Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Gala

Gala

(Gàla) [mety hidika hoe Maharikoriko; Ankahalaina].

Zanakalahin’i Ebeda. Nankany Sekema izy sy ny rahalahiny, ary natoky azy ny mponina tao. (Mpts 9:26) Nanohana an’i Abimeleka ny mponina tao talohan’izay mba hamono ny zanakalahin’i Jerobala (Gideona), ary nataon’izy ireo mpanjaka i Abimeleka avy eo. (Mpts 9:1-6) Toa i Zebola no andriana napetrak’i Abimeleka tao, fa izy kosa nipetraka tany Aroma. Lasa tsy nifankahazo i Abimeleka sy ny mponina tao Sekema. Nampirisihin’i Gala sy ny rahalahiny hikomy tamin’i Abimeleka àry ilay tanàna. Ren’i Zebola izany, ka nampitondra hafatra tany amin’i Abimeleka izy. Nanome soso-kevitra mihitsy aza izy ny amin’izay tokony hatao. Raikitra ny ady, ka resin’i Abimeleka Mpanjaka i Gala sy ireo niaraka taminy, ary nandositra niverina tany Sekema. Noroahin’i Zebola hiala tao Sekema i Gala sy ny rahalahiny, tamin’ny farany.​—Mpts 9:22-41.