Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fototra

Fototra

Faritra ambany iorenan’ny trano na zavatra iray ka mizaka ny lanjan’ilay izy manontolo. Tsy maintsy atao mafy tsara ny fototra raha tiana ho mafy sy hateza ny trano. Toy izany, ohatra, no natao tany Palestina noho ny oram-baratra, rivotra, ary tondra-drano. Be horohoron-tany koa any. Avy amin’ny fototeny hoe yasad midika hoe ‘manao; mametraka ny fototra; manorina’ ny teny hebreo maromaro nadika hoe “fototra.” (Is 23:13; 51:13; Sl 24:2) Temeliôs kosa ny teny grika ilazana ny fototra, ary amin’ny heviny ara-bakiteny izy io ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:26.

Toy ny trano misy fototra ny Tany, hoy i Jehovah ilay Mpanorina Tena Mahay, tamin’izy namaly an’i Joba tao anatin’ny tafio-drivotra. (Jb 38:4-7) Mihantona amin’ny tsy misy ny Tany, nefa mafy orina ny fototra iorenany ka tsy ho voahozongozona mihitsy. Mitana azy mafy eo amin’ny toerany mantsy ny lalàna fizika tsy miovaova izay mifehy an’izao rehetra izao. Tsy miova koa ny fikasan’Andriamanitra momba ny Tany. (Jb 26:7; 38:33; Sl 104:5; Ml 3:6) Toy ny hoe mandrava ny fototra mahamafy orina ny tany na firenena iray kosa ireo manao ny tsy rariny sy tsy mankatò ny lalàn’Andriamanitra, ka voahozongozona ny fototry ny Tany (ny mponina sy ireo rafitra eo amin’ny fiaraha-monina).​—Sl 82; 11:3; Oh 29:4.

Tsy hoe fametrahana ny fototry ny Tany ilay hoe “fanorenana [gr.: katabôles] an’izao tontolo izao.” Ny olombelona ilay “izao tontolo izao” eo, ary efa velona i Abela tamin’ny fotoana nanorenana azy io, hoy i Jesosy. (Lk 11:48-51) Efa voapetraka ela be talohan’izay koa ny fototry ny Tany.​—Jereo ABELA No. 1; IZAO TONTOLO IZAO.

Toa fotoam-pifaliana ny fametrahana fototra. Nihoby, ohatra, ny anjely rehefa ‘naorina ny tany.’ Faly be koa ny Jiosy rehefa nalatsaka ny fototry ny tempolin’i Zerobabela, na dia nitomany aza ireo efa nahita ny voninahitr’ilay tempoly talohan’io.​—Jb 38:4, 6, 7; Ezr 3:10-13.

Vato voapaika lehibe sady lafo vidy no nataon’i Solomona fototry ny tempoly. Sarobidy amin’Andriamanitra koa ny vato fototry ny “trano ara-panahy.” I Jesosy mihitsy no vato fehizoro, ary ny apostoly sy ny mpaminany kristianina no fototra. Ny Kristianina voahosotra kosa no “vato velona” arafitra eo ambony, mba ho tonga “toerana honenan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanahiny.” I Jehovah no mifidy ny “vato” rehetra amin’io trano ara-panahy io.​—1Pe 2:4-6; Ef 2:19-22; jereo VATO FEHIZORO.

Vatosoa koa ireo vato fototra 12 iorenan’i Jerosalema Vaovao, ary misy ny anaran’ny apostoly 12 nofidin’ny Zanak’ondry. (Ap 21:14, 19, 20) Tsy iza ilay Jerosalema Vaovao fa ireo 144 000 na ny ampakarina. Misy 144 001 kosa no anisan’ilay “Jerosalema any an-danitra” (He 12:22), satria miampy an’ilay “iray” dia ilay Mpanjaka mpampakatra. Io ilay tanàna manana fototra tena izy nandrasan’i Abrahama. (He 11:10) Saika mitovy àry ilay “Jerosalema any an-danitra” sy ilay Jerosalema Vaovao, rehefa jerena ny bokin’ny Hebreo sy Apokalypsy.

Mpiasa Tena Mahay teo anilan’ny Rainy i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy, ka niaraka taminy nametraka ny fototry ny Tany. Fantatr’i Jesosy àry fa tokony ho mafy ny fototra, ka izany no antony nilazany fanoharana momba ilay lehilahy malina nihady lalina vao nandatsaka ny fototry ny tranony teo ambony vatolampy, sy ilay lehilahy adala nanorina ny tranony teo ambony fasika ka nahita loza. (Oh 8:29, 30; Mt 7:24-27; Lk 6:47-49) Toy ny manorina trano koa ny manampy olona ho lasa Kristianina, hoy i Paoly, ka tsy ho matiantoka izy raha fitaovana tsy mety may no anorenany eo ambonin’ny fototra, dia i Jesosy Kristy.​—1Ko 3:10-15.

Toy ny fototra koa ny fampianarana ara-baiboly sasany. Nampirisihin’i Paoly handroso haingana ho amin’ny fahamatorana àry ny Hebreo, fa tsy hianina fotsiny amin’ny fampianarana fototra momba an’i Kristy.​—He 6:1, 2; jereo TANY; TRANO.