Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Galbanoma

Galbanoma

(galbanòma).

Ditin’ny zavamaniry anisan’ny fianakaviamben’ny karaoty na persily any Azia, ary somary mavo na volontsôkôlà. Tsy tena fantatra hoe inona ny zavamaniry nahazoan’ny Israelita galbanoma.

Mandronono ny tahon’ilay zavamaniry, nefa azo tatahana koa mba hamoaka galbanoma izay lasa mivaingana. Anisan’ny nanaovana ny emboka manitra izay nampiasaina tao amin’ny toerana masina ihany izy io. (Ek 30:34-38) Mahery fofona izy io rehefa dorana irery, fa rehefa afangaro zava-manitra hafa kosa dia mampitombo sy mampaharitra ny fameroveron’ireny.