Izany no ahafantarana ny tena Kristianina. Rehefa nilatsaka ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta taona 33, dia maro tamin’ireo vao niova ho Kristianina no nijanona tany Jerosalema mba hianatra bebe kokoa momba ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, talohan’ny hodiany tany amin’izay nisy azy avy. Nampiantrano azy ireny ny Kristianina nonina tany Jerosalema, ary nivarotra ny fananany mihitsy ka niombonany tamin’ny hafa ny zava-drehetra. (As 2:42-46) Nanendry rahalahy hizara sakafo ho an’ireo mpitondratena sahirana teo amin’izy ireo ny apostoly, taorian’izay.—As 6:1-6.
Takina amin’ny Kristianina ny ho tia mandray vahiny. Nasaina nanao izany izy ireo, na dia nenjehina mafy sy norobaina aza ny maro taminy. Hoy i Paoly: “Aza hadinoina ny fitiavana mandray vahiny.” (He 13:2; 10:34) Nilaza i Petera fa tokony ho an-tsitrapo no anaovana izany. Hoy izy: “Aoka ianareo ho tia mandray vahiny ka hifaneho izany toetra izany, tsy misy fimenomenonana.” (1Pe 4:9; ampit. 2Ko 9:7.) Nasongadin’i Paoly fa na dia tokony “hanao soa amin’ny rehetra” aza ny Kristianina, dia ny “mpiray finoana” no adidin’izy ireo voalohany indrindra.—Ga 6:10.
Anisan’ny fepetra lehibe takina amin’ireo hotendrena ho mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana ny hoe tia mandray vahiny. (1Ti 3:2; Tit 1:7, 8) Nilaza tamin’i Timoty, mpiandraikitra tany Efesosy, koa i Paoly fa vehivavy tia “nampiantrano vahiny” no tokony hampidirina tao amin’ny lisitry ny mpitondratena mendrika hahazo fanampiana avy tamin’ny fiangonana. (1Ti 5:9, 10) Azo inoana fa nampiantrano mpiandraikitra na misionera ireny vehivavy ireny, na dia “vahiny” taminy aza ny maro tamin’ireo olona nitsidika sy nanompo ny fiangonana ireo. Anisan’ireny vehivavy ireny i Lydia. Tena tia nandray vahiny izy, satria hoy i Lioka: “Tsy namelany izahay raha tsy tonga.”—As 16:14, 15.
Porofon’ny finoana. Mila aseho amin’ny atao ny finoana, hoy i Jakoba mpianatr’i Jesosy, ary anisan’izany zavatra atao izany ny fiahiana ny vahiny. Hoy izy: “Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sady tsy ampy sakafo isan’andro, nefa misy aminareo milaza aminy hoe: ‘Mirary soa e! Enga anie ka hafana sy ho voky tsara foana ianareo!’, kanefa tsy omenareo azy izay ilain’ny vatany, inona moa no soa azo avy amin’izany? Toy izany koa ny finoana, raha tsy aseho amin’ny atao, dia maty.”—Fitahiana. Mampirisika ho tia mandray vahiny ny Soratra Masina sady milaza ny fitahiana ara-panahy lehibe azon’izay manao izany. Hoy i Paoly: “Aza hadinoina ny fitiavana mandray vahiny, fa noho izany, dia nampiantrano anjely ny sasany nefa tsy fantany.” (He 13:2; Ge 19:1-3, 6, 7; Mpts 6:11-14, 22; 13:2, 3, 8, 11, 15-18, 20-22) Hoy koa i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—As 20:35.
Nankasitraka an’izay nataon’i Jesosy i Matio Levy ka nanao fanasambe ho azy. Nahazo fitahiana izy satria nandre an’i Jesosy namaly an’ireo fanakianana nataon’ny Fariseo, ary nandre azy nilaza fanoharana tena tsara. Tsy izy ihany no nahazo fitahiana fa ireo mpamory hetra sy olon-kafa tao an-tranony koa, satria afaka nandre ny fampianaran’i Jesosy izy ireo.—Lk 5:27-39.
Nampiantrano an’i Jesosy i Zakaiosy, rehefa lasa nino azy. Nahazo fitahiana lehibe izy satria hoy i Jesosy taminy: “Androany no tonga tato amin’ity trano ity ny famonjena.”—Lk 19:5-10.
Naminany i Jesosy fa hiverina amim-boninahitra izy rehefa ho lasa mpanjaka. Voalazan’io faminaniana io koa fa hanavaka ny olona izy, toy ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy. Mampiantrano an’ireo ‘rahalahin’i’ Kristy ny ondry, sady tsara fanahy aminy, satria miaiky fa rahalahin’i Kristy izy ireo sady zanak’Andriamanitra. (Mt 25:31-46) Efa nilaza koa i Jesosy fa tsy hahazo valisoa maharitra izay tia mandray vahiny mba hanaovana asa soa fotsiny. Hahazo izany kosa izay tia mandray mpaminanin’Andriamanitra. Mandray mpaminany izy noho izy miaiky hoe solontenan’Andriamanitra sady mpianatr’i Kristy izy io.—Mt 10:40-42; Mr 9:41, 42.
Olona tsy tokony hampiantranoina. Milaza ny Baiboly fa misy olona tsy tokony hampiantranoin’ny Kristianina. “Izay rehetra mihoa-pefy ka tsy mitoetra amin’ny fampianaran’i Kristy, dia tsy manana an’Andriamanitra. ... Raha misy tonga eo aminareo, ka tsy mitondra izany fampianarana izany, dia aza mampiantrano azy mihitsy na miarahaba azy akory. Miombona amin’ny ratsy ataony mantsy izay miarahaba azy.” (2Jn 9-11) Manimba ny fifandraisan’ny olona iray amin’Andriamanitra ny mampiantrano na minamana amin’ny olona toy izany, satria toy ny hoe manala tsiny ny ataony. Misy voka-dratsiny amin’ny hafa izany sady manala baraka ny fiangonana. Ahitana an’io toro lalana io koa ao amin’ny Romanina 16:17, 18; Matio 7:15; 1 Korintianina 5:11-13.
Tranombahiny sy toeram-pilasiana. Toa trano filasiana fotsiny ny tranombahiny fahiny, ary natao ho an’ireo nanao dia lavitra. Nisy toerana ho an’ny bibin’izy ireo koa tao. Mety ho toeram-pilasiana toy izany no nisy an’ireo rahalahin’i Josefa tamin’izy ireo niverina tany Kanana avy tany Ejipta. (Ge 42:27; 43:21) Mety ho teo amin’ny toerana toy izany koa no nisehoan’ilay anjely tamin’i Zipora vadin’i Mosesy.—Ek 4:24.
Toa mpivaro-tena indraindray no nitantana toeram-pilasiana. Mpivaro-tena tao Jeriko i Rahaba, ary nilasy tao aminy ireo mpitsikilo roa lahy nirahin’i Josoa. Tsara fanahy sy nandray tsara azy ireo i Rahaba, ary nanafina azy ireo mba tsy ho azon’ireo mpanenjika. (Js 2:1-13) Nilasy tao an-tranon’ny mpivaro-tena iray tany Gaza koa i Samsona, hatramin’ny misasakalina. Nanongotra sy nibata ny vavahadin’ny tanàna izy, avy eo, mba hampietrena an’ireo Filistinina.—Mpts 16:1-3.
Azo inoana fa tsy toeram-pilasiana fotsiny ny tranombahiny sasany tany Palestina, tamin’ny taonjato voalohany, fa angamba nisy sakafo sy zavatra hafa azo novidina koa. Nikarakara an’ilay lehilahy naratra ilay Samaritanina tia vahiny voalazan’ny fanoharan’i Jesosy, ary nandoa ny lany tao amin’ny tranombahiny nitondrany azy.—Lk 10:30-35.
Ny vahiny. Nohajaina fatratra sy nomem-boninahitra ny vahiny fahiny, nefa koa nantenaina ho tsara toetra sy hahalala fomba. Noheverina ho tena ratsy, ohatra, ny miara-mihinana amin’ilay nanasa anao, nefa avy eo mamadika azy na manisy ratsy azy. (Sl 41:9; Jn 13:18) Teo anatrehan’ny tompon-trano na olona maromaro tafavory, dia tsy anjaran’ilay vahiny mihitsy no nifidy toeram-boninahitra na toerana ambony, fa anjaran’ny tompon-trano no nanapa-kevitra momba izany. (Lk 14:7-11) Tsy tokony hanararaotra an’ilay tompon-trano koa izy ka hijanona ela loatra ao aminy, na hankany aminy matetika loatra. (Oh 25:17) Tsara homarihina fa nataon’i Jesosy foana izay nahazoan’ireo nampiantrano azy fitahiana ara-panahy. (Lk 5:27-39; 19:1-8) Izany koa no antony nilazany tamin’ny mpianany hoe tokony hijanona tao amin’izay nampiantrano azy izy ireo, fa tsy ‘hifindrafindra trano’, rehefa tonga ao amin’ny tanàna iray. Tsy mety àry raha olona manan-katao sy afaka mampiadana ary mampiala voly azy no tadiavin’izy ireo hampiantrano azy ireo.—Lk 10:1-7; Mr 6:7-11.
Nanao dia lavitra imbetsaka ny apostoly Paoly ary nivahiny tany amin’ny rahalahy kristianina maro. Tsy nampitondra enta-mavesatra an’ireny rahalahiny ireny anefa izy. Niasa kosa izy tamin’ny ankapobeny, ary nilaza an’ity lalàna ity: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana.” (2Te 3:7-12; 1Te 2:6) Afaka nanaporofo àry izy fa diso ireo nantsoina hoe apostoly tsara loatra tany Korinto izay niampanga azy ho nanararaotra an’ireo Kristianina tany. (2Ko 11:5, 7-10) Afaka nirehareha mihitsy aza izy hoe maimaim-poana tanteraka no nitoriany ny vaovao tsara tamin’izy ireo, ka tsy naka izy na dia zavatra nananany zo tamin’ny naha apostoly sy mpanompon’Andriamanitra azy aza.—1Ko 9:11-18.
Aza miantrano any amin’ny mpihatsaravelatsihy. Misy manasa olona noho ny fihatsarambelatsihy fotsiny. Mampitandrina an’izay manaiky fanasana toy izany ny Ohabolana 23:6-8 hoe: “Aza mihinana ny sakafo aroson’ny kahihitra, ary aza aseho fa te hihinana mafy ny sakafo matsiro arosony ianao. Fa toy ny olona efa manana tetika maty paika izy, ka hoy izy aminao: ‘Mihinàna sy misotroa’, nefa tsy vokatry ny fony akory izany. Ary haloan’ny vavanao izay sombiny kely efa laninao, ary ho very maina ny teny mahafinaritra nataonao.” Tsy mba manome an-tsitrapo ny olona toy izany, fa manantena hahazo valiny. Mody mafana fo erỳ izy manasa anao, nefa misy zavatra tetehiny any aminao. Lasa eo ambany fahefany ianao raha mihinana amin’ny sakafo matsiro arosony, indrindra raha mbola te hihinana mafy. Mety ho sarotra aminao ny handa rehefa mangataka zavatra aminao izy, ary mety hahita olana mihitsy aza ianao. Hanenina mafy ianao amin’izay hoe tahaka izay tsy nihinana tao aminy. Nanao teny mahafinaritra ianao mba hampahery azy sy mba hahatsara fihavanana, nefa very maina fotsiny izany.—Ampit. Sl 141:4.