Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitomaniana, Bokin’ny

Fitomaniana, Bokin’ny

Nitomany sy nanao hira fisaonana ny olona fahiny, rehefa nalahelo namana nodimandry (2Sa 1:17-27), firenena resy (Am 5:1, 2), ary tanàna rava (Ezk 27:2, 32-36). Hira fisaonana koa ny bokin’ny Fitomaniana. Tononkalo dimy ireo toko dimy ao, ho fanehoana alahelo noho ny nandravan’ny Babylonianina an’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K.

Resahin’ilay boky fa ara-drariny ny sazy nampiharin’i Jehovah tamin’i Jerosalema sy Joda satria diso ny vahoakany. (Ft 1:5, 18) Asongadin’izy io koa fa be hatsaram-panahy feno fitiavana sy mamindra fo i Jehovah, ary tsara amin’izay manantena azy.​—Ft 3:22, 25.

Anarany. ʼEhkah midika hoe “Indrisy!” no teny voalohany ao amin’ilay boky, sady anarany amin’ny teny hebreo. Trenôi (“Hira Fisaonana; Fitomaniana”) kosa no anarany ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Kinôht (“Hira Fisaonana; Kalo”) no iantsoana azy io ao amin’ny Talmoda babylonianina (Bava Batra 14b). I Jérôme indray niantso azy io hoe Lamentationes (lat.).

Anisan’ny Soratra Masina. Anisan’ireo Megillôht na Horonam-boky dimy (Tononkiran’i Solomona, Rota, Fitomaniana, Mpitoriteny, ary Estera) ny Fitomaniana, ao amin’ny Baiboly hebreo. Nisy nilaza fa nanarakaraka ny bokin’i Jeremia izy io tao amin’ny Soratra Hebreo natao dika mitovy fahiny. Toy izany koa izy io ao amin’ny Baiboly malagasy ankehitriny.

Mpanoratra. Toy izao no teny fampidirana an’ilay boky ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo: “Nipetraka nitomany i Jeremia ka nanao an’izao fitomaniana an’i Jerosalema izao, rehefa lasa babo ny Israely ary lasa aolo i Jerosalema.” Toy izao kosa ny ao amin’ny Targoma: “Hoy i Jeremia mpaminany sy mpisoronabe.” Hita amin’izany àry fa i Jeremia no mpanoratra. Ny ao amin’ny Fandikan-teny Katolika, izay mifototra amin’ny Vulgate latinina, indray manao hoe: “Nony efa lasan-ko babo ny firenen’Israely, ka efa zary efitra Jerosalema, dia nipetraka nitomany i Jeremia mpaminany sy nanao ity fitomaniana an’i Jerosalema ity; sady nisento tamin’ny alahelon’ny fony izy, no nandefa feo fitarainana, nanao hoe.”

Fomba fanoratra. Tononkalo dimy ireo toko dimy. Manaraka ny filaharan’ny abidy hebreo (misy litera na renisoratra 22) ny teny voalohany isaky ny andininy ao amin’ireo toko efatra voalohany. Misy 22 ireo andininy ao amin’ny toko 1, 2 ary 4, ary manaraka ny abidy hebreo: Manomboka amin’ny litera voalohany alefa ny andininy 1, manomboka amin’ny litera faharoa beta ny andininy faha-2, ary toy izany hatrany. Misy andininy 66 mandeha tsitelotelo kosa ny toko faha-​3. Manomboka amin’ny litera hebreo iray ireo andininy telo voalohany. Manomboka amin’ny litera hebreo manaraka indray ireo andininy telo manaraka, ary toy izany hatrany.

Lasa alohan’ny litera ʽayin ny litera peʼ ao amin’ny toko faha-​2, 3 ary 4 (tsy hoatran’ny ao amin’ny Fitomaniana 1 sy Sl 119). Tsy diso akory ilay mpanoratra ny Fitomaniana. Hoy mantsy ilay boky hoe Fanazavana ny Testamenta Taloha: “Tsy hoe sendra diso ilay mpanoratra ... satria naveriny ao amin’ny tononkalo telo ilay izy. Nisy antony kosa matoa nanao izany izy. Tsy dia nanaraka ny abidy koa mantsy ny tononkalo hafa, indrindra fa ireo tranainy kokoa. Midika izany fa rehefa mifanentana amin’ny foto-kevitra velabelarin’ilay mpanoratra ilay fanarahana ny abidy vao ataony manaraka ny abidy ilay tononkalo, mba tsy ho hita hoe hafahafa.” (Nataon’i C. Keil sy F. Delitzsch, 1973, Boky Faha-8, Fitomanian’i Jeremia, p. 338) Noresahin’io boky io, ohatra, ny Salamo faha-​34, izay tsy ahitana ny litera vao, sy ny Salamo faha-​145, izay tsy ahitana ny litera nona. Tsy tokony hampanahy antsika àry raha tsy manaraka tanteraka ny filaharan’ny abidy hebreo ny teny voalohany isaky ny andininy ao amin’ireny toko ireny. Natao hanamorana fitadidiana ilay fanarahana ny abidy, saingy ny votoatin’ireo toko sy ny foto-kevitra ao anatiny no zava-dehibe kokoa.

Misy 22 hoatran’ny isan’ny litera ao amin’ny abidy hebreo ireo andininy ao amin’ny Fitomaniana toko faha-​5, saingy tsy manaraka ny filaharan’ilay abidy.

Fotoana nanoratana azy. Nosoratana taoriana kelin’ny naharavan’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. ilay boky, satria mbola tadidin’i Jeremia tsara ilay fahirano nataon’ny Babylonianina sy ny nandoroana an’i Jerosalema. Eken’ny maro koa fa taoriana kelin’ny naharavan’i Jerosalema no nanoratana an’ilay boky. Azo inoana àry fa vita tamin’ny 607 T.K. ilay izy.

Faminaniana tanteraka. Hita ao amin’ilay boky fa tanteraka tamin’i Jerosalema tokoa ny voalazan’ny Deoteronomia 28:63-65. Misy faminaniana sy fampitandremana hafa koa tanteraka. Ampitahao, ohatra, ny Fitomaniana 1:2 sy Jeremia 30:14; Fitomaniana 2:17 sy Levitikosy 26:17; ary Fitomaniana 2:20 sy Deoteronomia 28:53.

Votoatiny. Noharin’i Jeremia tamin’ny “vehivavy” i Jerosalema, na Ziona nanaovan’Andriamanitra fifanekena (Is 62:1-6), eo amin’ny toko voalohany, manomboka eo amin’ny andininy faha-12. Nilaza ilay vehivavy fa nafoy ny tenany, toy ny hoe maty vady aman-janaka izy, ary babo sy nampanaovina asa an-terivozona. I Jeremia indray no niteny eo amin’ny toko faha-​2. Namboraka ny alahelony izy eo amin’ny toko faha-​3, ary nohariny tamin’ny “lehilahy tomady” ilay firenena. Mbola nilaza ny alahelony ihany i Jeremia, eo amin’ny toko faha-​4. Ny mponin’i Jerosalema kosa no niteny eo amin’ny toko faha-​5. Tsy ny ankamaroan’ny Jiosy anefa fa ny sisa tamin’izy ireo (hoatran’i Jeremia) no niaiky ny fahotany, nanantena an’i Jehovah sy nitoky taminy, ary naniry hanao ny tsara indray, araka ny voalazan’ilay toko. Miharihary fa ny tena fahitan’Andriamanitra an’i Jerosalema no resahin’ny Fitomaniana.

Tantara marina sy sarobidy ary avy amin’ny fanahy masina àry ny bokin’ny Fitomaniana.

[Efajoro, pejy 932]

HEVITRA MISONGADINA: FITOMANIANA

Tononkalo dimy nanehoana alahelo noho ny nataon’ny Babylonianina tamin’i Jerosalema sy ny mponina tao tamin’ny 607 T.K.

Nosoratan’i Jeremia raha vao rava i Jerosalema

Toy ny vehivavy maty vady aman-janaka tsy nisy mpampionona i Jerosalema (1:1-22)

Niaiky izy fa azom-pahoriana satria nanota tamin’i Jehovah

Nangataka an’ilay Mahery Indrindra hanafay an’ireo faly noho ny fahavoazany

Nampihatra ny fahatezerany tamin’i Jerosalema i Jehovah (2:1-22)

Nazerany “avy any an-danitra ho amin’ny tany” i Jerosalema

Nolaviny ny toerany masina, ary tsy nohajainy ny mpanjaka sy ny mpisorona

Gaga ny mpandalo nahita an’izay nanjo an’ilay tanàna “tonga lafatra amin’ny hatsaran-tarehy”

Nilaza ny fahoriany ilay firenena oharina amin’ny “lehilahy tomady”, nefa nilaza ny fanantenany koa (3:1-66)

Ory dia ory izy

Natoky anefa fa hihaino ny vavaky ny olony i Jehovah ary hamindra fo

Loza nentin’ilay fahirano (4:1-22)

Tsara kokoa ny matin-tsabatra noho ny matin’ny mosary; nisy aza vehivavy nihinana ny zanany

Nenjehina hatreny an-tendrombohitra sy hatrany an-tany efitra ireo sisa tsy maty

Niangaviana i Jehovah hijery ny fahorian’ny olony sy hankasitraka azy ireo indray (5:1-22)

Nomena ho an’ny vahiny ny lovan’ny olony

Afa-baraka sy naetry izy ireo

Nangatahin’izy ireo i Jehovah hampody azy ireo ho aminy, na dia tsy faly tamin’izy ireo aza izy ka nahafoy azy