Fody
[Gr.: strotiôn].
Ilazana vorona kely, indrindra fa ny fody, ny hoe strotiôn (gr.). Ny karazana fody Passer domesticus biblicus no betsaka any Israely. Mivolontsôkôlà sy mivolondavenona ny fody, be tabataba sy tia miaraka maro, misiotsioka, ary mivezivezy manidina avy eny amin’ny tampon-trano, hazo, na kirihitra, mankeo amin’ny tany izy. Voa sy bibikely ary kankana no tena fihinany. Fahita any Israely koa ny fody espaniola (Passer hispaniolensis), indrindra fa any amin’ny faritra avaratra sy afovoany.
Ny tenin’i Jesosy tamin’izy nitory fanintelony tany Galilia, sy tamin’izy nanompo tany Jodia herintaona teo ho eo taorian’izay, no hany ahitana hoe fody ao amin’ny Baiboly. Toa tsy misy vidiny ireny satria ‘vola madinika [iray] kely vidy [a.b.t.: asariona, latsaky ny 0,05 dolara] no ivarotana fody roa’, ary “vola madinika roa kely vidy” no ahazoana fody dimy. “Tsy hisy ho latsaka amin’ny tany anefa ireny na iray aza, ka tsy ho fantatry ny Rainareo”, hoy i Jesosy, ary ‘tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra ireny.’ Nampirisika ny mpianany mba tsy hatahotra izy avy eo, ka nilaza hoe: “Sarobidy noho ny fody maro ianareo.”—Mt 10:29-31; Lk 12:6, 7.
Mbola amidy eny an-tsena hatramin’izao ny fody, any atsinanan’ny Ranomasina Mediterane. Volosana ireny ary maromaro no indray atsindrona amin’ny hazo mba hatsatsika (toy ny masikita). Ny fody no mora indrindra tamin’ny vorona fihinana, araka ny soratra fahiny misy ny lalàna momba ny hetra (taona 301) navoakan’i Dioclétien, mpanjaka romanina.—Fanazavan’ny Tatsinanana Fahiny, nataon’i A. Deissmann, 1965, p. 273, 274.
Nadika hoe fody ny hoe tsippôhr (heb.) ao amin’ny Soratra Hebreo ao amin’ny Fandikan-teny Katolika (Sl 84:4) sy ny Baiboly hafa. Toa anarana iombonan’ny voronkely rehetra anefa ny hoe tsippôhr, fa tsy ilazana ny fody fotsiny.