Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fotoanan’ny Farany

Fotoanan’ny Farany

Teny miverina inenina ao amin’ny bokin’i Daniela. Atao hoe fotoanan’ny farany ny fifaranan’ny rafitry ny tontolo iray mandra-paharava azy io. Nomena fahitana momba izay hitranga amin’ny hoavy i Daniela mpaminany. Nilazana izy avy eo hoe: “Ry Daniela ô, hazòny ho zava-miafina ny teny ary asio tombo-kase ny boky, mandra-pahatongan’ny fotoanan’ny farany. Maro no handinika lalina, ka hitombo be ny tena fahalalana.”​—Da 12:4.

Hoy i Thomas Scott, mpivaofy teny, momba io andininy io: “Nilaza tamin’i Daniela ilay anjely rehefa namarana ny teniny, fa tsy hazava io faminaniana io sady ho ‘boky voaisy tombo-kase’, satria tsy ho azo firy ny heviny ‘mandra-pahatongan’ny fotoanan’ny farany’ ... Manaporofo izany ny zava-misy: Ekena fa saro-takarina ny ankamaroan’ny faminanian’i Daniela, sady ‘mistery’ ho an’ny mpino amin’ny ankapobeny. ... Maro tato ho ato no nikaroka mafy tao amin’ny tantara hoe inona no zava-nitranga nanatanteraka an’ireny faminaniany ireny; nampitaha azy ireny tamin’ny andininy hafa koa izy ireo ka naminavina hoe faminaniana inona no mbola ho tanteraka. Nihanazava àry ny hevitr’izy ireny. Ho azo kokoa ny hevitr’izy ireny arakaraka ny ahatanterahany. Ho variana kokoa amin’izy ireny ny taranaka any aoriana, ary hiana-javatra kokoa avy amin’ireny, tsy hoatran’ny amin’izao.” (Fanazavana Fohy nataon’i Scott, 1832) Mbola tsy azo ny hevitry ny faminanian’i Daniela tany am-piandohan’ny taonjato faha-19. Taorian’izay àry ny “fotoanan’ny farany”, satria amin’io fotoana io vao hahazo ny hevitry ny faminaniana ireo “lalin-tsaina”, na ny tena mpanompon’Andriamanitra.​—Da 12:9, 10.

Hoy koa ny Daniela 11:40 momba izay hataon’ny fanjakan’olombelona amin’ny “fotoanan’ny farany”: “Amin’ny fotoanan’ny farany, dia hifanosika [amin’ny mpanjakan’ny avaratra] ny mpanjakan’ny atsimo, ary ny mpanjakan’ny avaratra kosa ho avy hamely azy toy ny tafio-drivotra ka hitondra kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary sambo maro.” Resahin’ilay faminaniana avy eo izay hataon’ilay “mpanjakan’ny avaratra” sy izay hiafarany. (Da 11:41-45) Hiafara amin’ny fandringanana an’ilay “mpanjakan’ny avaratra” àry io “fotoanan’ny farany” io. Voalaza mantsy fa hanenjika an’ireo “lalin-tsaina” na mpanompon’Andriamanitra ilay “mpanjakan’ny avaratra”, “mandra-pahatongan’ny fotoanan’ny farany” na fotoana handringanana azy.​—Da 11:33-35.

Hisy koa “mpanjaka iray masiaka endrika” hitsangana hanohitra an’ilay “Andrianan’ny andriana”, mandritra ny “fotoanan’ny farany.” Ho torotoro, na ho ringana, anefa io “mpanjaka” io amin’ny farany. Hitsangana izy io rehefa hifarana ireo fanjakana maro nipoitra avy tamin’ny Fanjakana Grika nizara efatra. (Da 8:8-25) Avy tamin’ny Fanjakana Grika koa ny “mpanjakan’ny avaratra” sy ny “mpanjakan’ny atsimo.” Iray amin’ireo ‘mpanjaka’ ireo àry ilay ‘mpanjaka masiaka endrika’, ary fotoana handringanana azy ilay “fotoanan’ny farany.”

Tsy midika hoe ‘faran’ny fotoana’ ny hoe “fotoanan’ny farany”, fa midika hoe fotoana hiafara amin’ny faran’ireo zavatra voalazan’ilay faminaniana na fandringanana azy ireo, fa tsy faran’ny zava-drehetra. Milaza ny Baiboly fa tsy hifarana mihitsy ny fotoana. Voalaza, ohatra, hoe “tsy ho voahozongozona mandrakizay doria” ny tany. (Sl 104:5) Hisy foana àry ny tany, ka tsy hifarana mihitsy koa ny fotoana satria ny fihodinan’ny tany no anisan’ny amaritana ny fotoana. Marina fa azo adika hoe “tsy hisy fotoana intsony” (JM) ny Apokalypsy 10:6. Asehon’ny teny manodidina anefa fa ny heviny dia hoe tsy hisy fanemoram-potoana intsony, fa tapitra ilay fotoana nomena. Nadikan’ny Baiboly sasany toy izao àry ilay andininy: “Tsy hisy fotoana andrasana intsony.” (DPV) “Tsy hisy hataka andro intsony.” (TV) Hoy i A. Robertson momba ilay andininy: “Tsy midika izy io hoe tsy hisy intsony ny krônôs (fotoana) ..., fa hoe tsy hisy hataka andro intsony ny fahatanterahan’izay holazain’ny anjely mitsoka ny trompetra fahafito (andininy 7), ho valin’ilay fanontaniana hoe ‘Mandra-pahoviana?’ (6:10).”​—Ireo Sarin-teny ao Amin’ny Testamenta Vaovao, 1933, Boky Faha-6, p. 372.