Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitsimponana

Fitsimponana

Fanangonana ny vokatra sendra navelan’ny mpijinja, na niniany navela teny an-tsaha. Voalazan’ny lalàn’Andriamanitra fa tsy tokony hijinja tanteraka ny sisin’ny sahany ny Israelita, na hiverina hikapoka indray an’ireo sampana oliva raha efa notazany ny voany, na hioty ny voaloboka sisa tavela teny amin’ny tanimboaloboka. Tsy tokony hiverina haka an’izay amboara sendra hadinony tany an-tsaha koa izy ireo. Ny mahantra, ny ory, ny mpivahiny, ny kamboty ray ary ny mpitondratena no nomen’Andriamanitra zo hitsimpona an’izay navelan’ny mpijinja.​—Le 19:9, 10; De 24:19-21.

Fanehoam-pitiavana avy amin’Andriamanitra ny lalàna momba ny fitsimponana, araka ny hita tamin’ny tantaran’i Rota. Nangataka alalana tamin’ilay niandraikitra ny mpijinja aloha i Rota, na dia zony aza ny hitsimpona an’izay navelan’ny mpijinja. Izany angamba no fanao tamin’izany. Tsara fanahy tamin’i Rota ireo mpijinja. Nilaza tamin’izy ireo koa i Boaza mba hisintona salohim-bary sasany tamin’ny amboara, ka hamela izany hotsimponin’i Rota. Nanamora ny asan’i Rota izany, nefa mbola nila niezaka mafy ihany izy. Nitsimpona izy hatramin’ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro, ary tsy nipetraka kely tao an-trano raha tsy tamin’ny fotoam-pisakafoana.​—Rt 2:5-7, 14-17.

Tsy nampirisika ny mahantra ho kamo akory io fanampiana io. Nampirisika ny olona halala-tanana sy tsy ho tia tena ary hanantena ny fitahian’i Jehovah kosa izy io. Azontsika àry ny nahatonga an’i Davida hiteny hoe: “Mbola tsy nahita olo-marina nafoy tanteraka, na nahita ny zanany nangataka hanina” aho. (Sl 37:25) Tsy maty noana ny mahantra rehefa niasa mafy ka nanararaotra an’io fanampiana azy io. Tsy voatery nangataka hanina koa izy sy ny zanany.

Fanoharana sy heviny an’ohatra. Nanome tsiny an’i Gideona ny Efraimita noho izy tsy niantso azy ireo, tamin’izy nandeha niady tamin’ny Midianina. Hoy anefa i Gideona: “Tsy ny sisam-boaloboka notazan’ny Efraimita aza ve no tsara kokoa noho ny voaloboka rehetra notazan’ny Abi-ezerita [fianakaviambe nisy an’i Gideona]?” Nohazavainy avy eo fa kely lavitra ny zava-bitany raha oharina amin’ny an’ny Efraimita (na dia taorian’ny nanombohan’ilay ady aza izy ireo vao tonga), izay nahasambotra an’i Oreba sy Zeba, andrianan’ny Midianina. (Mpts 8:1-3; 6:11) Oharin’ny Baiboly amin’ny ‘fitsimponana voa aorian’ny fijinjana’ koa, ny famonoana an’ireo sisa niangana tamin’ny ady iray. (Mpts 20:44, 45) Toy ny “voaloboka sisa aorian’ny fotoam-piotazana”, ireo sisa tsy maty taorian’ny nampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany. Nilaza koa i Mika fa toy ireo voaloboka sisa tavela ‘rehefa vita ny fiotazam-boaloboka’, ny sisa tamin’ny lovan’Andriamanitra teo anivon’ilay firenena ratsy fitondran-tena.​—Is 24:13; Mi 7:1-8, 18; ampit. Je 6:9; 49:9, 10.