Gada
[Tsara Vintana].
1. Zanakalahin’i Jakoba tamin’i Zilpa mpanompovavin’i Lea. I Zilpa koa no niteraka an’i Asera, zandrin’i Gada. Hoy i Lea, rehefa teraka tany Padana-arama i Gada, tamin’ny 1770 T.K.: “Tsara vintana aho!” (Ge 30:9-13; 35:26) Nataony hoe Gada àry ny anaran’ilay zaza. Indroa i Gada no niaraka tamin’ireo rahalahiny mba hitady sakafo tany amin’i Josefa tany Ejipta. (Ge 42:3; 43:15) Efa 42 taona teo ho eo izy rehefa nifindra tany Ejipta, niaraka tamin’i Jakoba rainy, izy sy ny ankohonany, tamin’ny 1728 T.K. (Ge 46:6, 7, 16) Rehefa ho faty i Jakoba, 17 taona tatỳ aoriana, dia nitso-drano an’ireo zanany 12 lahy izy. Hoy izy: “Hisy mpandroba hanafika an’i Gada, nefa izy hanafika ny vodilaharan’ireny.”—Ge 49:1, 2, 19.
2. Ilay foko avy amin’ireo zanakalahy fito naterak’i Gada. Nisy 45 650 ny miaramilan’ilay foko, tamin’ny taona faharoa taorian’ny Fanafahana ny Israelita avy Tany Ejipta. (Ge 46:16; No 1:1-3, 24, 25) Tao anatin’ny fizarana nisy ny fokon’i Robena sy Simeona ny fokon’i Gada. Teo atsimon’ny tranolay masina ilay foko no nitoby. (No 2:10-16) Ny fizarana nisy ny fokon’i Joda no niainga voalohany, rehefa nifindra lasy ny Israelita. Nanaraka azy ny Levita taranak’i Gersona sy Merary, izay mpitondra ny tranolay. Ny fizarana nisy ny fokon’i Gada kosa no niainga taorian’izay. I Eliasafa zanak’i Doela no mpiadidy tao amin’ny tafik’ilay foko. (No 10:14-20) Lasa 40 500, izany hoe nihena 5150, ny miaramilan’ny fokon’i Gada, rehefa nifarana ny dia tany an-tany efitra.—No 26:15-18.
Faritany. Mpiompy toa an’ireo razambeny ny lehilahy tao amin’ny fokon’i Gada. (Ge 46:32) Izany no antony nangatahan’izy ireo ny faritra atsinanan’i Jordana, satria tsara ho an’ny biby fiompy izy io. Neken’i Mosesy ny hanome an’ilay faritra ho an’ny fokon’i Gada sy Robena ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, izay nanana biby fiompy maro be koa. Izao anefa: Tsy maintsy nanampy an’ireo foko hafa mba handresy ny faritra andrefan’i Jordana izy ireo. Nanaiky avy hatrany hanao izany izy ireo, ary nandefa an’ireo miaramila tokony ho anjarany, rehefa avy nanorina vala ho an’ny biby fiompiny sy tanàna ho an’ny zanany madinika. Niampita an’i Jordana ireo miaramila ireo mba hiady, ka haka an’ilay tany. (No 32:1-36; Js 4:12, 13) Ny Amorita no nipetraka tao amin’ny faritanin’i Gada. Resin’ny Israelita notarihin’i Mosesy anefa izy ireo.—No 32:33; De 2:31-36; 3:8-20.
Faritanin’i Gada avokoa ny ankamaroan’ny lemaka iva nanamorona ny ilany atsinanan’ny Reniranon’i Jordana, ary tonga hatrany akaikin’ny Ranomasina Maty any atsimo izany. Tany akaikin’ny Ranomasin’i Kinereta kosa ny sisin-taniny avaratra. Faritaniny koa ny lembalemba avo, anisan’izany ny lohasaha falehan-driakan’i Jaboka. Tao amin’ny anjara lovan’i Gada àry ny ampahany lehibe tamin’i Gileada. (De 3:12, 13) Ny faritanin’i Manase no teo avaratra ary ny an’i Robena no teo atsimo.—Js 13:24-28.
Nomen’i Josoa anjara tamin’ny zavatra azo babo ny fokon’i Gada, rehefa resy ilay tany. Nalefany nody izy ireo, avy eo. Taorian’izay, dia nanorina alitara lehibe niaraka tamin’ny fokon’i Robena sy Manase izy ireo, teo akaikin’i Jordana. Taitra ireo foko hafa, nefa tony ihany rehefa nohazavaina taminy ny antony nanorenana an’ilay alitara. Ho vavolombelona izy io fa hanompo an’i Jehovah irery ihany izy ireo, toa an’ireo foko hafa tany andrefan’i Jordana. Antoka àry ilay alitara fa tsy nisy fisarahana teo amin’ny foko tany andrefan’i Jordana sy ny tany atsinanany.—Js 22:1-34.
Nifanaraka tamin’ny tsodranon’i Jakoba ho an’i Gada ireo zava-nitranga rehetra ireo. Hoy mantsy i Jakoba: “Hisy mpandroba hanafika an’i Gada, nefa izy hanafika ny vodilaharan’ireny.” (Ge 49:19) Tsy natahotra ny Gadita, na dia mora nitsofohan’ny mpandroba aza ny ilany atsinanana tamin’ny faritaniny. Tsy te hiady mba hahazoana an’i Kanana ve izy ireo matoa nifidy an’ilay faritra avo tany atsinanana? Tsy izany mihitsy, satria toy ny baiko ilay tenin’i Jakoba tamin’i Gada mba ho sahy hamely an’izay nandroba azy sy niditra tao amin’ny taniny. Nanafika an’ireo nanafika azy tokoa ny Gadita ka nampandositra azy ireny. Nenjehiny ny vodilaharan’ireny avy eo.
Niresaka toetra tsaran’i Gada koa i Mosesy, rehefa nilaza hoe: “Mahazo fitahiana ilay manitatra ny sisin-tanin’i Gada. Honina tahaka ny liona izy, sady hamiravira sandry, eny, hatramin’ny tampon-doha aza. Ary hifidy ny ampahany tsara indrindra izy, satria teo no voatokana ho anjarany, avy tamin’ny mpamoaka lalàna. Hiangona ireo lohandohany eo amin’ny vahoaka. Tena hampihatra ny fahamarinan’i Jehovah sy ny didim-pitsarany amin’ny Israely izy.”—De 33:20, 21.
Anisan’ny tanàna natokan’i Mosesy ho tanàna fialokalofana i Ramota any Gileada, tao amin’ny faritanin’i Gada. (De 4:41-43) Tao amin’io faritany io koa ny tanàna hafa an’ny Levita, izany hoe i Mahanaima sy Hesbona ary Jazera. (Js 21:38, 39) Nisy tanàna maromaro naorin’ny Gadita indray rehefa azon’izy ireo ilay faritany. Anisan’ireny i Dibona, izay nahitana an’ilay vato malaza hoe Vato Moabita, tamin’ny 1868.—No 32:1-5, 34, 35.
Nanampy an’i Davida ny fokon’i Gada. Tamin’i Davida mbola tsy afaka nivezivezy noho ny amin’i Saoly, dia nisy lehilahy vitsivitsy, lehiben’ny tafika tao amin’ny fokon’i Gada, niampita ny Reniranon’i Jordana mba hiandany taminy tany Ziklaga, tany Joda. Tondraka anefa io renirano io tamin’izay. Voalaza fa “lehilahy matanjaka sy mahery fo izy ireo, ary miaramila zatra ady, ary efa vonona foana hampiasa ampinga lehibe sy lefona. Toy ny liona no fahitana ny endriny ary haingam-pandeha toy ny gazela eny an-tendrombohitra izy. ... Ny kely indrindra aminy naharesy miaramila zato, ary ny lehibe indrindra naharesy arivo.” (1Ta 12:1, 8-15) Niady tamin’ny Hagarita sy ny mpiray dina taminy ny Gadita, ary izao no voalaza momba azy ireo (sy ny fokon’i Robena sy Manase): “Niantso vonjy tamin’Andriamanitra ... izy ireo tamin’ilay ady, ka nohenoiny ny fitalahoany satria natoky azy izy ireo.” Nahazo babo maro be sy biby fiompy be dia be izy ireo, vokatr’izany.—1Ta 5:18-22.
Nanaraka an’i Jeroboama. Niaraka tamin’ilay fanjakana tany avaratra nentin’i Jeroboama ny fokon’i Gada, rehefa nizara ny firenen’Israely. Taona vitsivitsy tatỳ aoriana, tamin’ny andron’i Jeho, dia “nanomboka nampisaratsaraka ny Israely i Jehovah.” Anisan’ny toerana nitrangan’ny ady ny faritanin’i Gada, rehefa niady tamin’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra i Syria. Mora nitsofohana mantsy ny sisin-tanin’izy ireo tany atsinanana. (2Mp 10:32, 33) Resin’i Tiglato-pilesera III, mpanjakan’i Asyria, i Gada tamin’ny farany, ka nentiny ho babo ny mponina tao. Nalain’ny Amonita ny faritanin’i Gada, taorian’izay.—2Mp 15:29; 1Ta 5:26; Je 49:1.
Hitan’i Ezekiela, tao amin’ny fahitana momba ny fizarana ny tanin’ny Israely, fa ny faritany tany atsimo indrindra no nomena ny fokon’i Gada. (Ezk 48:27, 28) Fahatelo ny fokon’i Gada ao amin’ny lisitr’ireo fokon’ny Israely, ao amin’ny Apokalypsy toko faha-7.
3. Mpaminany sady mpahita fahitana. Nanoro hevitra an’i Davida izy mba hiverina tany Joda, rehefa nandositra an’i Saoly i Davida, ka nipetraka tany amin’ny ‘toerana sarotra naleha’ tao amin’ilay lava-bato tao Adolama. (1Sa 22:1-5) Nanao fanisam-bahoaka i Davida, tamin’ny faramparan’ny fotoana nanjakany, na dia tsy nahazo alalana hanao izany aza. Nilaza taminy àry i Gada fa misy sazy telo nasain’i Jehovah nisafidianany. I Gada koa no nanoro hevitra an’i Davida, tatỳ aoriana, mba hanorina alitara ho an’i Jehovah teo amin’ny famoloan’i Araona (Ornana). (2Sa 24:10-19; 1Ta 21:9-19) Anisan’ireo nandamina an’ireo mpitendry zavamaneno tao amin’ny toerana masina koa i Gada. (2Ta 29:25) I Natana sy Gada no heverin’ny maro hoe namarana ny fanoratana ny Samoela Voalohany sy nanoratra ny Samoela Faharoa manontolo.—1Ta 29:29.