Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitoeran-jiro

Fitoeran-jiro

Fitoeran’ny jiro arehitra amin’ny menaka. Miresaka fitoeran-jiro tao amin’ny trano samihafa ny Baiboly (2Mp 4:10; Da 5:5; Lk 8:16; 11:33), kanefa ny fitoeran-jiro nampiasaina tamin’ny fivavahana marina no tena resahiny.

Tao amin’ny tranolay masina. Nasain’i Jehovah nanao fitoeran-jiro (heb.: menôhrah; gr.: lyknia) ‘tamin’ny volamena tsy misy fangarony’ ho an’ny tranolay masina i Mosesy, ‘ka marotoa no nanefena azy.’ Nilanja talenta iray (Ek 25:31, 39, 40; 37:17, 24; No 8:4; He 9:2) na 34 kg teo ho eo (mitentina 385 350 dolara) ilay izy sy ireo fitaovana niaraka taminy.

Bikabikany. Nisy vatany sy sampany enina ilay fitoeran-jiro tao amin’ny “Toerana Masina” (He 9:2), tao amin’ny tranolay masina. Nifaingoka niakatra ireo sampany teo amin’ny andaniny roa. Nasiana sary sokitra voninkazo efatra miendrika vonin’amandie, niaraka tamin’ny bokony sy ny felany nifanelanelana, ny vatany. Tsy fantatra hoe felana voninkazo inona ilay izy, fa ilazana voninkazo fotsiny ilay teny hebreo. Nisy voninkazo telo avy, niaraka tamin’ny bokony sy ny felany nifanelanelana, ireo sampany. Mety ho teo amin’ireo bokony tamin’ny vatany no nipetrahan’ireo sampany. Narehitry ny menaka oliva tena tsara avy tamin’ny oliva voatoto ny jiro teo an-tampon’ny vatany sy teo an-tendron’ny sampany tsirairay. Nisy fihazonana lahin-jiro sy fitondrana afo ary fitoera-menaka niaraka tamin’ilay fitoeran-jiro.​—Ek 25:31-38; 37:18-23; Le 24:2; No 4:9.

Niandraikitra ny fanaovana an’ilay fitoeran-jiro i Bezalila avy amin’ny fokon’i Joda sy Oholiaba avy amin’ny fokon’i Dana. (Ek 31:1-11; 35:30-35) Efa nahay asa tanana izy roa lahy, angamba tamin’izy andevo tany Ejipta. Nomen’i Jehovah ny fanahiny anefa izy ireo mba hahavita tsara an’ilay fitoeran-jiro, araka ny modely nasehony sy nolazainy tamin’i Mosesy.​—Ek 25:9, 40; 39:43; 40:16.

Fampiasana azy. ‘Napetrak’i Mosesy tao amin’ny tranolay fihaonana tandrifin’ny latabatra ny fitoeran-jiro, teo amin’ny lafiny atsimo amin’ny tranolay.’ Teo ankavian’izay olona niditra àry ilay izy, tandrifin’ny latabatra nisy ny mofo aseho. Nohazavain’ilay jiro ‘ny faritra teo anoloan’ny fitoeran-jiro’ na ny Toerana Masina, izay nisy ny alitara volamenan’ny emboka manitra koa.​—Ek 40:22-26; No 8:2, 3.

Natsangan’i Mosesy ny tranolay masina tamin’ny 1 Nisana 1512 T.K. Nandrehitra an’ireo jiro izy avy eo, araka ny toromarik’i Jehovah. (Ek 40:1, 2, 4, 25) Nanao izany koa i Arona tatỳ aoriana. (No 8:3) Nikarakara an’ilay fitoeran-jiro izy (sy ireo mpisoronabe nifandimby) ‘mba hirehetany foana teo anatrehan’i Jehovah, nanomboka tamin’ny takariva ka mandra-maraina.’ (Le 24:3, 4) Nandoro emboka manitra teo ambonin’ny alitara volamena koa i Arona, rehefa nanomana ny jiro “isa-maraina” sy nandrehitra ny jiro ‘teo anelanelan’ny takariva roa.’​—Ek 30:1, 7, 8.

Ny taranak’i Kehata avy amin’ny fokon’i Levy no nilanja ny fitoeran-jiro sy ireo fitaovan’ny tranolay masina, nandritra ny dian’ny Israely tany an-tany efitra. Nampitandrina anefa i Jehovah hoe “tsy tokony hiditra hijery ireo zava-masina” ny tsy mpisorona “na dia indray mipy maso aza, sao ho faty.” Tsy maintsy norakofan’ny mpisorona lamba manga sy nataony tao anaty rakotra vita tamin’ny hoditra faoky teo ambonin’ny bao filanjana àry ireo rehetra ireo vao nolanjaina.​—No 4:4, 9, 10, 15, 19, 20.

Tsy nentin’i Davida Mpanjaka niaraka tamin’ny Vata misy ny fifanekena nankany amin’ny Tendrombohitra Ziona ny fitoeran-jiro. Tao amin’ny tranolay masina foana mantsy ilay izy, na taiza na taiza nisy an’ilay tranolay.

Tao amin’ireo tempoly. Nomen’i Davida an’i Solomona ny planin’ny tempoly azony teo ambany herin’ny fanahy masina, anisan’izany ny toromarika momba ny fitoeran-jiro volamena sy volafotsy. (1Ta 28:11, 12, 15, 19) Folo ireo fitoeran-jiro volamena, ka “dimy teo ankavanana” na teo atsimo, “ary dimy teo ankavia” na teo avaratra, raha nitodika niantsinanana ny olona tao amin’ny Masina. (1Mp 7:48, 49; 2Ta 4:20) ‘Nitovy’ izy folo. (2Ta 4:7) Lehibe kokoa noho ilay fitoeran-jiro tao amin’ny tranolay masina izy ireo, satria lehibe kokoa ny refin’ny tempoly sy ireo fitaovany, toy ilay “fitoeran-drano lehibe, nantsoina hoe ranomasina varahina.” (2Ta 3:3, 4; 1Mp 7:23-26) Teo an-tokotany na tao amin’ny efitra hafa ireo fitoeran-jiro volafotsy, satria volamena daholo ny fitaovana tao amin’ny Masina sy ny Masina Indrindra. Narehitra foana “isaky ny takariva” ny jiron’ireo fitoeran-jiro volamena, toy ny tao amin’ny tranolay masina ihany.​—2Ta 13:11.

Anisan’ireo fitaovana volamena sy volafotsy nalain’ny Babylonianina tao an-tranon’i Jehovah ireo fitoeran-jiro, rehefa noravany ny tempoly tamin’ny 607 T.K.​—Je 52:19.

Tempoly naorin’i Zerobabela. Tsy miresaka momba ny fitoeran-jiro tao amin’io tempoly io ny Baiboly. Hoy anefa i Josèphe: “[Nalain’i Antiokosa Épiphane] daholo ny tao amin’ny tempoly, anisan’izany ... ireo fitoeran-jiro volamena.” (Rakitry ny Ela Jiosy, XII, 250 [v, 4]) Milaza koa ny Makabeo (boky tsy anisan’ny Baiboly) fa nisy naka ny “fanaovan-jiro” ka voatery nosoloana vaovao.​—1 Makabeo 1:21-23; 4:49, 50, Kat.

Tempoly naorin’i Heroda. Tsara tarehy ilay tempolin’i Heroda. Azo inoana àry fa tsara tarehy sy sarobidy hoatran’ireo fitoeran-jiro tao amin’ny tempolin’i Solomona ny tao amin’izy io. Tsy ny Baiboly anefa fa i Josèphe no niresaka momba ny fitoeran-jiro tao. Misy sarin’ilay izy koa eo amin’ny Andohalambon’i Titus any Roma, sady misy sarin’ny fitaovana maromaro nalain’ny Romanina tao Jerosalema izay noravany tamin’ny taona 70. Hitan’i Josèphe, hono, ny filaharam-be aseho eo amin’ilay andohalambo, rehefa avy nandresy i Vespasien Mpanjaka sy Titus zanany. Nisy nitondra “fitoeran-jiro volamena koa”, hoy izy, “saingy hafa noho ny fitoeran-jiro fampiasa andavanandro ny bikany. Nisy tongony ny vatany, sady nisy sampany manify toy ny fitrebika misy rantsany telo. Jiro tsara tarehy no teo an-tendron’ny sampany tsirairay, ary fito ireo jiro.”​—Ny Adin’ny Jiosy, VII, 148, 149 (v, 5).

Tsy misy afaka milaza ankehitriny raha tena hoatran’ilay fitoeran-jiro voalohany tao amin’ny tempolin’i Jerosalema ilay eo amin’ny Andohalambon’i Titus na tsia. Ny tena tsy mampitovy hevitra ny olona dia ny tongony, izay toy ny boaty kely roa maro lafy mifanaingina fa kely kokoa ny ambony. Misy milaza fa marina ilay sary eo amin’ilay andohalambo. Nisy tongony telo, hono, ilay fitoeran-jiron’ny tempoly (toy ny an’ny Jiosy) fa novan’i Heroda, noho izy nila ranondranony tamin’ny Romanina. Misy kosa manam-pahaizana milaza fa tsy marina ilay sary. Voaravaka sarina voromahery sy biby goavam-be any an-dranomasina mantsy ny tongony, nefa mifanohitra amin’ny didy faharoa, hono, izany.

Tsy mitovy mihitsy ny tongotry ny fitoeran-jiron’ny tempoly nataon’ny Jiosy sary (havia: eo amin’ny gorodon’ny synagoga; havanana: eo amin’ny andry) sy ny an’ilay hita eo amin’ny Andohalambon’i Titus

Misy mihevitra fa nisy tongony telo ilay fitoeran-jiro voalohany tao amin’ny tempoly. Misy tongony telo (tongo-biby ny sasany), mantsy, hono, ireo fitoeran-jiro (taonjato faha-3 ka hatramin’ny faha-6) hita amin’ny sary tany Eoropa sy ny tany manodidina an’i Israely. Vola madinika nataon’i Antigonus II, izay nanjaka tamin’ny taona 40-37 T.K., no ahitana ny sary tranainy indrindran’ilay fitoeran-jiro. Toa nisy tongony ilay izy na dia somary manjavozavo aza. Hita tamin’ny 1969 teo amin’ny lalotry ny trano iray nofongarina tao amin’ny tanàna tranainy ao Jerosalema ny sarin’ny fitoeran-jiron’ny tempoly: Fito ny sampany, telo ny tongony, ary voaravaka bokony daholo. Misy tsipika roa mirazotra koa manelanelana an’ireo bokony. Nahitana sarina fitoeran-jiro koa tamin’ny lalotra tao amin’ny Fasan’i Jason (tany am-piandohan’ny taonjato voalohany T.K.), hita tao Jerosalema tamin’ny 1956. Misy sampany fito ilay izy, ary toa mitsatoka ao anaty boaty kely ny tapany ambany.

Misy àry milaza hoe diso ny sarin’ny tongotr’ilay fitoeran-jiro eo amin’ny Andohalambon’i Titus. Mety ho sary nataon’ny mpanakanto romanina nahita fitoeran-jiro jiosy hafa fahitany tany an-toeran-kafa, hono, ilay izy.

Heviny an’ohatra. Nahazo fahitana i Zakaria mpaminany, ka nahita fitoeran-jiro volamena hafakely: Fito ny jirony, toy ny an’ny fitoeran-jiron’ny tranolay masina, saingy nisy fantsona fito teo amin’ireo jiro. Samy nisy fantsona ny jiro tsirairay, hoy ny manam-pahaizana. Nisy vilia baolina teo an-tampon’ilay fitoeran-jiro. Toa nahazo menaka avy tamin’ireo fantsona foana ireo jiro. Avy tamin’ireo hazo oliva roa hitan’ilay mpaminany teo anilan’ilay fitoeran-jiro kosa ny menaka.​—Za 4:2, 3, 12.

Nomen’i Jehovah Andriamanitra fahitana tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy nomem-boninahitra ny apostoly Jaona, ka nahita “fitoeran-jiro volamena fito, ary teo afovoan’ireo fitoeran-jiro dia nisy tahaka ny zanak’olona.” I Jesosy Kristy ilay tahaka ny zanak’olona, ary fiangonana fito ireo fitoeran-jiro. (Ap 1:1, 12, 13, 20) Angamba izy ireo hoatran’ilay fitoeran-jiro nanazava ny tranolay masina ka nahafahan’ny mpisorona nanompo tao. Mety raha ilazana fiangonana ny fitoeran-jiro, satria hoy i Jesosy tamin’ireo efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra: “Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao.” (Mt 5:14) “Mandeha eo afovoan’ny fitoeran-jiro volamena fito” koa izy, ka manara-maso an’izay ataon’ireo mpanazava ireo.​—Ap 2:1.

Nampitandrina ny fiangonan’i Efesosy i Kristy fa hesoriny tsy ho amin’ny toerany ny fitoeran-jiron’izy ireo, raha tsy mibebaka izy ireo. Tsy hampiasaina hampamirapiratra ny fahazavan’ny fahamarinana ao Efesosy intsony àry izy ireo, fa ho faty ny jirony.​—Ap 2:1-5; ampit. Mt 6:22, 23.

Mitovitovy amin’izay hitan’i Zakaria ny fitoeran-jiro resahina farany ao amin’ny Baiboly. Nisy “mpaminany roa” naminany nitafy akanjo gony, ary lazaina fa “hazo oliva roa sy fitoeran-jiro roa” izy ireo.​—Ap 11:3, 4.