Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitokanana

Fitokanana

Fankalazana atao alohan’ny hampiasana zavatra na toerana vaovao, na alohan’ny hanombohan-javatra. Nadika avy amin’ny matoanteny hebreo hoe hanak (anarana: hanokkah) ny hoe “mitokana” rehefa midika hoe “misantatra amin’ny fomba ofisialy”, ary nadika avy amin’ny matoanteny grika hoe enkainizô midika hoe “manavao.” Hazavaina ao amin’ny hoe FANOKANANA ny teny hebreo hoe nezer (famantarana masina hoe voatokana).

Nisy fankalazana mendri-kaja rehefa natao ny fifaneken’ny Lalàn’i Mosesy. Nisy biby natao fanatitra, ary nofafazana ra ny alitara sy ny boky ary ny vahoaka. Tamin’izay no notokanana na natao nanan-kery ilay fifanekena, hoy ny apostoly Paoly.​—Ek 24:4-8; He 9:18-20.

Hoy i Paoly: “Na ilay fifanekena taloha aza tsy natao nanan-kery [endriny hafa amin’ilay teny gr. hoe enkainizô] raha tsy nisy ra.” (He 9:18) Te hilaza izy fa nisy ra latsaka koa vao nanan-kery ilay fifanekena vaovao. Tsy maintsy maty àry i Jesosy, ary avy eo natsangana sy niakatra tany an-danitra mba hanolotra an’i Jehovah ny vidim-panavotana. Avy any izy no nandatsaka ny fanahy masina tamin’ny mpianany. Afaka niditra tao amin’ilay “toerana masina” any an-danitra teo anatrehan’i Jehovah i Jesosy Kristy, satria fanahy izy rehefa natsangana. Afaka ny hiditra any koa ireo mpianany voahosotra, noho ny sorona nataony. Nitokana na nisantatra ny lalana mankany an-danitra i Jesosy, satria hisy olon-kafa koa ho any.​—He 10:19, 20.

Nanao fanomezana sy fanatitra ireo mpiadidy ny foko tsirairay, rehefa notokanana tany an-tany efitra ny alitaran’ny tranolay masina. (No 7:10, 11, 84-88) Nisy fivoriambe nanetriketrika koa rehefa notokanana ny tempolin’i Solomona sy ilay alitara lehibe fanaovana sorona.​—1Mp 8:63; 2Ta 7:5, 9.

Nisy fankalazana lehibe koa rehefa notokanana ny tempoly naorin’i Zerobabela taorian’ny sesitany tany Babylona. Biby an-jatony no natao fanatitra. (Ezr 6:16, 17) Nasain’i Nehemia naorina indray ny mandan’i Jerosalema, tatỳ aoriana. Nisy fety be rehefa notokanana izy io, ary nisy antoko mpihira roa mpanao hira fisaorana nidera an’i Jehovah.​—Ne 12:27-43.

Tsy ilay firenena ihany no nitokana zava-bita toy izany, fa nisy koa olona nitokana ny tranony. (De 20:5) Resahin’ny teny mampiditra ny Salamo faha-30 nataon’i Davida koa fa “hira fiderana natao tamin’ny fitokanana ny trano” ilay salamo.

Nanao sarivongana volamena ngezabe teo amin’ny Lemak’i Dora i Nebokadnezara. Notokanany ilay izy rehefa vita, ka nasainy nanatrika an’ilay fankalazana nanetriketrika ny lehibem-paritany, mpiadidy, governora, mpanolo-tsaina, mpitahiry ny harenam-panjakana, mpitsara, mpampihatra lalàna, ary izay rehetra nitantan-draharaha tao amin’ireo faritany. Tiany hiray hina sy hivavaka amin’ilay sarivongana daholo ny olom-peheziny. Tsy nanaiky anefa ireo tanora hebreo telo lahy nanatrika teo satria nanompo an’i Jehovah izy ireo.​—Da 3:1-30.

Mbola ankalazain’ny Jiosy isaky ny Desambra ilay fety hoe Hanoukka. Atao izy io ho fahatsiarovana ny fitokanana (heb.: hanokkah) ny tempoly tamin’ny 165 T.K. Nodiovin’i Jodasy Makabeo mantsy izy io, rehefa avy nolotoin’i Antiokosa Faha-4 Epifana.​—Jn 10:22; jereo FETIN’NY FITOKANANA.