Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gadera

Gadera

(Gadèra).

1. [Tamboho Vato]. Tanàna tany Kanana. Anisan’ireo mpanjaka 31 resin’i Josoa ny mpanjaka tao. (Js 12:13) Lazain’ny Josoa 12:7, 8 fa tany ampita andrefan’i Jordana no nisy an’i Gadera, ary mety ho tao amin’ny faritr’i Sefela izy io matoa voatonona manarakaraka an’i Debira. Mety ho i Gadera ihany ilay Beti-gadera resahin’ny 1 Tantara 2:51. Tsy fantatra anefa ny tena toerana nisy azy. Mety ho avy any amin’ity Gadera ity, na ny No. 2, i Bala-hanana Gaderita, ilay niandraikitra ny sahan’oliva sy ny aviavidia tany Sefela, tamin’ny andron’i Davida.​—1Ta 27:28.

[2, 3: Vala Vato]

2. Tanàna tany Sefela nomena ny fokon’i Joda. (Js 15:20, 33, 36) Maro no mihevitra an’i Gadera ho i Jedireh (Gedera), tokotokony ho 22 km any andrefana avaratrandrefan’ny toerana voalaza fa nisy an’i Estaola. Nalaza ho mpanefy tanimanga ny olona sasany tao.​—1Ta 4:23.

3. Toa anaran-toerana tao amin’ny faritanin’i Benjamina, ary toerana niavian’i “Jozabada Gaderatita.” (1Ta 12:1, 2, 4) Misy mpahay jeografia mihevitra azy io ho i Jodeira, tokotokony ho 1,5 km any avaratratsinanan’i Gibeona.