Galatia
(Galatìa).
Faritany romanina teo afovoan’ilay faritra antsoina ankehitriny hoe Azia Minora. Ireto avy ny faritany romanina nanodidina azy: Kapadokia teo amin’ny ampahan’ny sisin-tany atsinanana, Bitynia sy Ponto teo avaratra, Azia teo andrefana, ary Pamfylia teo atsimo. (1Pe 1:1) Lembalemba teo afovoan-tany izy io, ka ny Tendrombohitra Taurus no teo atsimony ary ireo tendrombohitr’i Paflagonia no teo avaratra. Teo amin’ny ilany avaratra afovoany no nisy ny tanànan’i Ancyre (Ankara, renivohitr’i Torkia ankehitriny). Mamakivaky an’io faritra io ny tapany afovoany amin’ny Reniranon’i Halys (Kizil Irmak ankehitriny). Ao koa no misy ny faritra avo lalovan’ny Reniranon’i Sangarius (Sakarya). Samy mivarina ao amin’ny Ranomasina Mainty ireo renirano ireo. Niovaova be ny sisin-tanin’i Galatia sy ny fitondrana nifehy azy io nandritra ny taona maro (400 taona mahery, isaina nanomboka tamin’ny taonjato fahatelo T.K.).
Tamin’ny 278-277 T.K. tany ho any, dia maro be ny Selta na Gôloa avy any Gaule niampita an’i Bosphore ary nifindra monina tao. Ireny mpifindra monina ireny no nantsoin’ny Grika hoe Galatai (io no niavian’ny anaran’ilay faritra). Nentin’izy ireo ny vady aman-janany, ary toa tsy nety nanambady olona efa nonina teo izy ireo, ka voahazony nandritra ny taonjato maro ny zavatra nampiavaka ny firazanany. Nataon’ny Fanjakana Romanina saribakoly i Amyntas mpanjaka farany teo amin’izy ireo (maty tamin’ny 25 T.K.), ary tamin’izany fotoana izany sy taorian’izay no nitarina ilay faritra nantsoina hoe Galatia ka lasa anisan’izy io ny ampahany tamin’i Lykaonia, Pisidia, Paflagonia, Ponto, ary Frijia. Tany amin’io Galatia efa nitarina io no nitory ny apostoly Paoly sy ireo Kristianina hafa mpitory ny vaovao tsara, tamin’ny taonjato voalohany. Maro ny olona liana ka vetivety dia nisy fiangonana kristianina tany.—As 18:23; 1Ko 16:1.
Samy nanoratra taratasy ho an’ireo fiangonana kristianina tany amin’ny faritanin’i Galatia i Paoly sy Petera. (Ga 1:1, 2; 1Pe 1:1) Tsy voalaza raha ireo fiangonana naorin’i Paoly sy Barnabasy ihany ireo. Ireto avy ny tanànan’i Galatia notsidihin’i Paoly sy Barnabasy: Antiokia any Pisidia, Ikonioma, Lystra, ary Derbe. (As 13:14, 51; 14:1, 5, 6) Rehefa niverina tany amin’ireo rahalahy tany Antiokia any Syria izy roa lahy dia notantarainy hoe ahoana no “nanokafan’Andriamanitra ny varavaran’ny finoana ho an’ny hafa firenena” tany amin’ireny faritra ireny sy tany an-toeran-kafa koa. (As 14:27) Hafakely ny zava-nitranga tamin’izy ireo tany Lystra. Vao avy nositranin’i Paoly ny lehilahy iray nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny, izay mbola tsy nandeha mihitsy. Tampoka teo dia niantsoantso tamin’ny fiteny lykaonianina ny vahoaka hoe: “Nanjary nitovy amin’ny olombelona ny andriamanitra, ary efa nidina atỳ amintsika!” I Barnabasy nantsoiny hoe Zeosy fa i Paoly kosa Hermesy. Nihevitra azy ireo ho andriamanitra ny vahoaka ka nikasa hanao sorona ho azy ireo. Saika tsy voasakan’izy ireo ny vahoaka.—As 14:8-18.
Maro ny Galatianina nanaiky ny Fivavahana Kristianina rehefa avy nitoriana. Anisan’izy ireny, ohatra, i Timoty sy Gaio, izay samy lasa mpianatr’i Kristy. (As 16:1; 20:4) Natoron’i Paoly an’ireo fiangonana tany Galatia ny fomba hanaovana fanomezana ho an’ireo mahantra tao amin’ny Tompo.—1Ko 16:1, 2; Ga 2:10.