Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitrandrahana

Fitrandrahana

Ny hoe mitrandraka dia mandavaka any ambanin’ny tany mba hitadiavana metaly sy vatosoa. Azo lazaina hoe efa nisy hatrizay nisian’ny olombelona io asa io. Milaza ny Genesisy fa “mpanefy ny karazam-pitaovana rehetra vita amin’ny varahina sy vy” i Tobala-kaina, izay niaina talohan’ny Safodrano. (Ge 4:22) Rehefa nanazava momba ny reniranon’i Pisona i Mosesy, tamin’ny 1513 T.K. tany ho any, dia nilaza fa ‘misy volamena ny faritr’i Havila. Ary tsara ny volamenan’izany tany izany.’ (Ge 2:11, 12) Nisy volamena koa tany Ofira. Tsy fantatra anefa raha notrandrahina tany anaty vato, tany ambanin’ny tany, izy ireny na nosivanina avy tamin’ny tany teny amoron’ny renirano.​—1Mp 9:28; Jb 28:16.

Ahoana no nitrandrahana an’ireny metaly ireny? Angamba tsy nila nandavaka akory, na nandavaka ihany fa tsy lalina be, dia efa nahazo metaly azo lazaina hoe tsy nisy fangarony. Tatỳ aoriana vao nitrandraka lalina kokoa ny olona. Nihady lavaka hatrany amin’ireo faritra be metaly mbola akora any ambanin’ny tany izy ireo. Nohazavain’i Joba, 3 600 taona lasa teo ho eo izay, hoe ahoana no nataon’ireo mpitrandraka rehefa ‘nihady lavaka fitrandrahana, tany amin’ny toerana lavitra ny fivahinian’olona.’ Nilaza izy fa ‘tany amin’ny haizina sy haizim-pito’ izy ireo no nikaroka. Nidina tany ambanin’ny tany izy ireo, ary nihantona sady nisavilivily tany anatin’ireny lavaka fitrandrahana ireny mba hahazoany ny metaly notadiaviny. Nampidi-doza anefa izany.​—Jb 28:1-11.

Nanana toeram-pitrandrahana be dia be ny Ejipsianina. Nalain’ny Israelita anefa ireny metaly sy vatosoa be dia be notrandrahin’izy ireo ireny, rehefa nafahana avy tany Ejipta izy ireo, ary nampiasaina tamin’ny fanorenana ny tranolay masina izy ireny, tatỳ aoriana. (Ek 12:35, 36; 35:22; 39:6-14) Nitrandraka vato torkoazy, ohatra, ny Ejipsianina tany amin’ny Saikinosin’i Sinay, izany hoe 80 km eo ho eo miala ny Tendrombohitra Sinay. Mbola hita eny akaikin’ny morontsiraka atsinanana amin’ny Ranomasina Mena ny sisa tsy rava amin’ny toeram-pitrandrahan’ny Ejipsianina.

Niresadresaka momba ny Tany Nampanantenaina i Mosesy, taloha kelin’ny nidiran’ny Israelita tao. Hoy izy: “Feno vy ny vato ao amin’izany tany izany, ary ao amin’ny tendrombohiny no hitrandrahanao varahina.”​—De 8:9; jereo MANADIO SY MANDRENDRIKA METALY; VARAHINA, HALIMO; VY.