Fividianana
Fanomezana zava-tsarobidy, toy ny vola, entana, na aina, na koa fanaovana asa ho takalon’ny zavatra iray.
Efa hatramin’ny andron’i Abrahama ny olona no nampiasa vola na niasa mba hividianana sy hivarotana entana na tany, toy ny ankehitriny ihany. ‘Nividy’ mpanompo lahy ‘tamin’ny volany’, ohatra, i Abrahama. (Ge 17:12, 13) Nividy toeram-pandevenana tamin’i Efrona taranak’i Heta koa izy rehefa maty i Saraha. (Ge 23:3-20; 49:29-32) Mahaliana ny tsipirian’io fifanarahana ara-barotra resahin’ny Baiboly voalohany io.
Niankohoka tamim-panajana i Abrahama, rehefa nangataka ny hividy an’ilay toerana. Tsy ilay saha no tiany hovidina, fa ilay lava-bato ‘teo amin’ny sisin’ny [sahan’i Efrona].’ Namaly anefa i Efrona fa homeny an’i Abrahama ilay saha. Mety ho mody nalala-tanana toy ny fanaon’ny Tatsinanana izy. (Ge 23:7-11) Misy koa mihevitra fa nilaza fotsiny ny fahavononany ‘hanome’ an’ilay saha izy, raha vidina izy io. Nisisika ihany anefa izy hoe tokony halain’i Abrahama daholo ny lava-bato sy ny saha. Nifanarahan’izy ireo ny vidiny, raikitra ilay varotra, ary nolanjaina tsara ny vola, dia ‘sekely volafotsy efajato, araka ny lanja fampiasan’ny mpivarotra’ (880 dolara eo ho eo). (Ge 23:16) Nolanjaina ny vola satria mbola tsy nisy vola madinika tamin’izany. “Ilay saha sy ilay lava-bato tao ary ny hazo rehetra efa teo, izay tao anatin’ny faritr’ilay saha, dia nekena ara-dalàna ho fananan’i Abrahama.” Natao teo anatrehan’izy roa lahy sy ny vavolombelona, izany hoe “teo imason’ny taranak’i Heta, eny, teo imason’izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ny tanàna”, izany rehetra izany. (Ge 23:17, 18) Nividy sombin-tany tamin’ny Sekemita koa i Jakoba, tatỳ aoriana.—Ge 33:18, 19.
Nivarotra sakafo tamin’ny vahoaka i Josefa praiminisitra, nandritra ny mosary fito taona tany Ejipta. Vola aloha no nataon’izy ireo takalony, avy eo biby fiompy, tany, ary farany ny tenan’izy ireo mihitsy.—Ge 42:2-25; 47:13-23.
Tsy azo natao ny nividy sy nivarotra rehefa Sabata. Voararan’ny Lalàna koa ny nanao ny tsy marina Le 25:14-17; Ne 10:31; 13:15-18; Am 8:4-6.
rehefa nivarotra. Tsy noraharahain’ny Israely nivadi-pinoana anefa matetika ireny lalàna ireny.—Te hividy ny famoloan’i Araona (Ornana) i Davida Mpanjaka mba hanorenana alitara, fa i Araona kosa te hanome an’ilay izy fotsiny. Tsy nanaiky mihitsy anefa i Davida, raha tsy nanome sekely volafotsy 50 (110 dolara) hividianana an’ilay izy sy izay nilaina hanaovana sorona. Toa novidina koa ny tany nanodidina an’ilay izy tatỳ aoriana mba hanorenana tempoly, ka sekely volamena 600 (77 070 dolara eo ho eo) no vidiny. (2Sa 24:21-24; 1Ta 21:22-25) I Joasy sy Josia Mpanjaka kosa nividy fitaovana sy nanakarama mpiasa rehefa nanamboatra ny simba tamin’ny tempoly.—2Mp 12:9-12; 22:3-7.
Nividy saha tao Anatota, tanàna niaviany, i Jeremia. Hoy izy momba izany: “Nanao taratasy fifanekena sy nanisy tombo-kase an’ilay izy aho, ary naka vavolombelona, ka nandanja ny vola tamin’ny mizana.”—Je 32:9-16, 25, 44.
Imbetsaka koa ny Soratra Grika Kristianina no miresaka fa nisy zavatra novidina, toy ny hanina, menaka, akanjo, perla, saha, trano, volamena, fanafody maso, entana samihafa, biby, ary olona. (Mt 13:44-46; 25:8-10; 27:7; Mr 6:37; Jn 4:8; 13:29; As 1:18; 4:34-37; 5:1-3; Ap 3:18; 13:17; 18:11-13; jereo BANKY.) Nividy sy nanafaka ny Jiosy mpino tamin’ny ozon’ny Lalàna i Kristy, izay voaozona hisolo azy ireo rehefa nahantona teo amin’ny tsato-kazo nefa tsy nanan-tsiny akory. (Ga 3:13; 4:5) Novidin’i Jehovah “tamin’ny ran’ny Zanany” koa ny “fiangonan’Andriamanitra” manontolo.—As 20:28.