Fitoriana, Mpitory
Ho azontsika ny tena hevitry ny hoe “fitoriana” ao amin’ny Baiboly, Ap 5:2; ampit. Mt 10:27.
rehefa dinihintsika ny teny hebreo sy grika tany am-boalohany. Adika hoe “mitory” ny teny grika hoe keryssô, izay midika hoe ‘mitondra sy manambara hafatra, manambara (hoe iza no mpandresy).’ Iray tarika amin’izy io ny teny hoe keryks, midika hoe ‘mpitondra hafatra, iraka, mpilaza didim-pitsarana (nanao fanambarana na nandamina ny mpivory, sns.).’ Eo koa ilay teny hoe kerygma, midika hoe ‘izay ambaran’ny mpitondra hafatra, fanambarana, filazana (fandresena amin’ny lalao), baiko, didy.’ (Rakibolana Grika-Anglisy, nataon’i H. Liddell sy R. Scott, nohavaozin’i H. Jones, Oxford, 1968, p. 949) Fanambarana ampahibemaso àry no tena dikan’ny hoe keryssô, fa tsy fanaovana toriteny amin’ny mpianatra vitsivitsy monja. Keryssônta, ohatra, no ilazana ny nataon’ilay “anjely mahery niantsoantso mafy hoe: ‘Iza no mendrika hanokatra ny horonam-boky ka hamaha ny tombo-kaseny?’”—Midika hoe “mitory ny vaovao tsara” ny teny hoe eoaggelizômai. (Mt 11:5) Iray tarika amin’izy io ny hoe diaggellô, “mitory hatraiza hatraiza; mampahafantatra; manambara” (Lk 9:60; As 21:26; Ro 9:17), sy ny hoe kataggellô, “mitory; manambara.” (As 13:5; 1Ko 11:26) Misy tsy mampitovy ny hoe keryssô sy hoe eoaggelizômai anefa: Ny keryssô manasongadina ny fomba fitory, izay mety ho ampahibemaso sy ahazoana alalana, fa ny eoaggelizômai kosa manasongadina ny votoatin’ny zavatra torina, dia ny eoaggeliôn, izany hoe ny vaovao tsara na ny filazantsara.
Mitovitovy amin’ny hevitry ny hoe keryssô ihany ny an’ny teny hebreo hoe basar, izay midika hoe “milaza vaovao; manambara” (1Sa 4:17; 2Sa 1:20; 1Ta 16:23), saingy tsy voatery ho nahazo alalana ilay olona.
Ao amin’ny Soratra Hebreo. I Noa no voalohany nantsoina hoe “mpitory” (2Pe 2:5), na dia mety ho nitory ihany aza i Enoka mpaminany velona talohany. (Jd 14, 15) Nitory ny fahamarinana i Noa talohan’ny Safodrano. Azo inoana fa nampirisihiny hibebaka ny olona satria ho avy ny fandringanana. Porofon’izany ny tenin’i Jesosy hoe “tsy niraharaha” izy ireo. (Mt 24:38, 39) Tsy vaovao tsara àry no notorin’i Noa, na dia nahazo alalana tamin’Andriamanitra aza izy.
Mpaminany nampita hafatra avy tamin’Andriamanitra i Abrahama sy ny lehilahy maro hafa, taorian’ny Safodrano. (Sl 105:9, 13-15) Toa tsy nitory ampahibemaso anefa ireo mpitory, talohan’ny nidiran’ny Israely tao amin’ny Tany Nampanantenaina. Tsy voatendry ho mpitondra hafatra ny loham-pianakaviana fahiny. Nanambara ampahibemaso ny didin’Andriamanitra sy ny didim-pitsarany ny mpaminany, tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely. (Is 58:1; Je 26:2) Mifanitsy amin’ny hevitry ny hoe kerygma ny fitorian’i Jona tao Ninive. (Ampit. Jo 3:1-4; Mt 12:41.) Tsy mpitondra hafatra na mpitory fotsiny anefa ny mpaminany, ary nanana mpitondra teny izy ireo indraindray. (2Mp 5:10; 9:1-3; Je 36:4-6) Nosoratana fa tsy notorina ny hafatra sy fahitana sasany azon’izy ireo. (Je 29:1, 30, 31; 30:1, 2; Da toko 7-12) Hafatra maro koa no noresahina mitokana tamin’ny olona nampitana azy. Misy kosa nampitaina tamin’ny alalan’ny fihetsika.—Jereo FAMINANIANA; MPAMINANY.
Fananarana, fampitandremana, didim-pitsarana, ary vaovao tsara, toy ny fandresena, fanafahana, fitahiana, ary fiderana an’i Jehovah Andriamanitra, no nambara. (1Ta 16:23; Is 41:27; 52:7; samy ahitana ny teny hebreo hoe basar ireo.) Vehivavy indraindray no nanandra-peo na nihira mba hanambara ny vaovao hoe nandresy tany an’ady ny Israely na ho avy ny famonjena.—Sl 68:11; Is 40:9; ampit. 1Sa 18:6, 7.
Resahin’ny Soratra Hebreo koa fa hitory i Kristy Jesosy sy ny fiangonana kristianina. Nilaza i Jesosy fa tanteraka taminy ny Isaia 61:1, 2 hoe hirahin’Andriamanitra sy homeny alalana hitory izy. (Lk 4:16-21) Tanteraka taminy koa ny Salamo 40:9 (nampiharin’ny apostoly Paoly taminy ny Sl 40:6-8, ao amin’ny He 10:5-10), ka ‘nambarany teo anivon’ny fiangonana lehibe ny vaovao tsara [endriny hafa amin’ny hoe basar] momba ny fahamarinana.’ Naka teny tao amin’ny Isaia 52:7 (momba ilay mpitondra hafatra nanambara hoe nafahana i Ziona babo) i Paoly, ary nilaza fa tanteraka tamin’ny mpitory kristianina izy io.—Ro 10:11-15.
Ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Tany an-tany efitra i Jaona Mpanao Batisa no tena nitory. Nitory ampahibemaso koa anefa izy, ka nanambara tamin’ny Jiosy tonga nanatona azy fa efa akaiky ny Mesia sy ny Fanjakan’Andriamanitra. Nasainy nibebaka àry izy ireo. (Mt 3:1-3, 11, 12; Mr 1:1-4; Lk 3:7-9) Mpaminany sy mpampianatra (nanana mpianatra) ary mpitory ny vaovao tsara koa i Jaona. (Lk 1:76, 77; 3:18; 11:1; Jn 1:35) “Solontenan’Andriamanitra” sy vavolombelony àry izy.—Jn 1:6, 7.
Tsy nijanona tany an-tany efitr’i Jodia i Jesosy rehefa avy nifady hanina 40 andro. Tsy nitoka-monina toy ny moanina koa izy. Fantany fa nirahin’Andriamanitra hitory izy, ka lasa izy nitory ampahibemaso tany amin’ny tanàna lehibe sy kely, tao amin’ny tempoly sy synagoga, teny an-tsena sy teny an-dalana ary tany ambanivohitra. Mr 1:39; 6:56; Lk 8:1; 13:26; Jn 18:20) Tsy nitory fotsiny izy fa nampianatra koa, sahala amin’ny nataon’i Jaona. Nisongadina kokoa noho ny fitoriany aza ny fampianarany. Tsy mitovy ny mitory sy ny mampianatra (didaskô), satria tsy milaza hevitra fotsiny ny mpampianatra fa manoro sy manazava ary manome porofo koa. Tsy maintsy hitory sy hampianatra toa an’i Jesosy koa ny mpianany, taloha sy taorian’ny nahafatesany.—Mt 4:23; 11:1; 28:18-20.
(“Mibebaha ianareo, fa efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra”, no foto-kevitry ny fitorian’i Jesosy. (Mt 4:17) Toy ny mpitondra hafatra ofisialy izy ka nampahafantatra ny zavatra nataon’ilay Andriamaniny Fara Tampony. Nampirisihiny àry ny olona hanapa-kevitra sy hanao zavatra. (Mr 1:14, 15) Nitondra vaovao tsara sy fampiononana ho an’ny mpandefitra sy ny torotoro fo ary ny ory izy, ary nanambara fahafahana tamin’ny babo. Nanambara ny “andro famalian’Andriamanitsika” koa anefa izy. (Is 61:2) Sahy nilaza tamin’ny mpitondra sy ny vahoaka izy hoe inona no fikasan’Andriamanitra sy ny didiny sy ny didim-pitsarany, ary iza no notendreny.
Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy taorian’ny Pentekosta taona 33, dia nitory foana ny mpianany. Nitory tamin’ny Jiosy izy ireo, avy eo tamin’ny firenena rehetra. Voahosotry ny fanahy izy ireo, ka niaiky sy nilaza foana hoe nahazo alalana hitondra hafatra (As 2:14-18; 10:40-42; 13:47; 14:3; ampit. Ro 10:15), toy ny nilazan’i Jesosy hoe ‘Andriamanitra no naniraka’ azy (Lk 9:48; Jn 5:36, 37; 6:38; 8:18, 26, 42) sy ‘nandidy azy ny amin’izay holazainy sy hoteneniny.’ (Jn 12:49) Hoy àry ny mpianany rehefa norarana tsy hitory intsony: “Ianareo no aoka hitsara raha marina eo imason’Andriamanitra na tsia ny hihaino anareo, fa tsy hihaino an’Andriamanitra. Raha izahay kosa, dia tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba izay efa hitanay sy renay.” “Andriamanitra no mpitondra anay ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona.” (As 4:19, 20; 5:29, 32, 42) Anisan’ny fanompoana an’Andriamanitra sy fiderana azy ny asa fitoriana, ka tokony hataon’izay te ho voavonjy. (Ro 10:9, 10; 1Ko 9:16; He 13:15; ampit. Lk 12:8.) Tokony hitory daholo àry ny mpianatra rehetra, na lahy na vavy, mandra-pahatongan’ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.”—Mt 28:18-20; Lk 24:46-49; As 2:17; ampit. As 18:26; 21:9; Ro 16:3.
Tsy dia nanam-pahaizana ireo mpitory voalohany, raha ny fahitan’ny olona azy. Fantatr’ireo anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy fa ‘tsy dia nahita fianarana sady olon-tsotra’ ny apostoly Petera sy Jaona. (As 4:13) “Gaga” tamin’i Jesosy “ny Jiosy, ka nanao hoe: ‘Ahoana koa no mba ananan’io fahaizana sy fahalalana hoatr’izany, nefa tsy nianatra tany amin’ny sekolintsika izy’”? (Jn 7:15) Nilaza koa ny mpahay tantara hoe: ‘Nanesoeso i Celse, mpanoratra voalohany nanaratsy ny Kristianina, hoe mpiasa, mpanao kiraro, mpamboly sy mpiompy, ary olona tsy mahay na inona na inona sy vendrana no mba nazoto nitory ny Filazantsara.’ (Ny Tantaran’ny Fivavahana Kristianina sy ny Fiangonana Nandritra Ireo Taonjato Telo Voalohany, nataon’i Auguste Neander; nadikan’i Henry Rose avy tamin’ny teny alemà, 1848, p. 41) Hoy i Paoly: “Hitanareo ny fiantsoany anareo, ry rahalahy, fa tsy maro ny hendry araka ny nofo nantsoina, tsy maro ny mahery, ary tsy maro ny avo razana. Fa Andriamanitra nifidy ny zavatra adala amin’izao tontolo izao mba hampahamenatra ny olon-kendry.”—1Ko 1:26, 27.
Nahazo fiofanana anefa ny Kristianina voalohany, na dia tsy nanao fianarana ambony aza. Nampiofanin’i Jesosy tsara ny apostoly 12 vao nirahiny hitory. (Mt 10) Tsy nanome toromarika fotsiny izy fa nampiseho azy ireo ny fomba fitory koa.—Lk 8:1.
Mbola “ny fanjakan’Andriamanitra” ihany no foto-kevitry ny fitorian’ny Kristianina. (As 20:25; 28:31) Notorin’izy ireo taorian’ny nahafatesan’i Kristy koa anefa ny amin’ny “zava-miafina masina” momba ny fikasan’Andriamanitra izay nampahafantarina tamin’ny alalan’i Kristy; ny nahafatesany ho sorona, izay fototry ny tena finoana (1Ko 15:12-14); ary ny nanandratan’Andriamanitra azy ho Mpanjaka sy Mpitsara ka tokony ho fantatra sy heken’izay rehetra te hahazo sitraka amin’Andriamanitra sy te hahazo fiainana izany. (2Ko 4:5) Resahina matetika àry hoe ‘nitory an’i Kristy Jesosy’ ny mpianany. (As 8:5; 9:20; 19:13; 1Ko 1:23) Ny ‘fitorian’izy ireo an’i Kristy’ akory tsy midika hoe tsy manana anjara ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sy tsy tafiditra ao amin’ny fikasany i Jesosy. Nambaran’izy ireo kosa izay nataon’i Jehovah Andriamanitra ho an’ny Zanany sy tamin’ny alalan’izy io, sy ny fomba nahatanterahan’ny fikasany sy hahatanterahan’izany amin’ny alalan’i Jesosy. (2Ko 1:19-21) Nitondra fiderana sy nanome voninahitra an’Andriamanitra àry ny fitoriana an’izany rehetra izany ‘tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy.’—Ro 16:25-27.
Tsy adidy na fombafomba fotsiny ny asa fitoriana, tamin’ny Kristianina voalohany. Nanam-pinoana kosa izy ireo, ary te hanome voninahitra an’Andriamanitra. Nanantena koa izy ireo fa hanampy Ro 10:9-14; 1Ko 9:27; 2Ko 4:13) Tsy nampaninona azy ireo àry raha nenjehin’ny Jiosy izy ary noheverin’ny olon-kendry teo amin’ity tontolo ity hoe adala. (1Ko 1:21-24; Ga 5:11) Niezaka nampisaintsaina sy nandresy lahatra koa izy ireo mba hahatonga ny olona hino. (As 17:2; 28:23; 1Ko 15:11) Nilaza i Paoly fa voatendry ho “mpitory sy apostoly ary mpampianatra” izy. (2Ti 1:11) Tsy nokaramaina ireny Kristianina ireny, fa nahafoy tena ka nampiasa ny fotoanany sy ny heriny mba hitoriana.—1Te 2:9.
ny olona ho voavonjy ny fitoriany. (Lasa mpitory ny Teny daholo izay lasa mpianatra. Niely haingana ny vaovao tsara, ka afaka nilaza i Paoly tamin’ny taona 60-61 tany ho any (27 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Kristy) fa “notorina tamin’ny zavaboary rehetra eny ambanin’ny lanitra” ny vaovao tsara. (Kl 1:23) Tanteraka talohan’ny nandravana an’i Jerosalema sy ny tempoliny tamin’ny taona 70 àry ilay faminanian’i Kristy hoe: ‘Hotorina any amin’ny firenena rehetra ny vaovao tsara.’ (Mt 24:14; Mr 13:10; SARINTANY, Boky Faha-2, p. 744) Asehon’ny tenin’i Jesosy sy ny bokin’ny Apokalypsy nosoratana taorian’ilay fandravana anefa fa mbola ho tanteraka io faminaniana io, rehefa lasa Mpanjaka i Kristy alohan’ny handringanana an’ireo fahavalon’ilay Fanjakana rehetra. Hisy asa fitoriana lehibe hatao amin’izay.—Ap 12:7-12, 17; 14:6, 7; 19:5, 6; 22:17.
Inona no mety ho vokatry ny fitoriana? “Nino izay voalaza ny sasany, fa ny sasany kosa tsy nino” rehefa nitorian’i Paoly. (As 28:24) Mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra ny asa fitoriana ataon’ny Kristianina mafana fo, ary tsy maintsy misafidy ireo mandre ny hafatra momba ilay Fanjakana. Misy lasa mpanohitra (As 13:50; 18:5, 6), misy mihaino nefa avy eo mihemotra noho ny antony samihafa (Jn 6:65, 66), ary misy kosa manaiky ny vaovao tsara ka miova.—As 17:11; Lk 8:15.
“Isan-trano.” Nohatonin’i Jesosy ny olona ka nitoriany ny hafatra momba ilay Fanjakana, ary nampianariny ampahibemaso sy tany an-trano. (Mt 5:1; 9:10, 28, 35) Hoy izy tamin’ny mpianany voalohany nirahiny hitory: “Any amin’izay tanàna na vohitra idiranareo, dia tadiavo izay mendrika ao.” (Mt 10:7, 11-14) Tsy maintsy nitety trano izy ireo mba ‘hitadiavana’ an’ireo olona “mendrika”, izay hanaiky an’ilay hafatra sy hampiantrano azy ireo amin’ny alina.—Lk 9:1-6.
“Nanendry fitopolo lahy” koa i Jesosy tatỳ aoriana, “ka naniraka azy tsiroaroa hialoha azy tany amin’ny tanàna sy ny toerana rehetra izay mbola halehany.” Tsy hitory eny amin’ny toerana falehan’ny olona fotsiny izy ireo fa isan-trano koa. Hoy mantsy i Jesosy: “Amin’izay trano idiranareo, dia milazà aloha hoe: ‘Ho amin’ity trano ity anie ny fiadanana!’”—Lk 10:1-7.
Mbola nitory ny vaovao tsara isan-trano ny mpianatr’i Jesosy, taorian’ny Pentekosta taona 33. Norarana ‘tsy hiteny intsony’ izy ireo, nefa “tsy nitsahatra nampianatra sy nitory ny vaovao tsara momba an’i Kristy, izany hoe i Jesosy, izy ireo isan’andro, na tao amin’ny tempoly na isan-trano.” (As 5:40-42; ampit. JM.) Ny teny grika hoe katʼ ôikôn (a.b.t.: araka ny trano) no nadika hoe “isan-trano.” Ilay teny grika hoe kata no ahalalana fa tsy hoe ‘tao an-trano’ ireo mpianatra rehefa nitory fa nitety tranon’olona (“isan-trano”). Nisy vokany lehibe izany. “Nihamaro be ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema.”—As 6:7; ampitahao ny 4:16, 17 sy 5:28.
Hoy i Paoly tamin’ny anti-panahy tany Efesosy: “Hatramin’ilay andro voalohany nanitsahako ny faritr’i Azia, ... dia tsy niahotra aho nilaza taminareo izay rehetra nahasoa, sy nampianatra anareo ampahibemaso sy isan-trano. Ary nanome fanazavana feno tamin’ny Jiosy sy ny Grika aho, momba ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Tompontsika.” (As 20:18-21; ampit. Prot., Kat., JM, DIEM.) Niezaka nitory tamin’ireo olona ireo i Paoly tamin’izy ireo mbola tsy mpino, sady nila nahafantatra “momba ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’i Jesosy Tompontsika.” Nikaroka “isan-trano” an’ireo olona nitady ny fahamarinana àry i Paoly, raha vao nanomboka ny asa misionera tany Azia izy. Azo antoka fa niverina nitsidika azy ireo izy mba hampianatra azy, ary avy eo hanatanjaka ny finoany rehefa lasa mpino izy ireo. Hoy ny fanazavan’ny Dr. A. Robertson momba ny Asan’ny Apostoly 20:20: “Isan-trano (araka ny trano). Mahaliana fa nitory isan-trano io mpitory tena niavaka io fa tsy namangy fotsiny.”—Ireo Sarin-teny ao Amin’ny Testamenta Vaovao, 1930, Boky III, p. 349, 350.
Eo anivon’ny fiangonana. Natao tany ivelan’ny fiangonana ny fitoriana resahin’ny Soratra Grika Kristianina amin’ny ankapobeny. Nampirisihin’i Paoly anefa i Timoty ‘hitory ny teny tsy misy hataka andro na amin’ny mora na amin’ny sarotra’, anisan’izany ny hitory teo anivon’ny fiangonana, ka tsy hivaona amin’izany. (2Ti 4:2) Mpiandraikitra sy mpiandry i Timoty, ka natao ho an’ny mpiandraikitra manao ny asan’ny mpiandry koa ilay taratasin’i Paoly. Efa nampitandremany i Timoty fa hisy Kristianina hivadi-pinoana ka hahataona olona maro. (2Ti 2:16-19; 3:1-7) Nilaza i Paoly avy eo fa tsy tokony hangataka andro i Timoty rehefa mitory “ny teny.” “Ho avy mantsy ny fotoana tsy hahazakan’ny olona ny fampianarana mahasoa” ka hitadiavan’izy ireo mpampianatra hampianatra azy araka izay iriny, ary “tsy hihaino ny fahamarinana intsony” izy ireo. Olona eo anivon’ny fiangonana ihany àry izy ireo fa tsy olona any ivelany. (2Ti 4:3, 4) Tokony hifikitra amin’ny Tenin’Andriamanitra foana i Timoty, ka ho sahy hitory izany (fa tsy ny filozofia na tombantombana) tamin’ny rahalahy teo anivon’ny fiangonana, na dia nisy nanohitra azy aza ka nampalahelo sy nampahory azy. (Ampit. 1Ti 6:3-5, 20, 21; 2Ti 1:6-8, 13; 2:1-3, 14, 15, 23-26; 3:14-17; 4:5.) Nisakana ny asan’ny mpivadi-pinoana àry i Timoty ka tsy hivesatra trosan-dra, toa an’i Paoly ihany.—As 20:25-32.
Nahoana i Jesosy no nitory “tamin’ireo fanahy tao am-ponja”?
Milaza ny 1 Petera 3:19, 20 fa fanahy i Jesosy rehefa natsangana “ka nandeha nitory tamin’ireo fanahy tao am-ponja, izay tsy nankatò fahiny, rehefa niandry tamim-paharetana Andriamanitra tamin’ny andron’i Noa, raha mbola namboarina ny sambofiara.” Hoy ny Diksioneran’i Vine Manazava ny Testamenta Taloha sy Vaovao: “Azo inoana fa tsy fitoriana vaovao tsara ilay resahin’ny I Pet. 3:19 (tsy misy porofo hoe vaovao tsara ilay notorin’i Noa, na hoe ‘ao am-ponja’ ny fanahin’ireo olona velona talohan’ny safodrano). Nanambara tamin’ireo anjely nietry kosa i Kristy tafatsangana tamin’ny maty hoe nandresy izy.” (1981, Boky Faha-3, p. 201) Efa hitantsika fa tsy voatery ho fitoriana vaovao tsara ilay hoe keryssô, fa mety ho fitoriana vaovao ratsy koa, toy ilay fanambaran’i Jona hoe horavana i Ninive. Ny anjely tamin’ny andron’i Noa ihany no resahin’ny Baiboly hoe nigadra. ‘Natolotra ho ao an-davaka maizim-be’ izy ireo (2Pe 2:4, 5), ary ‘notehirizina sy nofatorana mandrakizay ao amin’ny haizim-be, ho amin’ny fitsarana amin’ilay andro lehibe.’ (Jd 6) Tsy maintsy ho fanamelohana àry no notorin’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty tamin’ireo anjely ratsy ireo. Miresaka be dia be momba ny fanamelohana an’i Satana Devoly sy ny demoniany ary ny fandringanana azy ireo mantsy ny bokin’ny Apokalypsy (fahitana azon’i Jaona avy tamin’i Kristy Jesosy tamin’ny faramparan’ny taonjato voalohany). (Ap 12-20) Efa talohan’ny nanoratan’i Petera ny taratasiny voalohany koa ilay fitoriana, satria matoanteny milaza ny lasa ilay hoe “nitory.”