Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Galatianina, Taratasy ho An’ny

Galatianina, Taratasy ho An’ny

Taratasy nosoratan’ny apostoly Paoly (teo ambany fitarihan’ny fanahy) tamin’ny teny grika ‘ho an’ireo fiangonana tany Galatia.’​—Ga 1:1, 2.

Mpanoratra. Resahin’ny Galatianina 1:1 fa i Paoly no mpanoratra. Mbola miverina ao amin’ilay boky ny anarany, rehefa nilaza izy hoe: “Izaho Paoly.” (5:2) Notantarainy ny niovany ho Kristianina sy ny zavatra sasany niainany. Noresahiny koa ny momba ny tsy fahasalamany. (4:13, 15) Toa miresaka momba izany koa ny boky hafa ao amin’ny Baiboly. (2Ko 12:7; As 23:1-5) Mpitan-tsoratra matetika no nanoratra an’ireo taratasiny, afa-tsy ilay ho an’ny Galatianina izay nosoratan’ny ‘tanany’, hoy izy. (Ga 6:11) Nanao mampamangy foana izy sy ireo niaraka taminy, afa-tsy tao amin’ity taratasy ity sy ny hafa vitsivitsy. Raha mpisandoka ilay mpanoratra, dia azo inoana fa ho nilaza anarana mpitan-tsoratra izy sady ho nanao mampamangy, toy ny efa fanaon’i Paoly. Niteny mivantana anefa i Paoly hoe izy no mpanoratra, ary niresaka tamim-pahatsorana ny momba ny tenany izy. Izy tokoa àry no mpanoratra fa tsy olon-kafa.

Misy olona tsy manaiky hoe i Paoly no nanoratra an’io taratasy io sy ny taratasy hafa rehetra heverina fa nosoratany. Maro anefa ny porofo ivelan’ny Baiboly manamarina fa izy no nanoratra azy io. Anisan’izany ny nilazan’i Irénée (t. 180) fa nosoratan’i Paoly ny teny nalainy tao amin’ny Galatianina.

Ireo olona nanoratana azy. Niadian-kevitra hatry ny ela ny hoe iza avy ‘ireo fiangonana tany Galatia’ (Ga 1:2) nanoratan’i Paoly. Misy milaza fa fiangonana tsy voatonona anarana tany amin’ny faritra avaratr’i Galatia izy ireo. Ny mponina tany mantsy, hono, no tena Galatianina, fa tsy ireo tany amin’ny faritra atsimo. Matetika anefa i Paoly no nampiasa an’izay anarana ofisialy niantsoan’ny Romanina an’ireo faritany tamin’izany. Tao amin’ny faritanin’i Galatia tamin’ny androny i Ikonioma, Lystra, ary Derbe izay samy tanàna tany Lykaonia tany atsimo, ary Antiokia, tanàna tany Pisidia. Nanorina fiangonana tany amin’ireo tanàna rehetra ireo i Paoly, rehefa nitory voalohany tany izy sy Barnabasy. Ireo fiangonana tany Ikonioma, Lystra, Derbe ary Antiokia any Pisidia no nandefasan’i Paoly an’ilay taratasy, satria toa fantatr’ireo fiangonana ireo i Barnabasy matoa notononiny tao. (2:1, 9, 13) Tsy resahin’ny Baiboly koa hoe nahafantatra an’i Barnabasy ny Kristianina tany amin’ny faritra avaratr’i Galatia na hoe efa nandeha tany i Paoly.

Tsy voatery ho nieritreritra olona (taranaka Gôloa) tany avaratr’i Galatia i Paoly rehefa niteny hoe: “Ry Galatianina tsy misaina.” (Ga 3:1) Ny Kristianina sasany teo anivon’ireo fiangonana kosa no nanariny. Narahin’izy ireo mantsy ny hevitr’ireo nifikitra tamin’ny Fivavahana Jiosy izay nanizingizina hoe ny fanarahana ny Lalàna fa tsy ny finoana (takina amin’ireo ao anatin’ny fifanekena vaovao) no hanambarana ny olona iray “ho marina.” (2:15–3:14; 4:9, 10) Jiosy sy tsy Jiosy no anisan’ireo ‘fiangonana tany Galatia.’ (1:2) Nisy tamin’ireo tsy Jiosy ireo efa nanaraka ny Fivavahana Jiosy sy noforana taloha, nisy kosa tsy noforana, ary nisy koa taranaka Selta. (As 13:14, 43; 16:1; Ga 5:2) Nantsoin’i Paoly hoe Galatianina daholo ireo Kristianina ireo, satria Galatia no anaran’ny faritra nisy azy ireo. Olona tany atsimon’i Galatia ary fantatr’i Paoly tsara àry no nanoratany, fa tsy olona tany avaratra izay sady tsy fantany no toa mbola tsy notsidihiny mihitsy.

Fotoana nanoratana azy. Tsy fantatra hoe naharitra hafiriana ireo zava-nitranga noresahin’ilay boky. Mety ho teo anelanelan’ny taona 50 sy 52 anefa ny fotoana nanoratana azy. Toa efa indroa, fara fahakeliny, i Paoly no nitsidika an’i Galatia, talohan’ny nanoratany an’ilay taratasy. (Ga 4:13) Nitsidika an’ireo tanàna tany atsimon’i Galatia mantsy izy sy Barnabasy, teo anelanelan’ny taona 47 sy 48 tany ho any. (As 13; 14) Tany Jerosalema i Paoly tamin’ny taona 49 tany ho any, rehefa nalamina tany ilay adihevitra momba ny famorana. Avy eo dia niverina tany Derbe sy Lystra tany Galatia izy sy Silasy, ary koa tany amin’ireo tanàna hafa efa ‘nitorian’izy sy Barnabasy ny tenin’i Jehovah’ (As 15:36–16:1) tamin’ny diany misionera voalohany. Taorian’izay i Paoly no nahare vaovao momba an’ireo ‘fiangonana tany Galatia’, ka voatery nanoratra ho azy ireo. Nanao ny diany misionera faharoa izy tamin’izay, na efa tafody tany Antiokia any Syria.

Nijanona herintaona sy tapany tao Korinto (As 18:1, 11) i Paoly. Mety ho tamin’izay izy no nanoratra an’ilay taratasy, izany hoe teo anelanelan’ny taona 50 sy ny fiandohan’ny taona 52 tany ho any. Tamin’izay koa izy no nanoratra an’ireo taratasy ho an’ny Tesalonianina.

Mety ho tamin’ny taona 52 tany ho any koa anefa izy no nanoratra an’ilay izy, tamin’izy nijanona vetivety tao Efesosy na tamin’izy tafaverina tany Antiokia any Syria ka “nijanona tao kelikely.” (As 18:22, 23) Tsy azo inoana anefa hoe tao Efesosy izy no nanoratra satria vetivety fotsiny izy no tao. Akaiky an’i Galatia koa i Efesosy, ka mety ho naleony mihitsy nankany na mety ho nohazavainy tao amin’ilay taratasy hoe nahoana izy no tsy afaka nitsidika tany tamin’izay.

Tsy ela taorian’ny nitsidihany tany angamba izy no nanoratra an’ilay taratasy, matoa izy nilaza hoe: “Izao sahady ianareo dia efa miala amin’Ilay niantso anareo.” (Ga 1:6) Na atao aza hoe efa tamin’ny taona 52 (tany Antiokia any Syria) izy no nanoratra, dia hita ihany hoe vetivety loatra izy ireo dia niala tamin’ny fahamarinana.

Ekena ho anisan’ny Soratra Masina. Maro ny porofo fa efa hatry ny ela no nekena ho anisan’ny Soratra Masina ny bokin’ny Galatianina. Voatonona miaraka amin’ireo boky 26 hafa ao amin’ny Soratra Grika Kristianina na ny ankamaroany, ohatra, izy io ao amin’ny Ampahana Kôdeksa Hitan’i Muratori sy ireo asa soratr’i Irénée, Clément avy any Aleksandria, Tertullien, ary Origène. Anisan’ireo boky vitsivitsy monja neken’i Marcion (mpitsikera) ho anisan’ny Baiboly izy io. I Celse (filozofa) koa niresaka tsy mivantana momba azy io, na dia fahavalon’ny Fivavahana Kristianina aza izy. Tao anatin’ireo lisitry ny boky nekena ho anisan’ny Soratra Masina izy io hatramin’ny taona 397, fara faharatsiny, izay taona nanaovana ny Konsily Fahatelon’i Carthage. Mbola hita ao amin’ny sora-tanana Papyrus Chester Beatty No. 2 (P46) natao tamin’ny taona 200 tany ho any izy io, miaraka amin’ny taratasy valo nosoratan’i Paoly. Porofo izany fa neken’ny Kristianina voalohany hoe nosoratan’i Paoly ny bokin’ny Galatianina. Hita ao amin’ny sora-tanana tranainy hafa koa io boky io, toy ny ao amin’ny Sinaiticus, Alexandrinus, Vaticanus No. 1209, Kôdeksa Ephraemi rescriptus, Kôdeksa Claromontanus, ary Peshitta syriàka. Mifanaraka tanteraka amin’ny boky hafa nosoratan’i Paoly sy ny boky ao amin’ny Baiboly nakany teny matetika koa izy io.

Antony nanoratana azy. Resahin’ilay taratasy ny toetra maro nampiavaka ny olona tany Galatia, tamin’ny andron’i Paoly. Nanjaka tany ny kolontsaina selta. Nandresy sy nibodo an’ilay faritra mantsy ny Selta na Gôloa avy any avaratra, tamin’ny taonjato fahatelo T.K. Noheverina ho lozabe sy nahery setra ny Selta, ary nataony sorona, hono, ireo babo an’ady. Be fihetseham-po sy ninonino foana ary nanao fombafomba be koa izy ireo, hoy ny asa soratra romanina. Azo inoana àry fa tsy tena nahaliana azy ny Fivavahana Kristianina, izay tsy nisy fombafomba firy.

Lasa anisan’ireo fiangonana tany Galatia ny sasany tamin’ireny mpanompo sampy ireny, sy ny olona maro nanaraka ny Fivavahana Jiosy taloha, izay mety ho mbola nanao an’ireo fombafomba sy zavatra notakin’ny Lalàn’i Mosesy. Mora niovaova anefa ny Galatianina taranaka Selta. Tsy mahagaga àry raha nafana fo nanaraka ny fahamarinana ny sasany teo anivon’ireo fiangonana, nefa vetivety teo indray dia voatarik’ireo mpanohitra ny fahamarinana. Mbola nifikitra tamin’ny Lalàna sy nanizingizina ireo mpanohitra fa tsy maintsy forana sy manao izay takin’ny Lalàna ny olona vao ho voavonjy.

Nifikitra tamin’ny Fivavahana Jiosy ireo fahavalon’ny fahamarinana. Toa mbola notohiziny foana ilay adihevitra momba ny famorana, na dia efa nalamin’ny apostoly sy ny anti-panahy tany Jerosalema aza ilay izy. Toa lasa ratsy fitondran-tena toa an’ireo olona tao Galatia koa ny Kristianina sasany, rehefa jerena ny Galatianina toko faha-5 andininy faha-13 ka hatramin’ny faran’ilay taratasy. Na ahoana na ahoana, dia nanoratra an’ilay taratasy i Paoly, raha vao nahare hoe nisy niala tamin’ny fahamarinana. Nanome torohevitra mivantana sy fampaherezana izy. Tiany hohamafisina koa fa apostoly ny tenany. Te hanohitra ny fampianaran-dison’ireo nifikitra tamin’ny Fivavahana Jiosy koa izy, ary te hampahery an’ireo fiangonana tany Galatia.

Fetsifetsy sy nihatsaravelatsihy ireo nifikitra tamin’ny Fivavahana Jiosy. (As 15:1; Ga 2:4) Solontenan’ny fiangonan’i Jerosalema, hono, izy ireo, ka nolazainy fa tsy apostoly i Paoly. Tian’izy ireo hoforana koa ny Kristianina. Tsy nitady izay hahasoa ny Galatianina anefa izy ireo fa nila ranondranony tamin’ny Jiosy, mba tsy hanenjehana azy ireo noho ny amin’i Kristy.​—Ga 6:12, 13.

Nilaza àry izy ireo fa tsy i Kristy Jesosy no nanendry mivantana an’i Paoly, fa ny mpiandraikitra sasany teo anivon’ny fiangonana fotsiny. (Ga 1:11, 12, 15-20) Tian’izy ireo hanaraka ny fampianarany fa tsy ny an’i Paoly ny Galatianina (4:17), ka nolazain’izy ireo fa tsy apostoly i Paoly. Nitory momba ny famorana, hono, i Paoly, rehefa noheveriny fa nilaina izany. (1:10; 5:11) Nitady hampifangaro ny Fivavahana Kristianina sy ny Fivavahana Jiosy izy ireo. Tsy nolavin’izy ireo tanteraka i Kristy, nefa nolazainy koa fa hahasoa an’ireo Galatianina nanaraka ny Fivavahana Kristianina ny famorana. Ho lasa zanak’i Abrahama (izay nanaovana ny fifanekena momba ny famorana) koa, hono, ny Galatianina amin’izay.​—3:7.

Noporofoin’i Paoly fa diso ny fiampangan’ireo Kristianina sandoka ireo. Nampahereziny koa ireo rahalahy tany Galatia mba ho mafy orina ny finoany an’i Kristy. Nifikitra tamin’i Kristy tokoa ireo fiangonana tany Galatia, ary andry ho an’ny fahamarinana. Nitsidika azy ireo i Paoly tamin’ny diany misionera fahatelo. (As 18:23) Nanoratra ho azy ireo koa ny apostoly Petera, rehefa nanoratra ny taratasiny voalohany.​—1Pe 1:1.

[Efajoro, pejy 997]

HEVITRA MISONGADINA: GALATIANINA

Taratasy manasongadina ny fankasitrahana ny nanafahan’i Jesosy Kristy ny tena Kristianina

Nosoratana herintaona na angamba taona vitsivitsy taorian’ny nampahafantarana ny Galatianina ny fanapahan-kevitry ny filan-kevi-pitantanana hoe tsy takina amin’ny Kristianina ny famorana

Nohamafisin’i Paoly fa apostoly izy

Tsy olona no nanendry an’i Paoly ho apostoly, fa i Jesosy Kristy sy ny Ray; tsy naka hevitra tamin’ny apostoly tany Jerosalema izy talohan’ny nitoriany ny vaovao tsara; efa telo taona taorian’izay izy vao nitsidika vetivety an’i Kefasy sy Jakoba (1:1, 13-24)

Tsy avy tamin’olona ny vaovao tsara notoriny, fa nahariharin’i Jesosy Kristy taminy (1:10-12)

Noho ny zavatra naharihary tamin’i Paoly, dia nankany Jerosalema izy sy Barnabasy ary Titosy, mba hanao tatitra mahakasika ilay adihevitra momba ny famorana; tsy nianatra zava-baovao tamin’i Jakoba sy Petera ary Jaona i Paoly; niaiky anefa izy ireo fa nomena fahefana ho apostolin’ny hafa firenena izy (2:1-10)

Noteneniny mafy i Petera tany Antiokia, satria nihatakataka tamin’ny mpino tsy Jiosy noho ny fahatahorany an’ireo rahalahy avy any Jerosalema (2:11-14)

Ny finoana an’i Kristy ihany, fa tsy ny asan’ny lalàna, no anambarana ny olona ho marina

Tsy ho nilaina ny nahafatesan’i Kristy, raha azo ambara ho marina noho ny asan’ny lalàna ny olona (2:15-21)

Noho ny finoana ny vaovao tsara, fa tsy noho ny asan’ny lalàna, no nahazoan’ny Galatianina ny fanahin’Andriamanitra (3:1-5)

Izay manam-pinoana toa an’i Abrahama no tena zanany (3:6-9, 26-29)

Voaozona izay miantehitra amin’ny Lalàna mba hanambarana azy ho marina, satria tsy afaka mankatò tanteraka ny Lalàna izy (3:10-14)

Tsy nahatonga an’ilay fifanekena tamin’i Abrahama tsy hanan-kery ny Lalàna, fa nampiharihary ny fandikan-dalàna kosa ary mpitaiza nitarika ho amin’i Kristy (3:15-25)

Olona afaka ny Kristianina ka tsy tokony hanaiky handevozina intsony

Nanafaka an’ireo teo ambanin’ny Lalàna i Jesosy Kristy rehefa nanaiky ho faty; afaka ny ho lasa zanak’Andriamanitra izy ireo (4:1-7)

Te handevozina indray ireo mbola mitandrina andro sy volana sy vanim-potoana ary taona, ka lasa toa an’i Ismaela zanak’i Hagara mpanompovavy; noroahina tsy ho anisan’ny ankohonan’i Abrahama izy sy ny reniny (4:8-31)

Efa nafahana tamin’ny ota sy ny Lalàna izy ireo, ka tsy tokony hanaiky hotaomina hitondra ny ziogan’ny fanandevozana indray (1:6-9; 5:1-12; 6:12-16)

Aza hararaotina hanaovan-dratsy ilay fahafahana, fa ekeo kosa ny fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra, manehoa ny vokatry ny fanahy, ary halaviro ny asan’ny nofo (5:13-26)

Ahitsio amim-pahalemem-panahy izay sendra manao fahadisoana; adidin’ny tsirairay anefa ny mitondra ny entany na mandray ny andraikiny (6:1-5)