Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitoeran-dranomaintin’ny Mpitan-tsoratra

Fitoeran-dranomaintin’ny Mpitan-tsoratra

Nanana “fitoeran-dranomainty fampiasan’ny mpitan-tsoratra, teo amin’ny andilany” izany hoe notazonin’ny fehikibony, ilay lehilahy nanao akanjo rongony izay nasaina nanisy marika teo amin’ny handrin’ny olona. (Ezk 9:2, 3, 11) Mety ho toy ireo fampiasa tany Ejipta fahiny ilay izy, ka toy ny boaty hazo lavalava kely nisy fasiana penina bararata. Nisy lempona iray, fara fahakeliny, teo an-tampony mba hasiana ranomainty maina nivaingana. Noleman’ny mpitan-tsoratra ny tendron’ny peniny ka nataony teo amin’ny ranomainty, rehefa hanoratra izy. Misy soratra milaza fa nanana fitoeran-dranomainty toy izany ny mpitan-tsoratra syrianina.