Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gadra Hazo

Gadra Hazo

Fitaovana fangejana ny vozona sy tanan’izay voasazy naseho vahoaka mba hesoin’ny olona. Nadika avy amin’ny teny hebreo hoe tsinôk ny hoe “gadra hazo.”​—Je 29:26.

Nanoratra ho an’ny mpisorona tao Jerosalema i Semaia mpaminany sandoka tany an-tsesitany tany Babylona, mba hiteny mafy an’i Jeremia sy hangeja azy amin’ny gadra hazo.