Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gadareanina

Gadareanina

(Gadareànina) [An’i Gadara].

Anaran’ny mponina tany amin’ny toerana iray nanasitranan’i Kristy Jesosy lehilahy roa nisy demonia. “Faritra nisy ny Gadareanina” no niantsoan’i Matio an’ilay toerana, fa i Marka sy Lioka kosa niantso azy io hoe “faritra nisy ny Gerasianina.” Izany no hita ao amin’ny sora-tanana azo antoka indrindra mbola misy hatramin’izao.​—Mt 8:28; Mr 5:1; Lk 8:26.

Voalaza fa samy “teny ampita”, tany atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia, no nisy an’ireo faritra ireo. Ilay anarana hoe “faritra nisy ny Gadareanina” dia mety ho nilazana ny faritra nanodidina ny tanànan’i Gadara (Omm Keis ankehitriny), tokony ho 10 km any atsimoatsinanan’ny Ranomasin’i Galilia. Misy sarina sambo ny vola madinika tany Gadara. Asehon’izany fa mety ho tonga hatrany amin’ny Ranomasin’i Galilia ilay nantsoina hoe faritra nisy ny Gadareanina, ka mety ho tafiditra tamin’izany ny ampahany tamin’ny “faritra nisy ny Gerasianina”, tany atsinanan’ilay ranomasina. Misy manam-pahaizana miombon-kevitra amin’izany, ka milaza ny “faritra nisy ny Gerasianina” ho ilay faritra manodidina ny tanànan’i Kursi, any akaikin’ny morontsiraka atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia, ary tokotokony ho 19 km any avaratr’i Gadara. Misy mihevitra anefa fa ny “faritra nisy ny Gerasianina”, dia mety ho ny faritra midadasika manodidina ny tanànan’i Gerasa (Jerash) tokony ho 55 km any atsimo atsimoatsinanan’ny Ranomasin’i Galilia. Milaza izy ireo fa tonga hatrany atsinanan’ilay farihy io faritra io, ka tafiditra tao anatiny ny “faritra nisy ny Gadareanina.” Na ahoana na ahoana, dia tsy mifanohitra amin’ny fitantaran’i Marka sy Lioka ny an’i Matio.

Teo akaikin’ny tanàna iray tsy voalaza anarana, tany amin’ny faritra nisy ny Gadareanina i Jesosy Kristy no nihaona tamin’ny lehilahy roa nisy demonia sady nahery setra be, izay nonina teny amin’ny fasana (vatolampy nolavahana na lava-bato voajanahary). Rehefa namoaka an’ireo demonia i Jesosy, dia navelany hankao amin’ny andian-kisoa izy ireo. Nirifatra nankeny amin’ny hantsana ireo kisoa ka maty an-drano tao amin’ny Ranomasin’i Galilia. Natahotra ny mponina tao ka niangavy mafy an’i Jesosy hiala tao amin’ilay faritra.​—Mt 8:28-34.

Nilaza i Matio fa roa ireo lehilahy nisy demonia. Lehilahy iray ihany anefa no tena asongadin’i Marka (5:2) sy Lioka (8:27), satria angamba izy io no tena niavaka tamin’izy roa lahy. Nahery setra kokoa angamba izy io ary efa ela kokoa no nampijalin’ny demonia. Mety ho izy irery koa no te hanaraka an’ilay Zanak’Andriamanitra. Tsy navelan’i Jesosy hanaraka azy izy, fa nasainy nitantara tamin’ny hafa kosa izay nataon’Andriamanitra taminy.

Tsy mahazatra izany, satria matetika no tsy navelan’i Jesosy niteniteny ireo nanaovany fahagagana. Tsy tia sehoseho mantsy izy, fa tiany kokoa raha porofo mavesa-danja no mahatonga ny olona hino azy ho Kristy, fa tsy noho ny zavatra hafakely henony. Tanteraka àry ny faminanian’i Isaia hoe: “Tsy hifanditra amin’olona izy, na hiantso mafy, ary tsy hisy handre ny feony eny an-dalambe.” (Mt 12:15-21; Is 42:1-4) Toa nety anefa ilay zavatra naningana nasainy nataon’ilay lehilahy nisy demonia taloha. Afaka nitory tamin’ireo olona tany amin’ilay faritra mantsy izy. Tsy afaka nanao izany kosa ilay Zanak’Andriamanitra satria nasain’ny olona niala tany. Ilay lehilahy no porofo velona fa manan-kery hanao soa i Jesosy, ka izany dia hampangina an’ireo te hanaratsy azy noho ny nahafatesan’ireo andian-kisoa.​—Mr 5:1-20; Lk 8:26-39; jereo KISOA.