Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fo

Fo

Taova mampikoriana ny ra mamelona an’ireo selan’ny vatana. Iankinan’ny aina izy io.​—Le 17:14.

Manasongadina ny fo ny Soratra Masina satria miverina ao inarivo eo ho eo io teny io. Ilazana ny fo ara-bakiteny sy ny fo an’ohatra ny teny hebreo (lev, levav) sy grika (kardia) ao amin’ny Baiboly.

Fo ara-bakiteny. Vitsy ihany ireo andininy miresaka momba ny fo ara-bakiteny. Voalaza, ohatra, fa notifirin’i Jeho tamin’ny zana-tsipìka i Jorama ka voany “teo anelanelan’ny sorony. Dia niboroaka avy teo amin’ny fony ilay zana-tsipìka.”​—2Mp 9:24; jereo koa Ek 28:30.

Fo an’ohatra. Saika amin’ny heviny an’ohatra foana no ampiasan’ny Baiboly ny hoe “fo.” Toy izao no famaritana azy io: “Ny eo afovoany, ny ao anaty, izany hoe ny maha izy ny olona iray. Tafiditra amin’izany izay rehetra ataony, ny faniriany, ny fihetseham-pony, izay tena tiany, ny fikasany, ny eritreriny, izay tsapany, izay foronin’ny sainy, ny fahendreny, ny fahalalany, ny fahaizany, ny zavatra inoany sy ny fomba fisainany, ary izay tadidiny sy izay ao an-tsainy.”​—Gazetin’ny Fikambanana Mamoaka Boky Famakafakana Baiboly, 1882, p. 67.

Tsy ny fihetseham-po na ny antony manosika hanao zavatra na ny fahaiza-misaina fotsiny àry ny fo an’ohatra, ao amin’ny Baiboly. “Izay rehetra mampiavaka ny olona iray, tafiditra amin’izany ny fihetseham-pony sy ny fahaizany misaina ary ny sitrapony, no atao hoe fo ... amin’ny Semita.” Ny “maha izy ny olona iray manontolo ao anatiny ao [izy io], mifanohitra amin’ilay vatany etỳ ivelany azo tsapain-tanana.”​—Manana Heviny An’ohatra Ireo Taova sy Rantsambatana Amin’ny Teny Hebreo sy Akadianina, nataon’i E. Dhorme, Paris, 1963, p. 113, 114, 128 (amin’ny teny frantsay).

Mpandinika ny fo Andriamanitra, ka izay tena maha izy ny olona no zava-dehibe aminy fa tsy izay miseho etỳ ivelany. (Oh 17:3; 24:12; Sl 17:3; 1Sa 16:7) Hoy àry ny Baiboly: “Arovy ny fonao [ny maha ianao anao manontolo], mihoatra noho izay rehetra tokony harovana, fa avy ao aminy ny loharanon’aina.” (Oh 4:23) Tsy tokony hifantoka amin’ny fihaingoana ivelany ny vehivavy kristianina manambady, fa amin’ilay “toetra miafina ao am-po, izay toy ny manao fitafiana tsy mety simba, dia ny toetra tony sy malemy paika, izay tena sarobidy eo imason’Andriamanitra.”​—1Pe 3:3, 4.

Imbetsaka koa no ampiasan’ny Baiboly ny hoe “fo” amin’ny heviny hoe fahaiza-misaina. Tsy hoe misaraka amin’ny maha izy an’ilay olona anefa ilay izy amin’izay. Hoy i Mosesy tamin’ny Israelita: “Raketo ao am-ponao [na “ao an-tsainao”] fa i Jehovah no tena Andriamanitra.” Hoy koa izy: “Tsy nomen’i Jehovah fo [na “saina”] mba hahalalanareo ianareo.” (De 4:39; 29:4) Ampiarahina amin’ny fo koa indraindray ny hoe ‘mieritreritra’ (Mt 9:4; Mr 2:6), “mahiratra” (1Mp 3:12), ‘mahazo hevitra’ (Mr 6:52), ary “fahalalana” (Oh 15:14) ao amin’ny Soratra Hebreo sy Soratra Grika Kristianina.

Ilazana koa ny antony manosika hanao zavatra, izay anisan’ny maha izy ny olona, ny hoe “fo.” “Tonga” nanao fanomezana hanamboarana ny tranolay masina, ohatra, ny Israelita “rehetra natosiky ny fony.” (Ek 35:21, 26, 29; 36:2) I Hamana ratsy fanahy kosa “sahy [‘nasesiky ny fony’, Prot.]” nanao teti-dratsy hamongorana ny Jiosy. (Es 7:5; As 5:3; jereo koa Prot.) Milaza ny Hebreo 4:12 fa toy ny sabatra maranitra ny tenin’Andriamanitra na ny fampanantenany, ka mahay “mamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany.” Nilaza koa i Jesosy fa ny fon’ny olona no manosika azy hanao ny tsara na hanao ny ratsy. (Mt 15:19; Lk 6:45) Tian’Andriamanitra ho tsara foana ny antony manosika antsika hanao zavatra. Mampitandrina antsika àry ny Baiboly sao te hanararaotra ny hafa fotsiny isika (Jd 16), na sao lasa tia vola aman-karena. (1Ti 6:9, 10; Oh 23:4, 5) Tokony ho tena tia an’Andriamanitra kosa isika matoa manompo azy (1Jn 5:3; De 11:13), tokony ho tia sy hahafoy tena ho an’ireo mpiray finoana amintsika isika (Jn 15:12, 13), ary tokony ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika (Lk 10:27-37; Ga 6:10). Mila mahay misaina tsara anefa isika vao ho tsara toy izany foana ny antony manosika antsika.​—Sl 119:2, 24, 111.

Ny toetra sy ny toe-tsaina no ahitana hoe mirehareha sa manetry tena ilay fo an’ohatra. (Oh 16:5; Mt 11:29, f.a.p.) Anisan’ny maha izy ny olona koa ny fihetseham-pony, toy ny fitiavana (De 6:5; 1Pe 1:22), fifaliana (De 28:47; Jn 16:22), alahelo (Ne 2:2; Ro 9:2), ary fankahalana (Le 19:17). Mety ‘hitebiteby’ (Is 35:4, f.a.p.), na ho “voatsindrona” noho ny alahelo (Sl 109:22), na “hihorohoro” noho ny tahotra (De 20:8) àry ny fo. Indraindray koa ampiarahin’ny Soratra Grika Kristianina ny hoe saina sy fo, ka ilazana ny fihetseham-po sy ny faniriana ny hoe “fo.” Nilaza, ohatra, i Jesosy hoe: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo.” (Mt 22:37) Tokony hahitana taratry ny fitiavana an’Andriamanitra àry ny fanirian’ny olona iray sy ny fihetseham-pony ary ny fomba ampiasany ny sainy (ohatra hoe mianatra hahalala an’Andriamanitra sy Kristy).​—Jn 17:3.

Ilazana ny fo an’ohatra, fa tsy ny fo ara-bakiteny, àry ny zavatra ataon’ny olona iray, ny fahaizany, ny fihetseham-pony ary ny toetrany. Ireo rehetra mitambatra no maha izy azy manontolo.

Mety ‘hamitaka’ ny fo. Lavorary i Adama nefa navelany ho voafitaka ny fony. Nolaviny ny marina ary nafoiny Andriamanitra. (Jereo Jk 1:14, 15.) Nandova ota daholo àry ny taranak’i Adama, ka efa mpanota raha vao niforona tao an-kibo ary efa nanam-pahadisoana rehefa nateraka. (Sl 51:5) Hoy Andriamanitra momba ny olombelona, taorian’ny Safodrano: “Zava-dratsy foana no irin’ny fony, efa hatramin’ny fahazazany.”​—Ge 8:21.

Hoy Andriamanitra tamin’ny firenen’ny Joda mpikomy: “Mamitaka mihoatra noho ny zava-drehetra ny fo, sady sarotra fehezina.” (Je 17:9) Tsy hifantoka fotsiny amin’izay hitan’ny olona fa amin’ny tena toetrany, na ny maha izy azy, àry izay te hampifaly an’Andriamanitra. Mety ho efa Kristianina an-taonany maro ny olona iray sady mahalala tsara ny Baiboly, ka matoky hoe ho fantany izay tokony hatao na inona na inona mitranga. Mety hanosika azy hanota anefa ny eritreriny sy ny faniriany ao am-pony ao, na dia fantany tsara aza fa ratsy ilay izy sady raran’Andriamanitra.

Tokony hotadidin’ny Kristianina foana àry fa mety hamitaka azy ny fony, na dia efa fantany aza ny marina ary mihevi-tena ho matotra izy. Tokony hiezaka mafy izy hanalavitra fakam-panahy.​—Mt 6:13; 1Ko 10:8-12.

Manompo amin’ny “fo manontolo.” Tsy ho velona ny olona iray raha analana ny fony ara-bakiteny. Ny fo an’ohatra kosa mety ho voazarazara. Hoy àry i Davida: “Ataovy izay hatahorako ny anaranao amin’ny foko manontolo.” Midika izany fa mety ho tsy amin’ny fo manontolo no itiavana na atahorana an’Andriamanitra. (Sl 86:11) Mety ‘hanana fo voazarazara’ ny olona iray, ka matimaty ara-panahy. (Sl 119:113, f.a.p.; Ap 3:16) Mety ‘hanana fo roa’ koa izy, izany hoe mety hanompo tompo roa na hamitaka ka hafa no lazainy nefa hafa ny ao an-tsainy. (Sl 12:2, f.a.p.) Nomelohin’i Jesosy ny mpihatsaravelatsihy toy izany.​—Mt 15:7, 8.

Tsy tokony hanana fo voazarazara na hanana fo roa ny olona te hampifaly an’Andriamanitra, fa tokony hanompo azy amin’ny fo manontolo. (1Ta 28:9) Ilana ezaka mafy izany satria sarotra fehezina ny fo ary zava-dratsy foana no iriny. (Je 17:9, 10; Ge 8:21) Manampy antsika hanompo an’Andriamanitra amin’ny fo manontolo ny mivavaka avy amin’ny fo (Sl 119:145; Ft 3:41), mianatra tsy tapaka ny Teniny (Ezr 7:10; Oh 15:28), mazoto mitory ny vaovao tsara (ampit. Je 20:9), ary miaraka amin’ireo manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo.​—Ampit. 2Mp 10:15, 16.

Inona no dikan’ny hoe “tsy manana fo”?

Resahin’ny Baiboly imbetsaka fa misy olona “tsy manana fo.” Midika izany hoe “tsy misaina” izy. (Lexicon in Veteris Testamenti Libros, nataon’i Koehler sy Baumgartner, Leyde, 1958, p. 470) “Tsy mahazo hevitra” izy, araka ny Diksioneran’ny Testamenta Taloha Hebreo-Anglisy. (Nataon’i William Gesenius ary nadikan’i E. Robinson, 1836, p. 517) Tsy mahay manavaka ny olona “tsy manana fo” na “tsy ampy saina”, mifanohitra amin’ny hoe “mahira-tsaina” (Oh 10:13, f.a.p.) sy “mahay manavaka.” (Oh 11:12, f.a.p.; 15:21) Voalaza koa fa “tanora fanahy” sy “adala” na tsy hendry izy. (Oh 7:7; 9:1-9, 16; 10:21, f.a.p.) Tsy tsara toetra àry ny olona lazaina hoe “tsy manana fo.”

Tsy mahay manavaka tokoa ny olona “tsy manana fo.” Milaza, ohatra, ny Ohabolana 6:32 fa “tsy manana fo” (f.a.p.) izay manitsakitsa-bady. Ny Baiboly hafa manao hoe “tsy ampy saina” (Prot.), “tsy misy saina” (Kat.), “adala” (DIEM), “tsy ampy fahalalana” (JM). “Adala” tokoa izay manitsakitsa-bady satria hijinja vokany tena ratsy. (Oh 1:2-4; 6:23-35; 7:7, 21-27) Mety ho toa manan-kaja izy rehefa jerena ivelany, nefa tsy matotra mihitsy ny toetra maha izy azy.

Hoy ny ohabolana iray hafa: “Mifandray tanana ho mariky ny fifanekena ny tsy ampy saina, ka miantoka olona nisambo-bola, eo anatrehan’ny namany.” (Oh 17:18) Angamba entanin’ny fihetseham-po ilay olona tsy ampy saina na “tsy manana fo”, ka manao fifanekena mety hahafaty antoka azy sy hahatonga azy ho tena sahirana ara-bola. Mety ho tsara fikasa izy, nefa tsy mahay manavaka.

Misy kosa miezaka “hanana fo” hendry. Hoy ny Ohabolana 19:8: “Tia ny tenany izay miezaka hanana fo hendry. Hahita soa ny olona raha miezaka hahay hanavaka foana.” Ny toetra maha izy azy no tena zava-dehibe amin’ny olona toy izany. Mampiasa ny sainy izy mba hianarana momba an’Andriamanitra sy ny fitsipiny. Misaintsaina izany izy ka miezaka mampihatra. Miezaka mafy izy mba hankasitrahan’Andriamanitra ny faniriany, ny fihetseham-pony ary ny tanjony eo amin’ny fiainana. Mandray soa àry izy ka hita fa “tia ny tenany.” Manatsara ny toetra maha izy azy izy ka “miezaka hahay hanavaka foana”, satria mazoto mianatra Baiboly sy misaintsaina ary mampihatra. Lasa mahay misaina kokoa sy manao zavatra amim-pahendrena kokoa àry izy.

Fon’Andriamanitra. Manana fihetseham-po i Jehovah, satria resahin’ny Baiboly hoe manana ‘fo’ izy. “Nalahelo ny fony” tamin’ny Safodrano. Nanenina izy, izany hoe nalahelo fa tsy neken’ny olona ny fitondrany. Tsy afaka nanasoa azy ireo intsony àry izy fa voatery nandringana azy. (Ge 6:6) ‘Faly’ kosa ny ‘fony’ rehefa tsy mivadika aminy ny mpanompony. (Oh 27:11) Nivadika ny Israelita sasany ka nandoro olona mba hatao sorona. Tsy tao am-pon’Andriamanitra mihitsy anefa izany. Tsy mampijaly olona mandrakizay any amin’ny afobe mihitsy àry izy.​—Je 7:31; 19:5, f.a.p.

Eo afovoany. Somary afovoan’ny vatan’ny olombelona no misy ny fo ara-bakiteny. Nadika hoe ‘afovoany’ na ‘anaty’ koa àry indraindray ny teny hebreo na grika midika hoe “fo”, toy ny ao amin’ireo teny hoe “anatin’ny tany” (Mt 12:40, Prot.), “afovoan’ny ranomasina”, “anatin’ny ranomasimbe” (Ek 15:8; Jo 2:3) ary “afovoan’ilay hazobe” (2Sa 18:14).

Ao amin’ny faminaniana. Miresaka fo an’ohatra ny faminaniana ao amin’ny Daniela 7:4. Najoro tamin’ny tongony roa ilay bibidia tahaka ny liona, izay mifanitsy amin’ny Fanjakana Babylonianina. Nomena “fon’olombelona” izy, izany hoe tsy nanana “fon’ny liona” na tsy nanana herim-po intsony. (2Sa 17:10) Resin’ilay “orsa” an’ohatra, dia ny Media-Persa, àry izy tatỳ aoriana.​—Da 7:5; jereo BIBY AN’OHATRA.