Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fortonato

Fortonato

(Fôrtonàto) [avy amin’ny teny lat., ary midika hoe Tsara Vintana; Ambinina].

Iray tamin’ireo Kristianina matotra teo anivon’ny fiangonan’i Korinto. Niaraka tamin’i Stefanasy sy Akaiko izy nitsidika an’i Paoly tany Efesosy. (1Ko 16:8, 17, 18) Mety ho avy tamin’ireo lehilahy ireo no nandrenesan’i Paoly an’ireo zava-nitranga nampalahelo nosoratany tao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintianina. Mety ho izy ireo ihany koa no nanatitra an’io taratasy io.​—1Ko 1:11; 5:1; 11:18.