Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitsarana

Fitsarana

Mpitondra Fara Tampony i Jehovah Andriamanitra satria izy no Mpamorona an’izao rehetra izao. Neken’ny firenen’Israely fahiny fa Izy no Mpitsara sy Mpanome lalàna ary Mpanjaka, ary tena izany tokoa Izy eo amin’izao rehetra izao. (Is 33:22) Niaiky i Abrahama loham-pianakaviana, fa i Jehovah no “mpitsara ny tany manontolo.” (Ge 18:25) Nilaza i Jehovah fa izy no Mpitsara Fara Tampony tamin’izy niady tamin’ny Israely (Mi 6:2), sy tamin’izy niaro ny vahoakany tamin’ireo firenena. (Is 34:8) Ny vahoakany no nalainy ho vavolombelona rehefa nolavin’ny mpanompo sampy ny maha Andriamanitra azy.​—Is 43:9-12.

Tamin’ny andron’ny loham-pianakaviana fahiny. I Noa no loham-pianakaviana taorian’ny Safodrano. Nanao fifanekena taminy sy ny zanany lahy àry i Jehovah, satria izy ireo no solontenan’ny taranak’olombelona. (Ge 9:12-16) Nanome lalàna fototra an’i Noa Andriamanitra, ankoatra izay efa nolazainy taminy. (Ge 9:3-6) Loham-pianakaviana i Noa ka rehefa namoaka didim-pitsarana izy, dia tsy ny ankohonany ihany no niharan’izany, fa ny zanany lahy efa manambady sy ny taranak’izy ireo koa.​—Ge 9:20-27.

Loham-pianakaviana sady Mpitsara lehibe i Jehovah. Nanahaka azy ny loham-pianakaviana fahiny ka nitsara ny ankohonany, anisan’izany ny mpanompony sy izay rehetra tao an-tranony. (Ge 38:24) Raha niady ny fianakaviana maromaro, ka mbola azo nalamina izany, dia ireo loham-pianakaviana no nifandamina.

I Jakoba no nitsara ny ankohonany, rehefa nilaza i Labana fa nangalatra an’ireo terafimany ny olona iray tao amin’ny tobin’i Jakoba. Hoy i Jakoba: “Aoka kosa ho faty izay olona hahitanao ny andriamanitrao.” (Ge 31:32) Tsy fantatr’i Jakoba anefa hoe i Rahely no naka azy ireo. Tsy hitan’i Labana ireo terafima, ka tsy voaheloka i Rahely. I Jakoba koa no nitsara rehefa naseho azy ny akanjon’i Josefa nihosin-dra. Nentin’ireo rahalahin’i Josefa izy io mba hampinoana hoe novonoin’ny bibidia i Josefa, izay namidin’izy ireo ka lasa tany Ejipta. Nandinika an’ilay porofo i Jakoba ka namoaka didim-pitsarana hoe: ‘Tena noviravirain’ny bibidia masiaka i Josefa!’ (Ge 37:33) I Joda kosa no nitsara an’i Tamara ka nanameloka azy ho faty noho izy bevohoka. Nilaza anefa i Joda fa marina kokoa noho izy i Tamara, rehefa fantany fa izy indray no nampiasain’i Tamara mba hanao ilay adidy tokony ho nasainy nataon’i Sela zanany lahy.​—Ge 38:24-26.

Niaiky foana ireo mpivavaka tamin’i Jehovah fa Izy no Mpitsara Fara Tampony. Marina fa mpitsara ny loham-pianakaviana, nefa mbola nataon’Andriamanitra ampamoaka izy ireo. Andriamanitra mihitsy no nitsara an’i Adama sy Eva (Ge 3:8-24); an’i Kaina (Ge 4:9-15); an’ireo olona tamin’ny andron’ny Safodrano (Ge 6:1-3, 11-13, 17-21); an’ireo nanorina ny Tilikambon’i Babela (Ge 11:1-9); an’i Sodoma sy Gomora (Ge 18:20-33); ary an’i Abimeleka (Ge 20:3-7).

Teo ambanin’ny Lalàna. Nisolo tena an’i Jehovah i Mosesy ka lasa mpitsara rehefa niala tany Ejipta ny Israelita. Izy no nitsara ny raharaha rehetra, tamin’ny voalohany. Maro loatra anefa izany ka nitsara foana izy mandra-paharivan’ny andro. Narahiny ny torohevitr’i Jetro ka nanendry lehilahy mahay izy ho lehiben’ny 1000, lehiben’ny 100, lehiben’ny 50, ary lehiben’ny 10. (Ek 18:13-26) Nalamina ilay firenena ka nomena fahefana hitsara ady madinika ireny lehilahy ireny, fa tsy hoe nisy mpitsara iray isaky ny lehilahy fito na valo akory. Ny raharaha sarotra na ny raharaham-pirenena kosa, no nentina tany amin’i Mosesy na tany amin’ny mpisorona tany amin’ny toerana masina.

Ireto avy, ohatra, izany raharaha sarotra izany: Nahiahin’ny lehilahy iray ho nanitsakitsaka azy ny vadiny (No 5:11-31), nisy fandatsahan-dra taorian’ny fifandirana (De 17:8, 9), ary nisy olona voampanga ho mpikomy nefa tsy tena marim-pototra ny porofo naroso (De 19:15-20). Ny mpisorona no hitsara raha nisy vonoan’olona nefa tsy fantatra izay nanao izany.​—De 21:1-9.

Tsy nisy olon-tsotra nampiakatra raharaha tany amin’ny fitsarana ambony tamin’izany. Raha tsy voalamin’ireo lehiben’ny 10 kosa anefa ny raharaha iray, dia nentin’izy ireo tany amin’ny lehiben’ny 50, ary toy izany hatrany. Azo nentina avy hatrany tany amin’ny toerana masina na tany amin’i Mosesy koa ilay raharaha.​—Ek 18:26; De 1:17; 17:8-11.

Tokony ho lehilahy mahay, azo itokisana, matahotra an’i Jehovah, ary tsy tia tombony azo amin’ny tsy rariny, ireo nofidina ho mpitsara. (Ek 18:21) Loham-pianakaviana izy ireny, na lehibem-poko, izany hoe anti-panahy tao amin’ny tanàna nitsarany ihany. Marina fa natokan’i Jehovah ny Levita mba hampianatra ny Lalàna, nefa nasaina nitsara koa izy ireo.​—De 1:15.

Imbetsaka ny mpitsara no nilazana hoe aza amboamboarina ny didim-pitsarana, ary aza mandray kolikoly na miangatra. (Ek 23:6-8; De 1:16, 17; 16:19; Oh 17:23; 24:23; 28:21; 29:4) Tsy tokony hiangarana ny mahantra satria fotsiny hoe mahantra, ary tsy tokony homena tombony ny mpanankarena. (Le 19:15) Tokony hohajaina ny zon’ny vahiny ary tokony hoentina ara-drariny izy ireo. Tsy tokony hampahorin’ny mpitsara ny vahiny sy ny mpitondratena ary ny kamboty, izay toa tsy misy mpiaro. I Jehovah mantsy no Ray Mpitsara sy Mpiaro azy ireny. (Le 19:33, 34; Ek 22:21; 23:9; De 10:18; 24:17, 18; 27:19; Sl 68:5) Nasaina nanaraka ny lalàn’ilay tany àry ny vahiny. (Le 18:26) Tsy niraharaha an’ireny fitsipika sy torohevitra avy amin’i Jehovah ireny anefa ny andriana sy ny mpitsara teo amin’ny Israely, ka nomelohin’Andriamanitra ilay firenena.​—Is 1:23; Ezk 22:12; 1Sa 8:3; Sl 26:10; Am 5:12.

Tsy maintsy olo-marina nitsara araka ny lalàn’i Jehovah ny mpitsara, ka noho izany dia solontenan’i Jehovah. Toy ny hoe nijoro teo anatrehan’i Jehovah àry izay nijoro teo anoloan’ny mpitsara. (De 1:17; 19:17; Js 7:19; 2Ta 19:6) Matetika no midika hoe fitambaran’olona ny hoe “vahoaka” na “fiangonana.” Rehefa miresaka momba ny fitsarana ataon’ny vahoaka na fiangonana anefa ny Baiboly dia ny mpitsara solontenan’izy ireo no tiana horesahina, toy izay hita ao amin’ny Nomery 35:12, 24, 25 sy Matio 18:17.

Natao teo am-bavahadin’ny tanàna ny fitsarana. (De 16:18; 21:19; 22:15, 24; 25:7; Rt 4:1) Ilay tany malalaka tao an-tanàna, teo akaikin’ny vavahady no atao hoe ‘vavahady’ eto. Novakina tamin’ny vahoaka tafavory teo am-bavahady ny Lalàna sy ireo didy. (Ne 8:1-3) Maro no nivezivezy teo tontolo andro ka mora nahitana olona hatao vavolombelona rehefa nisy nivarotra fananana na tany na zavatra hafa. Nanampy ny mpitsara hitandrina sy hitsara ara-drariny koa ny fanaovana izany teo am-bavahady satria afaka nahita izany ny besinimaro. Azo inoana fa efa nisy toerana natokana ho an’ny mpitsara teo akaikin’ny vavahady. (Jb 29:7) Nivezivezy tany Betela sy Gilgala ary Mizpa i Samoela mba ‘hitsara ny Israely tao amin’ireny toerana rehetra ireny’, sy tany Rama fonenany.​—1Sa 7:16, 17.

Tsy maintsy nohajaina ny mpitsara satria nisolo tena an’i Jehovah. (Ek 22:28; As 23:3-5) Tsy maintsy narahina ny didim-pitsarana navoakan’ny mpisorona na ny Levita tao amin’ny toerana masina, na navoakan’ny mpitsara am-perinasa (toa an’i Mosesy sy Samoela). Novonoina ho faty izay tsy nety nanaraka izany.​—De 17:8-13.

Raha kapoka no sazin’ny lehilahy iray, dia tsy maintsy nampandriana sy nokapohina teo anoloan’ny mpitsara izy. (De 25:2) Nampiharina avy hatrany ny didim-pitsarana. Rehefa sarotra ihany ny raharaha ka tsy maintsy nandrasana ny didim-pitsaran’i Jehovah, vao notanana nandritra ny fotoana kelikely ny voampanga. (Le 24:12; No 15:34) Tsy nisy fampidirana am-ponja teo ambanin’ny Lalàna. Lasa nisy anefa izany rehefa nikororosy fahana ilay firenena sy rehefa ny hafa firenena no nitondra azy ireo.​—2Ta 18:25, 26; Je 20:2; 29:26; Ezr 7:26; As 5:19; 12:3, 4; jereo DIDIM-PITSARANA.

Tamin’ny andron’ny mpanjaka. Nentina tany amin’ny mpanjaka na tany amin’ny toerana masina ny raharaha tena sarotra, teo amin’ny Israely. Raha vao nahazo fiandrianana ny mpanjaka iray dia nasaina nadikany ho an’ny tenany ny Lalàna ary novakiny isan’andro mba hahaizany hitsara raharaha sarotra. (De 17:18, 19) Nataon’i Natana mpaminany izay hahatonga an’i Davida hitsara ny tenany, tamin’ilay raharaha nahakasika azy sy Batseba ary Oria Hetita. (2Sa 12:1-6) Fetsifetsy i Joaba ka naniraka vehivavy tekoita hitondra raharaha hotsarain’i Davida, mba hampodiana an’i Absaloma. (2Sa 14:1-21) Nanendry Levita mahay 6000 i Davida talohan’ny hahafatesany, mba ho mpiadidy sy mpitsara teo amin’ny Israely. (1Ta 23:4) Nalaza ho mpitsara hendry i Solomona Mpanjaka. Anisan’ny tena nampahalaza azy ilay nitsarany mpivaro-tena roa nanan-janaka. (1Mp 3:16-28) Naverin’i Josafata tamin’ny laoniny ny fivavahana tao Joda, ary nohatsarainy ny fitsarana.​—2Ta 19:5-11.

Iza avy no anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy?

Tao Jerosalema no nisy ny Fitsarana Avo Jiosy, izay nisy mpikambana 71. Tamin’i Jesosy nanompo teto an-tany, dia anisan’io Fitsarana Avo io ny mpisoronabe am-perinasa sy ireo mpisoronabe teo aloha (maro taminy no niara-belona satria ny Romanina no nanendry ny mpisoronabe). Nisy fianakavian’ny mpisoronabe koa anisan’io fitsarana io, nisy anti-panahy, lehibem-poko, loham-pianakaviana, ary mpanora-dalàna, izay samy lehilahy nahay Lalàna daholo. (As 4:5, 6) Anisan’ny sektan’ny Fariseo sy Sadoseo izy ireo.​—As 23:6.

Ny Mpisoronabe no lehiben’ny Fitsarana Avo, ary izy no namory an’ireo mpikambana hafa. (As 5:17, 21, 27; 7:1; 22:5; 23:2) I Kaiafa mpisoronabe no nitarika ny fitsarana an’i Jesosy, nefa i Anasy no naka am-bavany azy voalohany. (Mt 26:3, 57; Mr 14:53, 55, 60, 63; 15:1; Lk 22:54; Jn 18:12, 13, 19-24) I Ananiasy kosa no mpisoronabe lehiben’ny Fitsarana Avo tamin’ny fitsarana an’i Paoly.​—As 23:2.

Lazain’ny Tôsefta (Synedriona 7:1) sy ny Mishnah (Synedriona 4:1) fa nitsara nanomboka tamin’ny fotoanan’ny fanatitra isa-maraina mandra-pahatongan’ny fotoanan’ny fanatitra hariva ny Fitsarana Avo. Tsy nitsara tamin’ny Sabata na tamin’ny andro fety izy io. Nandritra ny andro no notsaraina ireo nanao heloka mahafaty, ka tokony ho tapaka tamin’iny andro iny ihany ny didim-pitsarana. Raha meloka ilay olona dia ny ampitso no tsy maintsy navoaka ny didim-pitsarana. Tsy tokony hisy fitsarana àry ny andro talohan’ny Sabata na fety. Tsy narahina anefa izany tamin’ny fitsarana an’i Jesosy.

Hoy ny Mishnah (Synedriona 4:3): “Nipetraka nanao antsasa-paribolana ny Fitsarana Avo mba hifankahitan’izy ireo tsara. Nisy mpanora-dalàna roa anisan’ny mpitsara nijoro teo anoloan’izy ireo, ka ny iray teo ankavanana ary ny iray teo ankavia. Nosoratan’izy ireo ny tenin’ireo nanafaka sy ny tenin’ireo nanameloka.”​—Nadikan’i H. Danby.

Milaza ny lovantsofina fa i Mosesy no nanangana ny Fitsarana Avo Jiosy (No 11:16-25), ary i Ezra kosa no nandamina izany indray taorian’ny niverenana avy tany an-tsesitany. Tsy misy porofo ara-tantara anefa manamarina hoe nisy anti-panahy 70 niara-nitsara tamin’izany fotoana izany. Toa rehefa nitondra tany Palestina ny Grika vao nisy ny Fitsarana Avo Jiosy. Fony i Jesosy tetỳ an-tany, dia navelan’ny Romanina hanana fahefana hikarakara raharaha momba ny fiainam-bahoaka sy ny fitantanana ny Fitsarana Avo Jiosy. Nanana miaramila mpiambina izy io, ary nanana fahefana hisambotra sy hampiditra am-ponja. (Mt 26:47; As 4:1-3; 9:1, 2) Nanaiky ny fahefany teo amin’ny lafiny ara-pivavahana na dia ny Jiosy tany am-pielezana aza. (Jereo As 9:1, 2.) Tsy navelan’ny Romanina hamono olona voaheloka ho faty intsony izy io tatỳ aoriana, raha tsy hoe angaha nomen’ny governora romanina alalana. (Jn 18:31) Foana ilay Fitsarana Avo rehefa rava i Jerosalema, tamin’ny taona 70.

Nisy fitsarana madinidinika koa, izay nisy mpitsara 23 avy, tany Jerosalema. Milaza ny Mishnah (Synedriona 1:6) fa nisy fitsarana toy ireny koa tany amin’ireo tanàna lehibebe nanerana an’i Palestina. Tsy teo daholo ireo mpikambana ireo isaky ny nisy fitsarana, fa arakaraka ny halehiben’ny heloka sy ny hasarotry ny raharaha ny isan’ireo tonga nitsara. Teo koa ireo fitsarana tany amin’ny tanàna madinika: Ny fitsarana nisy mpitsara telo, ary ny fitsarana nisy anti-panahy fito.

Toerana nandraisana fampianarana ny synagoga. Tany koa anefa no nanaovana ny fitsarana tao an-tanàna. Nantsoina hoe ‘Fitsarana teo an-toerana’ izy ireny, ary nanana fahefana hikaravasy sy handroaka olona.​—Mt 10:17; 23:34; Mr 13:9; Lk 21:12; Jn 9:22; 12:42; 16:2; jereo FANOHARANA (Fanoharana niavaka sasany nolazain’i Jesosy [21]).

Eo anivon’ny fiangonana kristianina. Tsy avy amin’ny fanjakana ny fahefan’ny fiangonana kristianina hitsara, nefa azony sazina ireo tsy laitra fehezina mila anarina eo anivon’ny fiangonana, ary azony roahina mihitsy aza. Nilaza tamin’ny fiangonana àry ny apostoly Paoly fa tsy maintsy mitsara ny ao anatin’ny fiangonana ireo mpiandraikitra solontenan’ny fiangonana. (1Ko 5:12, 13) Nanoratra tany amin’ny fiangonana sy tany amin’ireo mpiandraikitra i Paoly sy Petera ary nampirisika an’ireo anti-panahy mba hanara-maso akaiky ny fiangonana sy hanampy ary hananatra an’ireo manaonao foana na manao fahadisoana. (2Ti 4:2; 1Pe 5:1, 2; ampit. Ga 6:1.) Alohan’ny handraisan’ny fiangonana fepetra, dia tokony hanarina indray mandeha ary mbola hanarina fanindroany ireo mampisy fisaratsarahana na mitady hamorona sekta. (Tit 3:10, 11) Tokony horoahina tsy ho anisan’ny fiangonana anefa izay mpanota mikiry manao ratsy. Rehefa faizina toy izany ilay nanao ratsy, dia hitany fa tsy azon’ny fiangonana leferina ny fahotany. (1Ti 1:20) Nasain’i Paoly niaraka nihaino an’ilay raharaha ireo manana andraikitra hitsara eo anivon’ny fiangonana. (1Ko 5:1-5; 6:1-5) Tokony hihaino ny tenin’ny vavolombelona roa na telo izy ireo, ka hamakafaka an’ireo porofo amin’ny saina tsy miangatra, izay vao hanaiky hoe marina ny fiampangana.​—1Ti 5:19, 21.

Nasain’i Jesosy nifandamina aloha ny mpianany raha nisy tamin’izy ireo nanota tamin’ny namany. Raha tsy voalamina anefa ilay raharaha sady nahakasika fahotana lehibe, dia tokony halamin’ny fiangonana (izany hoe, ireo voatendry hiandraikitra ny fiangonana). Izany no nasain’i Paoly nataon’ireo Kristianina rehefa nandamina zava-manahirana, fa tsy hifampitory any amin’ny fitsaran’izao tontolo izao.​—Mt 18:15-17; 1Ko 6:1-8; jereo ADY ANY AMIN’NY FITSARANA.

Fitsaran’olombelona. Hoy i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 4:3: “Na ianareo na ny fitsaran’olombelona [gr.: antrôpines hemeras] no handinika ny momba ahy dia tsy misy dikany amiko izany.” Midika ara-bakiteny hoe “andron’olona” ilay teny grika, ary ilazana andro natokan’ny mpitsara olombelona hitsarana na hamoahana didim-pitsarana.

Neken’i Paoly fa toy ny hoe an’ny fiangonan’i Korinto na mpanompon’izy io ny tenany sy Apolosy ary Kefasy. (1Ko 3:21, 22) Nisy tia namorona sekta, olona araka ny nofo fa tsy araka ny fanahy, ary nanaraka olona fa tsy nanaraka an’i Kristy anefa teo anivon’ilay fiangonana ka nanakiana sy nitsara an’i Paoly. (1Ko 9:1-4) I Paoly kosa nahay nilaza ny fiarovan-tenany momba ny fanompoana nataony. (1Ko 9:5-27) Nilaza koa izy fa tsy tokony hampanahy ny Kristianina izay hitsaran’ny Korintianina na olon-kafa azy amin’ny andro voatokana. Izay hitsaran’Andriamanitra na hanombanany azy (amin’ny alalan’i Jesosy), amin’ny andro fitsarana ho avy, kosa no tena zava-dehibe, hoy i Paoly. Izy mantsy no nanankina asa fiandraiketana tamin’i Paoly, ka tokony ho mendri-pitokisana ny tenany.​—1Ko 1:8; 4:2-5; He 4:13.