Fomban-drazana
Fanazavana, fampianarana, na fanao nampitain’ny ray aman-dreny tamin’ny zanany na lasa fomba fisainana sy fanao mahazatra. Midika ara-bakiteny hoe “zavatra nomena eo akaiky” ny teny grika hoe paradôsis, ka ilazana an’izay “nampitaina am-bava na an-tsoratra.” (1Ko 11:2, Int) Ampiasaina ao amin’ny Soratra Grika Kristianina io teny io mba hilazana ireo fomban-drazana sy fampianarana nekena teo anivon’ny fivavahana marina, sy ireo nifanohitra tamin’ny fahamarinana na tsy nahasoa.
Nanaraka fomban-drazana maro ny Jiosy, tatỳ aoriana, anisan’izany ny momba ny fitafy sy ny fampakaram-bady ary ny fandevenana. (Jn 2:1, 2; 19:40) Fomban-drazana koa ny fanao sasany teo anivon’ny Fivavahana Jiosy tamin’ny taonjato voalohany, toy ny fampiasana divay rehefa Paska sy ny fankalazana ny fitokanana indray ny tempoly. (Lk 22:14-18; Jn 10:22) Tsy nandrara ny hanaovana an’ireo i Jesosy sy ny apostoliny, na dia fantany aza fa tsy notakin’ny Lalàna ireo. Lasa fanao koa ny nivory isan-tsabata tao amin’ny synagoga na toeram-pivavahan’ny Jiosy. ‘Fanaon’i Jesosy’, ohatra, izany.—Lk 4:16.
Nisy tsy nankasitrahana. Nampian’ny mpitondra fivavahana jiosy lovantsofina maro ny Tenin’Andriamanitra satria ilain’ny tena mpivavaka, hono, ireny. Fariseo fatra-panaja an’ireo fomban-drazana narahin’ny Fivavahana Jiosy i Paoly (Saoly), talohan’ny niovany ho Kristianina. Azo nekena ny sasany tamin’ireny, nefa nisy koa tsy nahasoa. Lasa mpanenjika Kristianina anefa izy satria nanaraka “didin’olombelona.” (Mt 15:9) “Tsy mba nihinana”, ohatra, ny Jiosy “raha tsy efa nanasa tanana hatreo amin’ny kiho, satria nitana mafy ny fomban-drazana.” (Mr 7:3) Tsy natao hitandroana ny fahadiovana izany, fa fombafomba ara-pivavahana nanan-danja, hono. (Jereo FANASANA TANANA.) Nilaza àry i Kristy fa tsy tokony hokianina ny mpianany raha tsy nanaraka an’io fombafomba io sy ireo “didin’olombelona” tsy nilaina. (Mt 15:1, 2, 7-11; Mr 7:4-8; Is 29:13) Nataon’ny mpitondra fivavahana tsy nanan-kery koa ny Tenin’Andriamanitra sady nodikainy ny didiny, noho ilay fomban-drazan’izy ireo momba ny “korbana” (fanomezana voatokana ho an’Andriamanitra).—Ek 20:12; 21:17; Mt 15:3-6; Mr 7:9-15; jereo KORBANA.
Tsy nanonona lovantsofina jiosy mihitsy i Jesosy sy ny mpianany rehefa nampianatra, fa nampiasa kosa ny Tenin’Andriamanitra. (Mt 4:4-10; Ro 15:4; 2Ti 3:15-17) Rehefa niorina ny fiangonana kristianina, dia lasa “fitondran-tena tsy mitera-boka-tsoa” azon’ny Jiosy “tamin’ny fampianarana nentin-drazana [gr.: patrôparadôto, “nampitain’ny razana”]” ireo fombafomba tsy ara-baiboly narahiny. (1Pe ) Tsy nanaraka an’ireny intsony àry ireo Jiosy lasa Kristianina. Nampitandreman’i Paoly ny Kolosianina mba tsy hanaiky hotaomin’ny mpampianatra sandoka hanaraka ny “filozofia sy ny famitahana poakaty araka ny fampianarana nifandovan’ny olombelona”, indrindra fa ny fampianaran’ny Fivavahana Jiosy.— 1:18Kl 2:8, 13-17.
Fampianarana kristianina. Azo lazaina hoe toro lalana nampitaina am-bava na tamin’ny alalan’ny ohatra koa ny fomban-drazana na fampianarana. Azo nekena sy azo nampitaina tamin’ny fiangonana kristianina àry ny fampianarana azon’i Paoly mivantana tamin’i Jesosy, toy ny fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo. (1Ko 11:2, 23) Azo nekena koa ny fampianarana sy modely nomen’ny apostoly. Niasa mafy, ohatra, i Paoly mba tsy hampitondra enta-mavesatra an’ireo rahalahiny teo amin’ny lafiny ara-bola (As 18:3; 20:34; 1Ko 9:15; 1Te 2:9), ka nampirisihiny ny Tesalonianina ‘mba hiala amin’ny rahalahy rehetra tsy laitra fehezina, izay tsy mitondra tena araka ny fampianarana [paradôsin]’ noraisin’izy ireo. Tsy nanahaka ny modely na ny fampianaran’ny apostoly àry izay Kristianina tsy nety niasa.—2Te 3:6-11.
Lasa anisan’ny Soratra Masina ireo fomban-drazana na fampianarana madio sy tsy misy tsiny ilain’ny mpanompon’Andriamanitra. Tsy nampitaina am-bava fotsiny àry ny fampianarana sy didy iankinan’ny aina nolazain’i Jesosy sy ny apostoly, sao hisy hanova rehefa mandeha ny fotoana. Nosoratana tao amin’ny Baiboly kosa izy ireny mba hahasoa ny Kristianina atỳ aoriana.—Jn 20:30, 31; Ap 22:18.