Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitoeran-tongotra

Fitoeran-tongotra

Karazana akalana fametrahan’olona tongotra rehefa mipetraka. Miseho indray mandeha ao amin’ny Baiboly ny hoe kevesh (heb.), ary ilazana ny fitoeran-tongotra volamena teo amin’ny seza fiandrianan’i Solomona Mpanjaka. (2Ta 9:18) Miverina inenina kosa ny teny hebreo hoe hadôm raglayim (a.b.t.: fitoeran’ireo tongotra), ary ilazana ny tempoly (1Ta 28:2; Sl 99:5; 132:7; Ft 2:1), ny tany (Is 66:1), ary ireo fahavalo horinganin’ny Mesia Mpanjaka (Sl 110:1). Niteny mafy an’ireo nanavakavaka teo anivon’ny fiangonana i Jakoba, satria raha nisy mahantra tonga dia mety hilaza aminy izy ireo hoe: “Mipetraha etsy ambany etsy, eo akaikin’ny fitoeran-tongotro.” (Jk 2:3) Nalaina mivantana na an-kolaka avy tao amin’ny Soratra Hebreo ny andinin-teny hafa rehetra misy hoe ‘fitoeran-tongotra’ ao amin’ny Soratra Grika Kristianina.​—Mt 5:35; As 7:49; Lk 20:43; As 2:35; He 1:13; 10:13.