Fonja
Toerana itanana olona hotsaraina na meloka ho nandika lalàna. Ireto avy no dikan’ireo teny tany am-boalohany ilazana ny fonja: “Trano boribory” (Ge 39:20), “trano misy lavaka fanangonan-drano” (Ek 12:29), “trano fitanana” (1Mp 22:27), “trano fiambenana” (Ge 42:19; Je 52:11), “tranon’ireo voafonja na mifatotra” (Mpts 16:21; Mpto 4:14), “trano misy boloky hazo” (2Ta 16:10), “toerana famatorana” (Mt 11:2), “toeram-piambenana” (Mt 14:10), ary “toerana fiambenana na fanaraha-maso” (As 5:18).
Nanao am-ponja an’izay voasazin’ny lalàna ny firenena fahiny, toy ny Ejipsianina, Filistinina, Asyrianina, Babylonianina, ary Persianina. (Ge 39:20; Mpts 16:25; 2Mp 17:4; Ezr 7:26; Je 52:31-33) Nisy nofatorana tamin’ny gadra ka nampanaovina asa an-terivozona, ohatra hoe nanodina vato lehibe fikosoham-bary. (Mpts 16:21; 2Mp 17:4; Sl 105:17, 18; Je 52:11) Mety ho niandraikitra gadra hafa ny voafonja natokisana (toa an’i Josefa) tany Ejipta, ary nikarakara an’ireo gadra nanana toerana ambony taloha.—Ge 39:21–40:4.
Efa hatramin’ny taonjato faha-18 T.K. no nisian’ny fonja, satria tamin’izany i Josefa no naiditra am-ponja tsy ara-drariny tao amin’ny “tranon’ny lehiben’ny mpiaro an’i Farao.” (Ge 39:20; 40:3; 41:10) Toa nisy lakaly na lavaka hoatran’ny lavaka fanangonan-drano io fonja io, ary natao tao ny gadra sasany.—Ge 40:15; 41:14; ampit. Is 24:22.
Tsy nisy fampidirana am-ponja teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy. Nosazina avy hatrany izay meloka (Js 7:20, 22-25) fa tsy nambenana, raha tsy hoe nilaina angaha ny fanazavana bebe kokoa avy tamin’Andriamanitra. (Le 24:12; No 15:34) Nampiasa fonja anefa ny Israelita tatỳ aoriana. Natao tao amin’ny ‘trano figadrana tao an-tranon’i Jonatana’, ohatra, i Jeremia mpaminany. Nisy “efitra figadrana”, angamba lakaly figadrana, izy io. Ratsy be ilay fonja ka natahotra ny ho faty tao i Jeremia. (Je 37:15-20) Nafindra tao amin’ny “Tokotanin’ny Mpiambina” àry izy. Nahazo mofo iray isan’andro izy tao, azo novangiana ary afaka nividy tany.—Je 32:2, 8, 12; 37:21; jereo koa 1Mp 22:27; 2Ta 16:10; He 11:36.
Ny mpiambina fonja no tompon’andraikitra tamin’ny voafonja, araka ny fanaon’ny Romanina tamin’ny taonjato voalohany. (As 12:19) Saika hamono tena àry ilay mpiambina tany Filipy, satria nihevitra fa nitsoaka ireo voafonja. (As 16:27) Matetika no nijoro teo am-baravaran’ny fonja ny mpiambina, na nasiana boloky hazo ny tongotry ny voafonja, na nasiana rojo vy ny tanany ary nafatotra tamin’ny tanan’ny mpiambina mba tsy ho afa-mitsoaka izy. (As 5:23; 12:6-10; 16:22-24) Nisy voafonja azo novangiana.—Mt 25:36; As 23:35; 24:23, 27; 28:16-31; jereo FATORANA; MPIAMBINA FONJA.
Kristianina maro no natao am-ponja, araka ny efa nambaran’i Kristy Jesosy. (Lk 21:12; As 26:10; Ro 16:7; Kl 4:10; He 10:34; 13:3) Mbola hisy Kristianina henjehina sy hatao am-ponja, hoy ny apostoly Jaona tamin’izy natao sesitany tao amin’ny nosy Patmo.—Ap 2:10.
Heviny an’ohatra. Ilazana tany anaovana sesitany (ohatra, Babylona) na ny fangejan’ny fivavahan-diso ny hoe “fonja.” (Is 42:6, 7; 48:20; 49:5, 8, 9; 61:1; Mt 12:15-21; Lk 4:17-21; 2Ko 6:1, 2) Tsy azo gadraina ny anjely tsy nankatò tamin’ny andron’i Noa satria tsy hoatran’ny vatan’olombelona ny vatany. Voafetra anefa ny zavatra azony atao. Ao amin’ny haizim-be koa izy ireo, toy ny hoe ao am-ponja, satria tsy mifandray amin’i Jehovah Andriamanitra intsony. (1Pe 3:19; Jd 6; jereo TARTARA.) “Fonja” ilay lavaka mangitsokitsoka hitanana an’i Satana arivo taona, satria hogadraina ao izy ary tsy ho afaka hanao na inona na inona toy ny hoe maty.—Ap 20:1-3, 7.